Indray andro tany Calcutta: Ahoana no ampahafantarana ny vaovao tsara amin’“olona isan-karazany”
TANÀNAN-KARANA ifamoivoizan’ny “olona isan-karazany” i Calcutta. Mampahafantatra amim-pahamailahana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, eo amin’ireo mponina maherin’ny folo tapitrisa. Mila fahaizana sy fiaretana be mba hahazoana ireo olona miaina ao anatin’ny toe-javatra ara-pirazanana, ara-tsosialy, ara-panabeazana, ara-pivavahana sy ara-toe-karena tena samy hafa dia samy hafa. Nefa sahala amin’i Paoly apostoly kristiana, izay nentin’ny dia misionerany hatrany amin’ny faran’ny tany tamin’ny androny, ny Vavolombelon’i Jehovah any Calcutta koa izao dia ‘efa tonga ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra, mba hamonjena ny sasany na iza na iza’. — I Korintiana 9:22; Kolosiana 1:23.
Ahoana no ataon’ny Vavolombelona mba hampielezana ny fanambarana any Calcutta? Karazan’olona sy toe-piainana manao ahoana no voatarika hijery akaiky ao amin’ny faritry ny asany? Vao haingana aho no nitsidika an’i Calcutta, izay nandaniako andro iray niaraka tamin’ny mpitory maharitra iray, izany hoe mpitory manontolo andro. Ho tianao ve ny hanana filazana amin’ny ambangovangony ny amin’io fanandraman-javatra niavaka io?
Faritany midadasika sy miovaova
Fitoriana isan-trano no nandanianay sy ilay namako ilay andro manontolo. Andro iray feno, nefa nahafinaritra. Vonona hody izahay izao. Eo am-piandrasana ny fiara fitaterana, no nanombohanay niresaka ny zava-tsarotra tsy maintsy nosetrain’izy sy ny mpitory maharitra hafa tao amin’io tanàna lehibe dia lehibe io.
“Eny tokoa, hoy ny nanohizan’ilay namako ny teniny, manontania ange anankiray na iza na iza amin’ireo izay ao amin’ny asa manontolo andro raha ho tiany ny homena faritany mora kokoa. Tsy mihevitra aho fa haniry izany izy.”
Marina ny azy. Ireo mpitory maharitra ao Calcutta dia mihevitra ny asany ho iray amin’ny asa mahaliana indrindra maneran-tany. Ao amin’izany tanàna misy endrika an’arivony izany, dia manana faritany midadasika sy miovaova ry zareo.
Maro be ny fiangonana sy mosike, ary ahitana tempoly bodista vitsivitsy koa any, na dia ny fivavahana hindoa aza no manjaka. Any amin’ny faritany sasany, dia misy fonenana kanto ialofan’ny olona anisan’ny mpanan-karena indrindra maneran-tany. Tsy lavitra loatra avy eo, no ahitana ny trano hevan’ny mpiasa mpifindra monina afaka manantena hahazo 150 ropia kely (tokony ho 800 ariary) isam-bolana. Ny fomba amam-panao, ny fiteny sy ny fomba fitafy dia maro karazana toy ny fivavahana sy ny toe-piainana.
Mandroso ao anatin’izany toe-javatra manodidina izany ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ahitana mpitory miasa eo amin’ny zato. Na dia be aza ny zava-tsarotra tsy maintsy setrainy, dia mahatsiaro fifaliana sy faharavoana amin’ny tarehin-javatra mba hanomezana izay ilain’ny mponina.
Tamin’izay ny fiara mpitatitra faha-45 no nijanona nitretrena teo anoloanay. Nihiaka toy izao aho raha nahita azy efa feno hika: “Tsy ho tafakatra mihitsy aho!” Nanosika ahy moramora avy ao aoriana ilay namako, ary avy eo dia nisy onjan’olona nanainga anay ho any anaty fiara. Mbola nisy olona folo raha kely niakatra taorianay. Eo amin’ny tohatra kely fiakarana fotsiny izy ireo mandritra ny dia, mamikitra manodidina ny varavarana tahaka ny lalitra. Ao anatin’ilay fiara, tsy mahazaka afa-tsy toerana mipetraka 46, no nanisako olona zato mahery talohan’ny nialana mba hanohy indray ny resaka.
“Toy izao foana ve ny fiara mpitatitra?
— Somary manao taingim-be foana izy. Kanefa, tsy dia lafo ny saran-dalana, ka milaza izany fa mora foana ho anay ny manao dia 10 ka hatramin’ny 15 kilaometatra isan’andro mba hivoaka hitory any amin’ny faritra sasany lavitra indrindra amin’ny tanàna.
— Tsy ho tsaratsara kokoa ve ny mitory matetika ao amin’ny faritany akaiky kokoa anareo?
— Eny, nefa misy mpitory manontolo andro vitsivitsy, anisan’izany ny tenako, nanapa-kevitra hiezaka hanatratra ireo olona any amin’ny faritany hafa. Asehon’ny filazana asanay fa faritany maro eto Calcutta no tsy mbola nandre firesahana ny vaovao tsara nandritra ny 50 taona farany!”
Kanefa, maro be loatra ny mponina ka mba hahitana ny olona rehetra ao amin’ny faritany omena, dia ilaina ny mifikitra amin’ilay asa. Nampiharihary ny fanadihadiana iray fa ny ara-kevin’ny isan’ny mponina isaky ny kilaometatra toradroa ao Calcutta dia avo telo heny noho ny an’i New York, ampahany nitombo isa tato anatin’ny taona faramparany.
Ampahatelon’ny mponin’i Calcutta fara fahakeliny no miaina ao anatin’ny fonenana kely maloto feno olona, antsoina eto hoe “bustees”. Ireo karazana “bustees” dia trano bongo kely mitomandavana tsy misy farany tsy ho azo andalovana eny anelanelany. Ny trano kely tsirairay, izay natao tamin’ny fotaka voavely ny fanambaniny, dia voaforon’ny rafitra hazo nolalorina tanimanga miharo tain’omby, mitafo tanimanga vaventy. Saiky tsy dia mba misy fidiran-drivotra izany, natao hatorian’olona mahantra tsy latsaka ny fito na valo. Misy toerana fakana rano ho an’ny olona 150 amin’ny ankapobeny ary, ao amin’ireo “bustees” tranainy indrindra, dia manorina lavaka fivoahana iombonana vitsivitsy ny fitondram-panjakana.
Rehefa manomboka mandeha isam-baravarana ao amin’ny “bustee” iray ny tena, dia tsy mahalana no tanarahan’ny vahoaka tia jerijery, indrindra fa ny ankizy, indraindray aza an-jatony. Indray andro, ny Vavolombelona iray, somary sosotra tamin’ny tovolahy tsy nety niala iray izay nanambara ny fitsidihany isaky ny trano-bongo, dia nanontany azy raha tsy iriny koa ny hiteny hisolo toerana azy. Koa tamin’izay noheveriny ho fanasana azy, ity tovolahy mora niraharahana tsara ity dia nandray ny taratasy mivalona teny an-tanan’ilay Vavolombelona, avy eo dia namelabelatra ny hafatra tsy nisy hafa tamin’ny azy, ka tonga hatramin’ny fanolorana gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!.
Tontolo manodidina ara-pivavahana samy hafa
Saika ny antsasaky ny “bustees” ao an-tanàna onenan’ny mpanaraka ny fivavahana silamo. Kanefa, ny fileferana mampiavaka io tanàna io dia mahatonga ho azo atao ny fitoriana amin’ny faritra toy izany, tombontsoa izay tsy ananan’ny Vavolombelona mandrakariva any amin’ny tany hafa be miozilimana. Manana fomba manokana fanatona ny miozilimana ve anefa ny mpitory maharitra ao Calcutta?
“Ny sasany, hoy ny navalin’ilay namako, miresaka ny zava-manahirana eo an-toerana mba hanipihana ny tsy fahafahan’ny olona mandamina ny zava-manahirana azy manokana, fa ny hafa kosa miezaka handresy ny fandraisana an-tendrony ara-pivavahana amin’ny fandinihana lafin-javatra iraisana, sahala amin’ny finoana an’Andriamanitra tokana (fa tsy ny telo izay iray) na koa ny fiaikentsika mitovy fa ny Soratra ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany dia ara-tsindrimandrin’Andriamanitra.
— Ka inona no vokany?
— Tsy misy afa-tsy vitsy an’isa tokoa no mba ampy fahalianana hanaiky fianarana Baiboly. Toa hita fa ny hany mitana ny sainy dia ny hahazoana izay hivelomana sy hanatsarana ny toe-piainany. Fanampin’izany indray, tsy nahita fianarana afa-tsy kely dia kely izy ireo, eny tsy nahita mihitsy aza, koa takatrao avy amin’izany ny antony maha-sarotra tokoa ho azy ny manaiky ny vaovao tsara.”
Ireo manana fiheverana hindoista no mifanehatra amin’ny tena matetika kokoa ao Calcutta. Ny Bengalis, indrindra, dia tia ny manonona ity teny fahendren’i Râmakrishna ity, lehilahy iray velona sy nitory tokony ho teo antenantenan’ny taonjato faha-19: “Jotto moth, totto poth”, izay raha adika amin’ny fomba malalaka, dia milaza fa ny fivavahana rehetra dia tsy inona akory fa lalana samy hafa fotsiny hahatongavana amin’ny zava-kendrena iray ihany.
“Sarotra ve ny mandresy izany fanaporofoan-kevitra izany?
— Tsia raha vonona hisaintsaina ilay mpihaino. Amim-pandanjalanjana, dia azo atao ny manazava aminy fahasamihafana manaitra sasany, toy ny fanantenantsika, miorina amin’ny Baiboly, hiaina mandrakizay amin’ny maha-olombelona tanteraka eto an-tany. Na koa, azo atao ny mampisongadina fa tsy mety hisy fomba fijery roa mifanohitra samy marina. Ohatra, na ny iray no marina na ny iray: na misy fanahy tsy mety maty, na tsia.
— Fandrindran-kevitra mafy orina izany.
— Eny, nefa matetika loatra no tsy heverin’ny olona ho zava-dehibe ny tenintsika. Mino mafy izy fa fantany ny finoantsika ary tena mitovy amin’izany koa ny azy. Izany toe-tsaina izany no mila ho tonga vato misakana amin’ny fifanakalozan-kevitra manorina rehetra. Izany no iezahanay mametraka zavatra vita an-tsoratra, avy eo izahay dia mandeha mijery olon-kafa.
— Mba misy olona ao amin’ny fitambarana hindoa ve maniry hahafantatra tsaratsara kokoa an’Andriamanitra sy ny fikasany.
— Eny. Nahita zazalahy iray diso fanantenana tamin’ny fifaneraserany tamin’ny mpianatr’i Râmakrishna ireo mpitory maharitra. Nandray gazety izy, ary namaky azy raha niverina ireo Vavolombelona ny afakampitso. Taorian’ny fifanakalozan-kevitra maromaro, izy dia nanomboka nianatra ilay bokikely hoe Ny lalan’ny fahafahana: ny fahamarinan’Andriamanitra. Noraisiny an-tsoratra amin’ny karine ny valiny sy ny fanazavana mifandray amin’ireo fanontaniana. Dimy volana taty aoriana dia natao batisa io lehilahy io ary nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy mba hahafahana mampahafantatra amin’ny maro hafa izay nianarany.
— Tantara mampahery re izany! Nefa mba nanao ahoana ny fihetsiky ny mpianakaviny?
— Niara-niaina tamin’ny reniny mpitondratena, sy ny renibeny, samy hindoa mafana fo, izy. Naneho fahalianana ny Baiboly koa izy ireo ary nanomboka nianatra. Nanamarika tsy ela ny fiovan’izy ireo ny mpiara-monina, ka telo tamin’izy ireo no liana tamin’ny fahamarinana. Efa vita batisa ilay reny amin’izao fotoana izao, ary ilay renibe, izay mandroso miadana kokoa noho ireo 70 taonany, dia mikasa ny hatao batisa tsy ho ela.”
Manoloana ny hafanam-pon’ilay namako nilaza io tantara kely io, dia voamariko fa manetsiketsika ny mpitory maharitra ny ohatra toy izany. Matetika, amin’ny fotoana iheverana fa misy manitsaka, no misy olona iray maneho fahalianana miavaka. Mamelombelona herim-po nohavaozina ao amin’ireo mpitory maharitra izany mba hitadiavana an’ireo izay mbola tokony hahita ny fahamarinana.
Mba handresena ny fefin’ny fahasamihafam-piteny
Tao anaty fiara mpitatitra dia efa nihavitsy ny olona. Mba nisy teny anglisy vitsivitsy fantatro. “Ticket, apnar ticket”, hoy ny antsoantson’ny lehilahy fohy kely tsy nitondra fitafy niavaka, mihazona karatra nivelatra teny an-tanany ankavanana ary nivimbina kitapo hoditra nanavaka azy ho mpisava karatra. Nanolotra vola aho, fa tsy ta-handre resaka ny amin’izany ilay namako ho mariky ny fahaiza-mandray vahiny araka ny fomba karana. Nasainy nohazoniko ny kitapony mba hakany vola madinika tao am-paosiny.
“Fa inona no ataonao ato anatiny? hoy ny fihiakako avy hatrany. Milanja taonina iray ity izy!
— Fantatrao, fa ny fanontana ny Baiboly amin’ny fiteny karana dia lehibe kokoa. Mba ho ampy fitaovana tsara eto Calcutta, dia tena ilainay ny mitondra Baiboly amin’ny fiteny telo — bengali, hindi ary anglisy — ambonin’ny zavatra vita an-tsoratra ara-Baiboly, mazava loatra.
— Mety ho azonao atao ny mandray fotsiny ny Baiboly amin’ny fiteny anglisy ary mandika ny andalan-teny ho vakina.
— Ô! eny, ho azo atao izany. Fa izao fotsiny, maro amin’ireo tsy mahay mamaky afa-tsy ny teny bengali na hindi no tsy mbola nahita mihitsy Baiboly manontolo amin’ny fiteniny. Mirehareha ery izahay raha afaka mampiseho iray amin’izy ireo sy mamaky andalana avy ao anatiny ho azy ireo. Tena mendrika ny fiezahana sy fitondrana entana amboniny izany.”
Manan-javatra betsaka hatao mandrakariva ireo mpitory maharitra mba hifankazarana amin’izay ilain’ny antokon’ny samy hafa fiteny eo an-toerana. Mizatra miteny amin’ireo fiteny telo lehibe indrindra ny ankamaroan’izy ireo mba hanaovana fanambarana amim-pahombiazana. Ny sasany, marani-tsaina indrindra, no nianatra fiteny dimy na enina. Ankasitrahan’ireo mponina ny fiezahana ataon’ny mpitsidika mba hiresahana amin’ny fitenin’ny fitambaran’olona misy azy, ary ampy ny hihainoany azy amim-pitandremana mba hahatsiarovan’ireo ho novalian-tsoa noho ny ora maro nolaniana mba hahazoana ny foto-pianarana amin’izany.
Fifaliana na dia ao aza ny fahasahiranana
Teo amin’io fotoan’ny fisaintsainako io indrindra no nijanona nanoloana ny fiatoana ny fiara, nidilotra ny fampijanonana efa tena lany be, ary nivoaka teny ivelany aho.
“Nahoana no miala eto isika? hoy aho gaga be. Tsy eto akory ny faritany misy anao.
— Tsia, faritany pendjabi eto. Eto no anaovana ny dite tsara indrindra. Mieritreritra aho fa mba ho tianao ny hanandrana.”
Eny tokoa, tena tsara ilay dite.
“Ahoana no nahitanao ity toerana ity?
— Izahay mpitory maharitra, dia mivezivezy any anaty tanàna rehetra any, ka fantatray amin’izany ny fahaizana manokana eo an-toerana sy ny fivarotana mora zavatra indrindra. Raha tsara vavony ianao, dia azo ampanandramana fahaiza-mahandro mahaliana vitsivitsy anio hariva.”
— Nefa tonga ao an-tsaiko ny torohevitra feno fahendrena nataon’ny namana sasantsasany ka nolaviko ilay fanasana. Tsy manakana ny tena nitiavako an’ilay dite izany. Tsapako fa nahay nandanjalanja ireo mpitory maharitra ary nianatra hizatra amin’ny toerany izy ireo. Eny fa na dia ireo heverina ho vato misakana tany am-boalohany aza dia mety ho resy sy hanjary hahafinaritra.
“Misy zavatra tsy dia tianao loatra ve amin’ny asa tanterahanao?” hoy aho ho famaranana.
Nieritreritra kely ilay namako, avy eo dia nandray ny fitenenana indray: “Heveriko fa ny fahavaratra sy ny rivo-dranomasina indiana mifamaly dia fisehoan-javatra tena tsy mety hahazatra anao mihitsy. Nefa zava-manahirana ho an’ny rehetra moa izany, na mpitory maharitra na tsia. Miakatra be ny hafanana sy ny hamandoana ka mikoriana manaraka ny orona ny hatsembohana matetika mba hilatsaka eo ambonin’ny Baiboly vakinao. Nefa amin’ny farany, hainay ny manao azy. Jereo, fa amin’ny volana may, ny fotoana tena mafana indrindra amin’ny taona, no mahita tampon’isa amin’ny mpitory maharitra mpanampy ny kongregasiona iray.”
Rehefa mitadidy izany andro sy resaka nifanaovako tamin’ilay namako izany aho, dia tena talanjona aho manoloana ny fahaizan’ny mpitory maharitra ao Calcutta mifankazatra amin’ny tarehin-javatra maro be sy amin’ny olona tena samy hafa mba hahampahafantatra azy ny vaovao tsara. Eny, fantatro koa fa manao toy izany ny mpitory maharitra maneran-tany. Tena faly marina tokoa izy ireo tonga “ny zavatra rehetra ho an’ny olona rehetra na iza na iza.” — Avy amin’ny iray amin’ny mpamaky.
[Sarintany/Sary, pejy 26]
(Jereo ny gazety)
INDIA
Calcutta