Mizara amintsika ny fifaliany ny kilasy faha-82 amin’i Gileada
“TSY rehefa tsara ihany ny andro vao kristiana isika. Tena ravoravo kosa isika tafavory eto.” Nilaza ireo teny fanokafana ireo ny prezidà tamin’ny mpihaino tafavory ho amin’ny andro manokana, ny alahady 1 martsa lasa teo, tao amin’ny Efitrano fanaovana fivoriambe tany Jersey City. Avy be ny orana tany ivelany. Tao an-trano, dia natao ny fizarana diplaoma ho an’ny mpianatra 24 tao amin’ny kilasy faha-82 amin’i Gileada. Nijery ireo endrika miramiran’ny mpianatra ny prezidà, Theodore Jaracz, anisan’ny Kolejy foibe, ka nanohy ny teniny toy izao: “Miharihary fa faly tokoa izy ireo noho izay miandry azy, ary tsy andriny izay hiasana. Koa satria milaza amintsika ny Baiboly mba ‘hiara-mifaly amin’izay mifaly’, dia matoky aho fa miara-paly amin’izy ireo isika!” Ny tehaka nanapaka ny teniny dia nanaporofo fa niray hevitra taminy ny mpanatrika rehetra, 4 557 tamin’ny fitambarany.
John Barr, anisan’ny Kolejy foibe koa, no mpandahateny voalohany. Naka teny be dia be avy ao amin’ny Salamo 104 izy ka nampiseho fa tsy vitan’ny hoe namorona ny zavatra rehetra Jehovah, ny zavatra rehetra manana aina sy tsy manana aina, fa nanokanany toerana koa ny tsirairay avy amin’ireo zavaboariny. Nanatsoaka hevitra toy izao avy amin’izany ny rahalahy Barr: “Ianareo izay handeha ho any amin’ny fanendrena anareo, milazà anakampo hoe: ‘Nametraka ahy eto Jehovah.” Zavatra tsy tokony hohadinoinareo na oviana na oviana izany.”
Tonga ny anjaran’i John Stuefloten, anisan’ny Komity ao amin’ny toeram-piompian’ny Fikambanana Watchtower, ka nampahatsiahy ny mpianatra toy izao izy: “Milaza amintsika toy izao ny ohabolana: ‘Toroy ny hendry, dia hihahendry izy.’ ” (Ohabolana 9:9). Araka ny fanazavany, nandritra ny dimy volana ireo mpianatra dia nahazo sakafo ara-panahy sarobidy indrindra. Tamin’io andro fizarana diplaoma io, dia tsy isalasalana mihitsy fa nahatsiaro ho ampoky ny soa izy ireo. “Kanefa,” hoy ny fanazavan’ny mpandahateny, “vao fiandohana fotsiny izao!” Nananatra an’ireo mpianatra àry izy hanohy hitombo amin’ny fahendrena sy ny famindrampo mba hahaizana manampy tsara kokoa ny hafa. — Ohabolana 3:27.
Nandimby azy i George Gangas, avy ao amin’ny Kolejy foibe, izay nanonona teny araka ny mety tokoa momba ny fahasambarana. Nampahatsiahy an’ireo misionera nahazo diplaoma izy fa izy ireo dia manompo an’ilay “Andriamanitra sambatra” ary izao no nambarany: “Hahita fahasambarana ianareo ao amin’ny faritaninareo.” Nahoana? “Satria Jehovah maniraka anareo any mba hanafaka ny olona amin’ny fatorany.”
George Couch, anisan’ny Komitin’ny Betela any Brooklyn, dia nifidy ny hiresaka ny amin’ny fanahiana. Niaiky izy fa tsy afaka amin’io fihetseham-po io ireo misionera. Ny fahatongavana tao Gileada, ny fiainana tao amin’ny Betela sy ny fitoriana tao New York, izany dia fiovana betsaka tsy maintsy nitana ny sain’izy ireo. Izao ny fanahian’izy ireo dia nahakasika ny fanendrena azy. Amin’ny fetra antonony anefa, dia tsy ratsy akory ny fanahiana. “Ny fanahiana dia mety hanosika antsika hanao araka izay farany azontsika atao”, hoy ny fanazavany, namporisika ireo ho tonga misionera hametraka ny fitokisany amin’i Jehovah sy hanao araka izay farany azo atao any amin’ny faritaniny.
Taorian’izany, ny anankiray tamin’ireo mpampianatra, Jack Redford, dia niakatra teo ambony lampihazo. Nampitandrina ireo mpianatra tamin’ny fanakianana tsy voamarina izy. Nitantara ohatra araka ny Baiboly momba ny fitsarana haingana loatra izay niteraka fahasahiranana tatỳ aoriana izy, ka nanonona ireto tenin’i Jesosy ireto: “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo.” (Matio 7:1). Mampiseho Andriamanitra fitiavana iray ny kilasy faha-82 amin’i Gileada. Nirahina ho any an-tany hafa ireo misionera, tsy hoe mba hanakiana, fa mba hipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa kosa.
Ulysses Glass, mpampianatra hafa iray koa, dia nanonona ity tenim-pahendrena ity: “Fa tsy ho an’ny haingan-tongotra ny fihoarana, ary tsy ho an’ny mahery ny ady.” (Mpitoriteny 9:11). Ireo vokatra azo dia tsy arakaraka ny fahaizantsika voajanahary foana akory. Amin’ny asa misionera dia matetika lavitra ny finoana sy finiavana no ilaina mba hanazaran-tena amin’ny tarehin-javatra vaovao iray. Nidera an’ireo mpianatra 24 ny rahalahy Glass noho izy ireo tsy nihilangilana, mendrika itokisana sy nanao zavatra nifanaraka tamin’ny nolazainy, dia toetra hanampy azy ireo be dia be.
Ny mpandahateny farany tamin’io maraina io dia ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower, Frederick Franz. Nambarany fa io fizarana diplaoma ho an’ireo mpianatra tao amin’ny kilasy faha-82 io dia nanamarina ny finoan’ireo izay nitokana ny sekoly nandritra ny vanim-potoana nanjombona tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Niato teo amin’ny anarana hoe Gileada izy ka nanazava fa ny dikan’io teny ao amin’ny Baiboly io dia hoe “antontam-bato vavolombelona”. (Jereo Genesisy 31:43-53.) Ireo misioneran’i Gileada izay tsy mivadika hatrany amin’ny adidy nankinina taminy dia mandray anjara amin’ny antontam-panambarana: vavolombelona velona ho an’ny fahamarinana izy ireo.
Dia nandray ny diplaomany ireo mpianatra, avy eo, ny maraina dia nifarana tamin’ny famakiana ny taratasy fisaoran’izy ireo. Ankoatra ny zavatra hafa, izany dia nilaza izao hevitra izao: “ ‘Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena.’ Koa heverinay fa Jehovah dia nanao anay efatra amby roapolo ho ny manan-karena indrindra eo amin’izao tontolo izao!” — Ohabolana 10:22.
Ny tolakandro dia nitohy ny fivoriana tamin’ny fandinihana fohy Ny Tilikambo Fiambenana narahin’ny fandaharana nahafinaritra nomanin’ireo mpianatra. Tamin’ny farany izy ireo dia namita izany tamin’ny fisaorana amim-pahatsorana ireo ray aman-dreniny izay, noho ny fandavan-tenany sy ny fanohanany, dia namela azy ireo ho tonga misionera.
Taorian’ny fampisehoana tantara mety amin’izao androntsika izao, dia nanao fanamarihana farany vitsivitsy ny prezidà. Nisy zavatra tsy nampoizina niandry an’ireo mpihaino anefa! Nambaran’ny rahalahy Jaracz tokoa fa tsy ho ela ny Fikambanana dia hanokatra sekoly vaovao, ny Sekolin’ny fampiofanana ho amin’ny fanompoana. Amin’ny voalohany izy io dia hatokana ho an’ny loholona sy mpikarakara momba ny asa mpitovo. Anisan’ireo fepetra takina mba hanarahana izany fianarana vaovao izany, dia notononin’ny prezidà ny anankiray voamariky ny rehetra indrindra: ny faniriana “hanompo any amin’izay ilàna izany, na aiza na aiza eo amin’izao tontolo izao”.
Tamin’ny tehaka nafana no nandraisana ny fanambarana ny famoronana an’io sekoly vaovao io (hahitanao andinindininy misimisy kokoa ny amin’izany ao amin’ny lahatsoratra manaraka.) Farany, mba hamaranana ny andro, ny rehetra dia tafaray tamin’ny hira sy ny vavaka ho fisaorana an’i Jehovah. Avy eo, dia nirava, tao anatin’ny alina be rahona any New Jersey. Mbola merimerika ihany ny andro, nefa tsy nisy nihevitra izany. Mbola nipararetram-pifaliana ihany ny fon’ny rehetra noho io fizarana diplaoman’i Gileada faha-82 io.
[Sary, pejy 26]
Ny kilasy faha-82 amin’i Gileada, Sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watch Tower
Ao amin’ny lisitra eto ambany, ireo laharana dia nasiana nomerao avy any aloha mankany aoriana ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana.
1) L. Gish; E. Evans; S. Dean; R. Hanson; A. Suomalainen; D. DuBose.
2) P. Wallenberg; M. Wallenberg; O. Bauer; H. Suomalainen; B. Taylor; G. DiStefano.
3) K. Scott; M. Evans; A. Taylor Jr; J. Lindby; C. Hanson; M. Holmkvist.
4) T. Sampson; T. Gish; D. Ball; J. DuBose; T. Dean; D. Scott.