FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/9 p. 31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Iza i Jesosy Kristy?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Tena Amin’ny An-tsipiriany ny Faminaniana Momba ny Mesia
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Iza i Jesosy Kristy?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/9 p. 31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Fony izy teo amin’ny hazo, dia niantsoantso toy izao i Jesosy: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?” Tsy ampy finoana ve i Jesosy rehefa nieritreritra fa nahafoy azy Andriamanitra?

Nisy nanatsoaka hevitra rehefa namaky ny Matio 27:46 na ny Marka 15:34 fa rehefa niatrika fahafatesana nangidy i Jesosy, dia nihena ny fitokisany an’Andriamanitra. Ny hafa milaza fa izany dia fihetsik’i Jesosy araka ny olombelona fotsiny, antsoantso noho ny famoizampo tsy nahagaga raha nataon’ny olona iray nofo aman-drà nianjadian’ny fitebitebena nihoa-pampana. Hahasoa anefa ny hihoarana kokoa izany fiheveran’olombelona mifototra amin’ny fisehoana ivelany izany. Na dia tsy misy mihitsy aza afaka mahafantatra amin’ny fomba azo antoka ny hevitr’io antsoantso io rehetra, dia afaka manatsoaka antony roa azo inoana isika.

Fantatr’i Jesosy tsara tokoa fa tsy maintsy ‘hankany Jerosalema Izy, hampijalina (...), dia hovonoina, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo’. (Matio 16:21.) Fony tany an-danitra ilay Zanak’Andriamanitra dia nahita olombelona tsy tanteraka anefa, nampijalina fa tsy niala tamin’ny tsy fivadihany (Hebreo 11:36-38). Tsy misy mihitsy àry antony tokony hieritreretana fa Jesosy, olombelona tanteraka, dia raiki-tahotra tamin’ny fotoam-pitsapana, na hoe ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana dia nety ho namela azy hino fa nahafoy azy ny Rainy. Fantatr’i Jesosy ny “karazam-pahafatesana efa hiaretany”, dia ny hanomboana azy amin’ny hazo (Jaona 12:32, 33 MN ). Afa-tsy izany koa, dia azony antoka fa hatsangana amin’ny maty izy amin’ny andro fahatelo. Noho izany, nahoana Jesosy no nilaza fa nahafoy azy Andriamanitra?

Voalohany indrindra, dia angamba izy nampiasa io teny io tamin’ny heviny voafetra tamin’ny nanesoran’i Jehovah ny fiarovany ny Zanany mba hitsapana amin’ny fomba feno ny tsy fivadihan’i Jesosy, hatramin’ny nahitany fahafatesana nangidy sy nahamenatra. Raha namela an’i Jesosy hiharan’ny fahatezeran’ireo fahavalony namporisihin’i Satana anefa Andriamanitra, dia tsy milaza akory izany fa nahafoy azy tanteraka izy. Nanohy nampiseho firaiketam-po tamin’ny Zanany Jehovah, ka manaporofo izany ny nananganany azy tamin’ny andro fahatelo, araka ny nantenain’i Jesosy. — Asan’ny apostoly 2:31-36; 10:40; 17:31.

Misy antony faharoa azo inoana, mifamatotra amin’ilay voalohany, nahatonga an’io antsoantso nalefan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana io, satria rehefa nanonona ireo teny ireo i Jesosy dia nahatanteraka lafiny iray tamin’ny faminaniana iray momba ny Mesia. Ora vitsivitsy talohan’izay, dia nilaza tamin’ireo apostoly i Jesosy fa hitranga “araka izay nanoratana Azy” ny zavatra. (Matio 26:24; Marka 14:21.) Tiany tokoa ny hanatanteraka ireo zavatra voasoratra, anisan’izany ny voasoratra ao amin’ny Salamo 22. Mba ampitahao koa ny Salamo 22:7, 8 sy Matio 27:39, 43; Salamo 22:15 sy Jaona 19:28, 29; Salamo 22:16 sy Marka 15:25 ary Jaona 20:27; Salamo 22:18 sy Matio 27:35. Ny Salamo 22 izay nanome filazana ara-paminaniana maro toy izany momba ny fiainan’i Jesosy, dia manomboka amin’izao teny izao: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao?” Tamin’ny fanaovana an’io antsoantso io àry no nahatanterahan’i Jesosy faminaniana iray amboniny. — Lioka 24:44.

Tao amin’io faminaniana io dia tsy nieritreritra akory i Davida fa nanary na nahafoy azy tanteraka Andriamanitra, satria nanohy ny teniny izy tamin’ny filazana fa ‘hitory ny anaran’Andriamanitra amin’ny rahalahiny’ izy, ary nananatra mpanompon’i Jehovah hafa izy mba hidera ny Andriamaniny (Salamo 22:22, 23). Toy izany koa, Jesosy izay nahalala tsara ny Salamo 22, dia tena nanana antony tokony hinoana fa nankasitraka sy tia azy foana ny Rainy, na dia namela ny hanomboana azy tamin’ny hazo aza izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara