“Ao ny andro itenenana” — Ao amin’ny toe-javatra manao ahoana?
MPANAMPY ny mpitsabo ao amin’ny hôpitaly iray i Maria. Voatanan’ny tsiambaratelon’ny asa izy, izany hoe tsy azony atao ny mampita tahirin-kevitra na fanazavana momba ny asany amin’olona tsy manana zo hahalala izany. Tsy azony atao koa ny mampiely fanazavana tsy azo lazalazaina momba ireo marary ka tsy hihevitra ny lalàna manan-kery ao amin’ny taniny.
Indray andro i Maria dia tonga teo anoloan’ny toe-draharaha nahasanganehana. Raha nizaha tao amin’ny antontan-taratasy ara-pitsaboana izy, dia sendra nahita fanazavana momba ny fanalana zaza iray; Vavolombelon’i Jehovah sahala aminy anefa ilay olona nanatona ny mpitsabo voakasika. Araka ny Baiboly, moa ve izy nanana andraikitra hampahafantatra izany filazana izany amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona, ka hisetra ny famoizana ny asany, hanolotra ny tenany na ny mpampiasa azy ho amin’ny ady ara-pitsarana? Sa tokony havelany amin’izao ilay raharaha, dia fisafidianana angamba nohamarinin’ny Ohabolana 11:13 manao hoe: “Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.” — Jereo Ohabolana 25:9, 10.
Misy Vavolombelon’i Jehovah tojo tarehin-javatra karazan’izany indraindray. Sahala amin’i Maria, amin’izay izy ireny dia mahatsiaro ho voakasika tsy misy toy izany amin’izao fanamarihan’i Solomona mpanjaka izao: “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin’ny lanitra: (...) Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana.” (Mpitoriteny 3:1, 7). Ho an’i Maria, moa ve izany fotoana tokony hanginana, sa tokony hitenenana ny amin’izay hitanya?
Koa satria mety hiovaova aoka izany ny tarehin-javatra, dia tsy azo atao ny hilazalaza ny dingana tokony harahina isaky ny toe-javatra, toy ny hoe tsy maintsy manao zavatra araka ny ohatra omen’i Maria ny rehetra. Raha ny marina, ny kristiana rehetra, raha tonga ao anatin’ny tarehin-javatra sahala amin’izany izy indray andro any, dia tokony handanjalanja ny fitambaran’ireo anton-javatra tafiditra. Ilainy koa ny manao fanapahan-kevitra misy fiheverana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ary koa ny lalàna tafiditra rehetra ka mahatonga azy ho afaka ny hitana fieritreretana madio eo anatrehan’i Jehovah (I Timoty 1:5, 19). Rehefa tsy dia lehibe ny fahotana ary vokatry ny tsy fahatanterahan’olombelona, dia mihatra ity fotopoto-pitsipika ity: “Ny fitiavana manarona fahotana maro.” (I Petera 4:8). Nefa kosa, raha fahotana lehibe no toa natao, moa ve ny kristiana mahatoky iray tokony hampiharihary izay fantany, noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy ilay namany kristiana, mba hahafahan’ilay heverina ho nanota hahazo fanampiana sy mba hitandroana ny fahadiovan’ny kongregasiona?
Ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly
Fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly inona avy no mihatra amin’izay? Voalohany indrindra, ny fotopoto-pitsipika ilazana fa izay rehetra manao fahadisoana lehibe dia tsy tokony hanandrana hanafina izany. “Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.” (Ohabolana 28:13). Tsy misy na inona na inona miafina amin’i Jehovah; tsy maintsy ampamoahiny izay rehetra mety ho fahadisoana afenina (Ohabolana 15:3; I Timoty 5:24, 25). Indraindray dia ataony izay hahatonga ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona hahafantatra ilay fahotana miafina mba hikarakarana izany araka ny mety. — Josoa 7:1-26.
Misy fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly mitarika hafa iray koa ao amin’ny Levitikosy 5:1: “Ary raha misy manota, satria mandre ny feon’ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka [dia, MN ] mahameloka azy izany.” Tsy fitenenan-dratsy akory izany “feon’ny fampianianana” izany. Raha ny marina, dia matetika ny olona iray nahita fatiantoka no mandefa antso ho an’izay mety ho vavolombelona (mba hanampian’izy ireny azy hahazo rariny), sady manao fampianianana — azo inoana fa amin’ny fiantsoana an’i Jehovah hanao zavatra — ho fanoherana ilay olona, angamba tsy fantatra, izay nanisy ratsy azy. Izany dia fomba fanaovana fianianana eo anoloan’ireo izay nihaino azy. Izay rehetra vavolombelon’ilay fahadisoana tokoa dia hahafantatra amin’izany hoe iza no niharam-pahavoazana ka hanana andraikitra ny hiseho mba hampahafantatra ilay meloka. Raha tsy izany, dia ‘ho meloka’ eo anatrehan’i Jehovah izyb.
Izany baiko avy amin’ilay Fahefana ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao izany dia nanome ho an’ny Isiraelita tsirairay avy, andraikitra ny hitantara tany amin’ireo mpitsara izay rehetra nety ho fahadisoana lehibe hitany, mba handinihana ilay raharaha. Na dia tsy tena eo ambanin’ny lalàn’i Mosesy intsony aza ny kristiana, ireo fotopoto-pitsipika amin’io lalàna io dia mbola mihatra ihany eo anivon’ny kongregasiona kristiana. Noho izany, ny kristiana iray dia mety hanana adidy hitondra zava-nitranga eo anatrehan’ireo loholona. Marina fa tsy ara-dalàna ao amin’ny tany maro ny fanambarana ny raketin’ny antontan-taratasy manokana amin’olona tsy heverina ho tokony handre izany? Kanefa, rehefa avy nieritreritra tsara ilay raharaha tao amin’ny vavaka ny kristiana iray ka mihevitra fa ao anatin’ny tarehin-javatra iray andidian’ny lalàn’Andriamanitra azy mba hitantara izay fantany na dia ao aza ireo baiko omen’ny fahefana ambany, dia andraikitra iantsorohany eo anatrehan’i Jehovah izany. Misy fotoana ‘tokony hanekena an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’. — Asan’ny apostoly 5:29.
Na dia tsy tokony hohamaivanina aza ny fianianana na ny fampanantenana ampahibemaso iray, indraindray ny fanekena ampanaovin’ny olona dia mifanohitra amin’ny baiko hifikitra amin’ny Andriamanitsika irery ihany. Rehefa manao fahotana lehibe ny olona iray, dia tena latsaka eo ambanin’ny “feon’ny fampianianana [fanozonana ampahibemaso, MN ]” alefan’Ilay nasiany ratsy, dia Jehovah Andriamanitra (Deoteronomia 27:26; Ohabolana 3:33). Izay rehetra tonga anisan’ny kongregasiona kristiana dia mipetraka eo ambanin’ny “fianianana” mandidy azy ireny hiaro ny fahadiovan’ny kongregasiona, na amin’ny fitondrantenany manokana na amin’ny fomba fanampiany ireo namany hitoetra ho madio hatrany.
Andraikitra manokana
Toy izany no sasany amin’ireo fotopoto-pitsipika araka ny Baiboly tsy maintsy ho noheverin’i Maria mba hanaovana ny fanapahan-keviny. Ny fahendrena dia nanoro azy mba tsy hanao zavatra maimaika, tsy misy fandanjalanjana amim-pitandremana tokoa ireo zava-misy. Manoro hevitra toy izao ny Baiboly: “Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; moa hamitaka amin’ny molotrao va hianao?” (Ohabolana 24:28). Mba hanaporofoana zava-nitranga iray amin’ny fomba manamarina mihitsy, dia ilaina ny hananana fanambaran’ny vavolombelona nahita maso roa fara fahakeliny (Deoteronomia 19:15). Raha tsy nahatsikaritra afa-tsy fanononana fanalana zaza fohy i Maria, dia nety ho nanapa-kevitra tamim-pieritreretana tsara tokoa izy fa amin’ny porofom-pahamelohana kely toy izany dia tsy tokony handeha lavitra kokoa izy. Nety ho nisy fahadisoan’ny faktiora, na koa, tamin’ny fomba hafa, ireo antontan-taratasy dia nety ho nampiseho taratry ny zava-nisy tsy araka ny marina.
Tao amin’io ohatra io anefa, dia nanana fanazavana hentitra lavitra i Maria. Fantany tokoa fa ilay vehivavy kristiana resahina dia nandoa ny saram-pandidiana azy, ka tamin’izany no nanekeny miharihary fa tena natao taminy tokoa ny fandidiana voalaza mazava. Fantatr’i Maria manokana koa fa mpitovo io vehivavy kristiana io, ka izany dia mahatonga hieritreritra fa nijangajanga izy. Noho ny fitiavana, dia nirin’i Maria ny hanampy an’io olona nanao fahadisoana io sy ny hiaro ny fahadiovan’ny fandaminan’i Jehovah, satria tsaroany ny Ohabolana 14:25 manao hoe: “Ny vavolombelona marina mamonjy ain’olona; fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.”
Somary nampanahy an’i Maria ny mety ho fihodin’ilay raharaha eo amin’ny lafin’ny lalàna, kanefa noheveriny fa tamin’io tarehin-javatra io, ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly dia nahery noho ny baiko manoro azy mba hitana ny tsiambaratelon’ny antontan-taratasy ara-pitsaboana. Niteny anakampo izy fa azo antoka tsy hitahiry lolompo aminy ilay vehivavy kristiana nanao fahadisoana ary tsy hanandrana hamaly ratsy amin’ny famoronana fahasahiranana. Koa rehefa avy namakafaka ny zava-nisy rehetra nananany i Maria dia nanatsoaka hevitra tamim-pieritreretana tsara fa fotoana tokony ‘hitenenana’ izany fa tsy ‘hanginana’.
Tsy maintsy natao tamin’izay ny fanapahan-kevitra hafa iray: Iza no hiresahan’i Maria, ary ahoana no hanaovany izany amim-pahendrena? Mety ho afaka miteny mivantana amin’ireo loholona izy, kanefa nifidy ny handeha hiresaka manokana amin’ilay rahavaviny kristiana. Fanaovan-javatra tamim-pitiavana izany; hanararaotra ny fotoana tokoa angamba izy io, hoy izy anakampo mba hanazavana ny zavatra na, raha meloka izy, dia hohamarininy ny fisalasalana nitambesatra taminy. Raha efa niaiky ny fahadisoany tamin’ireo loholona io vehivavy kristiana io, dia azo inoana fa holazainy aminy izany, ary tsy hila ny handeha lavitra kokoa i Maria. Nefa kosa raha tena nanala zaza tokoa izy fa tsy niaiky io fandikana lehibe ny lalàn’Andriamanitra io, dia hamporisika azy hanao izany i Maria, mba hahafahan’ireo loholona manampy azy, mifanaraka amin’ny teny ao amin’ny Jakoba 5:13-20. Soa ihany fa toy izany ny fitrangan-javatra. Nampahafantarin’ilay vehivavy kristiana an’i Maria fa tapa-kevitra izy ny hanala zaza satria nisy nanery azy mafy ary osa ara-panahy izy. Noho ny henatra sy ny tahotra, dia nanafina ny fahotany izy, kanefa nanaiky an-tsitrapo ny hanatona ireo loholona mba hahitana indray ny fahasalamany ara-panahy.
Raha tamin’ny kolejin’ny loholona aloha no nitantaran’i Maria ilay raharaha, ireo koa dia ho tonga eo anatrehan’ny toe-draharaha mahasanganehana sahala aminy. Inona no ho nataon’izy ireo rehefa avy nahafantatra io filazana tsy azo lazalazaina io? Tsy maintsy ho nanao fanapahan-kevitra izy ireo tamin’ny fiankinana tamin’izay, araka ny fiheverany, dia notakin’i Jehovah sy ny Teniny tamin’izy ireo izay mpiandry. Raha toa ny filazana nomena ka nahakasika kristiana vita batisa iray mandray anjara amim-paharisihana amin’ny fiainan’ny kongregasiona, sahala amin’ny nataon’i Maria, izy ireo dia tokony hamantatra ny porofo mba hamerana raha tokony handeha lavidavitra kokoa izy ireo. Raha noheverin’izy ireo fa tena azo inoana tokoa fa nisy “masirasira” nandrahona ny kongregasiona, dia angamba ho nanapa-kevitra izy ireo ny hamorona komity mpitsara mba handalina ilay raharaha (Galatiana 5:9, 10). Nefa kosa, raha tsapany fa ilay noheverina ho meloka dia efa niala tamin’ny kongregasiona tamin’ny tsy fanatrehana intsony ireo fivoriana kristiana sy tamin’ny tsy fiheveran-tena intsony ho Vavolombelon’i Jehovah, dia angamba ho nifidy izy ireo ny hiandry ny hanondroan’ilay olona tena indray ho Vavolombelona vao manao zavatra na inona na inona.
Aleo misakana mialoha
Zon’ireo mpampiasa ny hanantena avy amin’ireo kristiana miasa ao aminy ny ‘hanehoany izay toe-panahy mahatoky indrindra’, anisan’izany ny fanajana ny tsiambaratelo ao amin’ny raharaha (Titosy 2:9, 10). Raha manao fianianana ny kristiana iray, dia tsy tokony hataotaony foana izany. Ny fianianana dia mahatonga ny fampanantenana iray ho ara-dalàna kokoa sy tsy azo ovana (Salamo 24:4). Ary rehefa manome adidy hitana ny tsiambaratelo amin’ny asa ny lalàna, dia mbola lehibe kokoa ihany ilay raharaha. Amin’izany alohan’ny hanaovana fianianana na hidirana amin’ny tsiambaratelo amin’ny asa, na mifandray amin’ny asan’ny tena izany na amin’ny zavatra hafa, ny kristiana dia haneho fahendrena ary hihevitra, araka izay azo atao, ny hoe mety hiteraka fahasahiranana inona avy ny fanekena nataony raha misy fifanoherana amin’ireo fepetra araka ny Baiboly. Ahoana no hataony raha mitady ny fanampiany ny Vavolombelona hafa iray? Amin’ny ankapobeny, ny raharaha miteraka betsaka izany karazam-pahasahiranana izany dia mifamatotra amin’ny asan’ny mpitsabo, ny hôpitaly, ny fitsarana sy ny mpisolovava. Tsy afaka ny tsy hiraharaha ireo lalàn’ny Kaisara na ny maha-zava-dehibe ny fianianana isika, kanefa ambonin’ny hafa rehetra ny lalàn’i Jehovah.
Nisoroka ny zava-manahirana ny Vavolombelona sasany mpisolovava, mpitsabo, mpanao kaonty, ets., ka nanao an-tsoratra ireo fotopoto-pitsipika tokony harahina amin’izany lafiny izany ary nampamaky izany ireo Vavolombelon’i Jehovah nanatona azy ireny, talohan’ny hanambaran’izy ireny zavatra tsy azo lazalazaina na inona na inona. Araka izany, dia ifanarahana mialoha tsara fa raha fantatra ny fahotana lehibe iray, dia hamporisihina ilay mpanota handeha hiresaka izany amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasionany ary raha tsy manao izany izy, dia hahatsiaro hanana adidy ny hanatona ireo loholona ny tenan’ilay mpanoro hevitra.
Rehefa atosiky ny zavatra inoany mafy manokana miorina amin’ny fahalalany ny Tenin’Andriamanitra ny mpanompo mahatokin’Andriamanitra iray dia mety hanapa-kevitra ny hanery na handika mihitsy aza ny adidy momba ny tsiambaratelo amin’ny asa satria maivana izany eo anoloan’ny lalàn’Andriamanitra. Ilainy amin’izany ny haneho herim-po sy fahaiza-manavaka. Ny zava-kendrena dia tsy ny hisalovanana amin’ny fahafahan’ny hafa, fa ny hanampiana ireo izay maniasia sy ny hiarovana ny fahadiovan’ny kongregasiona kristiana. Hodiana tsy hita ireo fahadisoana madinika vokatry ny tsy fahatanterahana. Amin’ny toe-javatra toy izany, “ny fitiavana (dia) manarona fahotana maro” ary ilaina ny mamela heloka “hatramin’ny impito amby fito-polo”. (Matio 18:21, 22.) ‘Andro tokony hanginana’ izany. Nefa kosa, rehefa manandrana manafina fahotana lehibe ny olona iray, dia azo atao ny manapa-kevitra fa ‘andro tokony hitenenana’ izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Olona tsy tena misy akory i Maria, nefa ny tarehin-javatra nosetrainy dia efa nisy kristiana nandia azy. Ny fitsipi-pitondrantena harahiny dia manazava ny fomba nampiharan’ny sasany ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ao anatin’ny toe-javatra toy izany.
b Ao amin’ny Famoaboasana ny Testamenta Taloha (anglisy) nosoratany, dia nohantitranterin’i Keil sy Delitzsch fa noheverina ho meloka ho nanao fahadisoana na fahotana izay rehetra “nahalala fahadisoana nataon’olona iray (na nahita izany ny tenany na nandre firesahana ny amin’izany tamin’ny fomba iray na hafa) ka manana adidy noho izany hanambara ny marina eo anoloan’ny fitsarana iray mba hampahamenatra ilay nanao izany kanefa tsy nanao toy izany. Tsy nilaza izay hitany na reny àry izy, kanefa tamin’ny fotoan’ny famotopotorana ampahibemaso momba ilay zavatra ratsy natao dia reny ny mpitsara nandidy ampahibemaso mba hiseho ho vavolombelona, ny olona rehetra mahafanta-javatra momba ilay raharaha”.
[Sary, pejy 15]
Ny fihetsika tsara sy feno fitiavana dia ny famporisihana ilay kristiana nanao fahadisoana handeha hamboraka izany amin’ireo loholona, noho ny fananana toky fa hikarakara ilay raharaha amin-katsaram-po sy fahatakarana ny fihevitry ny hafa izy ireo.