Mety hahazo fanampiana ianao rehefa ela ny ela
Moa ve ianao efa nametrahana, momba ny Baiboly, fanontaniana sasany ho tianao ho hay valiana? Azonao ampiasaina izao ny boky fanampiana hahay ny Baiboly vaovao iray mitondra ny lohateny hoe Comment raisonner à partir des Ecritures. Tany Angletera, ny mpitory iray dia niresaka ny amin’izy io ho toy ny boky “sarobidy tsy hay tombanana”. Izao no nambarany:
“Ireo fanazavana raketiny momba ireo foto-kevitra lehibe indrindra, toy ny hoe Hara-Magedona, ny famoronana, ny evaolisiona, ny anjara, ny Fanjakana, ny Vavolombelon’i Jehovah, ny andro farany, ny fanaintainana sy ny faharatsiana dia mahasoa tokoa mba hanazavana ireo fahamarinana araka ny Baiboly amin’ny hafa.”
Mba hahafantarana ny fomba mety hahazoanao an’io boky sarobidy tokoa io, dia avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky mifono baoritra 448 pejy araka ny lohateny hoe Comment raisonner à partir des Ecritures.