Fitantarana mahaliana avy amin’ny tany sasany
TCHAD: Tamin’ny taona lasa, io tany rotidrotiky ny ady an-trano nandritra ny 20 taona io dia mbola toerana nisehoan’ny famonoana sy ny fandrobana foana hatrany. Afa-tsy ny herisetra sy ny fanenjehana, dia ilaina izao ny manampy ny mosary. Ao anatin’izany fahasahiranana rehetra izany, ireo rahalahintsika any Tchad dia mitovy fihetseham-po amin’i Paoly apostoly izay nanoratra toy izao: “Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy; potraka, nefa tsy maty”. — II Kor. 4:8, 9.
Ny lehilahy mpampianatra iray nanana vady roa sy zanaka enina dia teo ambany fatoran’ny demonia hatramin’ny fahazazany. Ny reniny, izay mpahita fantatr’olona tokoa teo amin’ny faritany, dia toa hoe nipetrahan’ny demonia efatra. Mivory indroa isan-taona ny fianakaviana manontolo mba hanatitra fanatitra ho an’ireo fanahy ratsy ireo. Rehefa maty nifanesy tao anatin’ny enim-bolana ireo vadiny roa, dia lasa ilay rangahy nanontany an’ireo demonia, tamin’ny alalan’ny reniny, ny antony nahatonga ny fahafatesan’izy ireo. Namaly ho tsy nahalala izany antony izany anefa ireo (demonia). Taty aoriana, rehefa tratran’ny fahafatesana ihany koa ny zanany vavimatoa, dia nanaiky hianatra ny Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Rehefa nandeha ny fotoana, io lehilahy izay voagejan’ny tahotra ny demonia io dia tonga mpanompo sambatr’ilay “Andriamanitra velona sy marina”. — I Tes. 1:9
ZAÏRE: Tamin’ny taona lasa, dia nandroso tsy mbola nisy toy izany ny asan’ilay Fanjakana. Nitombo 40 isan-jato mahery ny isan’ny mpitory maharitra mandavantaona. Ny Fahatsiarovana dia nahavory olona 153 356, izany hoe avo efatra heny mahery ny isan’ny Vavolombelona ao amin’io tany io.
Nisy misionera iray mitantara ny zava-nitranga tamin’ny zatovovavy 18 taona iray, izay nanomboka nianatra ny Baiboly sy nanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona. Tsy ela dia nisalovana ny reniny (Matio 10:36, 37). Noroahiny hiala tao an-trano ilay zatovovavy tamin’ny filazana taminy handeha hipetraka any amin’ireo izay niara-nianatra ny Baiboly taminy. Tamin’izay fotoana izay ihany dia mbola nanao fiampangana tsy marina tany amin’ny manam-pahefana iray tao an-tanàna izy tamin’ny filazana fa io zazavavy io dia nandany ny fotoanany rehetra mba hianarana sy hankanesana any amin’ny fivoriana toy izay hiasa ao an-trano. Ny zavatra tsy fantany dia ny hoe, io lehilahy mpiasam-panjakana io dia liana koa tamin’ny Baiboly ary nandray ny fitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanontany azy ilay manam-pahefana raha toa, tamin’ny fandroahany ny zanany vavy, ka tiany ny hahita azy ho tonga mpangalatra sy mpivaro-tena toy ny zazavavy maro mitovy taona aminy. “Raha toa ka tsy tianao izany, hoy ny nanampiny, dia aoka ianao tsy hanohitra ireo asa kristiana izay ataony. Manome lalana azy amin’ny fomba ofisialy aho hanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ary hanohy hianatra ny Baiboly. Fa ianao kosa, dia melohiko noho ny fihetsika tsy kristiana izay narahinao tamin’ny fandroahana azy. Eto izahay mba hanao izay hampiharana ny lalàna, ary izany dia mamela ny fivavahana ho malalaka.” Afaka nody tany an-tranony ilay namantsika ary manohy mandroso ao amin’ny fahamarinana.
[Loharanon-kevitra]
Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1986 (anglisy)