Mahafaty ny ‘rivotr’izao tontolo izao’
“Ary hianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, izay nalehanareo fahiny, (...) araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra.” — EFESIANA 2:1, 2.
1. Nahoana moa ny fandotoana ny rivotra no misy vokany mahafaty ho an’ny olombelona?
MOA ve tsy mamelombelona ny rivotra madio indray miserana rehefa mivoaka avy ao amin’ny efitrano mihiboka iray ny tena? Na dia eny afovoan’ny natiora aza anefa, dia zava-manahirana lehibe foana ny fandotoana. Any amin’ny tany maro, dia mitana ny saina aoka izany ny habetsahan’ny fihandronan’ny poizina eny amin’ny rivotra. Entin’ny rivotra ny setroka misy poizina, ny vovoka “radioactive”, ny tsimokaretina sy ny otrikaretina hafa. Mihamampidi-doza ny rivotra, tena ilaina amin’ny fiainana, nomen’ny Mpamorona tia antsika tamim-pahalalahan-tanana aoka izany, noho ny fanaovan’ny olona tsirambina sy ny faniriany mihoa-pampana.
2. “Rivotra” voaloto inona no mbola mampidi-doza kokoa noho ny rivotra maloto fohintsika?
2 Na dia mampidi-doza tokoa aza ny atimaosifera, isika dia mety hifoka “rivotra” maloto mbola mahafaty kokoa, izay ny mandoto azy dia tsy ny voina noklehera tany Tchernobyl, any U.R.S.S., na ny zavona matevina aoka izany any Los Angeles. Niresaka ny amin’izany ny apostoly Paoly fony izy nanoratra toy izao ho an’ireo namany kristiana: “Ary hianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana.” — Efesiana 2:1, 2.
3, 4. a) Iza moa no “mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra”? b) Nahoana moa ny “rivotra” resahina ao amin’ny Efesiana 2:1, 2 no tsy ny toerana onenan’ireo demonia?
3 Inona moa izany “rivotra” izany? Asehon’i Paoly fa manana “fanjakana” na fahefana izy io ary tarihin’ny “mpanapaka” iray. Tsy misy isalasalana mihitsy raha ny amin’ny hoe iza io mpanapaka na filoha io. Tsy iza izany fa Satana Devoly, izay nantsoin’i Jesosy Kristy hoe “filohan’izao tontolo izao”. (Jaona 12:31, MN.) Nahatakatra izany ny mpandinika Baiboly sasany ka nihevitra fa teo i Paoly dia nanovo avy amin’ny loharano jiosy na mpanompo sampy ka niresaka ny rivotra ho fonenan’ireo demonia tapahin’ny Devoly. Fandikan-tenin’ny Baiboly maro no ahitana taratr’izany hevitra izany koa. Tsy tokony hampifangaroina amin’ny “rivotra [toerana eny amin’ny lanitra, MN ]” onenan’ireo “fanahy ratsy” anefa io “rivotra” io. — Efesiana 6:11, 12.
4 Fony Paoly nanoratra ho an’ireo kristiana tany Efesosy, Satana sy ireo demonia, na dia tsy tao anatin’ny fankasitrahan’Andriamanitra intsony aza, dia mbola tany an-danitra foana. Mbola tsy nazera ho etỳ amin’ny manodidina ny tany izy ireo (Apokalypsy 12:7-10). Afa-tsy izany koa, ny olombelona dia voakasika bebe kokoa amin’ny rivotra noho ny zavaboary ara-panahy. Noho izany antony izany, rehefa nampidinina teo amin’ny “rivotra” ny lovia farany tamin’ny fahatezeran’Andriamanitra, dia ny fitambaran’olona no nahatsapa ny vokany. — Apokalypsy 16:17-21.
5. Inona moa io “rivotra” resahintsika io, ary inona no vokany eo amin’ny olona?
5 Toa nanisy fitenenana ny amin’ny rivotra na atimaosifera àry i Paoly mba hanomezana ohatra ny amin’ny toe-tsaina na fihetsika mahery hita taratra amin’ny ankapobeny eo amin’ny olombelona lavitra an’Andriamanitra ka miavaka amin’ny fitiavan-tena sy ny tsy fankatoavana. Izany “rivotra” izany dia mitovy amin’ny “fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana” sy “ny fanahin’izao tontolo izao”. (Efesiana 2:2; 1 Korintiana 2:12.) Tahaka ny rivotra ara-bakiteny misy hatraiza hatraiza sy mora fohina, dia toy izany koa fa eo foana ny “fanahin’izao tontolo izao”. Miditra, manan-kery ary mamolavola ny fisainana sy ny ataon’ny olombelona izany, raha mbola vao kely dia kely izy ka mandra-pahafatiny, raha mbola mitady izay hanomezana fahafahampo ny faniriany, ny fanantenany sy ny faniriany laza izy ireny.
6. a) Inona no mampisongadina ny vokatra mahafatin’ny ‘rivotr’izao tontolo izao’, ary ahoana no ampiharany ny ‘fahefany’? b) Ahoana no mety hahatonga izay mifoka io “rivotra” io ho voatarika hanahaka ny fihetsika mikomin’ny Devoly?
6 Izany toe-tsaina izany, miavaka amin’ny fahotana sy ny fikomiana, dia manjaka ao anatin’ny fitambaran’olona tsy tanteraka. Tsy vitan’ny hoe mifoka izany “rivotra” izany ny olombelona, fa mampisongadina ny vokany mahafaty ny fitaomana mahery avy amin’ny mpiara-belona aminy sy ny fitomboan’ny faniriana fahafinaretan’ny nofo. Amin’izany izy dia mampihatra “fahefana” mahery dia mahery eo amin’ny olona (jereo Romana 6:12-14). Mazava ho azy fa ny Devoly no fototr’izay ratsy rehetra (Jaona 8:44). Taominy hanahaka ny fihetsiny mikomy àry ny olombelona ary, noho izany, dia mitarika, mamolavola sy manapaka ny fanahy na ny “rivotra” fohin’ny fitambaran’olona izy. Noho izy “filoha” eo amin’izany fanapahana na “fahefana” ratsy izany, dia mampiasa izany Satana mba hanapahana ny fisainan’ny olombelona. Ny zava-kendrena tadiavina dia ny hahatonga ny olona ho sahirana aoka izany manome fahafaham-po ny fanirian’ny nofo sy manatratra zava-kendrena mampiavaka izao tontolo izao, hany ka tsy ananany na ny fotoana na ny faniriana hitady hahafantatra an’Andriamanitra sy hanaiky ny asan’ny fanahiny masina, dia ‘ny fanahy mahavelona’. (Jaona 6:63.) Maty izy ireny amin’ny lafiny ara-panahy.
7. a) Amin’ny heviny ahoana moa ny kristiana no hoe “zanaky ny fahatezerana” taloha? b) Fiovana inona no nataony rehefa tonga kristiana izy ireny?
7 Ny kristiana koa dia teo ambanin’ny “fahefana” na ny fanapahan’izany “rivotra” maloto izany talohan’ny nahafantarana ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny nanombohana nanaraka ireo fitsipi-pahamarinan’Andriamanitra. “Teo amin’ireo [ny olon’izao tontolo izao] no nitondrantsika tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.” Rehefa tonga kristiana anefa isika dia nitsahatra tsy nifoka ny “rivotra” mahafatin’izao tontolo izao. ‘Nialantsika ny toetsika taloha araka ny fitondrantenantsika fahiny, ary notafintsika ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.’ — Efesiana 2:3; 4:22-24.
8. Amin’ny ahoana moa ny tarehin-javatra hitantsika amin’izao andro izao no azo ampitahaina amin’ny an’ny Isiraelita tany an’efitra?
8 Nandosirantsika àry ny atimaosifera maloton’izao tontolo izao, nefa misy loza mikendry antsika: mety ho voataona hiverina any isika. Amin’izao andro izao, dia efa lasa lavitra tokoa ny “andro farany” ary akaiky dia akaiky antsika ny izao tontolo izao vaovao (Daniela 12:4). Tsy tiantsika àry ny tsy hahita izany amin’ny fahalatsahana ao anatin’ny fandrika toy ny nahazo ny Isiraelita. Rehefa avy nafahana tamin’ny fomba mahagaga avy tany Egypta izy ireo ary efa teo amin’ny sisin’ny tany nampanantenaina, dia nisy an’arivony maro tamin’izy ireny no “naringana tany an-efitra”. Nahoana? Nanjary nanompo sampy ny sasany; ny hafa nijangajanga; ary ny hafa koa naka fanahy an’i Jehovah tamin’ny fimonomononana sy ny fitarainana. Nanonona hevitra lehibe iray i Paoly rehefa nilaza hoe: “Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ny faran’izao tontolo izao [faran’ny fandehan-javatra, MN ].” — 1 Korintiana 10:1-11.
9. a) Ahoana no mety haha-eo amin’izao tontolo izao antsika, nefa tsy ho anisany? b) Inona no tokony hataontsika mba tsy ho voasinton’ny rivotra mahafatin’izao tontolo izao indray?
9 Nivavaka toy izao ny amin’ny mpianany i Jesosy: “Tsy naman’izao tontolo izao (izy), tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy.” (Jaona 17:14, 15). Hiaro antsika Jehovah, kanefa tsy manangana “fefy” manodidina antsika izy; tsy miaro antsika amin’ny fomba mahagaga amin’ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ izy (Joba 1:9, 10). Ho antsika, ny fahasahiranana lehibe àry dia ny maha-ao anatin’izao tontolo izaon’i Satana, nefa tsy ho anisany, ny maha-voahodidin’ny “rivotra” maloton’izao tontolo izao, nefa tsy mifoka izany. Rehefa mamaky boky tsy ara-pivavahana isika, mijery televiziona na mankany amin’ny fampisehoana iray, dia azo inoana fa misetra ny ‘rivotr’izao tontolo izao’. Raha marina fa tsy afaka manalavitra fifampikasohana sasany amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao isika — any am-piasana, any an-tsekoly na any an-toeran-kafa — dia tokony ho malina ihany isika mba tsy ho voasinton’ny atimaosifera mahafatin’izao tontolo izao indray. — 1 Korintiana 15:33, 34.
10, 11. a) Nahoana moa no azo atao ny mampitaha ny maha-ao amin’ny paradisa ara-panahin’i Jehovah antsika amin’ny maha-ao amin’ny faritra iray voatokana ho an’ny tsy mpifoka? b) Inona no tokony hatao raha voamaritsika fa misy ‘rivotr’izao tontolo izao’ tonga hatrany amintsika?
10 Ny tarehin-javatra hitantsika dia azo ampitahaina amin’ny an’ny lehilahy iray mety hipetraka ao amin’ny hôtely iray misy fizarana hoe “mpifoka” ary anankiray hafa hoe “tsy mpifoka”. Noho isika kristiana, ao anatin’ny paradisa ara-panahin’i Jehovah, dia ara-dalàna ny maha-ao amin’ny fizarana hoe “tsy mpifoka” antsika, mihataka amin’ny toe-tsaina mampiavaka izao tontolo izao. Azo antoka fa tsy hinia hipetraka ao amin’ny fizarana hoe “mpifoka” isika; ho hadalana izany. Fa inona no mitranga matetika tokoa rehefa ao amin’ny fizarana hoe “tsy mpifoka” ao amin’ny hôtely iray isika? Miely ny rivotra voaloton’ny setroka, ary misy indray miserana avy amin’izany rivotra izany tonga hatrany amintsika imbetsaka. Raha izany no izy, manintona antsika ve ny rivotra maloto toy izany, sa mandeha isika raha vao azo atao izany?
11 Inona àry no ataonao rehefa tonga hatrany aminao ny “rivotra” mipololotra avy amin’izao tontolo izao? Manao zavatra avy hatrany ve ianao mba hanalavirana izany fitaoman-dratsy izany? Raha tsy mandeha ianao fa mifoka izany “rivotra” izany, dia azonao antoka fa hisy heriny eo amin’ny fisainanao izany. Arakaraka ny fahalavan’ny fotoana hifohanao izany “rivotra” izany, no hahazaranao amin’izany. Afa-tsy izay koa, rehefa ela ny ela, dia tsy maharikoriko intsony ny fofony fa manintona, maharevo sy irin’ny nofo. Mety hanaitaitra faniriana miafina iezahanao fehezina izany “rivotra” izany.
12. Inona no tokony hatao mba tsy ho azon’ny foto-javatra ao amin’ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ izay tsy mora fantatra?
12 Sahala amin’ny tsy fisian’ny fofona na tsiro amin’ny mpandoto atimaosifera toy ny “oxyde de carbone”, dia toy izany koa fa ny mpandoto ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ mahafaty dia tsy mora fantatra. Mety tsy ho fantatsika àry ny ‘rivotra mahafaty’ raha tsy rehefa nanenika antsika izany. Koa tokony ho malina hatrany isika mba tsy ho voatarika ao amin’ny fandrika mahafaty iray noho ny fihetsika moramorainy asehon’izao tontolo izao na noho ny tsy fanarahany ireo fitsipika araka ny rariny naorin’Andriamanitra. Namporisika ireo rahalahiny kristiana i Paoly mba ‘hifananatra isan-andro (...) fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota’. — Hebreo 3:13; Romana 12:2.
Ny ‘rivotr’izao tontolo izao’
13. a) Tonòny ny anankiray amin’ny zavatra mampiavaka ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ tokony hiarovantsika tena. b) Inona no mampiseho fa nahazo mpanompon’i Jehovah io “rivotra” io?
13 Fihetsika inona avy, fahita, no mety hatombotsika ny fanarahana azy, nefa tsy tsapantsika akory, noho ny hery lehiben’ny ‘rivotr’izao tontolo izao’? Ny anankiray amin’ireny dia ny fironana hilalao amin’ny fahalotoam-pitondrantena. Manafika antsika ny hevitr’izao tontolo izao momba ny lahy sy ny vavy sy ny fitondrantena. Olona maro no milaza hoe: ‘Tsy misy maha-ratsy mihitsy ny fijangajangana, ny fiterahana tsy manambady na ny fandrian’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Ara-dalàna izany, araka ny natiora.’ Mahakasika ny vahoakan’i Jehovah ve izany “rivotra”, na fanahin’izao tontolo izao izany? Mampalahelo fa izany tokoa. Nandritra ny taom-piasana 1986, dia olona 37 426 no tsy maintsy noroahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana, ka ny ankamaroany dia noho ny fitondrantena maloto. Ary mbola tsy tafiditra ao anatin’io isa io aza ireo, maro kokoa, nanarina noho ny fitondrantenany maloto, kanefa tsy voaroaka noho ny fibebahany tamim-pahatsorana. — Ohabolana 28:13.
14. Nahoana moa ny kristiana sasany no diso lalana teo amin’ny lafiny ara-pitondrantena, ary torohevitra araka ny Baiboly inona no lavin’izy ireny?
14 Inona no nitranga tamin’ireo kristiana izay resin’ny fahalotoam-pitondrantena? Rehefa nanjary fantatra ny zava-nitranga, dia tsikaritra matetika tokoa fa nanomboka nifoka indray ny “rivotra” mahafatin’izao tontolo izao ireny kristiana ireny. Ireo fihetsik’izao tontolo izao narahin’izy ireny dia nampidina ny faritry ny fotopoto-pitsipiny ara-pitondrantena. Angamba izy ireny nanomboka nijery sarimihetsika ho nolaviny taona vitsivitsy talohan’izay. Ny mbola ratsy kokoa ihany, tao an-tranony, tamin’ny fitaovany “vidéo”, dia angamba izy ireny nandefa sarimihetsika miharihary fa tsy mety amin’ny kristiana. Ny filalaovana amin’ny fahalotoam-pitondrantena toy izany dia mifanohitra mivantana amin’izao fananarana ao amin’ny Baiboly izao: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy.” — Efesiana 5:3, 4.
15. Asehoy ny hoe amin’ny fomba ahoana ny fakam-panahy hilalao amin’ny fahalotoam-pitondrantena indraindray no mety hanomboka amin’ny fomba tsy dia manao ahoana.
15 Angamba holavinao avy hatrany ny fanasana mivantana hijangajanga. Fa ahoana no fihetsikao, any am-piasana na any an-tsekoly, rehefa misy olona mitady hilalao fitia aminao, mampiseho fihetsehana amim-pifankazarana loatra aminao na mitady hifanao fotoana aminao? Izany dia “rivotra” miserana avy amin’izao tontolo izao izay tonga hatreo aminao. Manaiky ho voatarika ho tia ny fiheverana anao ve ianao ka hamporisika ny hanaovana izany? Araka ny fitantarana nataon’ireo loholona, dia matetika ny fitondrantena ratsy no manomboka amin’ny fomba tsy dia manao ahoana. Mety hilaza amin’ny vehivavy kristiana iray toy izao ny lehilahy iray: “Tsara tarehy ery ianao izany androany.” Mahafinaritra aoka izany ny vehivavy iray angamba ny mandre fiderana toy izany, indrindra fa raha mahatsiaro tena ho manirery izy. Mbola ratsiratsy kokoa ihany, fa nisy vehivavy kristiana tsy nanao zavatra tamim-pahendrena rehefa nisy lehilahy nampiseho fihetsehana tsy mendrika taminy. Toa nasehony ny tsy fankasitrahany, nefa tsy hentitra tsara, hany ka voatarika hanohy ireny lehilahy ireny. Inona àry no tokony hataon’ny vehivavy kristiana iray rehefa misy lehilahy mikiry manipy aminy hevitra maloto izay toy ny rivotra maloto mipololotra mankany aminy? Hilaza aminy amin’ny fomba hentitra dia hentitra izy fa toheriny ary hotoheriny ny filany fitia aminy. Raha manohy mifoka izany “rivotra” izany izy, dia azo inoana fa hihena ny fahatoherany ary mety hanao zavatra ratsy izy, na hanaiky fanambadiana tsy mampiseho fahendrena mihitsy aza. — Jereo Ohabolana 5:3-14; 1 Korintiana 7:39.
16. Inona no tokony hatao mba hahatongavana ho “hanitr’i Kristy”?
16 Aoka àry ianao ho mailaka ny hanilika ny “rivotra” maloto sy mahafatin’izao tontolo izao. Aza manaiky ho sodokan’ny fofony manintona ka hanala baraka ny anarana sy ny fandaminan’i Jehovah, fa aoka kosa ianao ho fofona mahafinaritra ho an’Andriamanitra noho ny fitondrantenanao feno fitiavam-pivavahana. Izany no nolazain’i Paoly toy izao: “Fa hanitr’i Kristy ho an’Andriamanitra izahay amin’izay hovonjena sy izay ho very: amin’ny sasany dia hanitra avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana; fa amin’ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ny fiainana ho amin’ny fiainana.” (2 Korintiana 2:15, 16). Tsy mampaninona raha misy olona maro manaraby ny fitondrantena kristiana anananao (1 Petera 4:1-5). Aoka izao tontolo izao hanaraka ny lalana nofidiny ka hijinja ny voka-dratsiny: tokantrano rava, fiterahana tsy ara-dalàna, areti-mifindra amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy toy ny SIDA sy fahasahiranana tsy tambo isaina ara-piraiketam-po sy ara-batana! Tsy vitan’ny hoe hitsimbina ny tenanao amin’ny fahoriana maro ianao, fa hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra koa. Afa-tsy izany koa, dia hisy olona vitsivitsy fara faharatsiny ho voatohina noho ny fitondrantena tsaranao sy ny hafatra momba ilay Fanjakana torinao, ka amin’izany dia ho voasinton’ny “hanitra avy amin’ny fiainana ho amin’ny fiainana”.
Hita taratra eo amin’ny lamaodiny ny ‘rivotr’izao tontolo izao’
17. Ahoana moa no mety hahatonga ny fomba fitafin’ny kristiana iray na ny taovolony hampiharihary fa manaiky ho voataonan’ny fanahin’izao tontolo izao izy?
17 Ny lafiny hafa iray amin’ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ dia mahakasika ny lamaody amin’ny fomba fitafy sy ny taovolo. Olona maro be no manao fitafiana mihatsy. Alohan’ny fotoana maha-zatovo azy, dia misy ankizy tia ny hiseho ho be taona kokoa sy hampisongadina ny bikany. Voakasik’izany “rivotra” fatra-piely izany, izany fihetsika izany, ve ianao? Moa ve ny fomba fitafinao natao hamohazana na hanaitairana mihitsy aza ny sain’ny vehivavy raha lahy ianao na ny lehilahy raha vavy ianao? Raha izany no izy, dia milalao amin’ny afo ianao. Amin’ny fifohana izany “rivotra” izany, dia hamono ny fahamaotinanao, ny fanirianao ho madio, ianao (Mika 6:8). Hanintona ireo olona manana toe-tsain’izao tontolo izao ianao amin’izany. Ny ataonao dia hitarika azy ireny hieritreritra fa vonona ianao ny hiaraka aminy amin’ny fitondrantenany maloto. Nahoana àry no mitodika any amin’izany lalana izany amin’ny famelana io “rivotra” io hitarika anao hanao izay ratsy eo imason’Andriamanitra?
18. Nahoana moa ny fitadidiana foana fa solontenan’i Jehovah isika no hanampy antsika hanana fitafiana sy taovolo mety?
18 Mba hahamaotina anefa, dia tsy ilaina ny hitafiana amin’ny fomba tsizarizary na tsy mahafinaritra. Jereo ny fomba fitafin’ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny taovolony. Laviny ny lamaody tafahoatra arahin’izao tontolo izao, kanefa tsara ny fisehoany ivelany, satria tsy hadinoiny fa izy ireny dia minisitra solontenan’i Jehovah, ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Aoka izao tontolo izao hanakiana ny fisehoany ivelany maotina, fa raha ny amin’izy ireo, dia tsy hanaiky ny fitaoman’izao tontolo izao izy ary tsy hampidina ny faritry ny fotopoto-pitsipiny. “Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ny Tompo, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy (...), dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana.” (Efesiana 4:17-19). Hitafy amim-pahamaotinana àry ny kristiana matotra, ka tsy handeha tahaka ny fandehan’ireo firenena. — 1 Timoty 2:9, 10.
19. Tsy nandinika afa-tsy toetra roa mampiavaka ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ isika, nefa inona no efa fantatsika mazava sahady raha ny amin’ny loza entin’io “rivotra” io?
19 Hatreo, dia tsy nijery afa-tsy toetra roa mampiavaka ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ isika. Tsapantsika sahady anefa fa manimba tokoa ny fahasalamana ara-panahy izany. Ao amin’ny lahatsoratra manaraka, dia hodinihintsika ny toetra hafa mampiavaka izany “rivotra” mahafaty izany izay tsofin’ny Devoly sy ny fandehan-javany foana ho any amin’ny kristiana noho ny fanantenana fa ho lavo ao izy ireo. Faran’izay lehibe tokoa ny handavantsika izany “rivotra” izany, satria ny fifohana ny toe-tsain’izao tontolo izao dia ho toy ny fifohana etona mahafaty.
Ahoana no havalinao?
◻ Inona moa no atao hoe ‘rivotr’izao tontolo izao’, ary iza no mitarika izany?
◻ Inona moa no “fahefana ananan’ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ eo amin’ny olona?
◻ Nahoana moa no azo atao ny milaza fa ny kristiana dia ao amin’ny toerana iray voatokana ho an’ny “tsy mpifoka”?
◻ Ahoana no mety hahatonga ny ‘rivotr’izao tontolo izao’ hanosika ny kristiana hilalao amin’ny fahalotoam-pitondrantena?
◻ Raha ny amin’ny fifidianana fitafiana sy taovolo, ahoana no hanampian’ny fahamaotinana antsika handa ny fitaoman’ny ‘rivotr’izao tontolo izao’?
[Sary, pejy 10]
Lavinao ve ny fifohana ny “rivotra” mahafatin’izao tontolo izao ankehitriny?
[Sary, pejy 13]
Inona no ataonao rehefa misy ‘rivotr’izao tontolo izao’ mipololotra mankany aminao?