FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/11 p. 3
  • Velona ve ny maty? Izay lazain’ny olona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Velona ve ny maty? Izay lazain’ny olona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Velona ve ny maty? Izay lazain’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Ahoana no fiheveran’ny kristiana ny fivavahana amin’ny razana?
    Mifohaza!—1990
  • Aiza ny Razantsika?
    Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
  • Ny fahamarinana momba ny afobe
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/11 p. 3

Velona ve ny maty? Izay lazain’ny olona

HITA ho voa aoka izany ilay vavy antitra, Mainty hoditra iray. Mampijaly azy aoka izany ireo tongony ka zara raha afaka mamindra izy. Hafahafa ny fijery azy: volo voatentina tanimanga menamena, mitafy samboady maromaro izy, ary voaravaka ody atao fiaro ny tanany aman-tongony. Fa nahoana? Satria hatramin’ny dimampolo taona mahery dia nihevitra izy fa azon’ny fanahin’ireo razambeny. Ireo mpimasy dia nanoro azy ny hampiasana ny tanimanga, ny samboady sy ny ody atao fiaro ho fomba “fanasitranana”.

Fatra-piely izany zavatra inoana izany. Any Afrika, raha io ohatra io ihany aza no heverina, ny fiainan’ny olona tsy tambo isaina dia mifantoka amin’ny finoana fa ireo razambe, araka ny filazan’ilay boky hoe Lova afrikana (anglisy), dia manana fahefana “hiaro ireo taranany na hanasazy azy amin’ny alalan’ny aretina na ny fahasahiranana kely”. Arahina toy izany koa ny fanompoam-pivavahana ho an’ny razana any amin’ny faritra maro hafa eo amin’izao tontolo izao. Na dia mety ho toa hahagaga aza izany, dia azo inoana fa misy fifandraisana amin’ireo zavatra inoana ara-pivavahana ekena ao amin’ny taninao. Ahoana izany?

Ny hindoa, sy ny hafa koa, dia mino ny fidirana indray ao amin’ny nofo hafa. Ny mpanao spiritisma dia mihevitra fa azo atao ny mifandray amin’ny maty amin’ny alalan’ny olona manao azy ho tsindrian-javatra. Ampianarina ny katolika fa aorian’ny fahafatesany, ny ankamaroan’olona dia tokony hanala ny fahotany ao amin’ny afo fandiovana alohan’ny tena hidirana tokoa any an-danitra, fa ny mpanota tsy azo ahitsy kosa dia manantena afobe mirehitra. Ny ankamaroan’ny protestanta dia mino fa mankany an-danitra ny tsara fanahy ary ny ratsy fanahy dia ampijalina any amin’ny afobe, satria maro be no mino mafy fa izany no ampianarin’ny Baiboly. Ny olona sasany nandalo toe-piainana nanakaiky ny fahafatesana dia mino fa misy zavatra mbola velona rehefa maty ny vatana.

Na dia tsy mitovy aza ireo fivavahana eo amin’ny fomba manokana fiheverany ny fiainana aorian’ny fahafatesana, dia maro be no manan-javatra iombonana: mino izy ireny fa velona ny maty.

Tsy isalasalana fa ny fahafatesana dia fahavalo mijinja ny olona samy hafa firazanana, ny manankarena toy ny mahantra, ny tanora toy ny be taona. Araka ny voalazan’ny Baiboly, dia “zavona ihany hianareo, izay miseho vetivety, dia levona”. (Jakoba 4:14.) Isan’andro ny fahafatesana dia manaisotra havan-tiana iray amin’ny olona maro.

Maro be àry no manontany tena hoe: ‘Nankaiza izy ireny? Tena maty tokoa ve izy sa velona any ho any? Mbola ho hitantsika indray ve izy ireny? Aiza no mety hahitantsika ny tena valin’ireo fanontaniana ireo?’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara