FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/9 p. 3-4
  • Inona no tena misy vidiny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no tena misy vidiny?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no tena misy vidiny tokoa?
  • Fomba Fijery Voalanjalanja Momba ny Vola
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ahoana no Fiheveranao ny Vola?
    Mifohaza!—2015
  • Ny Vola ve no Fototry ny Ratsy Rehetra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Inona no Maha-ratsy ny Fitadiavam-bola?
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/9 p. 3-4

Inona no tena misy vidiny?

“Maro be amin’izy ireny no manana fiainana tsy misy heviny, tsy mahay mitana asa iray izy ireo, tsy mitana fifandraisana maharitra izy, mandehandeha tsy misy zava-kendrena mifindrafindra toerana eo amin’ny lalana mitokana izy — ary tsy misy olona miahy ny amin’izany. Ny antony: faran’izay manan-karena izy ireo.” — The New York Times, 15 may 1984.

FANTATRAO tsara fa ilaina ny vola mba hahazoana sakafo, fitafiana, fialofana, hifindran-toerana, hitsaboan-tena sy hahazoana zavatra hafa ilaina eo amin’ny fiainana. Raha ny marina, dia azo inoana fa tsapanao ny fahasarotan’ny fiainana tsy misy vola ao anatin’ny fitambaran’olona ankehitriny, satria, araka ny voalazan’ny Baiboly, dia “ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra”. — Mpitoriteny 10:19.

Ny lahatsoratra amin’ny gazety voatonona eo ambony anefa dia nivaofy zava-manahirana ara-pihetseham-po mampijaly ny olona manan-karena. Miharihary fa hampidi-doza ho anao ny hampifantoka ny fiainanao amin’ny fikatsahana vola sy fananana ara-nofo. Izany anefa no ataon’ny olona maro be. Indraindray dia amoizany ny ainy ny faniriany laza mihoapampana. Re ny firesahana ny amin’ny olona milofo mafy amin’ny asa izay maty noho ny fihetsehan’ny aretim-po tampoka, kanefa vao telopolo na efapolo taona izy ireny. Ny sasany tamin’izy ireny dia nahatandindomin-doza ny fahasalamany, ary na dia ny fiainany koa aza, mba hahazoana vola hanomezana fahafahampo ny faniriany laza. Tsy ilaina ny ho mpino mafy vao hahafantatra fa ho tsara kokoa ny handraisany am-po ireto tenin’i Jesosy ireto: “Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?” — Matio 16:26.

Inona no tena misy vidiny tokoa?

Azo antoka fa fantatrao fa mitatra tsy misy farany ny lisitry ny zavatra mety hahavoan’ny fakam-panahy hokatsahina. “Magnétoscope”, trano manokana, fitaovana lafo vidy fanaovana fanatanjahan-tena: toy izany ny fananana heverina ho sarobidy any amin’ny tany iray. Tsotra kokoa angamba izany any amin’ny toeran-kafa. Araka izany, tao amin’ny tany iray, dia nijangajanga ny vehivavy tanora iray mba hividianana fitafiana kanto kokoa.

Tsapantsika angamba fa mampidi-doza ny tsy fijerena afa-tsy ny fananana ara-nofo eo amin’ny fiainana, nefa inona no azontsika atao mba hiarovan-tena? Tokony hiala amin’ny vahoaka ve isika, hanomboka hiaina hitoka-monina, toy ny nataon’ny sasany? Afa-tsy izany koa, rehefa eritreretintsika izay tena misy vidiny, dia aoka isika hanontany tena toy izao: inona no hitondra fifaliana sy tena fahafahampo maharitra ho ahy?

Mba hahitana ny valiny, dia aoka hoheverintsika ny ohatra ny amin’ny lehilahy iray izay hajaina sy heverina ho ohatra faka tahaka hatramin’ny taonjato maro. Nahalala tsara ny lalàn’ny raby izy io ary anisan’ny antokom-pivavahana jiosy tamin’ny taonjato voalohany izay ny mpikambana aminy dia nalaza ho “fatra-pitia vola”. (Lioka 16:14.) Paoly no anarany, ary nanana fahaizana sy faherezana nilaina izy mba hanangonana harena sy hahazoana toerana ara-tsosialy ambony kokoa ihany.

Taorian’ny fanandraman-javatra nampikorontan-tsaina anefa, dia takany fa tsy nahaforona velively ny zava-tsarobidy indrindra teo amin’ny fiainana izany. Na mitovy hevitra amin’izany ianao na tsia, dia mety ny hakana fotoana hieritreretana ny fanatsoahan-kevitra nataon’i Paoly.

Tsapany fa ny sarobidy indrindra teo amin’ny fiainana dia ny fankasitrahan’Andriamanitra ananan’ny mpianatr’i Jesosy iray. Sarobidy tokoa izany, hany ka i Paoly, tamin’ny naha-apostolin’i Jesosy azy, dia afaka niaritra fitsapana sy fanenjehana. Izy dia nanao tahaka an’i Mosesy, lehilahy nalaza fahiny, izay “nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta.” — Hebreo 11:26; II Korintiana 11:23-27.

Tsy isalasalana fa fantatrao koa fa tsy nanenenan’i Paoly mihitsy ny namoizana ny toerany ambony tao amin’ny fitambaran’olona jiosy mba hahatongavana ho apostoly kristiana. Rehefa avy nanompo tamim-pifaliana nandritra ny 25 taona teo ho eo io kristiana be fandavan-tena io dia nanoratra toy izao: “Izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’i Kristy.” (Filipiana 3:7-9). Tsy azo lavina fa nino mafy i Paoly fa nahazo zavatra tena nisy vidiny.

Tamin’ny fanaovana izany fisafidianana izany anefa dia tsy namoy ny fananana ara-nofo rehetra akory i Paoly. Eritrereto ohatra izao fanambarana nataony izao: “Na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.” — Filipiana 4:12.

Na inona na inona toeranao eo anoloan’ny kristianisma, dia azo inoana fa hekenao fa tsara dia tsara ny fiafaran-javatra ho an’i Paoly. Ny fisafidianany raha ny amin’izay misy vidiny dia nahatonga azy hahita fahafahampo izay tsy hitan’ny lehilahy sy ny vehivavy manankarena indrindra eo amin’izao tontolo izao. Paul Getty, mpanapitrisa amin’ny solitany, dia niaiky toy izao: “Tsy hoe tsy maintsy mitondra fahasambarana akory ny vola. Angamba aza izany mitondra fahoriana.”

Mety hihambo ho kristiana anefa ny olona iray kanefa tsy hahay hanavaka izay sarobidy indrindra. Voamarina izany tamin’ny taonjato I, satria nanambara toy izao i Paoly ny amin’ny anankiray tamin’ireo namany: “Fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy.” (II Timoty 4:10). Tamin’ny fotoana nety ho nahafahany nanampy an’ilay apostoly nogadraina, dia niala i Demasy, noho ny fitiavana kokoa izay natolotry ny fandehan-javatra tamin’izany fotoana izany azy.

Mba hampiharihariana ny loza lehibe nosetrain’ny kristiana iray tamin’ny fitanana fiheverana tia fatratra ny zavatra ara-nofo, dia izao no nambaran’i Paoly: “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia (...) nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” — I Timoty 6:9, 10.

Angamba ianao izao manontany tena hoe: “Toerana manao ahoana no tokony homeko ny vola sy ny fananana ara-nofo eo amin’ny fiainako?” Aoka isika handalina an’io fanontaniana io ka hijery hoe amin’ny fomba ahoana no mety hanananao izay tena misy vidiny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara