FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 15/1 p. 21
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Toromarika ho amin’ny fisafotofotoana
  • Fanambadiana tokana sa famporafesana?
  • Minisitra be karama
  • Fananana Vady Maro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Amin’ny ahoana no mendrika homelohina ny fampirafesana?
    Mifohaza!—1992
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Azo Atao ve ny Mampirafy?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 15/1 p. 21

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Toromarika ho amin’ny fisafotofotoana

“Teo am-piandohany ny televiziona dia tsy nilazalaza ny herisetra matetika sy araka ny tena izy toy ny ankehitriny”, hoy ny nomarihin’i Paul Wilson, avy amin’ny fikambanana aostraliana momba ny fanaovana heloka bevava. Kanefa, tamin’ny filazalazana izay heveriny ho toromarika ho amin’ny fisafotofotoana ara-tsosialy sy ny fikorontanana, dia izao no teny nanampiny: “Ankehitriny, dia mifantsitsitra avy amin’ny ratra ny ra ary hita ny olona maty ao anatin’ny fanaintainana mahatsiravina sy tsy misy farany (...) Misy zatovo nokapohina ho faty sempotra tsikelikely, ny tenda voadidy, raha mbola maka sary ny fialany aina amim-pankasitrahana ny mpanao sarimihetsika.”

Tao amin’ny lahatsoratra navoakany tao amin’ny Sydney Morning Herald, Paul Wilson dia niresaka ny amin’ny fahasahiranan’ireo mpanao gazety tamin’ny fitanana ny fahalianan’ny vahoaka ho amin’ny fanonganam-panjakana vao nitranga tsy nisy ra latsaka tany amin’ireo nosy Fidji. Inona no anton’ny fahasahiranan’izy ireo? “Fototry ny fialam-boly amin’ny andro ankehitriny ny herisetra”, hoy i Paul Wilson. Marina ny fitantaran’ny televiziona sy ny gazety, voafakafaka tamim-pitandremana sy araka ny tena izy, nefa, hoy ny fanazavany, izany dia tsy nisy “sary sy lahatsoratra manaitaitra mampiseho herisetra sy milazalaza ny amin’ny tabatabam-bahoaka”.

Izany fahataitairana amin’ny herisetra izany dia mifanitsy tsara amin’ny filazalazana ataon’ny Baiboly ny amin’ny olona velona mandritra “ny andro farany” ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny! Lazalazainy tokoa fa ny olona velona amin’izao taranaka farany masiaka indrindra izao dia “tsy manana fifehezan-tena, lozabe, tsy tia ny tsara”. — 2 Timoty 3:1, 3, MN.

Fanambadiana tokana sa famporafesana?

Tokony handray mpamporafy eo anivony ve ny Fiangonana? Mba hamaliana an’io fanontaniana io, ny Fiangonana anglikana any Ouganda dia nanendry mpihevi-draharaha mba handinika “ny famporafesana sy ny fianakaviana kristiana”. Mitantara ny sampan-draharaha amin’ny fanoratan-gazetin’ny firaisam-pinoana fa, araka ny filazan’ny mpikambana iray ao amin’io antokom-pandinihana io, ny eveka Christopher Senyonjo, dia tsy vitan’ny hoe azo ekena fa mahasoa koa ny hananana vady mihoatra ny iray. Nahoana no mihevitra toy izany io eveka io? Ny famporafesana, hoy izy, dia mety hisakana ny fielezan’ny SIDA. Afa-tsy izany koa, araka ny filazany, ny kristiana iray dia afaka mifidy ny famporafesana, ary Kristy dia “hanome tsiron-divay mamy ho an’ny fanambadiana tonta sy matsatso, na tokana ny vady na maromaro”.

Asehon’ny Baiboly mazava anefa fa Jehovah Andriamanitra, Ilay nanorina ny fanambadiana tokana, dia tsy miray hevitra amin’izany. Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.” (1 Korintiana 7:2). Taty aoriana, dia izao no nambaran’i Paoly ny amin’ny fepetra takina amin’ireo izay miandry ny andian’ondry: “Tokony tsy hanan-tsiny àry ny eveka, tsy hanam-bady afa-tsy iray ihany.” — 1 Timoty 3:2, Crampon 1905.

Noho izany, any Afrika toy ny any an-toeran-kafa, ny kristiana marina dia mihevitra ny famporafesana ho araka ny maha-izy azy, dia: fandikana ny lalàn’Andriamanitra.

Minisitra be karama

Tsy faly ireo pastoran’ny Fiangonana loteriana any Soeda satria ny karaman’izy ireo “latsaka noho ny an’ny raharaha hafa mitaky fianarana na fiofanana tsy maharitra kokoa anefa”. Araka ny filazan’ny sampan-draharaha amin’ny fifandraisana amin’ny vahoaka ao amin’ny Filan-kevitra eokimenikan’ireo Fiangonana anefa, dia mihatsara ny tarehin-javatra. Taorian’ny “fiezahana manokana naharitra sy nangidingidy ihany”, ireo pastora dia nahazo vao haingana, fihenan’ny herinandro fiasany misy 40 ora. Ary raha misy Soedoa mila ny fanampian’izy ireo ivelan’ireo ora fiasana ireo? Ilay fifanarahana vaovao dia miantoka koa ny

fandraisan-karama amin’ireo ora fanampiny amin’ny asan’ny pastora, ka izany dia tokony hiseho amin’ny fitomboan’ny vola miditra aminy isan-taona eo amin’ny 10 ka hatramin’ny 12%.

Maniry hokaramaina bebe kokoa amin’ny asany àry ireo pastora soedoa; rehefa naniraka an’ireo mpianany hitory anefa i Jesosy, dia nilaza tamin’izy ireo hoe: “Efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana. Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin’ny fehin-kibonareo.” (Matio 10:8, 9). Inona no tiany holazaina tamin’izany? Fa tsy tokony hatao varotra ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, na hampiasaina izany mba hahazoana tombontsoa manokana amim-pitiavan-tena. Nanaraka ireo toromarik’i Jesosy ireo ny mpianatra ka afaka nanatanteraka ny fanompoan’izy ireo. Inona no antony? Satria nanohana azy ireo tamin’ny asany Andriamanitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara