Manana maso “tsotra” ve ianao?
“Raha tsara [tsotra, MN] ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.” — MATIO 6:22.
1. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa ny maso dia zava-mahatalanjona amin’ny noforonina manan-tsaina?
MANDRAKARIVA ny fijerena dia heverina ho ny lehibe indrindra, ny sarobidy indrindra amin’ireo vavahadin-tsaina, indrindra fa rehefa tsy ananana intsony izany. Araka ny filazan’ny manam-pahaizana, dia iray alina lavitrisa ny piti-pahazavana mandalo isan-tsegondra ao amin’ny anakandriamasontsika. Rehefa mahatratra ny “rétine” izany, dia raisin’ny sela momba ny fahitana (kitsoloha sy lavalava) zato tapitrisa. Tairin’ny fahazavana ireny sela amin’ny hozatra ireny ka manomboka mandefa famantarana misy herimbaratra mankany amin’ny atidoha. Miasa amin’izay ny ankamaroan’ireo selan-kozatra zato lavitrisa amin’io faritra io mba hamantatra ny filazana vao voaray ary mba hanao fanapahan-kevitra tsy maintsy atao. Ary izany rehetra izany dia ao anatin’ny ampaha-tsegondra monja! Marina tokoa fa ny maso dia anankiray amin’ireo zava-mahatalanjona mampitolagaga amin’ny zavatra noforonina manan-tsaina. — Salamo 139:14.
2. Inona moa no zava-miafina momba ny fahitana mbola tsy voazavan’ireo manam-pahaizana foana?
2 Na dia mahafanta-javatra betsaka momba ny fiasan’ny maso sy ny atidoha ara-biolojia aza ireo mpahay siansa dia sarotra aminy ny manazava hoe ahoana ary nahoana isika no mamaly amin’ny fomba toy izao na izao arakaraka izay hitantsika. Ohatra, tsy takany tsara tokoa ny hoe nahoana ny olona toy izao no tia kokoa ny mena noho ny manga kanefa mifamadika amin’izany ny tian’ny hafa, na hoe nahoana no misy vokany samihafa eo amintsika ny loko isan-karazany. Mbola zava-miafina foana ny fifandraisan’ny fijerentsika sy ny fihetsitsika. Fa raha ny amin’i Jehovah, Ilay nanao ny maso, sy Jesosy Kristy Zanany sady Mpiara-miasa aminy, izy ireo dia mahalala tsara ny maha-be kojakojany ny maso ara-bakiteny sy ny herin’izany eo amin’ny ataontsika sy ny fiainantsika.
“Jiron’ny tena”
3. Amin’ny heviny ahoana moa ny maso no “jiron’ny tena”?
3 Nasain’i Jesosy nomarihina fa “ny maso no jiron’ny tena”. (Matio 6:22) Ampiasaina ny jiro mba hanazavana toerana maizina iray mba hahalalana hoe aiza no misy ny tena, ahoana no hatao, aiza no haleha, ets. Amin’ny famelana ny fahazavana hiditra ao amin’ny tenantsika, ny masontsika dia manao ny asan’ny jiro iray. Mamela antsika izy hifandray akaiky hatrany amin’izao tontolo izao manodidina antsika sy hamaly amim-pahiratan-tsaina arakaraka ny toe-javatra miseho fa tsy hitsapatsapa, ho solafaka, na haratra mihitsy aza.
4. Ahoana moa no ananan’ny masontsika vokany eo amintsika?
4 Manao tsara na ratsy kokoa ny asany amin’ny maha-jiron’ny tena anefa ny maso. Miankina indrindra amin’ny toetrany izany. Izany no antony nanambaran’i Jesosy hoe: “Raha tsara [tsotra, MN] ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben’izany fahamaizinana izany!” (Matio 6:22, 23). Tsoahintsika avy amin’ireo teny ireo fa manan-kery lehibe eo amin’ny fandehan’ny fiainantsika rehetra ny maso, ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy.
Ny herin’ny maso
5. Rehefa nalain’i Satana fanahy Eva, nanao ahoana ny herin’ny masony taminy?
5 Aoka hojerentsika ny amin’i Eva, vehivavy voalohany. Ny fitantarana araka ny Baiboly momba ny nihaonany tamin’i Satana Devoly, ilay namitaka azy, dia mampiharihary hoe hatraiza ny masony no nanan-kery teo amin’ny nataony (II Korintiana 11:3; I Timoty 2:14). Nanambara taminy Satana fa ‘hahiratra ny masony’ raha tsy mihevitra ny didin’Andriamanitra izy, maka amin’ny voan’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” ka mihinana amin’izany. Nanao ahoana ny fihetsiny? Izao no lazain’ny Baiboly amintsika: “Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra.” Navelany hifantoka tamin’ny zavatra iray tsy nananany zo ny masony, ka nampiasainy tamin’ny fomba ratsy sy tamim-piniavana izy tamin’izany. Inona no vokany? “Dia nanotazany ny voany ka nihinanany.” — Genesisy 2:17; 3:4-6.
6. Ahoana no ananan’ny masontsika hery eo amin’ny ataontsika?
6 Tsy isalasalana fa tsy vao voalohany akory tamin’izay no nahitan’i Eva “ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” sy ny voany. Hafa anefa izany tamin’io andro io. Io voankazo io dia toa ‘nahafinaritra ny masony’ sy ‘nahatsiriritra’. Raha ny ara-dalàna dia avy amin’ny fo ny faniriana fa tsy avy amin’ny maso. Kanefa noho izay hitan’ny maso, ny faniriana teraka ao am-po dia mety hitombo aoka izany ka hampanapa-kevitra ilay olona hanao zavatra. Tamin’i Eva, izany fanaovan-javatra izany dia nisy vokany nanimba ho an’ny tenany sy ho an’i Adama vadiny ary ho an’ny taranany rehetra, izay anisany isika amin’izao andro izao. — Romana 5:12; Jakoba 1:14, 15.
7. Ahoana no nampiasan’i Satana ny herin’ny maso fony izy nanandrana fanintelony nandavo an’i Jesosy, ary inona no vokany?
7 Azo atao anefa ny mahatohitra ny fitaoman-dratsy rehetra avy amin’izay hitan’ny maso. Mba hampiaikena antsika ny amin’izany, dia aoka hojerentsika ny ohatra nomen’i Jesosy Kristy. Mpaka fanahy iray ihany, dia Satana, no nisalovana. Tamin’ny fanandramana fahatelo nataony mba hitaomana an’i Jesosy hitsahatra tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ‘nitondra Azy nankany an-tendrombohitra avo dia avo ny devoly ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny’. Mariho fa Satana dia tsy nianina tamin’ny fanolorana ho azy ny hery rehetra sy ny voninahitra rehetra teo amin’izao tontolo izao ho takalon’ny fiankohofana. ‘Nasehony’ azy izany, ka nampiasainy tamin’izany ny fitaomana mafin’ny maso. Tsy nanana maso voasinton’izany fanolorana nampilendalenda izany anefa i Jesosy, satria izy nampifantoka ny sainy ho amin’ny fifandraisana notanany tamin’i Jehovah, Rainy any an-danitra. Nivoaka nandresy tami’ny fitsapana àry izy tamin’ny fisakanana ny fandrika ankolak’i Satana. — Matio 4:8-10.
8. Mampahafantatra inona antsika ny ohatra ny amin’i Eva sy Jesosy?
8 Inona no fianarana azontsika tsoahina avy amin’ireo ohatra voatonona eo aloha ireo? Voalohany indrindra, izay ampifantohantsika ny masontsika dia mety hampitombo ny fanirian’ny fontsika tsara na ratsy, ka noho izany dia hanosika antsika hanao zavatra amin’ny fomba hitondra ho antsika, na soa, na loza, ho an’ny tenantsika sy ny hafa. Faharoa manaraka izany, tsy isalasalana fa amin’ny alalan’ny maso indrindra no anandraman’i Satana mamitaka ireo azony. Amin’ny ‘fikasana’ rehetra tratrariny mba hamitahana ny olombelona, dia ilay nokendrena hahasodoka ny maso no toa anankiray amin’ireo mandaitra indrindra. — II Korintiana 2:11.
9. Amin’izao androntsika izao, ahoana no ampitomboan’i Satana “ny filan’ny maso”?
9 Amin’izao androntsika izao Satana dia mbola mampiasa foana izany tetikady izany mba hanandramana mampiala ny olona rehetra amin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny famirapiratana sy ny fanintonan’izao tontolo izao, dia mampitombo “ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao” izy. (I Jaona 2:16.) Hita mazava izany amin’ireo fomba fanaovana dokambarotra eo amin’izao tontolo izao. Moa ve tsy marina fa ny dokambarotra mandaitra indrindra dia ireo manintona ny maso? Ny petadrindrina maro loko sy soratra hazavaina an’arivony maro, ny sary manintona avoaka any amin’ireo revio sy ireo gazety, ny dokambarotra misy hafetsen-dratsy alefa ao amin’ny televiziona — sy ny an-davitrisany ariary maro lanin’ireo manao izany — izany rehetra izany dia manamarina fa ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fanaovana dokambarotra dia ny hanairana ny ‘filan’ny mason’ny’ mpividy.
10. Raha ny marina, inona no derain’ireo mpanao dokambarotra?
10 Misy fitaka amin’ireny fanaovana dokambarotra ireny izay, amin’ny ankapobeny, dia tsy manome toerana firy ho an’ny fakana sary an-tsaina: tsy entambarotra fotsiny no derainy fa fomba fiaina sasany koa. Matetika tokoa ireo mpanao dokambarotra no manao izay hinoana fa ny entany dia izay ampiasain’ny olona manana tombontsoa indrindra, be fahefana indrindra, sambatra indrindra sy tsara tarehy indrindra. Izao no hafatra entin’izy ireny: raha mampiasa ity zavatra ity ianao, avy hatrany ny fiainanao dia hifanitsy amin’ny an’io karazan’olona io. Fantany fa raha vantany vao mandray karazam-piainana iray ny olona iray, dia mora ny mampino azy mba hanao izay hahazoana ny fananana mifandray amin’izany. Amin’izany, dia fahendrena tokoa ho an’ireo kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra ny hanarahana izao torohevitra omena ao amin’ny Hebreo 13:5 izao: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo.”
Aoka isika hanana maso “tsotra” fa tsy “ratsy”
11. Tamin’ny fanambarana nataon’i Jesosy momba ny maso, inona no dikan’ny hoe “tsotra” sy “ratsy”?
11 Noho isika tafihin’ireny dokambarotra natao hanintonana ny saina rehetra ireny isan’andro, dia vao mainka takatsika tsaratsara kokoa ny antony nananaran’i Jesosy ny kristiana hanana maso “tsotra” hatrany fa tsy “ratsy”. (Matio 6:22, 23.) Inona no tiany holazaina tamin’izany? Ny teny hoe “tsotra” eo dia dikan’ny teny grika hoe haplous, izay manondro indrindra fiahiana zavatra tokana na fifikirana amin’ny fikasana iray ihany. Etsy andaniny koa, amin’ny teny grika tany am-boalohany, ny teny hoe “ratsy” dia mifanitsy amin’ny teny hoe ponèrôs, izay ny dikany dia hoe tsy tsara, tsy misy vidiny. Araka izany, dia tsy varimbariana na voavilin’ny zavatra rehetra miseho eo aminy ny “maso tsotra” fa mifantoka amin’ny zavatra iray monja. Ny maso “ratsy” kosa anefa dia feno fihatsarambelatsihy, fitaka, fitsiriritana ary voasinton’ny zavatra tsy mazava sy maizimaizina.
12. Fintino sy hazavao ny teny manodidina ny fanambaran’i Jesosy momba ny maso.
12 Fa amin’inona no tokony hifantoka ny maso mba hahatonga ny ‘tena manontolo hazava’? Ny fandinihana ny teny manodidina dia hanampy antsika hahita ny valin’io fanontaniana io. Ao amin’ireo andininy eo aloha i Jesosy dia miresaka ny amin’ny ‘harena etỳ an-tany’ sy ny ‘harena any an-danitra’. Nanantitrantitra toy izao izy: “Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” Avy eo, rehefa avy niresaka ny amin’ny maso izy, dia nanipika indray ny ilàna tsy hanatrarana afa-tsy zava-kendrena iray ihany ka nilaza hoe: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa [Andriamanitra sy ny harena].” Ao amin’ireo andininy manaraka izy dia manome torohevitra ny amin’ny fomba fiheverana ireo zavatra ilaina isan’andro eo amin’ny fiainana ka mamarana ny teniny amin’izao fananarana izao: “Fa katsaho [hatrany, MN] aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:19-34.
13. Mba ‘hampahazava ny tenantsika manontolo’, inona no tokony hobanjinintsika? Nahoana?
13 Inona no fantatsika ny amin’izany rehetra izany? Eo Jesosy dia miresaka ny amin’ireo zava-kendrena ferana eo amin’ny fiainana. Asehony fa tsinontsinona ny fikatsahana fananana ara-nofo, kanefa voatahy ny tena rehefa miahy ny amin’ny raharaha ara-panahy. Lazainy mazava amintsika fa ‘hazava avokoa ny tenantsika rehetra’ raha toa ny masontsika ka tsy mibanjina afa-tsy ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Nahoana izy no manantitrantitra toy izany? Satria raha ataontsika ho zava-kendrena ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, dia hiezaka isika hanao zavatra mifanaraka amin’ny vaovao tsara be voninahitra eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika. Amin’izany, dia tsy vitan’ny hoe hanana fanantenana ny hahita ho avy mamirapiratra isika, fa hafahana koa amin’ireo fanao arahin’ireo manokana ny fiainany ho amin’ny fikatsahana tombontsoa mampiseho fitiavan-tena ao amin’ny maizina, miafina. — II Korintiana 4:1-6.
14. Ahoana no ahaverezana ao amin’ny maizina amin’ny farany rehefa ny harena ara-nofo no banjinina?
14 Nanamafy ny tenin’i Jesosy ny apostoly Paoly ka nilaza hoe: “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandetika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.” (I Timoty 6:9). Marina loatra izany fanamarihana izany! Matetika ireo vaovao no mitantara ny amin’ny fihinanam-bahoaka ataon’ny senatera, ny ben’ny tanàna, ny mpitsara, ny mpiasa ao amin’ny trano fametraham-bola, ny tale mbamin’ny mpanao heloka bevava madio ivelany izay, araka ny fanombanana, dia “manodinkodina 200 lavitrisa dôlara fara fahakeliny isan-taona” any Etazonia fotsiny. Ny ‘fakam-panahy sy ny fandrika’ amin’ny faniriana hanjary hanan-karena dia nanova olo-manan-kaja mihoatra ny iray ho mpanao heloka bevava. Tsy isalasalana fa irintsika ny hanalavirana ny ho ‘tafalentika ao anatin’ny fandringanana sy ny fahaverezana’, ka ho very ao anatin’ny maizina nampitandreman’i Jesosy antsika. — Jereo Ohabolana 23:4, 5.
15, 16. a) Inona koa moa no “filan’ny maso” hafa tokony hariantsika? b) Araka ny hevitrao, ahoana no iharan’ny Ohabolana 27:20 amin’ny famakafakana ataontsika?
15 Kanefa moa ve ireo izay manana maso mifantoka amin’ny fikatsahana harena ihany no hany mety handeha ao anatin’ny maizina? Tsia, satria “ny filan’ny maso” dia mahafaoka zavatra maro hafa koa. Tadidio ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 5:28 manao hoe: “Izay rehetra mijery [tsy mitsahatra mijery, MN] vehivavy hila azy dia efa mijangajanga taminy tam-pony sahady.” Tsy isalasalana fa ny fampiharana an’io fampitandremana io dia azo itarina amin’izay hamela ny masony hiato eo amin’ny soratra natao hanamafisana na hampipoirana fahamaimaizana sy faniriana tsy ara-dalàna.
16 Aoka hotononintsika koa ireo fanahiana ny amin’ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny fitafiana, noresahin’i Jesosy (Matio 6:25-32). Marina fa ilaina ireo zavatra ireo, nefa ny saintsika sy ny fontsika dia mety ho tonga andevon’ny faniriana mihoapampana ny hanana izay ara-damaody indrindra, mirenty indrindra, mihaitraitra indrindra (Romana 16:18; Filipiana 3:19). Na dia eo amin’ny lafin’ny fialam-boly, ny fanalana andro, ny fanatanjahan-tena, ny fampiasan-tena, ets., aza, dia tokony hahay handanjalanja hatrany isika ary hitandrina mba tsy hanaiky ho voataonan’ny haitraitran’izao tontolo izao. Amin’izany lafiny rehetra izany, dia hahasoa antsika ny hitadidiana ao an-tsaina ny teny feno fahendrena voarakitra ao amin’ny Ohabolana 27:20, manao hoe: “Ny fiainan-tsihita sy ny fandringanana tsy mety voky, dia toy izany no tsy ahamamoan’ny mason’ny olona.” Tena ilaintsika ny haneho fifehezan-tena; amin’izany dia tsy hahatandindomin-doza ny fiainantsika ara-panahy isika amin’ny fitadiavana izay hanomezana fahafahampo ny fanirian’ny masontsika.
Ireo soa raisin’izay manana maso “tsotra” hatrany
17. Ahoana no nahatonga fananana maso “tsotra” hatrany hamela ny sasany hanohy hiasa ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana?
17 Ireo izay manana maso “tsotra” hatrany ka mibanjina foana ilay Fanjakana sy ireo fampanantenana omen’Andriamanitra dia mandray fitahiana maro avy amin’i Jehovah. Izany no asehon’izay hita amin’ny olona avy any amin’ny faritra rehetra eo amin’izao tontolo izao sy manana toe-piainana ara-tsosialy maro karazana. Hevero izao ohatra manaraka izao:
“Rehefa nanompo tao amin’ny tany iray nilana izany indrindra aho, tany Colombie, dia tsy nanana afa-tsy ny nifanitsy tamin’ny 8 000 ariary teo ho eo isam-bolana mba hivelomana. Nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra aho, kanefa teo am-piandohan’ny volana dia nianjera aho ka tapaka ny kitrokeliko. Nanavesatra ny tetibolako ny fandaniana ara-pitsaboana naterak’io voina io, ary tsy hisy fidiram-bola ho ahy intsony mandra-pahatongan’ny faran’ny volana. Mbola tsy nanao ny fanomezako ho an’ny Efitrano Fanjakana aho, kanefa raha manome an’io vola io aho, dia tsy hanana hividianan-tsakafo intsony amin’ny herinandro manaraka. Rehefa avy nieritreritra an’io raharaha io nandritra ny andro vitsivitsy aho, dia niteny anakampo fa tsy maintsy tokony haloa ny hofan’ny efitrano, koa napetrako tao amin’ny vatakely voatokana ho amin’izany ny fanomezako. Ny ampitso maraina, dia naharay taratasy avy amin’ny anabavy amerikana iray tonga tao amiko tany Colombie aho. Nataony tao anaty valopy ny vola kolombiana tsy nampiasainy nandritra ny diany. Ny vola nataoko tao amin’ny vatakely fasiana fanomezana ny omalin’iny indrindra izany.”
Miasa ao amin’ny “clinique” iray any Taechon, any Corée, i Ki. Indray talata, nafana be, dia nanasa azy handany ny tolakandro teny amoron-dranomasina ny telo tamin’ireo mpiara-niasa taminy. Nampitsiriritra ny fanoloran-kevitr’izy ireo, nefa fantatr’i Ki fa raha mankany izy dia tsy ho tafaverina ara-potoana mba hanatrika ny fianarana ny boky natao ny hariva. Nolaviny àry ny fanasana. Taty aoriana kely dia naverina ho any amin’ny “clinique” ireo mpiara-miasa taminy telo. Maty tamin’ny voina teny amin’ny arabe izy ireo raha vao avy niala tany am-piasana indrindra! Very hevitra i Ki, kanefa faly izy mbola velona ihany rehefa nanao izay hitanana ny fahazarana tsara noraisiny hatramin’ny taona maro. — Hebreo 10:24, 25.
18. Ahoana no azo ampianarana ny ankizy hanana maso “tsotra” hatrany?
18 Na dia ny ankizy aza dia afaka mianatra mibanjina hatrany ireo tombontsoan’ilay Fanjakana. Izany no asehon’izao fitantarana manaraka izao:
“Rehefa nampahafantatra anay ny mpitsidika roa fa any Philippines, ny kongregasiona telo dia tokony hamory 1000 dôlara avy — ka mampiseho vola be izany ao amin’io tany io — mba hanorenana indray ny Efitrano Fanjakana may, dia nanapa-kevitra izahay mivady fa handefa fanomezana ho azy ireo. Ary inona no hataon’ireo zanakay efatra teo anelanelan’ny enintaona sy efa-bolana? Isan-kerinandro, rehefa naharay ny karamany ny vadiko, dia zatra ny naka vola iray dôlara ho an’ny tsirairay avy taminy izy. Nozarainy efatra àry ny tahirin’izy ireo mba hahitan’ny tsirairay avy taminy ny vola nananany. Nampahatsiarovinay azy ireo koa ny sasany tamin’ireo zavatra nomaniny hovidina amin’ny volany. Tian’izy ireo anefa ny hanome izany ho an’ireo rahalahy.” Nandefa 99 dôlara niaraka tamin’ny taratasy iray tsotra dia tsotra ireo ankizy ireo. Rehefa namaky izany ireo rahalahy “philippins”, dia nihetsi-po aoka izany noho ny fitiavana sy ny fahalalahan-tanan’ireo ankizy ireo, hany ka maro tamin’izy ireo no tsy nahatana ny ranomasony.
19. Inona no tokony hobanjinintsika raha tiantsika ny hanana toky fa hahita ho avy mamirapiratra?
19 “Aoka ny masonao hijery mahitsy, ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.” (Ohabolana 4:25). Fahendrena tokoa ny hanarahana io torohevitra io ka tsy hamelana ny masontsika hirenireny, ka izany dia hampiala antsika! “Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.” Nomeny koa izao fananarana izao: “Aoka ho fantatrareo [hatrany, MN] izay sitrapon’ny Tompo [Jehovah, MN].” (Efesiana 5:15-17). Raha manao toy izany isika, dia afaka matoky fa ho afaka hanana maso “tsotra” hatrany ary hahita ho avy mamirapiratra: ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra. — Jereo koa II Korintiana 4:17, 18.
Afaka mamaly ve ianao?
◻ Amin’ny heviny ahoana moa ny maso no “jiron’ny tena”?
◻ Araka ny asehon’ny ohatra ny amin’i Eva sy Jesosy, inona no herin’ny maso eo amin’ny ataontsika?
◻ Amin’izao androntsika izao, amin’ny fomba ahoana avy no ampiasan’i Satana ny “filan’ny maso”?
◻ Inona no tokony hataontsika mba hananana maso “tsotra” foana?
◻ Inona moa no tokony hobanjinintsika dieny izao?
[Sary, pejy 12]
Izay banjinin’ny masontsika dia mety hampitombo ny fanirian’ny fontsika.