Manararaotra ny fahafahana hahafantatra ny fahamarinana ve ianao?
REHEFA tsy maty tamin’ny fidinana an-tery tany amin’ny ala amazoniana ny ankamaroan’olona dia tsy ho nihevitra firy ny handinika ny tany ho nisy azy ireo. Tsy mba toy izany anefa ity jeology tsy nihontsina nanana maso malina. Rehefa voamariny fa foana tsy araka ny fahita ny tany nipetrahan’ilay helikoptera, dia tsy navelany handalo ny fahafahana handinika akaiky kokoa an’io tany tsy nisy zavamaniry io. Tsapany haingana fa izay sombin-tany toy ny hafa fotsiny tamin’ireo namany, raha ny marina dia anankiray tamin’ireo loharanon-karena mineraly nahabe fanantenana indrindra teto amin’izao tontolo izao: lavaka fihadiana vy, “bauxite”, “manganèse”, varahina sy volamena izay hantsoina atỳ aoriana hoe “Eldorado vaovao”.
Toy izany no ataon’ny olom-bitsy izay manararaotra ny fahafahana hanao zavatra miseho fa tsy manao tsirambina izany. Aoka isika hitodika any amin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana ka hihevitra ny ohatra nomen’i Pontio Pilato governora romana. Natolotra azy ny fahafahana hanao zavatra tsy nanam-paharoa. Natolotr’ireo filohan’ny firenena jiosy azy ilay mpampianatra ny fahamarinana lehibe indrindra teto an-tany, dia Jesosy Kristy. Alao sary an-tsaina ny fanontaniana rehetra nety ho napetrak’i Pilato taminy! Eritrereto ireo fahamarinana sarobidy nety ho nianarany. Tsara ny manamarika fa fony Jesosy nentina voalohany teo anatrehany, nampangaina ho nihambo ho “mpanjakan’ny Jiosy”, Pilato dia nanana saina ta-hahafanta-javatra,’ tamin’ny ivelany fara faharatsiny, satria nanontany toy izao izy:
“Hianao va no Mpanjakan’ny Jiosy?”
Ho valiny, dia hoy Jesosy taminy: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao (...). Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.” Fahafahana hanao zavatra tsy nanam-paharoa izany ho an’i Pilato. Teo anoloany ny lehilahy iray izay ny fiainany mihitsy dia porofon’ny fahamarinan’ireo fampanantenan’Andriamanitra, lehilahy iray naniry sy afaka nanazava azy mihoatra noho ny hafa rehetra. Ahoana anefa no navalin’i Pilato? “Inona no marina?” Ary avy hatrany dia “nivoaka nankeo amin’ny Jiosy indray” izy. — Jaona 18:33-38.
Araka izany, dia tsy nanararaotra ny fahafahana hahalala ny fahamarinana i Pilato. Olona be dia be amin’izao andro izao no manao fahadisoana toy izany. Navoaka mba hanazavana ny olona ny amin’ny fahamarinana ity gazety ity, Ny Tilikambo Fiambenana. Maro be amin’izy ireny anefa no tsy mety mamaky azy akory aza. Ny hafa mahalala azy sy mankamamy ireo lahatsoratra raketiny, kanefa tsy mandeha lavidavitra kokoa. Moa ve ny olona toy izany, sahala amin’i Pilato, dia mety hanao tsirambina ny fahafahana hahafantatra ny fahamarinana?