FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/12 p. 21-25
  • Nikarakara ireo “ondry” niely patrana izy ireny tany Caprivi

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nikarakara ireo “ondry” niely patrana izy ireny tany Caprivi
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Ny lohatanjon’i Caprivi
  • Tafaverina tany Katima Mulilo
  • Fitsidihana hafa iray koa tany Kasane
  • Mikarakara ireo “ondry” miely patrana izy ireny
  • Fiovan’ny namana
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/12 p. 21-25

Nikarakara ireo “ondry” niely patrana izy ireny tany Caprivi

FENO vatsy, zavatra ilaina amin’ny fanamboarana fiarakodia sy boky momba ny Baiboly ilay “Land Rover” fotsy manopy mavo niainga avy tany Windhoek, renivohitry ny Atsimo Andrefana afrikana (Namibie) ka nisosa nianavaratra. Oviana no nitranga izany? Tamin’ny may 1981. Raha mbola namakivaky teny ambanivohitra lemaka sy karankaina ireo mpandeha efatra dia nanam-potoana nisaintsainana ny amin’ny dia nampihetsiketsika niandry azy ireo.

Ny mpamily, Chris du Plessis, sy ny namany, dia Vavolombelon’i Jehovah sy mpitory maharitra mandavantaona, izany hoe mpitory manontolo andro ny hafatra momba ilay Fanjakana. Vao avy nandany herinandro nahafinaritra maromaro tany Katatura, ilay tanàna lehibe misy ny Mainty hoditra any akaikin’i Windhoek, izy ireo. Nanjary tian’ireo tanora roa ireo ny fitoriana ny vaovao tsara isan-trano teo amin’ireo Mainty hoditra, satria izy ireny nandray tamim-pisakaizana ary niteraka vokany tsara teo aminy ny hafatra momba ny Baiboly.

Nangatahina ireo zazalahy roa mba hitondra ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, Schalk Coetzee, sy ny vadiny, ho any amin’ny antokon’olona Vavolombelona nitokana tany avaratr’ilay tany, nahitana lalana sasany tsy azon’ny fiarakodia tsotra naleha. Tamin’ny “Land Rover” dia afaka nilasy na taiza na taiza izy ireny: natory tao “ambany rihana”, tao anatin’ny fiara, ry Coetzee mivady, ary ireo zazalahy roa tao “ambony rihana”, tao amin’ny lay iray natsangana teo ambony tafo.

Rehefa nandeha 370 kilaometatra ilay antokon’olona dia tonga tao amin’ny “telolafin’ny fahafatesana”, nomena anarana toy izany satria olona maro no namoy aina tao, noho ny ady anaty akata tsy nitsahatra nataon’ireo antoko niavaka tamin’ny maro avy any Angola. Tany avaratra kokoa izy ireo dia nahita vakivakim-piarakodia, kanefa tsy tojo zava-nanahirana mihitsy.

Tany Oudangua, toerana ara-tafika any akaikin’i Angola, izy ireny no nanao ny fitsidihany voalohany. Nisy mpitory maharitra manokana nikarakara ilay kongregasiona kely tany. Christo Els sy Elisabeth vadiny dia nianatra ny fitenin’ny tompon-tany, ny fiteny “ndonga” ka tena zava-tsarotra izany. Nihaino mora foana anefa ny olona ary nanaja tokoa ny Baiboly. Indraindray i Christo dia tsy maintsy namboly nisolo toerana ny olona niaraka tamin’ny ampondra ary ny vadiny nihevo tany mba hahatonga an’ireny olona ireny hanam-potoana hihainoana ny hafatra momba ilay Fanjakana.

Koa satria nanaovana ady tao amin’ilay faritra, ireo izay nandeha teny amin’ny lalana be karaobato dia nety ho lasa tany amin’ny lavaka nolevenam-banja hamandriham-pahavalo. Matetika àry Christo sy Elisabeth no nanaraka lalana tany an-tsaha be fasika tamin’ny fiarakodian’izy ireo, ary gaga aoka izany ireo olona nifanena taminy noho izy ireo tsy nitondra fiadiana.

Nahatsiaro fifaliana lehibe izy ireo nitsidika ny Ovahimbas, fokom-pirenena iray manana fiainana tratra aoriana any amin’ny faritra mitokana iray amin’ilay tany; nitafy hodi-biby ireny teratany ireny ary nohosorany tany ny tenany. Ireo mpitory maharitra dia nampiasa zavatra voasoratra iray nandraisan’izy ireo anjara ny fandikana azy. Nahafinaritra aoka izany ny nahita ireny olona ireny nankamamy ny hafatra momba ilay Fanjakana.

Nisy fivoriambe indray andro natao tao anatin’ny fitsidihana herinandro nataon’ny rahalahy Coetzee sy ny antokon’olona niaraka taminy. Koa satria zara raha nisy mponina tao amin’ilay faritra, dia vitsy ny mpanatrika. Feno firehetam-po anefa ny rehetra noho ny fandaharana sy ny fiarahana tsara dia tsara nandraisan’izy ireo soa tao amin’io toerana nitokana akaikin’ny fahavalo io.

Ny lohatanjon’i Caprivi

Rehefa avy nijanona kely tao Rundu ilay antokon’olona mba hahazo fahazoan-dalana handeha, dia niditra tao amin’ny lohatanjon’i Caprivi. Araka ny asehon’ny sarintany, izany dia tany lavalava kely mitatra avy eo avaratra atsinanan’i Namibie ka hatreo amin’ny lavitra indrindra amin’i Afrika Atsimo. Koa satria ny halavany sy ny sakany lehibe indrindra dia 480 sy 80 kilaometatra, dia mifanolotra amin’i Angola sy Zambie ary Botswana izy io. Na dia eo ambany fifehezan’ny tafika koa aza i Caprivi, izy io dia faritany milamina kokoa noho ireo any andrefana.

Ny isan’ny mponina any Caprivi dia eo amin’ny 40 000 ary Mainty hoditra indrindra no mahaforona azy, na dia matetika aza ny “Bochimans” no mirenireny ao amin’ny tapany andrefana amin’io faritra io. Mponina maro be no miresaka sy mamaky ary manoratra amin’ny teny anglisy. Tamin’ny diany niantsinanana, dia matetika ilay antokon’olona no nijanona mba hiresaka amin’ny olona ary koa mba hanararaotra ny toerana taza-maso: hazo sy biby dia, anisan’izany ny elefanta sy ny antilopy. Arakaraka ny nanatonan’izy ireo an’i Katima Mulilo, hany “tanàna” tao amin’io faritra io, dia nilahatra nihanifanakaiky ireo antokon-trano bongo voamboatra tsara, mitafo bozaka. Nahavariana an’ireo mpitory maharitra aoka izany io toerana io, hany ka rehefa nanontany azy ireo i Schalk Coetzee raha vonona ny hiasa ao amin’io faritany mitokana io izy ireo, dia nanaiky izany tamim-pifaliana izy ireo.

Taorian’ny fivahiniana tsy naharitra tany Katima Mulilo, dia niainga indray izy efatra mianadahy mba hitsidika ny antokon’olona nitokana tany Kasane, any avaratr’i Botswana. Namakivaky ny saha araka ny natioran’i Chobe izy ireo, ka tetsy sy teroa dia tafara-dalana tamin’ny andian’omby dia sy elefanta maro be. Rehefa nilasy izy ireo tamin’ny alina, dia nahare liona nierona teny amin’ny manodidina.

Tany Kasane izy ireo dia nitory isaky ny trano bongo araka ny fomba afrikana, ka nandika teny ho azy ireo ny mpitory maharitra teo an-toerana. Naharitra sy be fombafomba ny fifampifankahalalana. Mijoro eo ivelan’ny trano bongo ilay mpitsidika mba hanintona ny saina. Misy mamaly ka manasa azy hiditra sy hipetraka. Mandrakariva, dia antsoina ny fianakaviana manontolo mba hihaino azy. Avy eo dia mifampiarahaba maharitra sy mifanontany ny fahasalamana sy ny fiavian’ny tsirairay avy. Amin’izay ilay Vavolombelona vao manomboka miara-midinika ny amin’ny foto-kevitra araka ny Baiboly iray.

Faly sy velom-pankasitrahana an’ilay antokon’olona tokoa ireo Vavolombelona teo an-toerana noho ny nahatongavan’izy ireo avy lavitra toy izany mba hitsidika azy ireny. Natao tao anaty trano tany iray ireo fivoriana. Izany no namporisihan’i Schalk Coetzee azy ireo mba hanorina Efitrano Fanjakana ho an’ny tenany.

Rehefa tafaverina tany Katima Mulilo ireto mpandeha dia nahita fahafinaretana nitsidika nandritra ny herinandro ireo Vavolombelona teo an-toerana. Tamin’ny alina izy ireo dia nilasy teo akaikin’i Zambèze, ary nankafy fatratra ny fanginana izay tsy nisy nanapaka azy afa-tsy ny doboka amponga tany lavitra, dia ny “fitepon’ny fo” any Afrika. Tsikaritr’izy ireo fa be zotom-po ilay antokon’olona teo an-toerana, kanefa tsy ampy toromarika ny amin’ny fomba fitarihana ireo fivoriana, fitoriana isan-trano, fanaovana izay haha-ara-dalàna tsara ny fanambadiana, ets.

Nahita fahafinaretana lehibe ireo mpitsidika tamin’ny fitoriana. Izao no nambaran’ny anankiray tamin’izy ireny: “Rehefa ren’ny olona fa nanana boky niresaka ny amin’ny Baiboly tamin’ny fitenin’izy ireo, dia ny “silozi”, izahay, dia nila hanitsaka anay izy ireo ka nitaky, tsy boky ihany fa olona hampianatra azy ireny koa. Sarotra inoana izany!”

Nandao tsy fidiny an’ireo namany vaovao tany Katima Mulilo ilay antokon’olona ka nitodi-doha hody. Nandany herinandro izy ireo niarahana tamin’ny kongregasionan’i Rundu, tany avaratr’i Namibie. Ny ankamaroan’ireo rahalahy dia mpialokaloka avy tany Angola izay niteny portiogay. Niteraka zava-nanahirana ny amin’ny fiteny indray izany. Rehefa avy nandeha teo amin’ny 4000 kilaometatra izy ireo, dia tonga tany Windhoek, trotraka, nefa sambatra sy feno fankasitrahana an’i Jehovah noho ny tombontsoa maro azon’izy ireo nifaliana.

Tafaverina tany Katima Mulilo

Niverina tany Katima Mulilo ireo mpitory maharitra roa, tamin’io indray mandeha io dia mba hanorim-ponenana tany sy hanampy ireo ‘ondrin’i Jehovah’. Mba hijanonana, dia nilain’izy ireo ny fonenana sy asa tapak’andro. Nahita asa izy ireo raha vao nanandrana nitady izany voalohany. Nahazo lalana koa izy ireo hampiasa fiara namboarina iray an’ny Fikambanana Watch Tower. Ary nisaotra an’i Jehovah izy ireo noho ny nanomezany azy ireo izay nilainy toy izany.

Tsy ela ireo mpitory maharitra dia sahirana nanampy ireo Vavolombelona teo an-toerana tamin’ny lafiny isan-karazany, anisan’izany ny fanorenana Efitrano Fanjakana iray. Nanapaka bozaka lava izy ireo hatao tafo, nanangona tany amin’ireo tranom-bitsika, fotaka manokana izay nanjary mafy be rehefa maina ary nianatra nanafo bozaka ny trano araka ny fomba afrikana izy ireo. Ireo rindrina nolalorina fotsy dia nanome endrika voakolokolo sy mahafinaritra ho an’ilay efitrano. Noho izy ireo tsy afaka nahazo seza, dia nipetraka teo amin’ny dabilio na teo amin’ny vatan-kazo izy ireny. Tsotsotra ny zavatra voaorina, kanefa dia Efitrano Fanjakana azy ireo.

Hatreo ireo fivoriana dia tsy natao araka ny tokony ho izy. Nomanin’ireo mpitory maharitra àry ny fivoriana dimy fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-kerinandro maneran-tany. Nitaky asa be dia be ho azy ireo izany, kanefa dia nampandroso azy ireo ara-panahy izany, toy izany koa ireo Vavolombelona teo an-toerana. Tsy maintsy nianatra ny teny “solozi”, fiteny teo an-toerana, koa ireo mpitory maharitra.

Tsy ela dia niforona ny kongregasiona iray. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary nahay nanao lahateny ampahibemaso sy nitarika ny fivoriana rehetra ny rahalahy efatra teo an-toerana, ary voatendry ho mpikarakara momba ny asa ny anankiray tamin’izy ireny. Teo anelanelan’izany, ireo mpitory maharitra dia nahatsiaro fifaliana lehibe tamin’ny fitoriana isan-trano. Be dia be aoka izany ny olona naniry hianatra Baiboly, hany ka tsy afaka namaly ny fangatahana rehetra izy ireny. Tsy ho tianao ve ny hiasa ao amin’ny faritany toy izany? Afaka manao izany ve ianao?

Fitsidihana hafa iray koa tany Kasane

Ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany dia nangataka tamin’ireo mpitory maharitra mba hitsidika indraindray ny antokon’olona tany Kasane, any Botswana. Indray andro, dia tojo fahasahiranana lehibe izy ireo. Nisy miaramila avy ao Botswana nisambotra azy ireo teo akaikin’ny sisin-tany.

“Mpitsikilo ianareo! hoy ny filohan’izy ireo.

— Tsy izany, minisitra Vavolombelon’i Jehovah mampianatra Baiboly ny olona izahay.

— Tsy mino anareo ho kristiana aho. Miaramilan’i Afrika atsimo ianareo.”

Tarehin-javatra sarotra izany. Rehefa tsapan’ireo miaramila anefa fa nanana boky momba ny Baiboly ireo rahalahy fa tsy fiadiana, dia navelany handeha izy ireo.

Nihenjana ny tarehin-javatra ara-tafika tao amin’ilay faritra ka izany dia nahatonga ho sarotra tokoa ny fifandraisana tamin’i Zambie. Zambèze no hany fefy nampisaraka an’i Katima Mulilo sy Zambie, tany misy Vavolombelon’i Jehovah maro sy manana boky maro be amin’ny fiteny “silozi”. Nefa noho ny andian-tafika niambina, dia tsy sahin’ireo teratany natao ny nita ny renirano tamin’ny mokolos, na lakana. Indray mandeha na indroa, dia nisy fitifirana teo anelanelan’ireo moron-drano roa.

Mikarakara ireo “ondry” miely patrana izy ireny

Izany rehetra izany anefa dia tsy nisakana ireo mpitory maharitra tsy hikarakara ny “ondry” tao amin’ny lohatanjon’i Caprivi, izay ny sasany aza dia niely patrana. Ohatra, ren’izy ireo nisy nilaza hoe Andrew, anti-dahy iray nonina tany amin’ny vohitra iray tokony ho 70 kilaometatra avy eo Katima, dia nankafy fatratra ny Baiboly. Rehefa nahita azy izy ireo, dia teo am-pamakiana ny boky Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay aza izy io ary toy inona moa ny fifaliany noho ny fitsidihan’izy ireo. Hatramin’ny taona maro dia nianatra irery izy ka nampahery azy aoka izany ny fanampiana nentin’ireo mpitory maharitra.

Tena nitokana koa i Frank Mwemba. Nonina tao amin’ny vohitra iray teo amin’ny zato kilaometatra avy eo Katima izy. Fiara afaka mandeha amin’ny karazan-tany rehetra ihany no mety ho tonga hatreo amin’ny tranony, ary izany dia amin’ny fotoana sasany ao anatin’ny taona ihany, satria ny tapany lehibe amin’i Caprivi dia feno honahona sy tondraka tsy tapaka. Nanaiky ny fahamarinana tany Zambie i Frank, natao batisa tany, avy eo dia niverina tao amin’ny vohitra niaviany, any Caprivi. Hatramin’ny taona maro izy dia naharitra irery. Nanohy nitory ve izy tao amin’io toerana efitra mangina io? Hainy ve ny tsy nanao sorona ho an’ireo fanao teo an-toerana, ny fanaovana ody ratsy sy ny famporafesana? Voasoratra ara-dalàna ve ny fanambadiany? Eny. Namelona ny vadiny — iray monja — sy ireo zanany i Frank tamin’ny fanjonoana sy ny fambolena, ary nanokana andro maro izy nitsidihana ireo vohitra nitokana tamin’ny mokolos na an-tongotra, mba hampiely ny vaovao tsara. Niara-nianatra tsy tapaka tamin’ny fianakaviany izy, nihatakataka tamin’ireo mpanao ody ratsy ary nampiseho tamim-pireharehana ny taratasy fanamarinana ny fanambadiany tamin’ireo mpitsidika.

Indray mandeha koa i Chris dia nidina nanaraka an’i Zambèze tamin’ny lakan-drafitra lehibe hatreo amin’ny faritra lemaka sy be honahonan’i Nantungu. Voatarika hilaza izy fa nisy olona tsara fikasa tao. ‘Inona no ho hitako?’, hoy i Chris anakampo, rehefa nitsambikina teo amoron-drano avy eo amin’ny lakan-drafitra izy, nibaby kitapo. Toy inona moa ny hafaliany nahita antokon’olom-bitsy izay niezaka niaina nifanaraka tamin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly nampianarin’ireo Vavolombelona zambiana azy ireo. Nentanin-kafaliana ireo anisan’io antokon’olona io rehefa nahita ireo boky tamin’ny teny “silozi” nentin’i Chris, ankoatra ny zavatra hafa dia ireo nomerao farany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Tamin’ireo andro telo nanaraka, dia sahirana aoka izany nanao fifanakalozan-kevitra momba ny Baiboly sy nandeha nitady ireo olona tsara fikasa tany amin’ireo vohitra teny amin’ny manodidina i Chris. Talohan’ny hiaingana, dia nanao fandaharana izy mba hivorian’ireo rahalahy sy hitoriany tsy tapaka.

Fiovan’ny namana

Tao am-piandohan’ny 1982, ny naman’i Chris dia voatery nandao an’i Caprivi noho ny fahasahiranana ara-pahasalamana. Taty aoriana, dia nanaraka an’i Chris ny namana faharoa, Melt Marais, rahalahy iray nanompo tamin-jotom-po tany Caprivi efa ho herintaona. Tamin’ny may 1983 izy dia nampakatra an’i Magda, mpitory maharitra tanora, ka tonga namany fahatelo tao Caprivi izy io. Ny lahatenim-panambadian’izy ireo dia natao tao amin’ilay Efitrano Fanjakana kely nandraisan’i Chris anjara ny fanorenana azy.

Nila fotoana elaela i Magda mba hizàrana tamin’ny fiainana tao Caprivi. Nafindran’izy mivady ny “caravane” (fiara trano) ho any amin’ny toerana iray tany ivelan’ny tanàna tsy nisy herimbaratra na rano nandeha. Matetika izy ireo no ‘notafihin’ny’ elefanta tamin’ny alina. Tamin’ny voalohany i Magda dia nitebiteby rehefa nahatazana, tamin’ny fahazavan’ny jiro, vatana goavan’ny elefanta iray, roa metatra avy eo amin’ny varavarankely. Tsy ela anefa dia zatra tamin’ny fiainany vaovao izy ka tia izany. Ny ohatra nomeny dia namporisika ilay kongregasiona kely tao Katima.

Nahazo fampaherezana aoka izany koa ireo rahalahy tao Caprivi tamin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany natao tany Francistown, tany Botswana, (650 kilaometatra avy eo amin’izy ireo). Faly indrindra izy ireo tamin’ny fivoriamben’ny distrika tany akaikin’i Johannesburg (tany amin’ny 1400 kilaometatra teo ho eo). Talanjona izy ireo nahita Vavolombelona maro be, nahita fandaminana nanaraka fitsipika tsara aoka izany ary nanandrana ny hatsaram-po lehiben’ireo rahalahy sy anabavy fotsy hoditra, satria nanaporofo izany rehetra izany fa niasa ny fanahin’i Jehovah.

Kanefa ny fanompoana amim-pahatokiana sy feno fitiavana nataon’ireo mpitory maharitra tanora no nampandroso indrindra ireo “ondry” tao Caprivi izay nila fanampiana aoka izany. Ho valiny, ireo mpitory maharitra izay vonona ny hanompo tany amin’izay nilana izany indrindra dia nanovo fifaliana lehibe tamin’ny fitondrana izany fanampiana izany.

Tamin’ny septambra 1983 anefa ry Chris sy Magda dia tsy maintsy nandao an’i Caprivi. Noho ny antony inona? Nanazava izany toy izao i Chris: “Nasaina hiasa ao amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ao Afrika Atsimo izahay. Nalahelo izahay nanao mandra-pihaona ireo mpitory 13 tao Caprivi sy olona tsara fikasa maro tao amin’ilay kongregasiona kely sy ireo antokon’olona telo nilaozanay. Ao amin’ny vavaka ataonay, dia mangataka amin’i Jehovah izahay mba hanome mpiasa maro kokoa ihany hiasa an’io saha masaka ho amin’ny fijinjana io.” — Matio 9:37, 38.

Misy toerana hafa maro be mila fanampiana. Manana fahafahana sy faniriana hanompo amin’izany fomba izany ve ianao, hanome avy amin’ny tenanao mba hikarakarana ireo ondrin’i Jehovah? Raha izany no izy, dia misy fitahiana miandry anao. Izao tokoa no nolazain’i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” — Asan’ny apostoly 20:35.

[Sarintany/Sary, pejy 21]

(Jereo ny gazety)

NAMIBIE

ANGOLA

OVAMBOLAND

Oudangua

Rundu

Tsumeb

Otavi

Grootfontein

“Telolafin’ny fahafatesana”

Windhoek

LOHATANJON’I CAPRIVI

Zambèze

Katima Mulilo

Kasane

BOTSWANA

OSEANA ATLANTIKA

[Sary, pejy 23]

Ny filasiana teo amoron’i Zambèze tany Katima Mulilo. Schalk Coetzee manao ny rapaorony isan-kerinandro fanaon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Mariho ilay fonenana “ambony rihana” amin’ny Land Rover.

[Sary, pejy 24]

Ny fitoriana ilay Fanjakana any Kasane, any avaratr’i Botswan

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara