FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/10 p. 32
  • Fitantarana avy amin’ny tany samihafa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitantarana avy amin’ny tany samihafa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/10 p. 32

Fitantarana avy amin’ny tany samihafa

CÔTE-D’IVOIRE: Ny sasany amin’ireo izay midera an’i Jehovah ao amin’io tany io dia nianatra nanao izany tany an-tranomaizina. Araka izany, nandritra ny fialan-tsasany tany an-tany hafa, ny tovolahy miozilimana iray antsoina hoe Berté dia namono lehilahy iray izay nifanditra mafy taminy momba ny raharaha ara-bola. Satria tsy nahita lalana hivoahana izy dia nisaintsaina ny hamono tena, na dia hatramin’ny famelana ny tenany ho faty mosary aza. Tamin’izay no nahazoany ny fitsidihan’ny Vavolombelona roa izay nitory tao an-tranomaizina. Tsikelikely dia niova ny fomba fijeriny ny toe-javatra. Voalohany indrindra eo amin’ny fiainany izao dia nahita ny tena fifaliana izy. Tamin’ny farany izy dia natao batisa tao anatin’ny barika lehibe iray, teo ampovoan-tokotany, teo anatrehan’ny gadra sy ny mpiambina eo amin’ny dimampolo. Nanomboka hatreo dia ny tranomaizina no faritaniny. Tamin’ny fotoana iray, dia nanana gadra eo amin’ny 6 000 nitoriana izy. Ny toerana izay misy azy ankehitriny dia misy kilasimandry eo amin’ny 1 000. Niasa tamin’ny naha-mpitory maharitra mpanampy izy, mitarika fampianarana Baiboly 23 ary mandray anjara amin’ny fivoriana izay atrehin’ny olona eo amin’ny efapolo tsy tapaka.

KENYA: Ny toe-tsain’ny mpitory maharitra dia mitombo any Afrika atsinanana, ary arahin’ny fitahiana lehibe izany. Any Kenya, ny isan’ny mpitory maharitra mandavantaona dia nitombo 270 isanjato tao anatin’ny efa-taona. Maherin’ny 10 isanjato amin’ny mpitory no mpitory maharitra mandavantaona amin’izao fotoana izao.

Ao amin’io tany io dia misy vokatra tsara azo amin’ny alalan’ny bokikely Mifalia amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay! Nandritra ny taom-piasana 1985, ireo mpitory eo amin’ny 7 000 any Afrika atsinanana dia nametraka efa ho 100 000 amin’ny fiteny 33 tamin’io. Indraindray, ireo olona izay nahita an’ilay bokikely tao amin’olona iray dia manaraka ireo mpitory mba hangataka amin’izy ireo kopia iray amin’izany.

Ny lehilahy mamporafy iray izay namaky ilay bokikely dia nanao fandaharana mba handefa ny vadiny faharoa alohan’ny hiverenan’ilay Vavolombelona mba hitsidika azy.

Ny lehilahy iray tsy Vavolombelona dia nandeha nitsidika ireo mpifanolobodirindrina aminy mba hananatra azy ireo, indrindra momba ny raharaha mifandray amin’ny famporafesana. Hoy izy: “Na mamela izany aza ny fiangonanareo, dia hitanareo tsara fa tsy mamela izany ny Baiboly.”

Tao amin’ny kongregasiona iray, dia fampianarana 42 no natomboka tao anatin’ny roa volana noho io bokikely io. Ny anabavy iray dia nianatra niaraka tamin’ny vehivavy iray izay toa tsy nahatakatra na nahatadidy izay noresahiny taminy, nefa nitalaho taminy na dia izany aza tsy handao azy. Nitarika fiovana haingana ilay bokikely. Nanomboka hatreo, io vehivavy io dia nahatadidy izay nianarany. Rehefa tapitra ilay bokikely, dia vonona izy hiandany amin’ny fahamarinana sy hanao ireo dingana voalohany amin’ny fitoriana. Tsy mahagaga raha mitarika fampianarana Baiboly 5 172 ireo mpitory 3 422 any Kenya amin’izao fotoana izao.

ZAÏRE: Tamin’ny taon-dasa, ny asan’ilay Fanjakana dia nandroso haingana kokoa noho ny teo aloha rehetra tany Zaïre. Ny isan’ny mpitory maharitra mandavantaona dia nitombo mihoatra ny 40 isanjato. Ny Fahatsiarovana dia nahavory olona 153 356, izany hoe mihoatra ny inefatry ny isan’ny Vavolombelona ao amin’io tany io.

Ny misionera iray dia mitantara aminay ny amin’ny zazavavy iray 18 taona izay nanomboka nianatra ny Baiboly sy nanatrika an’ireo fivorian’ny kongregasiona. Tsy ela dia nanohitra ny reniny (Matio 10:36, 37). Noroahiny hiala ny trano izy ary nilazany mba handeha hipetraka any amin’ireo miara-mianatra ny Baiboly aminy. Tao anatin’izany fotoana izany ihany dia nampangainy teo anatrehan’ny manam-pahefana iray tao an-tanàna izy hoe nandany ny fotoanany rehetra nianatra sy nankany amin’ny fivoriana fa tsy niasa tao an-trano. Ny zavatra tsy fantany dia ny hoe nampiseho fahalianana koa amin’ny Baiboly io manam-pahefana io ary nahazo ny fitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanontany azy io lehilahy io raha toa, amin’ny fandroahana ny zanany vavy izy, ka nanantena ny hahita azy ho tonga mpangalatra na mpivaro-tena toy ny zazavavy maro mitovy taona aminy. “Raha tsy izany àry no izy, hoy ny nanampiny, dia aza toherinao ny asa kristiana ataony. Manome lalana azy amin’ny fomba ofisialy aho hanatrika ny fivoriana rehetran’ny Vavolombelon’i Jehovah sy hanohy hianatra ny Baiboly. Manameloka anao kosa aho noho ny fihetsika tsy kristiana nasehonao tamin’ny fandroahana azy hiala ny trano. Eto izahay mba hampihatra ny lalàna, ary izany dia manaiky ny fahafahana ara-pivavahana.” Afaka nody tany aminy ilay namantsika ary manohy mandroso ao amin’ny fahamarinana.

DANEMARK: Any Danemark, ny olona sasany dia manaiky ny fahamarinana faran’izay haingana. Aoka hotononintsika ny amin’i José, lehilahy iray izay nivavaka matetika. Indray andro izy dia nangataka tamin’Andriamanitra mba haniraka aminy olona iray izay hanazava aminy ny dikan’ny fiainana. Ny ampitso dia nisy Vavolombelona roa nandòna teo am-baravarany. Nanohina ny fony izay reny ka nankany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ny andro manaraka. Roa andro taorian’izay dia nanatrika ny fivoriany faharoa izy, ary ny ampitso dia nanomboka nianatra ny Baiboly. Rehefa tsy maintsy nifidy tamin’ny fety lehibe nalamina tao amin’ny toeram-piasany sy ny fivoriana iray tao amin’ny Efitrano Fanjakana izy, dia nanapa-kevitra hiaraka amin’ireo mpanompon’i Jehovah. Rehefa fantany fa ratsy ny mifoka, 14 andro taorian’ny nihaonany voalohany tamin’ny Vavolombelona dia nampanantena tamin’ny fomba miezinezina tamin’i Jehovah izy fa tsy hikasika na oviana na oviana intsony na dia sigara iray aza. Ary notazoniny ny teniny, kanefa taloha izy dia nifoka sigara 20 ka hatramin’ny 30 isan’andro nandritra ny 16 taona, tsy afaka mihitsy nitsahatra tamin’izany. Nandritra ireo volana roa voalohany nianarany, dia namaky boky 12 an’ny fikambanana izy. Fotoana kely taty aoriana, dia nanao ireo dingana voalohany tamin’ny fitoriana izy, ary rehefa afaka volana 4 dia natao batisa.

GRISIA: Rehefa nitory tany Filipy ny apostoly Paoly sy Silasy namany, dia nisy fahavalo vinitra nitarika azy teo anatrehan’ireo governora. Amin’izao andro izao, ireo mpanompon’i Jehovah dia mahita hatrany foana fanoherana ao amin’io tany io (Asa. 16:19-24). Nandritra ny folo volana voalohany tamin’ny taom-piasana, dia nisy raharaha ara-pitsarana 84 mifandray amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny fanjakana. Tamin’io isa io, dia 67 no nahazoana fandresena teo amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ary roa hafa tamin’ny fitsarana ambony. Ny hafa dia mbola eo an-dalam-pitsarana azy.

Ny gazety dia niresaka betsaka ny amin’ny nosy mahafinaritr’i Corfou noho ny fankahalana asehon’ny klerjy ao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana. Nandritra ny iray volana teo ho eo, dia olona eo amin’ny dimampolo notarihin’ny pretra telo no nitangorona teo anoloan’ny Efitrano Fanjakana isaky ny fivoriana, manetsiketsika lakroa, mihira fihirana ary mamerimberina amin’antsoantso teny toy ny hoe “Antikristy!” “Mpamadika!” “Miverena any Brooklyn!”. Niezaka araka izay azony natao nihazona ny filaminana ny polisy, nefa ny fankahalan’ilay antokon’olona dia niafara tamin’ny famporisihana tsy metimety saina iray hamaky ireo varavarankelin’ny Efitrano Fanjakana sy hametraka ny afo tao, ka nahatonga fahavoazana maherin’ny 2 400 000 FMG. Taty aoriana dia nodorana koa ny fiaran’ny rahalahy iray. Tsy nohadinoin’ny gazety tao amin’ilay tany ny nitantara ireo fisehoan-javatra ireo. Tamin’ny farany dia notsaraina tao amin’ny tribonaly ilay raharaha. Naharitra dimy andro ny fitsarana tao amin’ny efitrano fihainoana feno pretra. Tamin’ireo izay niaro ny Vavolombelona dia nisy mpampianatra iray amin’ny oniversite. Niteny nandritra ny iray ora sy sasany teo ho eo izy. Ankoatra ny zavatra hafa dia nanambara izy hoe: “Indro isika tafaverina amin’ireo taona antenantenany. Ny asan’ireo lehilahy ireo [manondro an’ireo pretra] dia tsy manana ny toerany ao anatin’ny fikambanantsika demokratika. Tsy misy ifandraisana amin’ny fampianaran’i Kristy izy ireo, [dia Kristy] izay asehony amin’ny fomba ratsy.” Taorian’io raharaha io dia nisy fanambarana tsara dia tsara nomena, tsy tao Corfou fotsiny, fa tao amin’ilay tany manontolo koa.

SOEDA: Tamin’ny fitsidihan’ny zaona nataony, rahalahy Henschel dia nanoro hevitra anay mba hanokana fiheverana bebe kokoa ho an’ireo mpikambana tanora ao amin’ny kongregasiona. Nandray fandaharana àry izahay mba hitondra ho azy ireo fanampiana azo tsapain-tanana kokoa. Hatreo, dia maro no niaraka tamin’ny ray aman-dreniny teo amin’ny fitoriana nefa tsy nanao fandrosoana betsaka. Kanefa, rehefa ampianarina manokana ireo fepetra takina amin’ny mpitory sy ireo fomba izay hanampy azy ireo hitory amim-pahombiazana ny vaovao tsara izy ireny, dia mandrakariva tonga amin’ny fananana fihetsika hafa dia hafa eo anoloan’ireo fivoriana sy ny asa fitoriana.

[Loharanon-kevitra]

Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1986 (anglisy)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara