Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Ny zo hanapa-kevitra
Moa ve ireo zon’ny fianakaviana lehibe noho ny zavatra inoana ara-pivavahana? Tsia, hoy ny navalin’ny fitsaram-paritra any Ōita, any Japon. Nanambara izy fa ny olon-dehibe iray dia “tsy manao na inona na inona tsy ara-dalàna amin’ny fandavana ny fampidiran-dra mba hanarahana ny finoany”.
Ilay lehilahy tafiditra tao amin’io raharaha io dia voan’ny “sarcome” (fivontosana manimba) teo amin’ny fe havia ka tsy maintsy notapahina ny feny manontolo. Nanaiky ny hodidiana izy raha tsy anaovana fampidiran-dra. Tsy nety nanao ny fandidiana araka izany fepetra izany ilay hopitaly. Ny ray aman-drenin’io Vavolombelon’i Jehovah 34 taona io, izay natahotra ny hamoy ny fanohanan’ny zanany lahy ao anatin’ny fahanteran’izy ireo, dia nanohitra ny sitrapony tamin’ny fanaporofoana ny zony amin’ny maha-ray aman-dreny. Na dia neken’ny fitsarana aza ny zon’izy ireo “hiaina sambatra ao anatin’ny fianakaviana sy hanantena ny hotohanan’ny zanany amin’ny ho avy”, dia nanapa-kevitra izy fa “ireo zon’ny fianakaviana dia tsy lehibe velively noho ny zavatra inoana ara-pivavahan’ny” olona iray. (Aoka holazaina kely aloha fa nahomby tsy nisy fanomezan-dra ny fandidiana.)
Zava-dehibe ny hikarakaran’ny kristiana iray ireo ray aman-dreniny sy ny ‘hanehoany izay toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony’. Na dia izany aza, io fepetra takina io dia tokony homena fahafahampo mifanaraka amin’ireo didy hafa ao amin’ny Soratra Masina (I Timoty 5:4, 8). Toy ny tsy maha-tsara ny fangalarana noho ny fikendrena ny hanome izay ilain’ny ankohonan’ny tena, dia tsy hekena eo imason’Andriamanitra ny handikana ireo Lalàny momba ny fahamasinan’ny ra mba hitsaboana ny fianakavian’ny tena. Mandidy antsika ny Soratra Masina mba ‘hifady ny ra’. (Asan’ny apostoly 15:20, 28, 29; jereo Levitikosy 17:10-12.) Amin’ny toe-javatra miseho toy izany, ny olona matahotra an’Andriamanitra dia ‘hanaiky azy mihoatra noho ny olona’. — Asan’ny apostoly 5:29.
Fanafodiny tsy manjary
Ny fitomboana mahagaga eo amin’ny isan’ny fananana anaka tsy ara-dalàna eo amin’ny zatovovavy dia nanosika ireo manam-pahefana amerikana hihevitra an’io zava-manahirana io akaiky kokoa. Ohatra, ny fitondram-panjakana iray dia namoaka lalàna izay manery ny ray aman-dreny “handoa ny lany” raha tonga ray na reny alohan’ny faha-18 taonany ny zanany lahy na ny zanany vavy mpitovo. Antenainy fa izany fandaharana izany dia hanosika ireo ray aman-dreny manana zanaka zatovo hahatsapa tsara kokoa fa izy ireo no voakasika voalohany amin’ny fisorohana ny fananana anaka. Mihevitra anefa ny fitondram-panjakana hafa fa ny lalàna toy izany dia mamporisika ny zatovo hanala zaza. Ho solony, dia atolony ho fanafodiny ny fanomezana, ny fanjakana no handoa ny lany, fianarana momba ny fanabeazana ny amin’ny lahy sy ny vavy sy fanafody tsy mampiteraka ho an’ireo zatovo efa mety hiteraka.
Tsy azo lavina fa fanafodiny tsy manjary izany fandaharana izany. Inona no antony? Satria izany tsy manafoana ny mahatonga ny zava-manahirana, dia ny firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana. Ny manam-pahaizana manokana iray momba ny fananan’ny zatovovavy anaka dia nilaza toy izao: “Eo imason’ireo namany, dia zava-dehibe ho an’ny tanora ny hampiasana ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Tsy misy na dia iray monja aminy aza haniry ny ho virijina.” (Revio Time). Ny antony lehibe indrindra mahatonga izany “fanaranam-po” izany, dia ny fihenan’ny fampiasana ny Baiboly, hoy ny nasain’i Emory Davis nomarihina tao amin’ny lahateny iray tany amin’ny Oniversite Rutgers.
Inona àry no fanafodiny? Mazava ny Soratra Masina: melohiny ny firaisan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny olona tsy manambady. “Tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny mpijangajanga, hoy ny vakina ao amin’ny I Korintiana 6:9. Tokony halatsaky ny ray aman-dreny ao am-pon’ny zanany ireo lalàn’Andriamanitra mifehy izany lafiny izany (Deoteronomia 6:6, 7). Nahoana no misy izany? Nanantitrantitra toy izao i Solomona mpanjaka hendry: “Zaro [tezao, MN] amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” — Ohabolana 22:6.
Ny isan’ny olona ao amin’ny Fiangonana anglikana
“Mampalahelo!” Izany no nilazan’i Robert Runcie, lehiben’ny arsevekan’ny Fiangonana anglikana, ny fanisana olona tao amin’ny Fiangonany navoaka vao haingana tao amin’ny tatitra mitondra ny lohateny hoe Ny fivavahana anglikana any ambanivohitra (anglisy). Nahoana izy no nanao an’io fanambarana io? Satria ny tabilaon’ny isan’ny mpiangona ao amin’ny diosezy iray any ambanivohitra noraisina ho santionany dia manondro fihenan’ny ara-kevin’ny isan’ny anglikana; ilay 17,5 isan-jaton’ny isan’ny mponina tamin’ny 1950 dia tonga 7,4 isan-jato tamin’ny 1980. Ny famakafakana dia mampiseho “tarehin-javatra mila tsy hisy fanantenana mihitsy”, hoy ny fanantitranteran’ny Times any Londres, ary manome fotsiny, taratr’izay misy hatramin’ny ela be ao amin’ireo diosezy any an-tanàn-dehibe.
Ny anankiray amin’ireo antony lehibe indrindra omena mba hanazavana ny fidinan’ny isan’ny anglikana dia ny fialan’ny tanora amin’ny Fiangonana. Ny fandaharana ara-tsosialy mifanentana amin’ny tanora, hoy ny filazan’io tatitra io, dia mety handrodana izany fironana izany. Ny lafiny ara-panahy amin’ny fiainana anefa no nosoritan’i Paoly. Nananatra an’i Timoty tanora izy mba hanana ho zava-kendrena ny ‘fitadiavana ny fahamarinana, ny finoana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra’. — II Timoty 2:22; I Timoty 4:7, 8.