FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/10 p. 27
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fiangonana masoivohon’ny fahefana
  • Arahaba ry Maria rarana ao amin’ny fandefasana sarimihetsika
  • “Antony mahatonga fahatezerana”
  • Fahavinirana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Nahoana no Mamoy ny Heriny ny Fiangonana?
    Mifohaza!—1996
  • Ny Eglizy — Fiovana sy Fisafotofotoana
    Mifohaza!—1994
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/10 p. 27

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Ny fiangonana masoivohon’ny fahefana

Mihamiharihary kokoa hatrany ny fandraisan’ireo fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana anjara mafy amin’ireo fiadian-kevitra ara-politika mivaivay. Tao amin’ny lahatsoratra iray ao amin’ny pejy voalohany mitondra ny lohateny hoe “Avy eo amin’ny polipitra mankeo amin’ny arabe”, ny Toronto Star, gazety kanadiana, dia nanintona ny saina ho amin’ny “fandraisana anjara [ara-politika] mitombo avy amin’ireo filoha ara-pivavahana”. Ny mpanoratra, Jack Cahill, dia nanamarika fa ny Eglizy katolika dia “nandray anjara tena lehibe tamin’ny fianjeran’i Ferdinand Marcos tany Philippines” sy tamin’ny fahataperan’ny fanapahan’i Jean-Claude Duvalier tany Haïti. Nanampy teny toy izao i Cahill: “Ao Afrika Atsimo, ny arseveka anglikana Desmond Tutu (...) mbamin’ny mpikambana hafa ao amin’ny klerjy dia nampiomana ny fitondram-panjakana fa hamporisika ny fifandonana amin’ny fanjakana izy ireo” raha ny amin’ny “apartheid (fanokanan-toerana ny samy hafa volon-koditra)”.

Ny sasany mihevitra izany toerana manohitra izany ho asa kristiana raisina amim-pifaliana raha mikendry ny hanova fitondrana na lalàna tsy tiam-bahoaka. Marina fa naniraka ireo mpianany ho eny amin’ny arabe i Jesosy, kanefa tsy noho ny fanantenana ny hitondra fiovana ara-politika. Izy ireny kosa dia nankeny amin’ny toerana ampahibemaso sy tany an-tokantranon’ny olona mba hampiseho ny Fanjakan’ny lanitra ho ny fomba hitahiana ny olombelona (Matio 10:5-7; 24:14). Rehefa nampangaina ho nitarika asa ara-politika — ho nitady ny hanaovana azy ho mpanjaka — Jesosy Kristy dia nilaza mazava fa tsy tokony hampoizina ny hahitana izany avy amin’ny tenany na avy amin’ireo mpianany. Namaly an’ilay nitsara azy izy fa ‘tsy avy amin’izao tontolo izao ny fanjakany’. Mifanaraka amin’io fotopoto-pitsipika io, ireo tena mpianatr’i Jesosy dia nitana toeram-pialanalanana foana teo amin’ireo raharaha ara-politika; izao tokoa no nolazain’i Jesosy ny amin’izy ireny: “Tsy naman’izao tontolo izao” izy. — Jaona 18:36, Ny Baibolin’i Jerosalema; Jaona 17:14.

Arahaba ry Maria rarana ao amin’ny fandefasana sarimihetsika

Vao haingana izay, ny prezidàn’i Brésil, José Sarney, dia nanao fandaharana tsy mbola nisy toy izany mba handrarana tao amin’ny taniny ny fandefasana sarimihetsika iray niteraka fahatafintohinana: Arahaba ry Maria. Niteraka firehetan’ny fanoherana izany fisehoan-javatra izany na teo anivon’ny Eglizy na teo amin’ny vahoaka. Izao no nambaran’ny eveka Mauro Morelli: “Araka ny hevitro dia tsy azo ekena ny hoe, toy ny tamin’ny andron’ny ‘Inquisition’, ny Eglizy dia miangavy ny fanjakana mba hanao fandaharana ho fiarovana ny finoana.” Ilay solombavambahoaka federaly atao hoe Eduardo Matarazzo Suplicy kosa dia nahita fa mampalahelo ny ‘naneken’ny prezidà breziliana ny fitaoman’ny tapany mpitahiry ny efa fanao ela ao amin’ny Eglizy’. “Tafaverina eo amin’ny firaisan’ny alitara sy ny seza fiandrianana isika”, hoy ny nosoratan’ny gazety filha de S. Paulo Roberto Romano, profesora ao amin’ny Oniversite Campinas. “Natao izany fony mbola tsy nisy fifanarahana mazava sy hentitra mihitsy, karazan’ny fifanarahana tany Latran natao tamin’i Mussolini sy ny fifanarahana natao tamin’i Hitler. Eny, ny zavatra rehetra dia natao mangingina daholo, tao ambadiky ny biraom-pitondram-panjakana mihidy.”

Ny tetika fanerena ara-pivavahana toy izany sy ny vokany dia mampahatsiahy ny nataon’ilay vehivavy ara-panoharana lazalazain’ny Baiboly amin’ny endriky ny vehivavy janga ara-panoharana izay “manjaka amin’ny mpanjakan’ny tany”. Asehon’ny Baiboly fa ireny mpanjaka ireny dia hanjary “hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy (...) ary handevona ny tenany amin’ny afo”. — Apokalypsy 17:1, 2, 15-18.

“Antony mahatonga fahatezerana”

Ao amin’ny bokiny vaovao hoe Antony mahatonga fahatezerana, René Dumont, manam-pahaizana momba ny fambolena frantsay be mpahalala, dia manameloka izay antsoiny hoe “tsy fahombiazana tanteraka” eo amin’ny ‘sivilizasionantsika ara-pamokarana”. Ny fanakianana nivoaka tao amin’ny Le Monde, gazety mivoaka isan’andro, dia namintina tamin’izao teny izao ireo ohatra vitsivitsy notononin’i Dumont: “Araka izany, Kanada izay mampiasa isan-taona mba hanaovana taratasy, hazo betsaka noho ny maniry indray, na URSS izay toa hoe efa nandany ny androantokon’ny taniny azo volena. Na dia i Frantsa aza, amin’ny fanoloana zezika shimika ny fanatsarana tany araka ny natiora, dia toa hoe eo ‘am-panimbana ny fahavokarana niangona nandritra ny taonjato maro eo amin’ny fambolena hanim-biby fiompy sy ny zezika avy amin’ny biby’.”

Nampangain’i Dumont koa ireo firenena be fanaovan-taozavatra ho ‘manimba’ ny planeta amin’ny fandanilaniana foana sy ny fitsinjarana amin’ny fomba ratsy ny harena; hoy ny teny nanampiny: “Ratsy aoka izany ny fitantanantsika ny toe-karena maneran-tany, hany ka tena mendrika ny hamoy ny fahamboniantsika isika.” Mitaraina izy ny amin’ny hoe ny modelin’ny fandrosoana tandrefana dia ‘nanimba ny toe-karen’ny tany eo an-dalam-pandrosoana’ ka tsy nampandroso ny fambolena izany fa nanintona ny mponina ho any amin’ireo “tanàn-dehibe very saina” izay nitombo any amin’ireo tany tsy dia be taozavatra loatra.

Raha manome ‘antony tokony hahatezitra’ ny toe-javatra toy izany eo amin’ny olombelona mahatsinjo ny loza, dia vao mainka tokony ho toy izany amin’Ilay namorona ny planetantsika! Raha ny marina, dia lazalazain’ny Baiboly ara-paminaniana ny fotoana efa antomotra izay hahatonga ny fanimban’ny olombelona hiteraka ny ‘fahatezeran’Andriamanitra’, ary hanosika azy ‘hanimba izay manimba ny tany’. — Apokalypsy 11:18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara