Ireo biby voalazan’ny Apokalypsy: Mampiseho inona izy ireo?
TAMIN’IO Asabotsy tolakandro 15 jona 1985 io, dia nandefa ny tarany teo amin’ny tranon’ny Firenena mikambana any New York ny masoandro namirapiratra. Toy ny fahita, dia mpitsidika maro be no tonga mba hizaha ny fitambaran-trano manaitra, ary maro tamin’izy ireny no tsy nanafina ny fahatalanjonany teo anoloan’izay rehetra hitan’ny masony.
Mandraka ankehitriny anefa ny O.N.U. dia toa mbola tsy afaka nampiray ireo firenena ihany. Araka ny nosoritan’ny mpitari-dalana ofisialy iray tamin’io tolakandro io, “nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Faharoa dia nisy ady 150 izay nahafaty olona maherin’ny 20 tapitrisa. Mbola tsy misy fitondram-panjakana maneran-tany ihany. Ny O.N.U. no azo inoana fa manakaiky izany indrindra”. Noho izany, moa ve nofinofy fotsiny izany hoe fitondram-panjakana tokana haneran-tany? Na mahagaga anao izany na tsia, dia azo atao ny mahita valin’io fanontaniana io amin’ny fiheverana ireo biby voalazan’ny Apokalypsy.
Ny mpivaofy tenin’ny Baiboly sasany dia tsy manome heviny ara-paminaniana mihitsy ho an’ireo biby voalazan’ny Apokalypsy. Mifanohitra amin’izany kosa fa ampifandraisiny amin’ny fisehoan-javatra nitranga tamin’ny andro nahaveloman’ny apostoly Jaona izany. Ohatra, ny Encyclopédie catholique (anglisy) dia milaza izao manaraka izao ao amin’ny famoaboasan-kevitra iray momba ireo biby voalazan’ny Apokalypsy: “Ireo mpanoratra ny Apokalypsy dia zatra (...) ny nanome ho an’ireo fitantarana ny fahitany, endrika ara-paminaniana sy ny nampiseho izany tamin’ny fomba hahatonga hino fa nosoratana ela be nialoha izany.”
Nanambara toy izao anefa ny apostoly Jaona: “Voatsindrin’ny Fanahy tamin’ny Andron’ny Tompo aho.” (Apokalypsy 1:10). Ny bokin’ny Apokalypsy tokoa dia mifantoka, tsy amin’ny lasa, fa amin’ny ‘Andro’ iray ho avy tokony hanombohan’i Jesosy Kristy Tompo hanjaka avy any an-danitra. Araka ny toko faha-6 amin’ny Apokalypsy, ny “Andron’ny Tompo” dia voamariky ny ady amin’ny ambaratonga iraisam-pirenena, ny tsy fahampian-tsakafo lehibe sy ny aretina mahafaty. Ny fisehoan-javatra hitantsika eto an-tany hatramin’ny nanombohan’ity taonjato faha-20 ity dia manaporofo tsy misy fihambahambana fa miaina ao anatin’ny “Andron’ny Tompo” isika nanomboka tamin’ny 1914. — Apokalypsy 6:1-8a.
Tamin’io taona io izay nanamarika ny Tantara, dia nanomboka nanjaka Jesosy (Apokalypsy 11:15, 18). Noho izany antony izany, dia tsy maintsy nandray anjara lehibe ireo biby voalazan’ny Apokalypsy taorian’io daty io. Ireny biby ireny tokoa dia mampiseho fahavalon’Andriamanitra izay misakana ny olona tsy hanaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fiasana afaka hanome fahafaham-po ny fanirian’ny olona rehetra fiadanana. Ankoatra ny hafa, ireo fahavalo ireo dia dragona iray sy biby dia telo. Aoka hojerentsika araka ny filaharana nisehoany izy ireo.
Ilay dragona lehibe
“Indro, hoy Jaona, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo.” Mampiseho inona izy io? Ny tenan’i Jaona ihany no manazava fa tsy iza io fa Satana Devoly. Araka ny fitantarana ao amin’ny Apokalypsy, io dragona io dia nanohitra mafy ny fahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra tamin’ny 1914. Inona no vokany? “Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.” — Apokalypsy 12:3, 7-9.
Nasehon’i Jaona nanaraka izany ny ho vokatra mahatsiravina haterany ho an’ny olombelona: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.” (Apokalypsy 12:12). Na dia nailika ho etỳ akaikin’ny tany aza Satana dia mbola hetsehin’ny fikasana tsy miova foana: ny hanakantsakana ny asan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany no ataony amin’ny fampaniasiavana ny olona, ary izany dia amin’ny alalan’ny biby telo. Jereo ny fomba nilazalazan’i Jaona ny voalohany tamin’izy ireo.
Ny biby niakatra avy any an-dranomasina
“Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin’ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito (...). Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an’ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan’ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.” — Apokalypsy 13:1, 2.
Mampiseho inona io biby mahatsiravina io? Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia nanampy izao famantarana lehibe izao i Jaona: “Ary nomena fahefana tamin’ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra izy.” (Apokalypsy 13:7). Iza no mampihatra ny fahefany eo amin’ny mponina rehetra amin’ny tany fa tsy ny fandaharana maneran-tanin’ny fanapahana ara-politika? Tena mandray fahefana avy amin’ny “dragona”, dia Satana, tokoa ve io fandaharan-javatra io. Eny, araka ny asehon’ny Baiboly. Ohatra, izao no lazain’ny apostoly Jaona: “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” Tsy mahagaga antsika raha toa tamin’ny fotoana nakany fanahy an’i Jesosy tany an’efitra ka natolotr’i Satana azy “ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao” ary nanantitrantitra taminy izy hoe: “Efa natolotra ahy izany” fahefana izany. — I Jaona 5:19; Lioka 4:5, 6.
Fa mampiseho inona ny loha fiton’io biby dia io? Jaona dia nahita biby mahatsiravina hafa iray izay saika nalain-tahaka indrindra tamin’ny voalohany. Nanan-doha fito koa izy io. Nahazo izao fanazavana izao i Jaona: ireo lohan’ilay sary dia mampiseho “mpanjaka fito” na herim-panjakana fito izay “efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga”. (Apokalypsy 17:9, 10.) Teo amin’ny tantaran’ny Baiboly, dia herim-panjakana dimy no teo anoloana amin’ny sehatra talohan’ny andron’i Jaona: izany dia Egypta, Asyria, Babylona, Empira mediana sy persiana ary Grisia. Roma, ny fahenina, dia mbola teo tamin’ny andro nahaveloman’i Jaona.
Mampiseho inona ny loha fahafito? Koa satria ilay fahitana nisy fifandraisana tamin’ny “Andron’ny Tompo”, ny loha fahafito dia tokony hanondro ny herim-panjakana nandimby ny Herim-panjakana romana ao anatin’ny andro farany nanomboka tamin’ny 1914. Ahariharin’ny Tantara fa izy io dia herim-panjakana roa sosona voaforon’i Grande-Bretagne sy Etazonian’i Amerika. Talohan’ny 1914, i Grande Bretagne dia nanangana ny empira midadasika indrindra teto amin’izao tontolo izao. Tao anatin’ny taonjato faha-19, izy io dia nampifamatotra fifandraisana ara-diplomasia sy ara-barotra koa tamin’i Etazonia. Niara-niady ireo firenena roa ireo nandritra ny Ady Lehibe Voalohany sy Faharoa, ary naharitra hatramin’izao andro izao ny fiarahany akaiky. Tamin’ny 1982, ny prezidàn’i Etazonia, Ronald Reagan, dia nanisy fitenenana teo anatrehan’ny Parlemanta anglisy ny amin’ny ‘fisakaizana miavaka mampiray ny taniny roa’. Vao haingana kokoa, tamin’ny febroary 1985, raha niteny tao amin’ireo fivoriana roa nataon’ny Kongresin’i Etazonia ny praiminisitra britanika dia naneho izao firarian-tsoa izao: “Enga anie ny firenentsika roa mpirahavavy hanohy hiara-handeha (...) mitovy zava-kendrena, iray finoana, (...) eo am-panombohan’izao arivo taona fahatelo amin’ny andro kristiana izao.”
Noho ny heriny lehibe eo amin’ny raharahan’izao tontolo izao, ny Herim-panjakana roa sosona anglisy amerikana dia nanaovana filazalazana manokana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Amin’ny endriky ny inona no isehoany amintsika? Amin’ny endriky ny biby hafa iray, dia ny biby faharoa voalazan’ny Apokalypsy.
Ny biby miakatra avy amin’ny tany
Izao koa no nosoratan’i Jaona: “Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin’ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.” Tamin’ny fanamafisana fa kristiana sy tsy mampidi-doza izy, ny Herim-panjakana anglisy amerikana dia nitafy endriky ny zanak’ondry. Raha ny tena izy anefa dia nanao toy ny dragona izy. Tamin’ny fanaovana inona? Tamin’ny fanjanahana firenena maro sy tamin’ny fitrandrahana amim-pitiavan-karena fatratra ny haren’ny tany. Ambonin’izany, “ny tany mbamin’izay monina eo aminy dia asainy miankohoka eo anoloan’ilay bibi-dia voalohany, izay efa sitrana tamin’ilay feriny saiky nahafaty azy (...) sady milaza amin’izay monina ambonin’ny tany koa mba hanao sary ho an’ny bibi-dia”. (Apokalypsy 13:3, 11-15.) Ahoana no nahatanterahan’io faminaniana io?
Ny fandehan-javatra ara-politikan’i Satana maneran-tany dia nahazo ‘fery’ nandritra ny ady niraisam-pirenena voalohany. Mba hanalavirana ny fitrangan’izany indray, Grande-Bretagne sy Etazonian’i Amerika dia nanohana ny ‘fanolorana fankalazana’ ny fandehan-javatra ara-politika tamin’ny fitarihana ireo firenena “hanao sary ho an’ny bibi-dia”. Ahoana no nisehoan’ny nataon’izy ireo?
Tany amin’ny faramparan’ny Ady Lehibe Voalohany, Woodrow Wilson, prezidàn’i Etazonia, dia nanao fampielezan-kevitra ho fanohanana ny Fikambanam-pirenena nokasaina haorina. Tao amin’ny Fiaraha-midinika momba ny fandriampahalemana natao tany Paris tamin’ny 1919, dia izao no nambarany: “Misy solontenan’i Etazonia manohana io volavolan-kevitra lehibe ny amin’ny hanorenana Fikambanam-pirenena io. Araka ny hevitray, dia io no fototra iankinan’ny fandaharana rehetra izay fisehoan’ny zava-kendrenay (...) amin’io ady io. (...) Raha fintinina, dia eo izahay mba hiahy ny amin’ny hikosehana ny nahatonga io ady io mihitsy.”
Taorian’ny lahatenin’ny prezidà Wilson, David Lloyd George, ny praiminisitra britanika mihitsy, dia nilaza hevitra toy izao koa: “Mikasa ny hanohana an’io fanapahan-kevitra io aho. Taorian’ny lahateny hentitra nataon’i prezidàn’i Etazonia, dia heveriko fa ho tafahoatra loatra ny hanampiana na inona na inona mba hamporisihana hanao io fanapahan-kevitra io ao amin’ny fiaraha-midinika, ary (...) manantitrantitra aho fa ny mponina ao amin’ny Empira dia manaiky amim-pahatapahan-kevitra an’io hevitra aposaka io.”
Taty aoriana, tamin’ny fihaonana tany Londres nokendrena handaniana ny fanorenana ny Fikambanam-pirenena, dia novakina ny taratasy iray avy amin’ny mpanjakan’i Grande-Bretagne, izay toy izao ny tapany aminy: “Nandresy isika tamin’ny ady. Fahombiazana feno izany. Tsy ampy anefa izany. Niady isika mba hahazoana fiadanana maharitra, ary ny adidintsika ambony indrindra dia ny manao ny fandaharana azo atao rehetra mba hahazoana antoka ny amin’izany. Noho ny fikendrena izany, dia tsy misy na inona na inona ilaina kokoa noho ny Fikambanam-pirenena iray mafy sy mahatohitra ny zavatra rehetra. (...) Mamporisika ny hanohanan’ny olom-pirenen’ny Empira rehetra an’io raharaha io aho, mba hahafahanay, ampian’ny olona mazoto rehetra, manatsatoka (...) andry iray sy fiarovana ny fandriampahalemana azo antoka, ary izany dia ho voninahitr’Andriamanitra.”
Ny 16 janoary 1920, rehefa naorina ny Fikambanam-pirenena, dia nahavory Fanjakana mpikambana 42 izy io. Tamin’ny 1984, dia niisa ho 58 izany. Ilay biby manana tandroka roa niakatra avy amin’ny tany dia nahataona an’izao tontolo izao “hanao sary ho an’ny bibi-dia”. Io sary io, na ny fampisehoana ny fandehan-javatra ara-politikan’i Satana amin’ny ambaratonga maneran-tany dia aseho amin’ny endrik’ilay biby fahatelo voalazan’ny Apokalypsy horesahintsika izao.
Ilay biby mivolon-jaky
Izao no sary ampisehoan’i Jaona amintsika an’io biby farany io: “Bibidia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.” Ny amin’io biby io, dia ren’i Jaona ny filazana taminy hoe: “Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin’ny fandringanana (...). Naman’ny fito mahavalo [mpanjaka fahavalo nefa avy amin’ireo fito, MN] [izy io].” (Apokalypsy 17:3, 8, 11). Araka io filazalazana io, ny Fikambanam-pirenena dia nanandrana nanao zavatra toy ny herim-panjakana teo amin’ny sehatra teto an-tany. Tsy voasakany anefa ny Ady Lehibe Faharoa, izay nipoaka tamin’ny 1939. Tamin’izany no nanjavona toy ny hoe lasa any amin’ny lavaka tsy hita noanoa ilay biby.
Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia niezaka ny Herim-panjakana anglisy amerikana hamelona indray io fandaminana iraisam-pirenena io. Tamin’ny 1941, ny praiminisitr’i Grande-Bretagne, Winston Churchill, sy ny prezidàn’i Etazonia, Franklin Roosevelt, dia nanao resaka miafina teny amin’ny sambo iray tao Atlantika. Nanao fanambarana niombonana ireo lehilahy roa ireo momba “ny fanantenan’izy ireo ho avy tsaratsara kokoa ho an’izao tontolo izao” sy “ny fanorenana fandaharam-pilaminana amin’ny ankapobeny mitatra kokoa sy maharitra”. Tamin’ny taona nanaraka, tany Washington, dia tany 26 no nanaiky ny fanoloran-kevitra anglisy amerikana ny amin’izay nantsoina hoe “Fanambaran’ny Firenena mikambana”. Izany dia niafara tamin’ny famoronana ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, ny 24 oktobra 1945. Niakatra avy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa tamin’ny anarana vaovao ilay biby mivolon-jaky. Amin’izao andro izao, dia tany 159 no anisan’io fandaminana io izay, araka ny fanantenan’izy ireo, dia tokony hampaharitra ny fandehan-javatra ankehitriny misy fanapahan’olombelona ara-politika.
Izany rehetra izany anefa dia tsy mihevitra tanteraka ilay Fanjakana mesianika naorin’Andriamanitra tany an-danitra tamin’ny 1914. Ny olombelona rehetra dia tokony hifidy na ny fanapahan’Andriamanitra na ny an’ny olombelona. Tsy ho ela, ny biby mivolon-jaky mbamin’ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra dia hiditra ao amin’ny ady iray izay hampifanohitra azy ireo amin’ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy. Hanao ahoana ny fiafaran’io ady io? “Ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy] haharesy azy, satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy.” Eny, ‘ho lasa ho amin’ny fandringanana’ ny biby mivolon-jaky sy ny fandaharam-pitondram-panjakan’olombelona manontolo. — Apokalypsy 17:11, 14; jereo koa Daniela 2:44.
Ho toy inona moa ny fahamaivamaivanana ho an’ireo izay tsy ho voafitaky ny dragona sy ireo namany telo! Ireo izay ho niharihary fa vahoaka mahatokin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia ho tafita velona mba ho anisan’ny “tany vaovao”. ‘Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha’. (II Petera 3:13; Apokalypsy 21: 3, 4.) Amin’izany, maneke tsy amim-pisalasalana ny Fanjakan’Andriamanitra, ilay hany fitondram-panjakana haneran-tany hahomby. Ary ianao koa dia ho afaka hahazo izany fitahiana mandrakizay izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Io raharaha io dia novelabelarina tamin’ny antsipiriany kokoa tao amin’ireo nomerao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 sy 15 aprily.