FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/5 p. 4-6
  • Ny Apokalypsy: Rahoviana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Apokalypsy: Rahoviana?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Akaiky kokoa tsy araka ny iheverana azy
  • Ny taranaka tamin’ny 1914
  • “Mpangalatra amin’ny alina”
  • Fiovan’ny tarehin-javatra
  • Ny apokalypsy: hialoha ny Paradisa
  • Ny Apokalypsy: Inona moa izany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Tena ho Tonga Tokoa ve ny Faran’izao Tontolo Izao?
    Foto-kevitra Hafa
  • Ny Apokalypsy — Tokony Hatahorana sa Hantenaina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Nahoana no Atahorana ny Apokalypsy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/5 p. 4-6

Ny Apokalypsy: Rahoviana?

TOY NY HOE mamaky ny gazety mivoaka vao maraina ny tena: ady, horohorontany, areti-mandringana, aretina, mosary, heloka bevava sy tahotra! Hita ao amin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly ireo foto-kevitra rehetra ireo mbamin’ny hafa koa. Ny andro iainantsika dia tondroiny ho ny an’ny “andro farany”, izany hoe izay hiafara tsy ho ela amin’ny apokalypsy voambara. Fa ahoana no mety hahazoantsika antoka ny amin’io faminaniana io?

Mahita maso ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly ianao amin’izao andro izao. “Fantaro tsara, hoy izy, fa amin’ny andro farany, dia hisy vanim-potoan-tsarotra. Hanjary tia tena ny olona, tia vola, mpandoka tena, mpiavonavona, mpanaratsy, mpikomy amin’ny ray aman-dreny, tsy mahay mankasitraka, ratsy fanahy, mafy fo, (...) tsy tia ny tsara, (...) mpieboebo, tia fahafinaretana mihoatra noho Andriamanitra, miseho ho tia fivavahana ivelany fotsiny ary mandà ny heriny.” (II Timoty 3:1-5, Maredsous). Moa ve io andalan-teny io milazalaza ny toe-piainana hitanao manjaka hatraiza hatraiza?

Amin’izao fotoana izao, dia olona be dia be, angamba aza ao anatin’izany ny tenanao, no mahatsiaro ny fotoana tsy dia naharatsy toy ny ankehitriny ny toe-piainana. Nifampihevitra kokoa ny olona. Nanaja kokoa ny ray aman-dreniny sy ireo zokiny ny zanaka. Na ny lehilahy, na ny vehivavy, na ny ankizy, dia tsy natahotra ny hitsangantsangana teny amin’ny arabe, na dia tamin’ny alina aza. Miova haingana anefa ny fotoana. Angamba tsy mahakasika ny faritra onenanao ny sasany amin’ireo zava-manahirana voalazalaza eo ambony; isika rehetra anefa dia samy matahotra ny mety hitrangan’ny ady noklehera iray hateraky ny olombelona noho ny fikatsahany fahefana tafahoatra.

Eny, tsy vitan’ny hoe naminany mazava dia mazava ny amin’ny “andro farany” Andriamanitra ao amin’ny Teniny, ny Baiboly, fa nomeny antsika koa ny fanazavana momba ny fotoan’ny Apokalypsy, hahatongavan’i Jesosy mba hampihatra ny didim-pitsarany.

Akaiky kokoa tsy araka ny iheverana azy

“Ary manambara zava-baovao aho, hoy Andriamanitra. Alohan’ny hitsimohany, dia hampandrenesiko anao izany.” (Isaia 42:9, Darby). Tena nolazalazainy ho antsika ao amin’ny Baiboly tokoa ireo fisehoan-javatra lehibe indrindra hitranga alohan’ny apokalypsy indrindra.

Ohatra, nampifandraisin’i Jesosy ny hafatra iray hatao manakoako maneran-tany sy ny apokalypsy. Izao no nolazainy: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona ho an’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN.) Anisan’izany “farany” izany ny apokalypsy. Amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandany ora an-jatony tapitrisa maro isan-taona mba hitoriana izany hafatra momba ilay Fanjakana izany isan-trano sy amin’ny fomba hafa azo ampiasaina rehetra, ary izany dia any amin’ny tany maherin’ny 200 manerana ny planeta!

Tao amin’ny fampitahana manaitra nampiasainy mba hampianarana ireo mpianany, dia nampitahain’i Jesosy tamin’ny andro niainan’i Noa talohan’ny safodrano ny vanim-potoana mialoha ny apokalypsy. Tamin’ny andron’i Noa, ny olona dia variana aoka izany nihinana sy nisotro ary niala voly, hany ka “tsy fantany”; tsy nihaino an’i Noa izay nanambara fandringanana nananontanona izy. Tsy niraika tamin’ireo fampitadremany izy ireo. — Matio 24:37-39.

Endrey ny fitoviana hafahafa amin’izao tontolo izao misy antsika sy ny talohan’ny safodrano! Voatana aoka izany amin’ny raharahany andavanandro ny olona ka tsy mihevitra mihitsy ny fampitandremana sy ny porofo mahakasika ny fahantomoran’ny apokalypsy.

Na dia izany aza dia akaiky kokoa noho ny fiheveran’ny maro be azy ny apokalypsy. Izao tokoa no nambaran’i Jesosy momba ny famantarana ny andro farany: “Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Matio 24:34). Ny amin’ny taranaka inona no noresahin’i Jesosy?

Ny taranaka tamin’ny 1914

Ny amin’ny “fotoana viktoriana, vanim-potoana azo lazaina hoe nilamina sy nahitana fanambinana ho an’i Grande-Bretagne”, dia nilaza i Harold Macmillan, praiminisitra britanika taloha fa nieritreritra izy hoe ‘izao tontolo izao niterahana azy’ dia ‘hihatsara hatrany’. Kanjo, “tsitapitapitr’izay, raha mbola tsy nampoizina, indray marainan’ny 1914, dia nifarana ny fandaharana iray manontolo”. Niantso an’io andro io hoe faran’ny “zato taom-pilaminana sy fandrosoana” i Macmillan ka nampahatsiahy ny fomba nanamarihan’ny Ady Lehibe Voalohany “ny faran’ny fotoana iray” sy ny “fanombohan’ny fikorontanana maharitra amin’izao andro izao”. Maro be hafa ary indrindra fa ireo izay velona tamin’ny 1914 ka mbola tsy maty, no mahalala fa marina ireo teny ireo.

Eny, araka ny nasehon’ity gazety ity an’ireo mpamaky azy tao anatin’ireo taona, ny zava-misy dia manaporofo fa ny taranaka noresahin’i Jesosy dia ny taranaka tamin’ny 1914a. Ary “tsy mba ho lany io taranaka io mandra-pahatongan’izany rehetra izany [ny apokalypsy ankoatra ny zavatra hafa]”.

Na dia efa 70 taona mahery aza izay no lasa hatramin’ny 1914, dia mbola misy olona nahita izany fotoana izany ihany. Araka ny The American Legion Magazine tamin’ny desambra 1984, dia eo amin’ny 272 000 ny mpiady menavazana tamin’ny Ady Lehibe Voalohany mbola velona any Etazonia, ary hita koa izany any amin’ny tany hafa. Mihena haingankaingana anefa ny isan’izy ireny. Mbola tokony hisy hafiriana àry vao hiditra ao amin’ny Tantara ny mpiady farany tamin’ny Ady Lehibe Voalohany?

Koa satria io filazana isa io mampiseho amintsika fa ny taranaka tamin’ny 1914 dia miaina ao anatin’ireo orany farany, azontsika atao ve ny milaza amin’ny fomba hentitra ny fotoana hahatongavan’ny apokalypsy?

“Mpangalatra amin’ny alina”

Mirakitra izao fampitandremana izao ny Baiboly: “Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, (...) hianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo [Jehovah, MN].” (I Tesaloniana 5:1, 2). Tena mihevitra ve ianao fa ny mpangalatra iray dia handefa telegrama mba hanambarana aminao hoe rahoviana izy no mikasa ny hamaky ny tranonao?

Manome antsika torohevitra feno fahendrena momba izany ora izany i Jesosy rehefa milaza hoe: “Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana.” (Marka 13:32-37). Nomarihintsika fa nolazalazain’i Jesosy ihany anefa ny zava-nitranga isan-karazany izay manondro mazava ny taranaka tamin’ny 1914. Ary ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny fisehoan-javatra ho avy izay hampiseho ny fahantomoran’ny apokalypsy. Inona no azontsika ampoizina?

Fiovan’ny tarehin-javatra

Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Rehefa hilaza izy ireo hoe: ‘Fiadanana sy filaminana!’, amin’izay dia tokony ho tonga avy hatrany eo aminy ny fandringanana tampoka, toy ny fanaintainan’ny vehivavy raha hiteraka; ary tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.” (I Tesaloniana 5:3). Arakaraka ny anatonantsika ny fahataperan’izao “andro farany” izao, dia azontsika atao ny manampo ny hiheveran’ny olona manokana ‘ny fiadanana sy ny filaminana’, ho fahatanterahan’ny tenin’i Paoly. Fa inona no hitranga hanaraka izany?

Ahariharin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly fa ny fivavahan-diso, antsoina hoe “Babylona lehibe”, dia hotafihin’ireo fanjakana ara-politika amin’ny tany tampoka ka hahita fiafarana tampoka (Apokalypsy 17:5, 16; 18:10, 17). Io fandravana io dia hanamarika ny fanombohan’ny “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny”. (Matio 24:21.) Fa amin’ny ahoana izany no mahakasika an’ireo izay ‘niambina’ sy niandry foana ny apokalypsy?

Afaka matoky ny kristiana marina fa hanafaka azy ireny Jehovah (II Petera 2:9). Rehefa mahalala an’i Jehovah Andriamanitra tokoa izy ireo ka manompo azy tsy misy fitadiavana tombontsoa ho an’ny tenany, dia tsy manana antony tokony hatahorana mihitsy ny fotoana hilaharan’Andriamanitra sy Kristy ho amin’ny ady Hara-Magedona. — Apokalypsy 11:17, 18; 16:14, 16.

Manaraka izany, eo amin’ny fiafaran’ny apokalypsy, Satana Devoly sy ireo miaramilany tsy hita maso dia hampanalavirina ny olombelona (Apokalypsy 20:2, 3). Eny, ny fahatezerana ho avy dia tsy vitan’ny hoe hanaisotra ny olombelona tsy maniry hanompo an’Andriamanitra. Na dia ireo fanahy ratsy manan-kery eo amin’izao tontolo izao manodidina antsika ankehitriny aza dia hofoanana (II Tesaloniana 1:6-9). Amin’izany ireo ho tafita velona amin’ny apokalypsy no hotahina mandrakizay.

Ny apokalypsy: hialoha ny Paradisa

Ny amin’ireo mponina amin’ny tany, ny bokin’ny Apokalypsy dia mampahafantatra antsika fa “hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha”. (Apokalypsy 21:4.) Tsy manambara ny Baiboly hoe harahin’ny vokany manimba ny apokalypsy, fa aharihariny ny hahafahan’ny olombelona hiaina mandrakizay ao anatin’ny paradisa iray eto an-tany. — Salamo 37:9-11, 29.

Paradisa hoe? Hiaina mandrakizay eto an-tany? Alao sary an-tsaina fotsiny ny olona samy hafa firazanana mandray soa feno amin’ny fiainana ao anatin’ny fahasalamana sy ny fahasambarana tonga lafatra! ‘Ahoana no mety handimbiasan’izany toe-piainana izany ny apokalypsy iray?’, hoy angamba ianao. Nanome ny teniny Andriamanitra. Zavatra sahala amin’ny nitranga fony izy nifampiraharaha tamin’ny Isiraely no ho hita, dia ny hoe: “Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’i Jehovah (...) fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.” — Josoa 21:45.

Araka izany, ny amin’ny andro sy ny ora marina hitrangan’ny apokalypsy, dia tsy misy mahalala izany mihitsy, kanefa asehon’ny zava-mitranga fa miaina ao anatin’ny fotoana hahatongavan’ny apokalypsy isika. Rehefa hipoaka izany, enga anie isika mba ho hita fa mifoha sy “miambina”! Satria “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay”. — Marka 13:33, 37; I Jaona 2:17; Matio 24:36.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha irinao ny hahita antsipiriany fanampiny momba ny 1914, dia jereo ny toko faha-14 amin’ilay boky hoe “Que ton royaume vienne!”, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara