Ambara fa marina “ho amin’ny fiainana”
“Amin’ny asa fanamarinana iray monja, (...) ny fanambarana fa marina izy ireo ho amin’ny fiainana.” — ROMANA 5:18, MN.
1. Iza no noana sy mangetaheta ny fahamarinana, ary ahoana no hahafaka izany hetaheta izany?
“SAMBATRA ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.” (Matio 5:6). Ho afaka tanteraka izany hetahetam-pahamarinana izany, tsy eo amin’ireo ‘manana ny fanjakan’ny lanitra’ ihany fa eo amin’ireo izay “hanana ny tany” koa. (Matio 5:10; Salamo 37:29.) Ireo kilasin’olona roa dia miara-manana ny fanantenana nambaran’ny apostoly Petera tamin’izao teny izao: “Araka ny teny fikasany [ny an’Andriamanitra], dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana” isika. (II Petera 3:13). Marina tokoa fa Jehovah Andriamanitra dia nampanantena fitondram-panjakana vaovao, any an-danitra sy marina, dia “ny fanjakan’ny lanitra” sy “tany vaovao” marina koa, izany hoe fitambaran’olona vaovao eo amin’ny tany voaova ho paradisa.
2. Inona no fifandraisana misy amin’i Jehovah sy ny fahamarinana ary ny fanantenantsika hiaina ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao iray hisy fiadanana?
2 Fa inona marina moa no tiana holazaina amin’ny hoe lanitra vaovao marina sy tany vaovao marina? Ilay fitondram-panjakana vaovao any an-danitra sy ny olombelona hotapahiny eto an-tany, dia samy tokony hanaraka ireo fitsipika noferan’Andriamanitra ny amin’izay tsara sy izay ratsy. “Fonenan’ny fahamarinana Jehovah”. (Jeremia 50:7.) Ny fahamarinana no fototry ny fiandrianany na ny seza fiandrianany eo amin’izao rehetra izao mihitsy (Joba 37:23, 24; Salamo 89:14). Ny fiadanana eo amin’izao rehetra izao dia mitaky ny haneken’ireo zavaboarin’i Jehovah ny zony hametra izay marina sy izay ratsy. Mifamadika amin’izany, mba hahatanterahan’ny fanantenantsika fandaharan-javatra vaovao sy marina, dia tsy maintsy mifikitra amin’ny fitsipi-pahamarinana noferan’ny tenany Jehovah. — Salamo 145:17.
3. Rehefa heverina amin’ny fahafenoan’ny fahamarinan’i Jehovah, inona no fanontaniana tonga ao an-tsaintsika?
3 Ny fanontaniana àry dia ny hahafantarana hoe amin’ny fomba ahoana no hahafahan’i Jehovah, Andriamanitra masina sy marina, hitana fifandraisana amin’ny mpanota tsy marina (jereo Isaia 59:2; Habakoka 1:13). Ahoana no hahafahany sady tsy hivadika hatrany amin’ireo fitsipi-pahamarinany ambony dia ambony, no hifidy eo amin’ny olombelona mpanota, ireo izay hantsoina handray anjara amin’ny “lanitra vaovao” na fitondram-panjakana marina ka hanaiky ho sakaiza, ireo olona ho anisan’ny “tany vaovao” marina? Mba hamaliana an’io fanontaniana io, dia tokony ho azontsika ny hevitry ny fampianarana araka ny Baiboly momba ny fanamarinana, na fanambarana fa marina.
Fandaharam-pitrosana mampiseho famindrampo
4. Nahoana moa ny olombelona mietry no mitrosa mavesatra amin’Andriamanitra ary nahoana isika no tsy mahay manafa-tena amin’izany trosa izany?
4 Ao amin’ny Soratra masina, ny fahotana dia oharina amin’ny trosa (jereo Matio 6:12, 14, MN; 18:21-35; Lioka 11:4). Koa satria mpanota daholo ny olona rehetra, dia manana trosa mavesatra eo anatrehan’Andriamanitra izy. “Fa fahafatesana no tambin’ny ota.” (Romana 6:23). Koa satria ‘namidin’i Adama razambeny ho andevon’ny ota’ ny olombelona dia tsy hainy ny nanafa-tena irery tamin’izany trosa mavesatra izany (Romana 7:14). Ny fahafatesana ihany no afaka nikosoka ny trosan’ny olona iray, satria “izay efa maty dia afaka amin’ny ota”. (Romana 6:7.) Tsy ireo asa soa azon’ny mpanota iray natao nandritra ny fiainany no hahatonga azy ho afaka hanavotra izay verin’i Adama, na hanao izay hisehoany ho marina eo anatrehan’Andriamanitra. — Salamo 49:7, 9; Romana 3:20.
5. Ahoana no nanomanan’i Jehovah ny fanafahana ny olombelona mpanota sady manaja ny fahamarinany tonga lafatra?
5 Ahoana àry no hanafahan’i Jehovah ny olombelona nietry kanefa tsy handika ireo fitsipi-pahamarinana noferan’ny tenany? Ny valin’io fanontaniana io dia manandratra ny fahendrena sy ny fahasoavan’i Jehovah. Manazava izany amin’ny teny mahafinaritra tokoa ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana. Izao no vakintsika: “Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy [ny mpanota] noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy, Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fanavotana amin’ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namalian’Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ny nandeferany, mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy.” — Romana 3:24-26.
6. a) Ahoana no nahatanterahana ireo fitsipi-pahamarinana noferan’i Jehovah tamin’ny alalan’ny soron’i Kristy, ary vonona ny hanao inona Jehovah? b) Ahoana no mety hanomezan’Andriamanitra fahamarinana ho an’ny olona iray maneho finoana?
6 Noho ny fahasoavany, Jehovah dia nanaiky ny soron’i Jesosy ho an’ireo taranak’i Adama (I Petera 2:24). Sorona mitovy na mifanitsy izany satria, tamin’ny naha-olona tanteraka azy, Jesosy dia nanavotra izay verin’i Adama lahilahy tanteraka (jereo Eksodosy 21:23; I Timoty 2:6). Koa satria nahazo fahafahampo ny rariny, dia vonona Jehovah haneho fitiavana sy ‘handevona’ ny fahotana trosan’ny “ny olona mino an’i Jesosy”. (Isaia 44:22; Asan’ny apostoly 3:19.) Raha tsy mivadika hatrany ny olona toy izany, dia tsy vitan’ny hoe ‘tsy manisa ny fahadisoany’ Jehovah, fa raha ny marina dia manome fahamarinana azy (II Korintiana 5:19). Noho io fandaharana mampiseho famindrampo io, izay natao hanomezana azy ireo fahamarinana, dia ‘maro no natao ho marina’. (Romana 5:19.) Ny ataon’Andriamanitra mba hiheverana ny olona iray ho tsy manan-tsiny àry dia anankiray amin’ireo lafiny roa amin’ny fanamarinana (Asan’ny apostoly 13:38, 39). Fa olona iza no hamarinina na ambara fa marina ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny?
‘Olona masina’ 144 000
7. Tamin’ny heviny ahoana moa Kristy no nambara fa marina, ary inona no nanjary azo natao tamin’izany?
7 Mazava ho azy fa tsy nila ny nomena fahamarinana Kristy, satria tena marina izy (I Petera 3:18). Noho izy niseho ho nahatoky hatramin’ny fahafatesana tamin’ny naha-olona tanteraka [“Adama farany”] sy noho ny nanaovany sorona ny zony hanana fiainana eto an-tany, dia natsangan’ny Rainy, Jehovah, tamin’ny maty Jesosy. “Nohamarinina tao amin’ny Fanahy” izy, izany hoe nambara indrindra fa marina noho ny fahamendrehan’ny tenany, ary natsangana tamin’ny naha-“fanahy mahavelona”. (I Korintiana 15:45; I Timoty 3:16.) Tamin’ny alalan’ny fahafatesany ho sorona, dia nomeny ny fototra izay hamela an’i Jehovah hanome fahamarinana lehilahy sy vehivavy izay haneho finoana. — Romana 10:4.
8, 9. a) Iza moa ireo olona voalohany azo nomena fahamarinana, ary nahoana? b) Iza no mahaforona ny “lanitra vaovao”, ary hanjaka eo amin’inona izy ireny?
8 Ny olona fidin’i Jehovah mba hahaforona ny “lanitra vaovao” marina, izany hoe ny Fanjakana na Fitondram-panjakana tarihin’i Jesosy Kristy Mpanjaka, dia ara-dalàna raha voalohany handray soa amin’ny fomba feno amin’izany fandaharana mampiseho famindrampo izany, ary izany dia ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Ny bokin’i Daniela dia milazalaza ny fotoan-dehibe nandraisan’i Kristy, Zanak’olona, tany an-danitra, “fanapahana sy voninahitra ary fanjakana” “mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra [eto an-tany] Azy”. Rehefa avy eo, dia nasehon’i Daniela fa omena ny “olo-masin’ny Avo Indrindra”, dia Jehovah, koa “ny fanjakana sy ny fanapahana”. — Daniela 7:13, 14, 18, 27; jereo Apokalypsy 5:8-10.
9 Aharihary amintsika fa ireny ‘olona masina” nofidina mba hiara-hanjaka amin’i Jesosy Kristy Zanak’ondry eo an-tendrombohitra Ziona ireny dia 144 000 “navotana avy tamin’ny olona”. (Apokalypsy 14:1-5.) Miaraka amin’i Kristy, izy ireny dia mahaforona ny “lanitra vaovao” marina ao amin’ny fandehan-javatra vaovao nomanin’i Jehovah.
Isaina ho marina: amin’ny fomba ahoana ary nahoana?
10. a) Boky inona ao amin’ny Baiboly no manazava tsara indrindra ny amin’ny fanamarinana, ary nosaratana ho an’iza izany? b) Olona iza no voakasika indrindra amin’ny fampianarana ny amin’ny fanamarinana?
10 Amin’ny boky rehetra ao amin’ny baiboly, dia tsy isalasalana mihitsy fa ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Romana no manazava tsara indrindra ny fomba anambaran’Andriamanitra olona fa marina. Tsara ny manamarika fa ny nanoratan’ilay apostoly ny taratasiny dia ho an’ireo “voantso ho masina”. (Romana 1:1, 7.) Izany dia manazana hoe nahoana ny fampianarana ny amin’ny “fanamarinana”, na fanambarana fa marina, nohazavain’i Paoly, no mifandray amin’ireo ‘olona masina’ 144 000.
11. Inona no fifandraisana misy amin’ny finoana sy ny asa ary ny fanamarinana?
11 Ny zavatra lehibe indrindra tamin’ny fanazavana nomen’i Paoly ho an’ny Romana dia hoe na ny Jiosy na ny Jentilisa, na tsy Jiosy, dia tsy afaka hiseho ho marina eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny asany, na atao ho fikendrena ny fitandremana ny lalàn’i Mosesy izany na noho ny fanajana lalàna ara-pitondrantena tsy amim-pisainana sasany (Romana 2:14, 15; 3:9, 10, 19, 20). Na Jiosy na Jentilisa dia tsy azo ambara fa marina raha tsy noho ny finoana ny avotra natolotr’i Kristy tamin’ny sorona nataony (Romana 3:22-24, 29, 30). Ireo torohevitra omen’i Paoly ao amin’ireo toko faramparany (12 ka hatramin’ny 15) amin’ny taratasiny dia mampiseho fa ny finoana toy izany dia tokony hampiana asam-pitiavam-pivavahana, ka izany koa no hazavain’i Jakoba (Jakoba 2:14-17). Ireny asa ireny dia manaporofo fotsiny fa ny kristiana hamarinina toy izany dia manana finoana, fepetra mialoha ny fanamarinana avy amin’Andriamanitra.
12, 13. a) Nahoana moa ny ‘olona masina’ 144 000 no tokony hambara fa marina? b) Ataony ahoana ny zo hanana fiainana azony?
12 Fa noho ny antony lehibe inona moa no tokony hanambarana fa marina ireo kristiana “voantso ho masina”? Eo no tafiditra ny lafiny faharoa amin’ny fanamarinana: Ambaran’Andriamanitra ny olona iray fa mendrika ny hahazo ny fiainana amin’ny maha-zanany olombelona tanteraka. Rehefa heverina amin’ny anjara asa natao horaisin’izy ireo ao anatin’ny “lanitra vaovao” marina, ny 144 000 dia tokony hamoy sy hanao sorona mandrakizay izay rehetra mety ho fanantenana fiainana mandrakizay eto an-tany (Salamo 37:29; 115:16). Amin’izany lafiny izany, dia maty amin’ny fahafatesana ho sorona izy. ‘Mitovy amin’ny endriky ny an’i Kristy ny fahafatesany.’ — Filipiana 3:8-11.
13 Araka ny fotopoto-pitsipika iray ambara ao amin’ny lalàn’i Mosesy anefa, dia tokony tsy hisy kilema ny fanatitra rehetra atao ho an’i Jehovah (Levitikosy 22:21; Deoteronomia 15:21). Ireo ‘olona masina’ 144 000 àry dia aseho ho “olona marina izay efa natao tanteraka”. — Hebreo 12:23.
Atsangana ho zanaka ara-panahy
14, 15. a) Raha ny amin’ny fahotana, fiovana inona no tokony hatao amin’ny 144 000? b) Ahoana no ananganana azy ireny ho amin’ny “fiainam-baovao”?
14 Raha mbola velona ao amin’ny nofo ireny “olona marina” ireny dia tokony hiharan’ny fahafatesana ara-panoharana. Manazava toy izao ny apostoly Paoly: “Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany? Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao (...); fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. Fa izay efa maty dia afaka amin’ny ota.” — Romana 6:2-7
15 Ao anatin’ny fiainany amin’ny maha-olombelona, ireo ‘olona masina’ 144 000 izay sisa aminy ihany no mbola eto an-tany amin’izao andro farany izao, dia ‘maty ny amin’ny ota’. Aorian’ny fahafatesany ara-panoharana, ireny kristiana “voantso ho masina” ireny dia atsangana ho amin’ny “fiainam-baovao”. Noho izy ireo nambara fa marina, dia afaka miteraka azy ireo amin’ny alalan’ny fanahiny Jehovah mba hahatonga azy ireny ho ‘zanany’ ara-panahy. ‘Teraka indray’ izy ireny ary atsangana ho “zanak’Andriamanitra”. (Jaona 3:3; Romana 8:9-16a.) Tonga Isiraelita ara-panahy izy ireo ary voaray ao anatin’ny fanekena vaovao. — Jeremia 31:31-34; Lioka 22:20; Romana 9:6.
Mpandova ny fisoronana sy ny fiandrianana
16. Tonga mpandova inona moa ireo ‘olona masina’ 144 000?
16 Noho izy ireo natsangana mba ho ‘zanak’Andriamanitra’ ara-panahy, ireo ‘olona masina’ 144 000 dia tonga “mpandova” koa. (Galatiana 4:5-7.) Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ireo rahalahiny kristiana nateraky ny fanahy: “Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.” (Romana 8:17). Fa inona no lovan’i Kristy? Nohosoran’i Jehovah ho Mpanjaka sady Mpisorona “mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka” izy. (Hebreo 6:19, 20; 7:1.) Noho izy ireo “mpiray lova” amin’i Kristy, ireo kristiana nateraky ny fanahy dia voahosotr’i Jehovah koa mba ho mpisorona ara-panahy (II Korintiana 1:21; I Petera 2:9). Ambonin’izany, raha ambaran’i Jehovah fa marina izy ireny, ankoatra ny antony hafa farany, dia mba hahafahany rehefa avy eo, “hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Anankiray, dia Jesosy Kristy”. — Romana 5:17.
17. a) Na dia nambara fa marina aza ireo kristiana voahosotra, inona moa no tokony hataony isan’andro isan’andro? b) Ahoana no andraisany ny valisoany?
17 Na dia nambara fa marina aza ireny kristiana voahosotra ireny, raha mbola eto an-tany, dia tsy maintsy miady amin’ny fironany hanota (Romana 7:15-20). Mila ny ran’i Kristy izy ireny mba hodiovina amin’ny fahotana ataony isan’andro noho ny tsy fahatanterahany (I Jaona 1:7; 2:1, 2). Raha tsy mivadika hatrany izy ireny mandra-pifaran’ny fiainany eto an-tany, dia maty ara-bakiteny izy ary atsangana “ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona”, dia ny maha-anisan’ny “lanitra vaovao” marina. — I Petera 1:3, 4; II Petera 3:13.
Eo am-piandrasana ny “fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra”
18, 19. a) Miandry inona moa ny “zavatra ary” olombelona? b) Ahoana no ‘hampisehoana’ ireo “zanak’Andriamanitra”, ary nahoana no tsy andrin’ny “zavatra ary” olombelona izay hahatongavan’izany?
18 Amin’ny ahoana izany no mahakasika ny kristiana hafa, maro lavitra noho ireo “zanak’Andriamanitra” ara-panahy 144 000 izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, saingy ny fanantenany kosa dia ny hanana ny tany? Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly ny amin’izy ireny: “Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra; fa izao zavatra ary rehetra izao dia nampanekena ho zava-poana (...) sady nahazo fanantenana koa fa izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” — Romana 8:19-21.
19 Izany “zavatra ary” olombelona izany, izay ny fanantenany dia ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa, dia “maniry fatratra ka miandry” ny fotoana, efa antomotra izao ‘hampisehoana’ an’i Jesosy Kristy Mpanjaka sy ireo “zanak’Andriamanitra” tafatsangana, izany hoe rehefa handrava ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny izy ireo ka rehefa avy eo dia hanjaka amin’ny maha-mpanjaka sy mpisorona mandritra ny “arivo taona”. (Apokalypsy 20:4, 6.) Ao anatin’ny fanjakana arivo taonan’i Kristy, ‘ny zavatra ary [olombelona] dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana’.
20. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
20 Fa ahoana no hahatongavan’ny olona izay hiaina ao anatin’ny “tany vaovao” marina amin’ny farany ho amin’ny “fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”? Amin’ny ahoana ny fampianarana araka ny Baiboly momba ny fanamarinana no mahakasika azy ireny dieny izao? Izany no ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahitana famakafakana amin’ny antsipiriany kokoa ny amin’ny ‘fahaterahana indray’, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 febroary 1982, pejy faha-17 ka hatramin’ny faha-27.
Ny amin’ny ataon’Andriamanitra mba hanambarana olona fa marina:
◻ Inona no tian’ny Baiboly holazaina rehefa miresaka ny amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao marina iray izy?
◻ Nahoana moa ny olombelona no tokony hampihavanina amin’Andriamanitra?
◻ Ahoana no nanatanterahana ireo fitsipi-pahamarinana noferan’i Jehovah?
◻ Nahoana moa ny 144 000 no voalohany nambara fa marina, ary ataony ahoana ny zo hanana fiainana azony?
◻ Tonga mpandova inona miaraka amin’i Kristy moa ny 144 000?
[Efajoro, pejy 11]
Misy lafiny roa amin’ny fanamarinana na fanambarana fa marina:
1) Heverin’Andriamanitra fa tsy manan-tsiny ilay olona.
2) Ambaran’Andriamanitra fa tanteraka sy mendrika ny hiaina mandrakizay eto an-tany ilay olona.
Ambara fa marina amin’ireo lafiny roa ireo ny kristiana voahosotra 144 000. Ataony sorona ny zony hanana fiainan’olombelona; ateraka ho “zanaka” ara-panahy izy ireny ary antsoina mba ho tonga mpanjaka sady mpisorona miaraka amin’i Kristy ao amin’ny “lanitra vaovao”.