FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/12 p. 21-23
  • Manao fanambarana izy ireo amin’ilay tany manana fiteny 700

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manao fanambarana izy ireo amin’ilay tany manana fiteny 700
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Toerana midadasika misy fifangaroam-piteny
  • Fiteny iray amboniny
  • Nandre ny “fiteny madio” ny mpianakavin’ny mpanjaka iray
  • Nianatra ny fiteny vaovao ny mpanao politika iray
  • Misy asa fampianarana lehibe mbola tsy maintsy tontosaina
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/12 p. 21-23

Manao fanambarana izy ireo amin’ilay tany manana fiteny 700

MOA VE ianao mahalala tany iray kely noho Espaina, kanefa ny mponina ao aminy izay latsaka lavitra ny 4 tapitrisa dia miteny amin’ny fiteny efa ho ampahefatry ny fiteny misy rehetra? Fantatrao ve hoe tany iza, amin’ny ankapobeny, no antsasak’ilay nosy faharoa eo amin’izao tontolo izao raha ny amin’ny velarany? Nouvelle-Guinée io nosy io, ilay tany resahina dia Papouasie-Nouvelle-Guinée, ary miteny amin’ny fiteny maherin’ny 700 ireo mponina ao aminy! Ahoana no niforonan’izany fifangaroam-piteny izany?

Toerana midadasika misy fifangaroam-piteny

Papouasie-Nouvelle-Guinée dia tany iray any avaratr’i Aostralia sy any amin’ny “degrés” vitsivitsy monja any atsimon’ny fehintany (équateur). Nosy tropikaly eo amin’ny 600 no mahaforona azy, miely patrana eo amin’ny 1 600 kilaometatra mahery. Ny 80% mahery amin’ny faritanin’i Papouasie-Nouvelle-Guinée anefa dia voaforon’ny antsasaky ny nosin’i Nouvelle-Guinée midadasika, fa ny antsasany hafa, eo andrefana, dia an’i Indonésie.

Heverina fa ireo mponina voalohany tany Nouvelle-Guinée dia niala avy tany Azia ka nandalo tao Indonésie. Tatỳ aoriana, dia nanaraka azy ireny ny Melaneziana sy ny Polyneziana. Ny volon-koditr’ireo mponin’ny nosy dia misy hatramin’ny mavomena (marron) tanora ka hatramin’ny mainty volombodimpona (ébène). Ny sasany fohy sady botrefona, fa ny hafa kosa lava mahia. Koa satria ny tapany midadasika indrindra ao anatin’ilay tany dia tsy azo onenana, rakotry ny ala mikitroka sy ny tendrombohitra manerinerina, ireo foko maro, saika mitokantokana tanteraka, dia nampitombo ny fiteniny avy. Ny ankamaroan’ireny fiteny papoa ireny dia manana fitsipi-pitenenana sarotra tokoa. Eny, i Papouasie-Nouvelle-Guinée dia tany manana fiteny 700 eo ho eo, fa tsy fitenim-paritra 700.

Tamin’ny 1975, i Papouasie-Nouvelle-Guinée dia tonga firenena nahaleotena, anisan’ny Commonwealth britanika. Demokrasia misy parlemanta izany. Ny filoham-panjakana dia mpanjaka britanika, fa mponin’ny nosy kosa ny praiminisitra. Na dia ny teny anglisy aza amin’izao andro izao no fiteny ofisialin’ilay tany, dia betsaka amin’ireo olona anisan’ny antokom-pitenenana 700 misy no mahay ny anankiray amin’ireo fiteny roa fampiasa indrindra, dia: ny “hiri-motou” sy ny “pidgin” melaneziana.

Fiteny iray amboniny

Kanefa, na dia mety ho toa hafahafa tokoa aza izany, taona vitsivitsy lasa izay, dia mbola tsy nisy foana tao amin’io tany manana fiteny 700 io ny “fiteny” iray. Inona izany? Ny “fiteny-madio” — ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany (Zefania 3:9, MN ). Tsy nampidirina tany Papouasie-Nouvelle-Guinée io fiteny vaovao io raha tsy tany akaikin’ny 1935.

Nanomboka ny zavatra rehetra rehefa niala tany Aostralia ny Lightbearer (Mpitondra fahazavana), sambokely misy lay sy maotera notarihin’ny tantsambo Vavolombelon’i Jehovah, ka tamin’ny farany dia niantsona tao amin’ny Seranana Moresby, teo amin’ny moron-tsiraka atsimo atsinanan’i Papouasie-Nouvelle-Guinée. Vao voalohany tamin’izay no nandrenesan’ireo mponina firesahana ny amin’ny “fiteny madio” — dia ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra naely tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo natsangana teo amin’ny tokotanin’ny sambo Lightbearer.

Tsy fantatra tsara kokoa sy nampiasaina anefa io “fiteny madio” io raha tsy tamin’ny 1951. Nanomboka tamin’io taona io, dia nisy Vavolombelona nilatsaka an-tsitrapo tonga avy any Aostralia, Kanada, Etazonia, Alemaina, Angletera sy Nouvelle-Zélande mba hanorim-ponenana tany Papouasie sy tany Nouvelle-Guinée, araka ny niantsoana an’io faritany io tamin’izany. Rehefa avy nanao fanambarana tamin’ireo Eoropeana tao izy ireo, dia nahita haingana fomba hiresahana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ireo teratany tao amin’ilay nosy. Nitady azy ireny tany an-tranony izy ireo, ka sarotra kokoa izany, satria ny trano sasany naorina nisy tongony, teo ambonin’ny rano na tsia.

Mazava ho azy fa mba hampianarana ny “fiteny madio” an’izany mponina manana fiteny maro izany, ireo Vavolombelona hafa firenena dia tsy maintsy nianatra, fara faharatsiny ny anankiray amin’ireo fiteny ara-barotra roa fampiasa. Tsy nahalamina ny zava-nanahirana azy rehetra anefa izany, satria izy roa ireo dia samy tsy fitenin-drazan’ny mponina, fa fifangaroam-piteny fotsiny nahatonga ireo olona niteny tamin’ny fiteny samy hafa ho afaka hifampiresaka. Afa-tsy izany koa, na dia ireo fiteny roa ireo aza dia tsy hain’ny mponin’ny nosy rehetra. Mba hanaovana fanambarana àry, dia matetika ny Vavolombelona no tokony hiteny amin’ny olona iray amin’ny anankiray amin’ireo fiteny fampiasa, ary rehefa avy eo io olona io dia nandika ny hafatra tamin’ny mpihaino hafa rehetra.

Nampiasa fomba fampianarana vaovao koa ny Vavolombelona. Ohatra, nanao sary tsotra teo amin’ny solaitrabe na izay rehetra mety ho velaran-toerana azo anoratana izy ireo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisy boky momba ny Baiboly sy gazety nadika tamin’ireo fiteny mahazatra, dia ny “hiri-motou” sy ny “pidgin” melaneziana. Ilaina indrindra ilay bokikely hoe Mifalia amin’ny fiainana mandrakizay eto an-tany! amin’ireo fiteny roa ireo mba hampianarana ny “fiteny madio” amin’ireo mponin’ny nosy.

Nandre ny “fiteny madio” ny mpianakavin’ny mpanjaka iray

Nilaza i Jesosy Kristy fa ireo mpianany dia ‘hitsangana eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny aminy ho vavolombelona amin’izy ireo’. (Marka 13:9). Tamin’ny 9 aogositra 1984, dia nisy misionera Vavolombelon’i Jehovah nanana fahafahana hanome fanambarana tamin’ny mpianakavin’ny mpanjaka iray tao amin’ny nosy Manus, tao anatin’ny toe-javatra nahafinaritra kokoa anefa. Tamin’io andro io, dia nitsidika tao amin’ilay nosy ny zanakalahin’ny mpanjakavavy, Charles, mpandova ny seza fiandrianana britanika.

Tao anatin’ny lakany voaravaka, dia nisy anisan’ny foko Titan nanotrona ny zanakalahin’ny mpanjakavavy tao amin’ny sambony teo amoron-dranomasina nanoloana ny tranon’ny misionera, teo ampitan’ny arabe. Rehefa avy noraisin’ny mpandihy eo amin’ny zato ny zanaky ny mpanjakavavy ka nomena satroboninahitra ho “filoha”, dia nentina ho ao amin’ny fisakafoana izay nanasan’ny manamboninahitra lehibe indrindra tao amin’ny nosy Manus an’ireo misionera. Rehefa nanontanian’ilay zanaky ny mpanjakavavy azy izay nataony tao amin’ny nosy, dia nohazavain’izy ireo fohy taminy ny hoe inona no ataony. Faly aoka izany izy ireo nanana fahafahana nampahafantatra azy fa manana mpanompo koa Jehovah any amin’ny nosy lavitra any Manus.

Holazaina kely aloha fa ilay vehivavy nampifankahalala an’ireo misionera tamin’ny zanaky ny mpanjakavavy dia efa namaky ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Indray andro izy io dia nanao fitsidihana tsy nampoizina ireo misionera ary nifanakalo hevitra tamin’izy ireo teo am-pisotroana kafe.

Nianatra ny fiteny vaovao ny mpanao politika iray

Aoka horesahintsika izao ny amin’ny lehilahy iray mpanao raharaham-barotra lehibe tany Nouvelle-Guinée. Nikarakara politika izy io ary nandray anjara tamin’ireo asan’ny Fiangonana loteriana. Nisaratsaraka aoka izany anefa ireo mpikambana tao amin’io Fiangonana io, hany ka namorona antoko roa ireo pastora nifanohitra, ary nifandona nandritra ny herintaona teo ho eo ireo, nirongo tsipìka, sabatra sy ampinga. Niteraka fahafatesan’olona sivy sy naratra maro ny ady. Tapa-kevitra io lehilahy io fa handao ny Fiangonana loteriana, kanefa nanontany tena izy hoe aiza no hahitana kristiana tena miray saina. ‘Tsy mety ho ny Vavolombelon’i Jehovah izany, hoy ny eritreriny, satria mpaminany sandoka ireny.’

Nihevitra toy izany foana izy rehefa nisy Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny faritra nisy azy nangataka taminy mba hanofa ny fiarabeny hankanesana tany amin’ny fivoriamben’ny distrika iray. Koa satria ny raharaham-barotra moa dia raharaham-barotra ihany, dia nanaiky izy, ary ny tenany mihitsy no nitondra azy ireo nankany. Ny alahady, dia nanatrika ny fandaharana izy ary nanaitra ny sainy mafy ny filaminana sy ny fahatoniana nanjaka teo amin’ireo mpanatrika, mbamin’ny faharetana nihaino nasehon’ny rehetra — olon-dehibe sy ankizy — namaky ireo andininy notononin’i mpandahateny tao amin’ny Baiboliny mihitsy. Mbola nanaitra ny saina kokoa ihany, tamin’ny ora fisakafoana, ny nahita ireo Vavolombelona, nitsikitsiky, nilahatra tamim-paharetana tao amin’ny fandraisan-tsakafo, ny Fotsy hoditra sy ireo mpandahateny dia niandry ny anjarany tahaka ny hafa koa ary nitovy ny zavatra nohanin’izy ireo. Nandritra ny dia niverina izay naharitra ora enina, dia reny ireo Vavolombelona nihira tamim-pifaliana ireo hiran’ilay Fanjakana. ‘Endrey izany fifanoheran-javatra amin’ny loteriana tia ady!’ hoy izy anakampo.

Nanaiky ny hianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona iray teny amin’ny manodidina io lehilahy io, nefa mangingina, mba tsy hahatezitra ny loteriana hafa. Tsy ela anefa dia ampy fahatanjahana ara-panahy izy mba hiala tamin’ny Fiangonany sy hametraka fialana tamin’ny raharahany ara-politika. Izy sy ny vadiny dia nianatra ‘fiteny madio, ary fiovana izany’. Nanomboka ‘niantso ny anaran’i Jehovah, mba hanompoana azy amim-piraisan-kina’ izy ireo, teo anilan’ireo Vavolombelony tafaray. — Zefania 3:9, MN.

Misy asa fampianarana lehibe mbola tsy maintsy tontosaina

Asa mahatalanjona tokoa no vitan’ireo misionera sy Vavolombelona hafa tonga avy any an-tany hafa mba hampianatra ny “fiteny madio” tany Papouasie-Nouvelle-Guinée! Ny Vavolombelon’i Jehovah anankiroa monja tamin’ny 1951, dia tafakatra ho 1 800, ka ny ankamaroany dia teratany.

Ireny Vavolombelona ireny dia loharanom-pampaherezana ho an’ireo izay tonga avy any an-tany hafa mba hitory teo. Nanoratra toy izao ny Vavolombelona anglisy iray izay nonina teo amin’ny nosy Bougainville: “Ny anankiray amin’ireo zavatra mampahery indrindra manosika anay hanohy hanompo an’i Jehovah eto dia ny fahitana ireo rahalahinay eto Papouasie-Nouvelle-Guinée manohy manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana koa, ao anatin’ny toe-piainana sarotra dia sarotra matetika. Maro be amin’izy ireny no tsy manan-trano fa tsy maintsy monina any an-tranon’ny havana. Matetika izy ireny no tsy maintsy mandeha lavitra an-tongotra amin’ny hafanana mandreraka na ny ranonoram-be mba hankanesana any amin’ireo fivoriana na handraisana anjara amin’ny fitoriana. Monina any ambanivohitra ny anankiray amin’ireo anabavinay papoa. Mba hitsitsiana fotoana rehefa ho atỳ aminay izy mba hanao fanambarana eny amin’ny arabe, dia ampitain’ny vadiny renirano iray amin’ny kodiarana fingotra lehibe izy, miaraka amin’ny zanany vavy kely sy ny zanany mbola vao kely.”

Mbola misy asa fampianarana lehibe tokony hotontosaina eo amin’ny mponina. Mampiseho fahalianana amin’ny hafatra ny olona. Ho porofon’izany, dia olona 10 235 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 1987. Mbola mila mpitory maro kokoa ihany anefa mba hikarakara ny olona rehetra mampiseho fahalianana ho an’ny “fiteny madio”. Izao no nambaran’ny Vavolombelona hafa firenena iray tonga teto satria naniry hanompo tany amin’izay nilana izany indrindra: “Mampalahelo ahy ny mieritreritra ireny olona rehetra ireny izay mampiseho fahalianana any amin’ireo vohitr’i Papouasie-Nouvelle-Guinée mitokana any ambanivohitra, satria tena tsy ampy ny mpiasa ho amin’ny fijinjana eto. Tsy isalasalana fa mila mpiasa tokoa eto amin’ity faritra amin’izao tontolo izao ity. Fantatsika anefa fa tsapan’i Jehovah izany ka homeny izay ilain’ireny olona mangetaheta ny fahamarinana ireny.”

Ary ianao? Ho tianao ve ny ho anisan’ireo izay mampianatra ny “fiteny madio” ao amin’io tany manana fiteny 700 io?

[Sarintany, pejy 21]

(Jereo ny gazety)

AOSTRALIA

PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

Manus

Seranana Moresby

Bougainville

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara