FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/12 p. 4-7
  • Ny safodrano, fampitandremana tamin’ny lasa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny safodrano, fampitandremana tamin’ny lasa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Toe-piainana mifanitsy
  • Ny andro farany
  • Azo atao ny ho tafita velona
  • Vao Mainka Ilaintsika ny Miambina Ankehitriny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Izao tontolo izao iray naringana
    Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray
  • Manameloka izao tontolo izao amin’ny finoanao ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Tena Nisy ve i Noa sy ny Safodrano?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/12 p. 4-7

Ny safodrano, fampitandremana tamin’ny lasa

NY TANTARA lavan’ny olombelona dia feno loza aman’antambo araka ny natiora mahatsiravina toy ny fipoahan’ny tendrombohitra Saint Helens na mihoatra aza. Tsy nisy na dia iray monja tamin’ireny aza anefa nahatratra ny halehiben’ny safodrano tamin’ny andron’i Noa. Lehibe sy nanimba aoka izany io safodrano io, hany ka namela ho an’ny olombelona soritra tsy azo kosehina amin’ny ambaratonga maneran-tany.

Misy lovantsofina 150 momba ny safodrano, niforona tany amin’ny tany isan-karazany toa an’i Babylonia, Roma, India, Aostralia sy Amerika. Na dia ahitana tsy fitoviana amin’ny andinidininy aza izany, dia mifanaraka daholo mba hanome ho an’ny safodrano, antony amin’ny lafiny ara-pitondrantena, mba hilazalazana azy ho fandringanana ny olombelona naneran-tany sy mba hampahatsiahivana fa tafita velona ny fianakaviana iray tao amin’ny sambo fiara na sambo iray. Loza aman’antambo nanerana ny planeta ihany no nety ho namela soritra niely sy naharitra toy izany.

Nanoratra toy izao ny mpandinika Baiboly iray: “Ny fifandrindrana eo amin’izany fitantarana rehetra izany dia antoka tsy azo lavina fa tsy noforonina fotsiny akory ny lovantsofina; ny angano dia mitokana fa tsy hita hatraiza hatraiza; manana fototra ara-tantara àry io lovantsofina io; izany dia vokatry ny fisehoan-javatra tena nitranga tokoa tao anatin’ireo andro voalohandohan’ny olombelona.” Fa nahoana io loza aman’antambo nitranga fahiny ela be io no fampitandremana ho an’ny taranaka velona ankehitriny?

Zava-dehibe indrindra ny hiresahantsika ny amin’ny tarehin-javatra niafara tamin’ny safodrano. Ny fitovian’izany amin’ny toe-piainana maneran-tany ankehitriny dia manome ho an’ny safodrano, heviny lehibe ho antsika. Izao no teny nilazalazan’ny fanambarana ara-tantara voarakitra ao amin’ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly izany tarehin-javatra izany: “Ary hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. Dia hitan’Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany.” — Genesisy 6:5, 12.

Nikororosy teo amin’ny lafiny ara-pitondrantena ny fitambaran’ny izao tontolo izaon’ny olombelona: ratsy foana ny fironan’ny eritreriny. Noho izany dia ‘heni-doza ny tany’. (Genesisy 6:11.) Ny olombelona dia nanokana ny fiainany manontolo nanomezana fahafahampo ny faniriany zavatra ara-nofo sy momba ny lahy sy ny vavy. Izany no nasehon’i Jesosy rehefa nanambara izy hoe: “Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safodrano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:38, 39). Ny fanomezana fahafahampo ny filan’ny nofo no hany zavatra nitana ny sain’izy ireny.

Hatramin’ny taona maro no nampitandreman’i Noa izany taranaka izany, kanefa tsy nety nino azy izy. Azo antoka fa tsy mbola niaina tamin’ny safodrano toy izany ny olona. Koa satria nitohy toy ny teo aloha ny fiainana, dia tonga teo an-tsofin’ny marenina ny fampitandremana. “Tsy fantany”. Tsy nampaninona azy ireo na dia avy amin’ny Mpamorona azy aza izany fampitandremana nampitain’i Noa izany.

Hoy anefa Andriamanitra tamin’i Noa: “Ny faran’ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ny olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ny tany Aho.” (Genesisy 6:13). Rehefa tonga ny safodrano, dia voaro Noa sy ny fianakaviany satria izy ireo tsy nanao tsirambina ny fampitandreman’Andriamanitra ary nanaraka ireo toromariny. Fa noho ny antony inona no tokony hiheverantsika mafy izany fisehoan-javatra izany?

Toe-piainana mifanitsy

Toy ny tamin’ny andro talohan’ny safodrano, dia tonga fomba fiaina ny herisetra, indrindra fa nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany. Ny herisetra ara-politika manjaka eo amin’ireo firenena dia niteraka ireo ady nahafaty indrindra sy naharaiki-tahotra indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona. Nahazo ireo tanàna, ireo arabe sy ireo tokantrano ny herisetra; mandrahona ny mpandeha koa aza izany. Afa-tsy izany koa, ao amin’ny televiziona, ao amin’ny sarimihetsika sy ny tantara foronina, ny ankamaroan’ny fampisehoana dia mihodinkodina manodidina ny herisetra.

Mahaforona zavatra mifanitsy aminy hafa koa ny fomba fiaina amin’ny andro ankehitriny. Ny mitana ny sain’ny taranaka ankehitriny indrindra dia ny fanomezana fahafahampo ny filan’ny tena eo amin’ny lahy sy ny vavy sy ny zavatra ara-nofo. Maneran-tany, dia miharihary ny fikororosiana ara-pitondrantena: izany dia nampiely araka ny hita amin’ny areti-mifindra, aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Fahita ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana sy ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy. Sahala amin’ny taranaka talohan’ny safodrano, ny taranaka ankehitriny dia tia kokoa ny fahafinaretana ara-nofo sy ny zavatra hita maso, noho Andriamanitra.

Koa satria “nalahelo” Andriamanitra noho ny fitondrantena faran’izay ratsy nananan’ny olona talohan’ny safodrano, moa ve tsy mety ny hanatsoahana hevitra fa toy izany koa no tsapany amin’izao androntsika izao eo anoloan’ny fitondrantena ratsy miely maneran-tany? Moa ve ny nanjo an’izao tontolo izao tamin’ny andron’i Noa tsy tokony ho fampitandremana ho an’ny taranaka ankehitriny? Tsy araka ny fandrindran-kevitra ve ny hieritreretana fa hataony indray ny fanatsoahan-kevitra voalaza ao amin’ny Genesisy 6:5-7? Rehefa hitan’Andriamanitra ny faharatsian’ny olombelona, dia “nalahelo ny fony. Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin’ny tany ny olona izay noforoniko.” Tamin’ny alalan’ireo mpanoratra ny Baiboly, dia nambaran’Andriamanitra fa hampihatra fanamelohana sahala amin’izany izy amin’ny taranaka tia tena velona ankehitriny. Manatona ny loza aman’antambo lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona izy.

Ny andro farany

Nitodika ho amin’ny androntsika ny mpanoratra ny taratasy faharoa ho an’i Timoty ao amin’ny Baiboly ka nilazalaza ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny fikororosiana tsapantsika amin’izao andro izao maneran-tany. Izao no lazainy ao amin’ny 2Ti toko faha-3, eo amin’ny andininy 1 ka hatramin’ny faha-4: “Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra.”

Naminany ny amin’ny andro farany ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny koa Jesosy Kristy. Tao amin’ny faminaniany, dia nasiany fitenenana ny amin’ny herisetra mihoapampana hitantsika nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, tamin’ny filazana hoe: “Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.” (Matio 24:7). Noresahiny koa ny amin’ny tsy firaharahana lalàna manjaka amin’izao andro izao sy ny tahotra tsapan’ny olona eo anoloan’ny ho avy. “Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna, hoy Jesosy, dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” (Matio 24:12). Nambarany koa fa “ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany”. — Lioka 21:26.

Ny fitenenana hoe “andro farany” dia manambara fiafarana mitovy ho an’ny taranaka talohan’ny safodrano sy ny an’ny ankehitriny: fahataperan’ny ankamaroan’ny fandehan-javatr’olombelona. Ao amin’ny II Tesaloniana 1:8, 9, i Paoly, mpanoratra ao amin’ny Baiboly nahazo tsindrimandry avy amin’Andriamanitra, dia milaza fa amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Andriamanitra dia “hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika, dia olona izay hiharan’ny famaliana marina, dia fahaverezana mandrakizay, avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny”.

Hitan’ireo tafita velona tamin’ny safodrano fa nofoanana tsy ho amin’ny tany ny taranaka talohan’ny safodrano. Nanjavona ny olona sy ny zavatra rehetra nahavelomany. Ho toy izany no hitranga rehefa hanafoana ny taranaka mahery setra ankehitriny ny famalian’Andriamanitra. “Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy.” — Salamo 37:10.

Azo atao ny ho tafita velona

Ny fifanitsiana eo amin’ny taranaka talohan’ny safodrano sy ny antsika dia tsy mijanona eo amin’ny faharatsian’ny olona sy ny fandringanana azy. Toy ny nisian’ny olona sasany tafita velona tamin’ny safodrano, dia hisy olona ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny. Ireo tafita velona tamin’ny safodrano dia olona nanetry tena izay tsy niaina toy ny nataon’ny ankamaroan’olona. Tia ny fahamarinana izy ireny, nankatò an’Andriamanitra ary tsy nanao tsirambina ny fampitandremany. Mampahafantatra antsika izao tokoa ny Genesisy 6:8, 9: “Fa Noa kosa nahita fitia teo imason’i Jehovah. (...) Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy.” Ny amin’ilay patriarika sy ireo tafita velona niaraka taminy, dia nanoratra ny apostoly Petera fa “tsy namela izao rehetra izao taloha Izy (Andriamanitra), fa namonjy an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny Safodrano tamin’ny ratsy fanahy teo amin’izao tontolo izao”. — II Petera 2:5.

Manome toky antsika ireo mpaminanin’Andriamanitra fa hisy olona betsaka ho tafita velona amin’ny fandravan’Andriamanitra ny fandehan-javatra ankehitriny efa antomotra. Izy ireny koa dia ho olona manetry tena izay tia ny rariny sy manaraka ireo toromarik’Andriamanitra sahala amin’i Noa. Rehefa avy nanambara ny fandringanana ny ratsy fanahy ny mpanao salamo dia nanampy teny toy izao: “Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” — Salamo 37:11; Apokalypsy 7:9, 13, 14.

Nilaza mialoha i Jesosy fa hambara manerana ny planeta ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny andro farany. Amin’izany fomba izany ireo mponina amin’ny tany tia ny rariny no eo am-panangonana ho amin’ny fahatafitana velona. Jesosy dia nanazava io asa io tao amin’ny fanoharany ny amin’ny fanavahana ny ondry amin’ny osy, dia fanoharana nofaranany tamin’ny fanambarana fa ny tsy marina azo ampitahaina amin’ny osy dia ‘ho any amin’ny fanafoanana mandrakizay, fa ny marina [sahala amin’ny ondry] kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay’. — Matio 25:31-46, MN.

Na dia efa hatramin’ny ela be aza no nisy ny safodrano, dia tsy azo lavina fa fampitandremana tsy tokony hataontsika tsirambina izany. Ny fitantarana an’io fisehoan-javatra io dia nosoratana, araka ny voalazan’ny Baiboly, “ho fianarantsika”. (Romana 15:4.) Izany dia fampitandremana ho fanoherana ny fomba fiaina mahery vaika, feno filibana sy fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo eo amin’izao tontolo izao izay tsy miraharaha mihitsy ny Mpamorona antsika. Tsy miova Andriamanitra. Nofoanany ny taranaka talohan’ny safodrano noho ny faharatsiany. Noho izany antony izany koa, dia hofoanany ny taranaka ankehitriny sy ny fandehan-javany manontolo, ireo fitondram-panjakany ara-politika, ny varony mampiseho fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo sy ny fivavahan-disony.

Mba hahatafitana velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia ilaintsika ny hihevitra an’io fampitandremana taloha io. Tokony hasehontsika fa tia ny rariny isika, toy ny nataon’ireo tafita velona valo tamin’ny safodrano. Ary ilaintsika ny manaraka ny torohevitra voarakitra ao amin’ny Zefania 2:3 manao hoe: “Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”

[Sary, pejy 7]

Sahala amin’ny naha-tafita velona an’i Noa sy ny ankohonany tamin’ny safodrano, dia azonao atao ny ho anisan’ny ho tafita velona sambatra amin’ny faran’izao fandehan-javatra izao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara