FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/9 p. 28-30
  • Manàna fihetsika manorina hatrany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manàna fihetsika manorina hatrany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Eo anoloan’ny tahotra olona
  • Raha mamoy ny tombontsoam-panompoantsika isika
  • Eo anoloan’ny fiovana tsy nampoizina
  • Ny fomba hitanana fihetsika manorina
  • Manehoa Taratry ny Toe-tsain’i Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Manehoa Toe-tsaina Mahay Miandry!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Manàna Fihetsika Manorina Hatrany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Ireo Mpitsikilo 12
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/9 p. 28-30

Manàna fihetsika manorina hatrany

INDRAY marainan-dohataona tamin’izay. Mbola vao maraina be ny andro. Efa namirapiratra nanjopiaka teny amin’ny lanitr’i Moyen-Orient sahady anefa ny masoandro rehefa naharay vaovao nampahory ity ray. Maty tamin’ny voinam-piarakodia nandritra ny alina ny zanany lahimatoa 22 taona.

Ahoana no ho fandraisanao ny vaovao toy izany? Koa satria nifanakaiky tokoa izany mpianakavy izany, araka ny fahita mandrakariva any Moyen-Orient, dia azom-pahoriana ara-bakiteny ireo ray aman-dreny. Toa ho ara-dalàna raha nahatonga azy ireo halahelo tsy hisy toy izany mihitsy io loza nampangitakitaka tampoka io. Gaga anefa ny nanodidina azy fa nanaraka fihetsika nanorina izy ireo na dia tamin’ny andro nisehoan’ny loza aza. Na dia tao aza ny fahoriana lalina nahazo azy ireo dia natoky tanteraka izy fa ho afaka hanangana ny zanany amin’ny maty Jehovah amin’ny fotoana hitiavany izany. Noeritreretiny ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra “tsy hisy fahafatesana intsony”. (Apokalypsy 21:4.) Amin’izao andro izao, taona maro atỳ aoriana, dia misy olona mahalala io fianakaviana io mbola miresaka foana ny amin’ny fihetsika sy ny finoana faka tahaka nasehon’ireo ray aman-dreny.

Inona no dikan’ny hoe manana fihetsika manorina? Ny olona manorina iray dia mitana ny fijoroany na dia ao aza ny fivadibadihan’ny fiainana. Na dia ao anatin’ny toe-piainana sarotra aza, dia tsy manjary tafintohina, tsy manaiky hotapahin’ny hevitra mandrava izy. Ahoana no hetezan’izany? Aoka isika hijery ohatra vitsivitsy ao amin’ny Baiboly mba hamaliana an’io fanontaniana io.

Eo anoloan’ny tahotra olona

Tamin’ny 1512 alohan’ny fanisan-taona iraisana, raha nitoby tany an’efitr’i Parana ny firenen’Isiraely, dia naniraka mpisafo tany 12 i Mosesy hamantatra ny tany nampanantenaina (Nomery 13:17-20). Filoha tao amin’ny fokony izy rehetra, lehilahy be fahefana sy noheverina ho ohatra tsara (Nomery 13:1, 2). Indrisy anefa! Rehefa afaka 40 andro, ny folo tamin’izy ireo dia nanao fitantarana ratsy aoka izany, hany ka nikomy tamin’ny fitarihan’i Jehovah ny Isiraelita ary nitady hiverina tany Egypta! “Mahery ny olona izay monina eo amin’ny tany, hoy ny fitantaran’ireo mpisafo tany. Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika.” — Nomery 13:28, 31.

Fihetsika mandrava re izany! Izany dia nifanohitra tokoa tamin’ny fihetsika manorin’i Josoa sy Kaleba, ireo mpisafo tany roa hafa, izay nanambara hoe: “Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra. Raha sitrak’i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin’izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.” (Nomery 14:7, 8; 13:30). Zavatra mitovy no hitan’ireo antokon’olona roa rehefa nizaha ny tany izy ireo. Tsy nitovy velively anefa ny fihetsik’izy ireo! Nifindra tamin’ny firenena manontolo ny fihetsika nandrava nasehon’ireo mpisafo tany, ka nanomboka nimonomonona io firenena io. Noho izany, ny Isiraelita nihoatra ny roapolo taona dia maty tany an’efitra. Josoa sy Kaleba irery ihany no nanana tombontsoa niditra tao amin’ny Tany nampanantenaina, satria izy ireo nametraka ny fitokisany tamin’i Jehovah tamin’ny fomba nanorina (Nomery 14:22-30). Amin’izao androntsika izao, ny ohatra nomen’izy ireo dia tokony hamporisika antsika tsy hivadika hatrany sy hitana fihetsika manorina rehefa misy fanenjehana na fanoherana mitranga na mihamafy.

Tany amin’ny tany iray andrarana ny asa hatramin’ny taona maro, ny mpitory maharitra manokana iray dia nampidirina an-tranomaizina sy nentina tamin-kahasiahana. Nahatsiaro izao izy: “Arakaraka ny nampisehoan’ireo lehibe fahasiahana no nahatsiarovako ny tenako fa akaiky an’i Jehovah. Nanao fihiranan’ilay Fanjakana aho. Notadidiako ny andinin-teny rehetra ao amin’ny Soratra Masina fantatro. Tsapako fa na dia navelan’i Jehovah hitranga aza izany, dia hainy, tamin’ny fotoana rehetra, ny nanafaka ahy. Izany rehetra izany dia nanampy ahy hanana fihetsika manorina. Sahala amin’ireo apostoly, dia faly aho nokapohina noho ny anarana tsitohan’i Jehovah. Nivavaka tsy ankijanona tamin’Andriamanitra aho mba hanatanjaka ahy. Nanampy ahy izy, hany ka rehefa nokapohina aho, dia ny kapoka voalohany ihany no naharary ahy. Nohararaotiko ny fahafahana rehetra natolotra ahy mba hitory amin’ny mpigadra hafa.”

Taorian’ny nanafahana azy, dia nilaza toy izao io kristiana io: “Noho isika nanokana ny fiainantsika ho an’i Jehovah ka nampanantena fa tsy hivadika aminy hatrany, dia tokony hanohy hanompo azy isika, na manao ahoana na manao ahoana fahasahiranana setraintsika. Mendrika ny hivavahantsika sy hifikirantsika aminy tanteraka izy.”

Angamba koa isika ho tojo fanoherana sahala amin’izany amin’ny ho avy. Aoka koa isika ho tapa-kevitra toy izany ny tsy hatahotra olona. Aoka isika hitana fihetsika manorina, ka, sahala amin’i Josoa sy Kaleba, dia handray fitahiana sy soa maro be isika.

Raha mamoy ny tombontsoam-panompoantsika isika

Noho izy mpitondra ny firenen’Isiraely, dia i Mosesy no naniraka ireo mpisafo tany roa ambin’ny folo. Nitondra ilay firenena nivoaka an’i Egypta izy ka azo antoka fa nanantena ho ilay hampiditra azy ireo ao amin’ny Tany nampanantenaina. Nafoiny anefa izany tombontsoa izany rehefa nanadino ny nanome voninahitra ny anaran’i Jehovah izy tao anatin’ny fahatezerana (Nomery 20:2-13). Ahoana no nataony tamin’izay? Nilaza hevitra toy izao izy tao amin’ny hira iray noforoniny taty aoriana: “Fa ny anaran’i Jehovah no hotoriko (...). Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:3, 4). Tsy azo lavina fa nitana fihetsika nanorina i Mosesy na dia namoy tombontsoam-panompoana lehibe aza izy.

Aoka hotadidiantsika izay nitranga tamin’i Mosesy: hahasoa antsika izany raha sanatria ka tsy maintsy misetra tarehin-javatra sahala amin’izany isika. Ny kolejin’ny loholona ao amin’ny kongregasiona iray dia mety hangataka ny hanesorana ny loholona iray na ny mpikarakara momba ny asa iray, angamba satria izy io tsy mahafeno intsony ny anankiray na ny maromaro amin’ireo fepetra takin’ny Soratra Masina mba hitanana an’io tombontsoam-panompoana io. Mety ho tian’ilay rahalahy voakasika ny tsy ho mendrika ny hesorina ka sosotra izy ary miteraka fikorontanana tsy mahasoa. Angamba izany fihetsika mandrava izany hitarika azy himonomonona, hanakiana ny hafa, na hibedibedy foana aza. Amin’ny farany angamba izy dia hitsahatra tsy hanatrika ireo fivoriana sy handray anjara amin’ny asa fitoriana. Ho latsaka ao anatin’ny toe-javatra tena mampalahelo izy raha izany. Ho tsara lavitra ho azy ny hitana fihetsika manorina sy hihevitra ny fanesorana azy ho toy ny fifehezana, na fampiofanana, izay ny zava-kendrena aminy dia ny hahatongavany ho mpanompon’i Jehovah tsaratsara kokoa. Ho azony atao ny hanararaotra izany tarehin-javatra izany mba hianarana sy hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra mba hahafenoana indray ireo fepetra takina amin’ny fanompoana an’Andriamanitra faran’izay betsaka. Maro tamin’ireo izay nanao toy izany no nandray soa avy amin’izany ka taty aoriana aza dia nanankinana tombontsoam-panompoana lehibe kokoa. — Hebreo 12:11.

Eo anoloan’ny fiovana tsy nampoizina

Ny fiainana dia feno fivadibadihana izay mety hitarika ny sasany ho diso fanantenana sy hanaraka fihetsika mandrava. Ahoana no nataonao vao haingana rehefa nisy zavatra tsy nitranga tsara araka ny ho nanirianao azy? Na dia fisehoan-javatra tsy dia manao ahoana akory aza dia mety hahakivy antsika raha tsy mitandrina isika. Aza hadinoina na oviana na oviana anefa izao: amin’ny fitanana fihetsika manorina, dia ho moramora kokoa aminao ny hisetra tarehin-javatra vaovao.

Aoka hotadidiantsika ny ohatra tsara navelan’i Rota. Maty vady mbola tanora izy ary niaraka tamin’i Naomy rafozambaviny rehefa niverina tany amin’ny Isiraely io taorian’ny mosary. Tsy nanambady i Rota mba hanome azy na dia izay tena nilainy indrindra aza, nefa na dia tao aza izany rehetra izany dia nitana fihetsika nanorina izy. Tamim-pifaliana no nandehanany nitsimpom-bary nanaraka ireo mpijinja mba hahitan’izy sy ilay rafozambaviny hohanina. Tsy nahakivy azy ny asa mafy. Tsy nanaraka fihetsika mandrava izy: tsy nitoreo izy satria namoy ny vadiny ary lavitra ny havana aman-tsakaizany izao. Araka ny asehon’ny fitantarana, dia namaly soa azy be dia be Jehovah noho ny fihetsika tsara dia tsara nasehony. — Rota 4:13-17.

Ny fomba hitanana fihetsika manorina

Sarotra amin’ny sasany ny mitana fihetsika manorina. Ireo fanahiana eo amin’ny fiainana, indrindra fa amin’izao androntsika mikorontana izao, dia mety hanaisotra ny fifaliana amin’ny olona iray — indrindra fa rehefa misy zava-manahirana mamely azy tsy ankijanona. Na dia ao anatin’ny toe-javatra ratsy aza anefa, dia azo atao ny mitana fihetsika manorina. Be dia be no tonga tamin’izany tao anatin’ny tarehin-javatra nisedra indrindra. Ahoana no azontsika anahafana azy ireny?

Miezaha tsy hiresaka miverimberina hevitra mandrava. Azo atao ny mahita lafiny manorina na dia ao anatin’ny fahasahiranana lehibe aza. Nenjehina sy natao an-tranomaizina imbetsaka ireo apostoly, kanefa izy ireo dia faly foana afaka nidera an’i Jehovah (Asan’ny apostoly 13:50-52; 14:19-22; 16:22-25). Azontsika atao ny misaintsaina izay nataon’ireny olona ireny mbamin’ny mpanompo mahatokin’i Jehovah hafa koa tamin’ny fotoam-pisedrana sy manatsoaka fianarana avy amin’izany ho an’ny tenantsika. Nahoana izy ireny no falifaly sy nanorina? Satria izy nanana fitokisana sy finoana tanteraka an’i Jehovah. Nino mafy izy ireny fa ho afaka hanangana azy amin’ny maty sy hamaly soa azy Andriamanitra (Apokalypsy 2:10). Sahala amin’izy ireny, dia tadidio mazava ao an-tsaina foana ny fanantenana fandehan-javatra vaovao sy marina ampanantenain’i Jehovah antsika. — Jereo Hebreo 12:2.

Tokony handini-tena mandrakariva koa isika, sao misy hevitra mandrava miditra ao am-pontsika ka mamaka ao. Mahasoa tokoa ny hanakekezana hatrany an’i Jehovah sy ny hivavahana aminy mba hanampiany antsika rehefa manomboka mahatsiaro tena ho kivy isika (Salamo 62:8). Afaka mitady fampaherezana eo anilan’ireo loholona koa isika. Aoka isika hamboly fanetren-tena sy fankatoavana (Salamo 119:69, 70). Aoka isika hametra zava-kendrena tsara mety ho tratrantsika. Izany fanoloran-kevitra rehetra izany dia hanampy antsika hitana fihetsika manorina sy hanana ny “fiadanan’Andriamanitra” izay ‘hiaro ny fontsika sy ny hevitsika’. — Filipiana 4:6, 7.

Marina fa tsy mora foana akory ny manana fihetsika manorina. Kanefa, raha manao fiezahana amim-paharisihana isika ary raha hetsehin’ny finoana mafy orina, dia afaka mamboly fihetsika toy izany. Aoka àry isika rehetra ho vonona daholo hitana fiheverana manorina na manao ahoana na manao ahoana tarehin-javatra hitantsika. Tsy hitondra fahavoazana ho antsika velively izany fa hanome antsika valisoa kanto maro, ankehitriny sy amin’ny ho avy.

[Sary, pejy 29]

Manàna hatrany fihetsika manorina: hitondra soa sy valisoa maro be ho anao izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara