FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 1/8 p. 30-31
  • Fanontanian’ny mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Mitovitovy Aminy
  • Izao Tontolo Izao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Rahoviana no ho Tonga ny Faran’izao Tontolo Izao?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Rafitr’ity Tontolo Ity
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Izao Tontolo Izao
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 1/8 p. 30-31

Fanontanian’ny mpamaky

◼ Mety ve ny hiresahana ny amin’ny “izao tontolo izao vaovao” amin’ny ho avy?

Ara-dalàna ny hametrahana an’io fanontaniana io, satria ny teny grika adika matetika amin’ny hoe “izao tontolo izao”, kosmos, dia manondro indrindra ny taranak’olombelona — ary anefa Andriamanitra tsy hamorona taranak’olombelona vaovao. Afa-tsy izany koa, ny fitenenana hoe kaïnos kosmos (ara-bakiteny “izao tontolo izao vaovao”) dia tsy hita ao amin’ny Baiboly.

Kanefa, ny fampiasan’ny Baiboly ny hoe kosmos dia manome lalana ny kristiana hiresaka ny amin’ny “izao tontolo izao vaovao” momba ny Paradisa izay haorina indray eto an-tany. Manambara toy izao ny Diksionera Vaovao iraisam-pirenena momba ny teolojian’ny Testamenta Vaovao (anglisy): ‘Tamin’ny voalohany dia trano no dikan’ny hoe kosmos, nefa izy io dia manambara indrindra hevitra ny amin’ny fandaharan-javatra.’ Nanampy teny koa io diksionera io ihany fa io teny io dia manana heviny miavaka kokoa, toy ny hoe “haingo, ravaka”, “fitanana ny fiainana tsy hiovaova ao anatin’ny fitambaran’olona”, “mponina amin’ny tany, olombelona”.

Ao amin’ny Soratra grika kristiana, ny hoe kosmos dia matetika ampiasaina mba hanondroana ny fianakavian’olombelona manontolo. Vakintsika amin’izany fa “samy efa nanota izy rehetra [izany hoe ny taranak’i Adama rehetra, olombelona tsy tanteraka] ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:19, 23.) Afa-tsy izany koa, dia “toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao [kosmos]: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”. (Jaona 3:16.) Izay rehetra ao anatin’ny fianakavian’olombelona tokoa ka maneho finoana an’i Kristy dia afaka mandray soa amin’ny sorony.

Raha izay ihany no fampiasan’ny Baiboly ny teny hoe kosmos, dia tsy hety ny hiresahana ny amin’ny “izao tontolo izao” iray ho avy. Nahoana? Satria ny olona sasany dia ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe ka hanana fahafahana hahazo ny Paradisa tafaorina indray. Tsy hamorona taranak’olombelona vaovao àry Andriamanitra, dia olombelona vaovao, izao tontolo izao onenana vaovao. Ny Baiboly anefa dia tsy mampiasa ny hoe kosmos amin’ny heviny hoe taranak’olombelona rehetra fotsiny.

Ohatra, indraindray io teny io dia mahafaoka ny olombelona rehetra lavitra an’Andriamanitra. Ao amin’ny Hebreo 11:7 dia lazaina fa “finoana (...) no nanamelohany [Noa] izao tontolo izao [kosmos]”. Miharihary fa tsy nanameloka ny olombelona rehetra izy, satria ny tenany sy fito tamin’ny mpianakaviny dia tafita velona tamin’ny safodrano. Toy izany koa fa izao no nambaran’i Jesosy tao amin’ny vavaka iray: “Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao [kosmos] Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy (...); ary halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” — Jaona 17:9, 14; jereo II Petera 2:5; 3:6.

Aoka hodinihintsika anefa ny hevitry ny hoe kosmos hafa ampiasain’ny Baiboly: rafitra, fandaharan-javatra na faritry ny fiainan’olombelonaa. Hitantsika izany ao amin’ity fanambaran’i Jesosy ity: “Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao [kosmos], kanefa very ny ainy?” (Matio 16:26). Miharihary fa tsy te-hilaza akory Jesosy hoe izany olona izany dia ‘hahazo izao tontolo izaon’ny olombelona manontolo’ na ‘izao tontolo izaon’ny olona lavitra an’Andriamanitra’. Tsy ny olombelona akory no nety ho azon’io fatra-pitia ny zavatra ara-nofo io, fa izay ananan’ny olombelona, tanterahiny na alaminy. Izany fanazavana izany dia mihatra koa amin’ny tenin’ny apostoly Paoly milaza fa ny olona manambady dia “miahy ny amin’ny zavatra eo amin’izao tontolo izao”. Toy izany koa, ny kristiana iray dia tsy tokony ‘hampiasa izao tontolo izao amin’ny fomba feno’. — I Korintiana 7:31-33, MN.

Amin’io heviny io, ny dikan’ny hoe kosmos dia azo ampitahaina amin’ny an’ny teny grika aïôn izay azo adika hoe “fandehan-javatra” na “taona”. (Aid to Bible Understanding, pp. 1671-1674.) Tsapantsika fa ao amin’ny toe-javatra sasany dia saika azo ampifanoloana ireo teny roa ireo. Aoka isika hijery ohatra roa ny amin’izany fitovian’ny kosmos sy aïôn izany: 1) Nanoratra i Paoly fa nandao azy i Demasy izay “tia izao fiainana izao (ny fandehan-javatra ankehitriny, MN ) [aïôn]”. Ny apostoly Jaona kosa dia manoro hevitra antsika mba ‘tsy ho tia izao tontolo izao [kosmos]’, izay iavian’ny “filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao”. (II Timoty 4:10; I Jaona 2:15-17.) 2) Jaona 12:31 (MN ) dia miresaka ny amin’ny “filohan’izao tontolo izao [kosmos]”, izay antsoina hoe “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao” ao amin’ny II Korintiana 4:4, MN.

Noho izany, ny hoe kosmos na “izao tontolo izao” dia mety hampiasaina mba hanondroana ny taranak’olombelona manontolo, mbamin’ny rafitry ny faritra misy ny olombelona. Noho izany antony izany, dia azontsika atao ara-drariny sy amin’ny fomba mety koa ny miresaka ny amin’ny “fandehan-javatra vaovao” na “izao tontolo izao vaovao” ho avy. Izany dia ho rafitra vaovao na faritry ny fiainan’olombelona. Ny ankamaroan’ny mponina ao amin’ny Paradisa ho tafaorina indray eto an-tany dia ho nahalala ny fandehan-javatra taloha, satria ho tafita velona amin’izany na ho natsangana tamin’ny maty. Ho taranak’olombelona iray ihany àry izy ireo. Noho ny tsy haha-eo ny izao tontolo izaon’ny olona lavitra an’Andriamanitra sy noho ny fandaharana vaovao, na fandehan-javatra, miorina amin’ny sitrapon’Andriamanitra voambara, anefa, io Paradisa ho tafaorina indray io dia ho izao tontolo izao vaovao.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Manamarika ilay diksionera voatonona eo ambony fa, na dia teo amin’ny teny grika taloha tsy araka ny Baiboly aza, “kosmos dia teny izay mandrakariva manondro izao tontolo izao amin’ny maha-fandaharan-javatra, fandehan-javatra”.

[Sary, pejy 31]

Ny olombelona tia ny rariny dia hanorina indray ny Paradisa ao amin’izao tontolo izao vaovao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara