FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/2 p. 22-25
  • Olona kilemaina sady mpitory mahay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Olona kilemaina sady mpitory mahay
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Malemy tongotra manana fiainana feno tsara
  • Mitady sofina mihaino izy
  • Mpirahalahy telo mitory
  • Kilemaina nefa manana fahavononana
  • Ireo Fitahiana Entin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Afaka ny ho Mpisava Lalana ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Manome ka Mandray Fitahiana Ireo Mpisava Lalana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana — Natao ho Anao ve Izy Io?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/2 p. 22-25

Olona kilemaina sady mpitory mahay

MALEMY tongotra io zazalahy tsara tarehy mitondra milina fanitsiana amin’ny ranjo io. Moana sady marenina io vehivavy miramirana endrika io. Ireo lehilahy telo mitsikitsiky ireo dia voan’ny “dystrophie musculaire”. Inona no iombonan’izy ireo? Ny takaitrany ve? Angamba. Ny fahaizan’izy ireo ve? Izany tokoa. Samy mpitory mahay daholo izy ireo: mpitory maharitra, mpitory manontolo andro.

Araka ny filazan’izy ireo, ny fahombiazany amin’ny asan’ny mpitory maharitra dia avy amin’ny anton-javatra telo: 1) avy amin’ireo toromarika mandaitra omen’i Jehovah azy ireo amin’ny alalan’ny fandaminany feno fitiavana; 2) avy amin’ny fanampian’ny mpianakaviny sy ny kongregasiona kristiana tsy tapaka; ary 3) avy amin’ny faniriana amim-pahatsorana ny hanitatra ny tombontsoam-panompoan’izy ireo. Aoka hojerentsika hoe noho ny antony inona ary amin’ny fomba ahoana no isehoan’ireo olona kilemaina ireo ho mpitory mahay.

Malemy tongotra manana fiainana feno tsara

35 taona i Masashi Tokitsu; na dia tsy afaka mampiasa ireo ranjony aza izy, dia mpitory maharitra hatramin’ny dimy taona. Fony izy mbola kely, dia nanonofy ny ho tonga mpampianatra fampiasan-tena izy. Rava anefa izany nofinofy izany rehefa nianjera avy teo amin’ny tsoram-by tsy mihetsika (barre fixe) izy teo amin’ny faha-15 taonany. Tao anatin’izany ora mangidy izany, dia nihevitra ny tenany ho niditra tao anatin’ny alina lalina izy. Niposaka indray anefa ny andro rehefa nanomboka nianatra Baiboly izy. Tamin’io indray mandeha io, dia ireo fahazavan’ny fahamarinana no nanazava azy (jereo Jaona 1:5). Rehefa afaka folo volana, dia Vavolombelon’i Jehovah vita batisa i Masashi. Henoy izy manazava ny antony sy ny fomba nahatongavany ho mpitory maharitra.

“Saika vao teo am-piandohana, dia tsapako fa matoa aho nianatra ny Baiboly, dia noho ny fikendrena ny hitory. Koa isaky ny nisy olona tonga tao an-trano, dia nohararaotiko ny fahafahana hiresaka aminy. Tamiko, ny fiainana faniry indrindra dia ny an’ny mpitory maharitra. Ho tiako aoka izany ny handeha isan’andro hitory amin’ny olona! Ny malemy tongotra anefa dia mora misy tako-pery, ary nisy nanaintaina tokoa tao amin’ny valahako, nitete nana sy ra ary zavatra nitsika hafa. Efa fotoana lava no nilaiko mba hanovana ny fanamboaram-pery imbetsaka isan’andro. Rehefa nieritreritra aho fa tsy ho afaka ny ho mpitory maharitra mihitsy ao anatin’izao fandehan-javatra izao, dia latsa-dranomaso rehefa namaky tao amin’ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower, ireo teny feno fahamoram-panahy sy mampahery nosoratana ho an’ireo izay tsy afaka ny ho mpitory maharitra.

“Somary nampanavy ahy ireo tako-pery teo amin’ny valahako roa. Nahagaga fa nisava izany fanaviana izany rehefa nankany amin’ireo fivoriana aho. Koa noho ny torohevitra feno fahendrena nomen’ny Vavolombelona iray izay mpitsabo, dia nanaiky ny handidiana ireo tako-pery ireo aho. Nahomby tanteraka ny fandidiana fanindroany, hany ka rehefa afaka dimy volana, dia nanomboka nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy aho. Tamin’izany fotoana izany anefa, dia nieritreritra aho fa raha tiako tokoa ny hiantsoroka ireo andraikitro amin’ny maha-loholona ao anatin’ny kongregasiona, dia ho be loatra ho ahy angamba ny fahatongavana ho mpitory maharitra mandavantaona. Vao niforona ilay kongregasiona ary izaho irery no loholona.

“Tamin’izany fotoana izany koa, dia nieritreritra anabavy iray aho, nefa tsy nifamaly izany fanintonana izany. Nijaly mafy noho izany aho; dia nampanaiky tena aho ka niteny anakampo fa izany angamba no sitrapon’i Jehovah ary tsy tamin’izay no fotoana tokony hanamparana ny fihetseham-pon’ny tena raha mbola be dia be ny zavatra tokony hatao tao anatin’ny kongregasiona. Niteny anakampo aho fa ny fanafodiny tsara indrindra dia ny fanokanan-tena bebe kokoa amin’ny asa teokratika. Rehefa afaka roa volana, dia nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona aho. Ho an’ny malemy tongotra iray, ilay asa dia nitaky fiovana betsaka kokoa teo amin’ny toetra noho ny teo amin’ny lafiny ara-batana. Mila be dia be ny fanampian’ny hafa izahay mba hanatrarana ny zava-kendrenay; tsy maintsy ilainay àry ny mianatra mahazo ny fiaraha-miasan’izy ireny amin’ny fomba mahafinaritra. Koa satria afaka mitondra fiarakodia aho amin’ny fitoriana, dia ajanoko faran’izay akaiky azo atao ny fidirana ho ao amin’ireo trano ny fiarakodiako. Mitory miaraka amin’ny mpitory ilay Fanjakana hafa foana aho. Mitondra ny kitapoko izy, mahatsiaro izay ilaiko, sy ny filaharan’izany.

“Koa satria mandeha amin’ny lalana tery izahay, indraindray dia mijanona eo anoloan’ny makarakara aho ka miantso mafy mba hanintona ny sain’ny mponina. Raha misy tohatohatra, dia mandroso hatreny am-baravarana ilay namako ka mampiseho ny Baiboly amin’ny olona raha mbola miteny aminy avy etỳ ambany aho. Rehefa misy trano mora idirana ao amin’ny faritany iray, na fitambarana efitrano ambany rihana amin’ny trano avo be, dia mampiseho hatsaram-panahy ireo Vavolombelona hafa mamela izany ho ahy. Rehefa mampiseho gazety aho, dia manamaivana ny entan’ilay manampy ahy amin’ny tsy fitondrana afa-tsy kitapo misy gazety sy bokikely.

“Noho izaho mpiandraikitra ny asa, dia tiako ny manatrika ireo fampianarana Baiboly. Atao ao an-tranon’ireo mpitory ilay Fanjakana manana trano mora idirana àry izany, na ao an-tranoko. Araka izany, dia tsapanareo fa mila ny fanohanan’ireo rahalahiko kristiana aho. Zava-dehibe, tsy ny hahafantaran’izy ireo ny fomba hanampiana ahy ihany, fa ny hahaizako manaiky ny fanampian’izy ireny amim-pahazotoana koa.

“Fony vao nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra aho, dia nanao fanambarana be dia be tamin’ny alalan’ny taratasy. Nefa noho izaho afaka mitondra milina fanitsian-dranjo mandritra ny andro, nefa tsy maninona izao, dia manao saika ny asako rehetra miaraka amin’ny mpitory maharitra hafa sy ny mpitory tsotra aho. Ny anankiray amin’ireo soa raisiko avy hatrany amin’ny andro iray feno fitoriana, dia alina iray manontolo atoriana be. Ny fampiasana ny Baiboly isan’andro dia manamafy ny fiaikeko ho mitana ny fahamarinana. Noho izaho mandray anjara amin’ny fiainan’ny olona isan’andro ka mahatsapa fa mila ny fahamarinana tokoa izy ireo, dia mitombo ny fitiavana tsapako ho azy ireny. Amin’ny fiaraha-mitory amin’olona foana, dia afaka manatanteraka ny asan’ny mpiandry koa aho ka mahalala tsara kokoa ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona.

“Mazava ho azy fa tsy andriko izay hiainana ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao ka hanompoana an’i Jehovah amin’ny tena salama tsara. Tsy ilaina anefa ny miandry ho tonga amin’izany. Ny fanompoana azy dieny izao, na voafetra ny herin’ny tena na tsia, no mahaforona ny raharaha tsara indrindra na ho an’ny tanora na ho an’ny be taona kokoa.”

Mitady sofina mihaino izy

“Ireo taonan’ny fahazazako dia niainako tamin-dranomaso”, hoy ny fitantaran’i Katsuko Yamamoto. Noho ny tazo mahery sy ny kitrotro niaraka, dia nanjary narenina i Katsuko teo amin’ny faharoa taonany. Tsaroany ho fijaliana ny fankanesana tany an-tsekoly sy ny fizakana ny fitondrana ratsin’ny ankizy hafa. Faly noho ny maha-mpitory maharitra azy i Katsuko ka manazava amintsika ny fomba arahiny rehefa mitory.

“Koa satria aho tsy afaka miteny, amin’ny fitoriana dia mampiasa fanamarihana an-tsoratra aho mba haseho amin’ny olona. Matetika aho no mangataka rahavavy mandre mba hiaraka amiko mba hahaozana antoka fa azo ny tiako hambara. Indraindray, dia ataoko irery ny fiverenana mitsidika voalohany, avy eo dia mangataka rahavavy mandre iray aho hiaraka amiko amin’ny fitsidihana faharoa. Afaka nanomboka fampianarana Baiboly tamin’izany fomba izany aho. Sambatra tokoa aho afaka maneho toy izany ny fankasitrahako an’i Jehovah noho ny hatsaram-pony.”

Lasa hatreo ny “fotoan-dranomaso” ho an’i Katsuko. Mahita fifaliana lehibe amin’izao andro izao io vehivavy kristiana mahafinaritra io eo amin’ny fiainany feno asa amin’ny maha-mpitory maharitra.

Mpirahalahy telo mitory

Eo amin’ny efapolo taona ry Tanizono mpirahalahy ary voan’ny “dystrophie musculaire” amin’ny taolana rehetra amin’ny maoja. Talohan’ny hahalalana ny fahamarinana, dia nampifantoka ny fiainany tamin’ny asa tsy ara-pivavahana izy ireo, noho ny fanantenana ny hanadino ny faharerahana miandalana sy ny fahafatesana aloha izay mandrakariva mahazo ireo voan’io aretina io. Ny tsirairay avy tamin’izy ireo dia nanomboka nianatra ny Baiboly tsy niaraka ka nahazo fahalalana ny fahamarinana. Raha ny amin’ny fomba fankasitrahana an’i Jehovah, inona no azon’izy ireo natao mba hanompoana azy bebe kokoa? Mamaly toy izao ilay zandriny indrindra, Toshimi:

“Niara-niaina tamin’ny zokiko lahy, Akimi, sy ny vadiny, aho hatreo amin’ny 1979. Noho izaho tsy afaka nikarakara tena irery intsony, dia nanaraka an’i Yoshito rahalahiko tany amin’ny trano fianarana iray aho. Tany, dia nanomboka nanao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy aho, ary tao anatin’ireo dimy taona nanaraka, dia nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny ankizy teo amin’ny 12 tao amin’io sampan-draharaha io koa aho. Voatery nijanona tsy nianatra ny anankiray tamin’izy ireo satria nanohitra izany ireo ray aman-dreniny, kanefa nilefitra izy ireo rehefa niangavy azy ireo mba hamela azy hianatra indray izy. Maty teo amin’ny faha-16 taonany nanana fanantenana mafy orina ny hatsangana amin’ny maty izy io. Tokony ho herintaona taty aoriana, dia naharay telefaonina avy tamin’ireo ray aman-dreniny nanohitra taloha aho. Nisy nanahirana azy ireo kely ny amin’ny zanany faravavy ka nieritreritra izy ireo fa hahasoa azy ny fianarana Baiboly.

“Naniry ho tonga mpitory maharitra mandavantaona izahay sy Yoshito rahalahiko. Ho afaka hahatratra ny 1 000 ora tokony hotratrarina isan-taona anefa ve izahay? Marina fa tokony handany 30 ora amboniny isam-bolana amin’ny fanompoana fotsiny tamin’izany. Kanefa hahazaka izany ve ny tenanay? Avy eo, dia nifampiresaka toy izao izahay: ‘Raha tsy manao izany ankehitriny isika, dia ho tonga ny fotoana tsy hahafahantsika hanao izany intsony.’ Niverimberina tsy tapaka tamin’ireo fifanakalozan-kevitra nataonay ny tenin’ny apostoly Paoly voarakitra ao amin’ny I Korintiana 9:16. ‘Lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!’ Tsy isalasalana fa manana adidy isika hitory ny vaovao tsara, na salama na tsia. Noho izany, dia nameno ny fangatahanay hanao ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona izahay, ary nanomboka an’io asa io tamin’ny 1 septambra 1984.”

Hoy ny teny nanampin’i Yoshito: “Rehefa nanandrana ny ho mpitory maharitra ‘vonjimaika’ aho tamin’ny janoary 1976, dia niharatsy ny fahasalamako ary voatery tsy niala teo am-pandriana aho nandritra ny roa volana. Ny natahorako indrindra, dia ny hanjary harary rehefa tonga mpitory maharitra mandavantaona ka ho voatery tsy hivory. Mahafaly fa tamin’ny aogositra 1985 aho dia nahatratra ny isan’ny ora nokendreko ho amin’ny taona, ary tsy tapaka tamin’ny fivoriana mihitsy noho ny asako.”

Mitantara toy izao i Toshimi: “Amin’ny fanoratana taratasy indrindra no anaovanay ny fanompoanay. Alefanay any amin’ireo olona tsy hitan’ireo mpitory tany an-tranony izany, any amin’ireo namanay, ireo havanay, ireo havan’ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona tsy mpino sy ireo mponina any amin’ny faritany iray any an-tendrombohitra tsy voatsidika isan-trano afa-tsy indroa isan-taona. Manao fanambarana tampotampoka izahay ho an’ireo mpitsabo, ireo mpanampy ny mpitsabo, ireo mpianatra ho mpitsabo sy ireo marary hafa. Hatramin’izao, dia marary enina no nianatra ny fahamarinana. Tonga mpitory ilay Fanjakana ny telo amin’izy ireo ary niandry ny hanaovana batisa azy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny fahafatesany. Amin’ny fananan-javatra hatao foana, dia mandray soa amin’ny lafiny ara-batana izahay; amin’ny fitoriana, dia mahita fahafahampo ny sainay ary amin’ny fampaherezana ny hafa, dia mahatsapa fifaliana lalina izahay.”

Hoy ny teny nanampin’i Yoshito: “Noho izahay loholona ao anatin’ny kongregasiona, dia samy afaka miresaka noho ny fanandraman-javatra amin’ireo izay miezaka ho tonga mpitory maharitra izahay. Rehefa nameno ny fangatahanay mba ho tonga mpitory maharitra izahay, dia nahatsiaro ho voatosika hanao toy izany koa ny anabavy be taona roa. Faly indrindra aho milaza fa, araka ny hevitra fonosin’ny Salamo 119:71, ny fomba fisainako taloha, izay feno fandavana, dia nanjary toy ny an’i Jehovah. Eny, ‘soa ho ahy ny nahita fahoriana, mba hianarako ny didinao’.”

Mandray ny fitenanana izao i Akimi, zokiny indrindra: “Matoa aho afaka manao izay ataoko amin’ny fomba ara-panahy, dia noho ny hatsaram-pon’ireo rahalahy sy ny fanohanan’ny vadiko. Tsy afaka manao dingana iray irery akory aza aho. Hatramin’ny 14 taona izao, dia tsy mety sasatra amin’ny fanampiana ahy ireo rahalahy mba hahatonga ahy ho afaka hanatrika ny fivoriana sy fivoriambe rehetra. Tamin’ny fotoana nanombohako nianatra, rehefa nivory ny tanora, ny fifanakalozan-kevitra nataon’izy ireo dia nihodinkodina tamin’ny fitantarana zavatra tena niainan’ireo mpitory maharitra. Araka ny fanoloran-kevitra nataon’ny Fanompoana ilay Fanjakana, dia nanapa-kevitra aho ny hanandrana hanao ny asan’ny mpitory maharitra mandritra ny herintaona. Niaraka tamin’ny tahotra kely noho ny toe-batako, dia nampanantena an’i Jehovah tao amin’ny vavaka aho, ary manavao izany isan-taona hatramin’ny dimy taona. Amin’ny fitoriana, dia mandeha amin’ny karazana “tricycle” natao ho an’ny kilemaina aho. Mahatonga ahy ho afaka hanatona akaiky dia akaiky ny trano maro izy io. Matetika dia mijanona ao amin’ireo toerana be mpandalo aho. Raha vitsy ny olona mandalo eo, dia mivavaka eo am-pitoerana aho mba hahita olona hanaovana fanambarana, ary dia misy olona mihaino miseho. Mankao an-tranoko ny olona mba hianatra ny Baiboly. Tamin’izany no nanampiako olona valo handroso hatreo amin’ny batisa.

“Noho izaho mpiandraikitra prezidà sady mpiandraikitra ny Sekolin’ny fanompoana teokratika, dia tonga alohaloha ao amin’ireo fivoriana aho mba handray ireo rahalahy. Noho izaho tsy afaka mitsidika azy ireny any an-tranony araka ny ho tiako, dia zava-dehibe ny hampiasana amim-pahendrena ny fotoana ananana aloha sy aorian’ireo fivoriana. Ambonin’izany, dia mampiasa matetika ny telefaonina aho mba hiantsorohana ny adidiko amin’ny maha-mpiandry.

“Tao anatin’izao efatra na dimy taona faramparany izao, dia nihena be dia be ny herin’ny nofo aman-kozatro. Rehefa tonga ny alina, dia tsy afaka manetsika ara-bakiteny na dia nofo aman-kozatra iray monja aza aho; nikainkona aoka izany ireo, hany ka toy ny misy enta-mavesatra be eo amboniko rehefa ao am-pandriana aho. Akisaky ny vadiko moramora matetika ny tongotro mba hanamaivanana ahy kely. Ao anatin’ny fotoana toy izany ny teny mafana sy feno fahamoram-panahy nataon’ireo rahalahy no manampy ahy mbola hitsiky ihany, ka izany, araka ny antenaiko, dia taratry ny toe-poko fa tsy ny toe-batako.”

Amin’izao fotoana izao, dia tsy fantatra mihitsy izay fomba hisakanana ny fitomboan’io aretina io. Matoky anefa ry Tanizono mirahalahy avy fa nampihena izany araka izay azo atao izy ireo tamin’ny fisahiranana nitory foana, tamin’ny fiheverana ny olona sy tamin’ny fanomezana izay nilain’izy ireo, tamin’ny fiaraha-miasa akaiky tamin’ireo namany mpino, sy tamin’ny fanandramana ny fahafahampo entin’ny asan’Andriamanitra ho an’ireo mpitory maharitra. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah aoka izany izy ireo.

Kilemaina nefa manana fahavononana

Tsy nampangatsiaka ny fitiavana sy ny zotom-pon’ireny mpitory mahay ireny ho an’ny fanompoana manontolo andro ny kilema ara-batana. Ny fahavononan’izy ireny dia sahala amin’ny an’ny apostoly Paoly izay nanoratra hoe: “Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny.” — II Korintiana 4:16.

Mazava ho azy fa tsy afaka mitory manontolo andro daholo akory ny mpitory ilay Fanjakana kilemaina rehetra. Miovaova ny tarehin-javatra arakaraka ny olona. Kanefa na inona na inona mety ho vitan’izy ireny mba hiderana ny Avo Indrindra sy mba hanampiana ny hafa eo amin’ny lafiny ara-panahy, izany dia hitondra ho azy ireny, fifaliana lehibe, fahafahampo manokana sy ny fitahian’ilay Andriamanitsika fitiavana, dia Jehovah.

[Sary, pejy 23]

Masashi Tokitsu

Katsuko Yamamoto

Akimi Tanizono

Toshimi Tanizono

Yoshito Tanizono

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara