Ny fiterahana: hajainao ve io fanomezan’Andriamanitra io?
“TEO amin’ny latabatra fiterahana, tery sy mafy, aho, hoy ny notsahivin’i Jeanne, rehefa tsy nisy toy izany ny fanaintainana. Nanasa tanana ny dokotera, kanefa somary ela. ‘Dokotera a, hoy ny fihiakan’ny vehivavy mpanampy azy, ao ilay zaza.’ Nihazakazaka nanatona ny latabatra izy ka nilaza tamiko hoe: ‘Indray mandeha koa.’ Nila tsy ho zaka ny fanaintainana. Ary avy eo...
“ ‘Arahabaina ianao, hoy ny dokotera, zazavavy kely mahafinaritra no azonao.’ Hadino ny fanaintainana tsapako fotoana fohy talohan’izay rehefa napetraka teo an-tratrako ilay tena kely mafana. Nifandray tanana izahay mivady sady nandinika, talanjona, an’io zava-mahagaga kely io izay vokatry ny fifankatiavanay.”
Tena mahatalanjona io fanomezan’Andriamanitra io, dia ny fiterahana. Rehefa avy nanao raharaha ara-pitsaboana naharitra ny dokotera Joseph Krimsky dia nanoratra toy izao: “Ny fahatorontoronina sy ny fahaterahana dia fahagagana tsy takatry ny saintsika. (...) Ny fihetseham-pom-pitiavana sy ny faharavoravoana rehetra izay miteraka fikambanan’ny sela tsimok’aina roa, lahy sy vavy, dia zava-miafina (...) tsy hain’ny siansa hazavaina.” — Ny fitenenana irery nataon’ny dokotera (anglisy).
Ny fanazavan’ny Baiboly
“Ny fihetseham-pom-pitiavana sy ny faharavoravoana” eo anivon’ny fanambadiana dia fanomezan’Andriamanitra. Manoro hevitra ny lehilahy manambady toy izao ny Baiboly: “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao (...)! Ary aoka ho feno faharavoravoana làlandava amin’ny fitiavany hianao.” (Ohabolana 5:18, 19). Mazava ho azy fa ny fikasan’Andriamanitra dia ny hahatonga ny firaisan’ny lehilahy amin’ny vadiny hanampy amin’ny fanefena fifamatorana maharitra sy mafana. Ny zanaka avy amin’ny firaisana toy izany dia handray fiandohana tsara eo amin’ny fiainana. Araka izany, ny fikasan’Andriamanitra mitsinjo ny hamenoan’ny olombelona ny tany dia ho tanteraka amin’ny fomba tsara. — Genesisy 1:27, 28.
Be dia be anefa no tsy nandray soa tamin’ny fiaingana tsara teo amin’ny fiainana. Ny sasany nitombo tao amin’ny toerana nanjakan’ny fahalotoam-pitondrantena, ny hafa tao anatin’ny tokantrano voazarazara. Ahoana no nahatonga izany? Hazavain’ny Baiboly fa ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany dia nikomy tamin’Andriamanitra sy nandika ny didiny. Koa satria ireo zanany notorontoronina fotoana kelikely taorian’ny fahotana, ny taranany dia nandova tsy fahatanterahana sy fironana hanota (Genesisy 3:1 ka hatramin’ny 4:1; Romana 5:12). Noho izany antony izany no nampiasan’ny olona tamin’ny fomba ratsy an’io fanomezan’Andriamanitra io, dia ny fiterahana.
Nanohana ny hevitry ny Baiboly ve ireo anisan’ny klerjy?
Amin’izao androntsika izao, dia tonga eo an-tampony ny tsy fahalalana onony eo amin’ny lahy sy ny vavy. Nahoana? Tao anatin’ity taonjato ity, dia olona an-tapitrisany maro mitady fitarihana ara-pitondrantena no nitodika any amin’ireo fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Moa ve ny klerjy nampiasa ny fitaomany mba hamporisihana an’ireo mpiangona hanaja ny fiterahana?
“Ny fironana lehibe indrindra eo amin’ny fiangonana protestanta — loteriana, nahitsy, anglikana, kongregasionalista, metodista sy ny fikambanana batista maro — dia nifanaraka tamin’ny fomba azo lazaina hoe mora, tamin’ny hevitra ny amin’ny evaolisiona”, hoy ny fanazavan’ny Nouvelle Encyclopédie britannique. Aoka hieritreritra anefa isika. Moa ve ny evaolisiona tsangan-kevitra azon’ireo milaza ho mampiseho ny Baiboly ‘arahina’? Tsia! Satria ny evaolisiona dia tsangan-kevitra tsy mahalala na inona na inona ny amin’ny fitondrantena. Laviny amin’ny ankapobeny fa Andriamanitra no Mpamorona ny zavatra rehetra ary mila ny hovonjena amin’ny fahotana sy ny fahafatesana ny olombelona. — Genesisy 2:7, 18, 19; I Korintiana 15:21, 22.
Nanaiky ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona koa ny Eglizy katolika. Tamin’ny 1950, tao amin’ny taratasy Humani generis nampitondrainy ho an’ny eveka rehetra, ny papa Pie XII dia namporisika ny hanaovana fikarohana tamin’io lafiny io. Tao anatin’ny taona 1982, dia mpahay siansa iraika ambin’ny folo no nasaina ho ao amin’ny Vatican mba hiady hevitra ny amin’ny evaolisiona teo ambany fitarihan’ny prezidàn’ny Akademian’ny siansa pontifikaly. Taty aoriana, ireo manam-pahefana ara-tsiansa ambony indrindra tao amin’ny Eglizy katolika dia namoaka boky iray nilaza toy izao indrindra: “Ireo fiaviana nitarika ho amin’ny olombelona, ho amin’ny rajako lehibe dia toa nihataka tamin’ny razambe niombonan’izy ireo (...), 5 ka hatramin’ny 7 tapitrisa taona lasa izay.”
Ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona dia mandà ny Baiboly, izay manambara fa ny olombelona sy ny biby dia noforonina nitokantokana, ‘araka ny karazany’. (Genesisy 1:20-27.) Afa-tsy izany koa, dia voamaritsika fa nilaza mialoha toy izao ny Baiboly: “Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” (Matio 24:3, 11, 12, 33). Moa ve ny evaolisiona nandray anjara tamin’ny fitomboan’ny “tsi-fankatoavan-dalàna”?
Moa ve ny evaolisiona nanohana ny tsy firaharahana lalàna ara-pitondrantena?
Tamin’ny fanekena ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona, dia anisan’ny klerjy maro no nanimba ny fitokisan’ny mpiangona ny Baiboly. Manontany tena ireo hoe: “Raha tsy marina ny fitantarana ny famoronana voarakitra ao amin’ny Baiboly, inona no holazaina ny amin’ny tapany sisa amin’ny Baiboly?” Misy aza mpitondra fivavahana manohitra izay ambaran’ny Baiboly ny amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana sy ny fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, ary ny hevitry ny Soratra Masina momba ny fanajana ny aina any am-bohoka. — Eksodosy 20:13, 14; 21:22, 23; Levitikosy 18:22; I Korintiana 6:9, 10.
Nampitombo ny tsy firaharahana lalàna tamin’ny fomba hafa iray koa ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona. Vao haingana izay, tany amin’ny tany iray lazaina fa “kristiana”, dia mpijery televiziona an-tapitrisany maro no afaka nanaraka ora iray ny fihainoana ny tantaran’ny ray iray nampihatra famelezana momba ny lahy sy ny vavy tamin’ny zanany vavy. Araka ny revio Science 85, dia nekena fa “tsy misy mihitsy olona azo heverina tanteraka ho tompon’andraikitra amin’ny ataony rehefa resin’ny fahamaimaizana”. Olona an-tapitrisany maro, araka ny ambaran’io revio io amin’ny ambangovangony, no vonona ny hanaiky hevitra toy izany noho ny fiheverany fa “manana fifamatorana akaiky dia akaiky amin’ny biby ny olombelona”. Ny olona, hoy ny fiaiken’ny Science 85, dia “manaiky mora loatra ny hevitr’i Darwin ilazana fa ‘mbola mitondra ao amin’ny lalina indrindra amin’ny nofony ny marika tsy azo kosehina avy amin’ny fiandohany ambany ny olombelona’ ”.
Nanimba aoka izany ny fiheveran’ny olona ny Baiboly ny hevitra evaolisionista. Ary tsy nitondra fahasambarana ho azy ireo izany, satria ny fandavana fahatsaram-pitondrantena sarobidy voarakitra ao amin’ny Baiboly dia niteraka fitomboana mampanahy teo amin’ny isan’ny fanalana zaza sy ny aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy. Afa-tsy izany koa, dia mitombo ny isan’ny zazasary teraka izay tsy hahita mihitsy ny hafanan’ny fiainam-pianakaviana.
Ahoana no mety hanampian’ny Baiboly antsika?
Ahariharin’ny Baiboly fa ilay Mpamorona ny olombelona, Jehovah, dia Andriamanitry ny famindrampo (Salamo 103:10-13). Iriny ny hanampy ny olombelona mpanota hiaina mifanaraka amin’ny fahatsaram-pitondrantena takiny (Isaia 1:18; 55:6-9). Tao amin’ny tanànan’i Kolosia fahizay, ohatra, ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana sy ny fanitsakitsaham-bady dia zavatra fahita. Noho izany antony izany, ny taratasy nosoratana ho an’ireo kristiana tao amin’io tanàna io dia nanambara toy izao: “Izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy hianareo.” (Kolosiana 3:5-7). Noho ny fampaherezana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny herin’ny fanahiny masina anefa, dia Kolosiana maro no nanao fiovana mahasoa teo amin’ny fiainany. Tonga kristiana marina izy ireo.
Niseho koa ny fahalotoam-pitondrantena tany Korinto fahizay feno lehilahy nandry tamin’ny lehilahy sy vehivavy janga. “Efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo”, hoy ny ambaran’ny taratasy ho an’ireo kristiana tany Korinto, “saingy efa voasasa hianareo, efa nohamasinina hianareo, efa nohamarinina hianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.” — I Korintiana 6:9-11; jereo koa Lioka 11:13.
Toy izany koa ve no izy amin’izao andro izao? Eny, satria ity gazety ity nanampy olona an’arivony maro hampifanaraka ny fiainany amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Tatsy Afrika, ohatra, ny zatovovavy iray dia niharan’ny famelezana momba ny lahy sy ny vavy teo amin’ny fahazazany. Taty aoriana izy dia nanaraka izao karazam-panao maloto rehetra izao, anisan’izany ny fandrian’ny vehivavy amin’ny vehivavy. “Mety hitondra fahafinaretana mandritra ny fotoana sasany izao tontolo izao, hoy izy namboraka ny tao am-pony, kanefa manjary toy ny zavatra mahadomelina izany ary miteraka ao aminao fahatsiarovana ho very, tsy misy antony.” Namoifo izy ka nanandrana namarana ny androny, kanefa tamin’izany fotoan-tsarotra izany, dia tonga nanova ny fiainany ny fisehoan-javatra iray. Nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ary nanaraka ny torohevitra mba hamaky ny Baiboly isan’andro. Izany dia nanome azy hery handresy ireo fanaony maloto. “Mahatsiaro tena ho tsara kokoa aho izao”, hoy izy. “Mahagaga ny azon’i Jehovah atao.”
Ireo tanora mitombo amin’ny fahitana ny hafanan’ny tokantrano kristiana iray dia manana tombontsoa. Ireo ray aman-dreny kristiana dia tokony hanao izay rehetra azony atao mba hanazavana amin’ireo zanany ny zava-mahatalanjona ny amin’ny fiterahana (Efesiana 6:4). Amin’izany no hanampian’izy ireo ny zanany hanaja ireo faritra fiterahana sy tsy hilalao amin’izany. Ny fampitodihan-tena ho amin’ny mahakasika ny lahy sy ny vavy dia matetika no dingana voalohany ho amin’ny karazam-pahalotoam-pitondrantena ratsy kokoaa.
Zava-dehibe tokoa amin’izao andro izao ny handresena ireo fanao maloto. “Izany zavatra izany”, hoy ny fampitandreman’ny Baiboly, “no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra.” (Kolosiana 3:5, 6). Eny, misy fetrany ny famindrampon’i Jehovah, satria Andriamanitry ny fahamarinana koa Jehovah (Deoteronomia 32:4). Rehefa avy nilaza faminaniana ny amin’ny “haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna” hitan’ny androntsika i Jesosy dia nanambara hoe: “Fa amin’izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Matio 24:11, 12, 21). Amin’izany no hamaranan’Andriamanitra ny tsy firaharahana lalàna sy hanombohany fandehan-javatra vaovao sy marina. — Salamo 37:9-11, 29.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba jereo ny lahatsoratra hoe “Une mère parle à ses filles” sy “Un père parle à son fils” ao amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 oktobra 1965 sy 22 martsa 1969, ary ilay boky hoe Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti, ao amin’ny toko faha-5 mitondra ny lohateny hoe “La masturbation et l’homosexualité”, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Sary, pejy 5]
Mba hahafahana mandray fiaingana tsara eo amin’ny fiainana, dia mila rivo-piainana ara-pianakaviana mafana ny ankizy.
[Sary, pejy 7]
Ireo ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra dia tokony hanampy ireo zanany hahazo fihetsika tsara eo anoloan’ny fiterahana.