“Mivoria hianareo”
REHEFA nanonona ireo teny ireo i Jeremia fahizay, dia nandrahona an’i Jerosalema sy Joda ny loza. Nilaina maika dia maika ny hibebahan’ireo tena mpanompon’i Jehovah sy ny hahavory azy ireo ho amin’ny famonjena. Toy izany koa, amin’izao andro izao, ny fivavahana lazaina fa kristiana dia madiva ho rava ao anatin’ny “fandringanana be”, dia ny an’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Na dia taona maro aza no lasa hatramin’ny 1914, daty nanohanan’ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana tsy nisy fepetra ny ra nandriaka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, dia ‘tsy afaka ny firehetan’ny fahatezeran’i Jehovah’, toy ny tamin’ny andro mifanitsy aminy teo amin’ny tantaran’ireo mpanjakan’ny Joda izay nanomboka tamin’ny andro nanjakan’i Manase feno trosan-dra ka nitatra hatramin’ny an’i Zedekia nivadika. Tokony hitady an’i Jehovah izao ireo mpandefitra amin’ny tany raha tiany ny ho tafita velona. — Jeremia 4:5-8; II Mpanjaka 24:3, 4; Zefania 2:2, 3.
Ahoana, tamin’izao androntsika izao, no nanomezana ny fampitandremana? Tamin’ny alalan’ny gazety vakinao indrindra izay hita ho nahitam-bokatra tokoa. Tsy nisy fahatapahana, nanomboka tamin’ny 1879, io gazety io, toy ny mpiambina eo amin’ny tilikambo fiambenany, dia nanintona ny sain’ny mpamaky azy ho amin’ny firodanan’ny fivavahan-diso, nasehon’i Babylona, efa antomotra, sy ho amin’ny Fanjakana arivo taonan’i Kristy ho feno filaminana izay hanaraka izany (Isaia 21:6-12; Apokalypsy 20:2, 3; 21:1-4). Lava ny lalana vita nanomboka tamin’ny nomeraony voalohany izay 6 000 ny indray nivoaka tamin’ny teny anglisy, satria amin’izao andro izao, Ny Tilikambo Fiambenana manambara ny Fanjakan’i Jehovah dia 12 315 000 ny indray mivoaka maneran-tany amin’ny fiteny 103. Afa-tsy izany koa, dia nohatsaraina ny endriny araka ny fandehan’ireo taona; amin’izao fotoana izao izy io dia atonta amin’ny loko efatra ny fiteny 21, ary na dia ireo fanontana tsy afaka mampiasa izany fomba izany aza dia mahafinaritra tokoa, araka ny mety amin’ny gazety iray izay iankinan’ny aina ny anjara raisiny.
Ny fitomboan’ny zavatra avoaka dia nahatonga hilaina ny fanaparitahana ny fanontam-pirinty, hany ka sampan’ny Fikambanana 35 maneran-tany izao no miantoka ny fanaovana izany. Ambonin’izany, nanomboka tamin’ny janoary 1987, ireo fanontana amin’ny gazetintsika faharoa, Réveillez-vous!, atonta any Alemaina, any Brezila, any Kanada, any Danemarka, any Etazonia, any Finlanda, any Grande-Bretagne, any Italia sy any Japon, dia hiseho amin’ny loko efatra. Tany Etazonia, mba hanaovana izany, dia nilaina ny hananganana “rotatives” mihodina haingana dia haingana MAN-Roland any amin’ny toeram-piompian’ny Watchtower any Wallkill, any amin’ny Fanjakan’i New York.
Ny sampan’ny Fikambanana any Japon dia mampiasa koa fanontam-pirinty telo haingam-piasa aoka izany mba hamoahana Baiboly, boky sy gazety amin’ny fiteny aziatika sasany. Afa-tsy izany koa, io sampana io dia nanampy tamim-pahalalahan-tanana ireo sampana aostraliana, koreana sy afrikana atsimo tamin’ny fanomezana azy ireo fanontam-pirinty misy loko efatra, ka noho izany, ireo sampana telo ireo izao dia miomana ny hanonta ireo gazetiny amin’ny loko efatra.
Tao anatin’ny taona maro, ireo sampan’ny Fikambanana dia nizara ny fananany teo ambany fitarihan’ny Foibe iraisam-pirenena. Araka izany dia maro no nampiana arakaraka izay ilainy, na amin’ny fanorenana izany, na amin’ny fanitarana ireo tranony, na amin’ny fanomezana azy ireny fitaovana na amin’ny fanohanana ara-bola ny asa fitoriana tena lehibe. Izany “fitoviana” nanjary azo natao izany noho ny fanomezana amim-pahalalahan-tanana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, dia notahin’i Jehovah be dia be. — II Korintiana 8:12-15.
Raha irinao ny hahazo fanazavana momba ny fanaovana famandrihana amin’ity gazety ity, dia mba jereo ao amin’ny pejy faha-2.