FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/2 p. 10
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanginan’ny Eglizy any Argentine
  • ‘Tsy afaka manome fahafahampo amin’izay ilainy ara-tsakafo’
  • “Fiainan’ny mpikarama an’ady”
  • Ilay Mpanjaka mitaingin-tsoavaly
    “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”
  • Mitaintaina Mafy ny Eglizy any Amerika Latina — Nahoana no An-tapitrisany Maro n
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mpitaingin-tsoavaly Efatra Mirifatra!
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Iza Ireo Mpitaingin-tsoavaly Efatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/2 p. 10

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Fanginan’ny Eglizy any Argentine

“Voapentin’ny ra ny Eglizy any Argentine”, hoy ny lohatenin’ny National Catholic Reporter tamin’ny 12 aprily 1985. Zavatra sarotra inoana fa tombanana ho 10 000 ka hatramin’ny 30 000 ny isan’ny olom-pirenena any Argentine nosamborina sy novonoina tsy nisy fitsarana teo ambany fitondran’antokon’olona ao amin’ny tafika teo aloha. Araka ny filazan’ny mpandinika anefa, dia tsy manan-tsiny an’arivony maro no nety ho voatsimbina raha nanohitra ny tsy rariny toy izany ny Eglizy katolika. Tsy izany no nataony, hoy ny filazan’ilay lahatsoratra, fa “ny Eglizy katolika, ankoatra ny vitsivitsy maningana be herim-po, dia nihidy tao anatin’ny fanginana mafy nandritra ny fito taona naharetan’ny fitondran’ny fampihorohoroana”, izay naongan’ny fitondram-panjakana sivily tamin’ny 1983. Afa-tsy izany koa, ny mpitondra ara-pivavahana sasany dia niara-niasa tamin’ny fitondran’antokon’olona ao amin’ny tafika.

Nahoana no nangina foana ny Eglizy? Tamin’ny lafiny sasany, dia noho ny tahotra ny valifaty. Manolotra fanazavana hafa anefa io gazety voalaza eo aloha io: “Niaraka tamin’ny tafika koa ny fikambananan’ny eveka noho ny fahefana azon’io nomena azy.” Marina tokoa fa nahazo tombontsoa maro izy. Ary dia nofaranan’ilay lahatsoratra hoe: “Ny fihetsika narahin’ny Eglizy any Argentine dia mitovy be dia be amin’ny nasehony tany Alemaina nazia. Rariny indray àry ny hanontaniana tena raha toa eo imason’ny Eglizy, dia lehibe kokoa ny fahefana noho ny baiko omena ao amin’ny Evanjily, dia ny hanambara ny marina.”

Tsy azo lavina fa diso hevitra ny fivavahana rehefa mitady hahazo sitraka amin’ny fahefana ara-politika. Mitarika azy hanaiky lembenana izany indraindray. Ny amin’izany, dia mahaliana ny manamarika fa ny bokin’ny Apokalypsy dia manameloka ny firaisan’ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Lazalazainy amin’ny endriky ny vehivavy janga “nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany” ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. (Apokalypsy 17:2.) Tsy mahagaga àry raha nandidy an’ireo mpianany i Jesosy mba ‘tsy ho naman’izao tontolo izao’. — Jaona 15:19.

‘Tsy afaka manome fahafahampo amin’izay ilainy ara-tsakafo’

“Amin’izao androntsika izao, dia tsy azo atao ny mandeha any Afrika ka tsy ho voasinton’ny fampielezan-kevitra atao any ho an’ny tafika”, hoy ny ambaran’ny Bulletin of the Atomic Scientists. Ao amin’io kontinanta io anefa, ny fikarakarana fitaovam-piadiana, indrindra fa amin’ny fotoan’ny ady, dia mitelina vola be ary mila miaramila maro be, ka miteraka mosary izany. Manonona ohatra vitsivitsy io boky io ihany: “Any amin’ny tany toa an’i Etiopia, Tchad, Mozambique, Angola, Soudan sy Ouganda, ny revaolisiona lehibe sy maharitra matetika, mbamin’ny ady na fifandirana noho ny faritany dia nanozongozona ny fitambaran’olona, niteraka fahasimban’ny vokatra ary nampitombo ny fahorian’olombelona.” Nanamafy toy izao io lahatsoratra io: “Mampangitakitaka ny fampiasana olona sy vola be dia be toy izany amin’ny antony ara-tafika eo amin’ny kontinanta iray ianjadian’ny zava-manahirana lehibe toy ny tsy fahafahana manome fahafahampo amin’izay ilainy ara-tsakafo.”

Tena mampangitakitaka tokoa izany. Araka ny marina no ilazalazan’ny bokin’ny Apokalypsy ara-panoharana ny amin’izany toe-piainana izany. Lazalazainy ny amin’ny mpitaingin-tsoavaly iray mitondra sabatra, mitaingina soavaly mena “navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany” amin’ny alalan’ny ady. Manaraka azy akaiky ny soavaly mainty iray sy ny mpitaingina azy manambara mosary (Apokalypsy 6:3-6). Ny ady sy ny mosary miara-mamely atsy Afrika dia anisan’ireo fisehoan-javatra mampiseho fa tanteraka amin’izao androntsika izao io faminaniana io. — Jereo koa Matio 24:6-8.

“Fiainan’ny mpikarama an’ady”

“Heverina mandrakariva fa ireo mpanapitrisa dia eo am-pialam-boly eny amin’ny torapasik’i Saint-Tropez na eo am-pidinan’i Aspen, na ho any amin’ny fifaninanana hazakazaka ao anatin’ny Cadillac na ny Rolls-Royce, na mifoka sigara fotsiny. Tsy mifanitsy amin’ny zavatra tena misy velively anefa izany rehetra izany.” Ireo andalan-tsoratra ireo dia notsoahina avy amin’ny gazety mivoaka isan-kerinandro iray, The Guardian Weekly, izay namoaka tatitra nataon’ny dokotera Thomas Stanley, any amin’ny oniversiten’ny Fanjakan’i Géorgie vao haingana. “Manana fiainan’ny mpikarama an’ady kosa aza ny ankamaroan’ny mpanapitrisa amerikana.” Nahoana? Satria mavesatra noho ny an’ny hafa ny fandaharan’izy ireo; mandrakariva izy ireny dia miasa 75 ora isan-kerinandro. “Ny ankamaroan’ireo manana ao amin’ilay tany dia mpanao raharaham-barotra lehibe tsy dia manao ahoana tanteraka fotsiny, izay manana fiainana mafy sy amim-pahazarana fotsiny.” Manao fitsitsiana izy ho amin’ny fotoana hisotroany ronono, kanefa noho ny fandaharany manasatra aoka izany, dia maro be no maty alohan’ny hahafahany maka izany. Tsy manana afa-tsy fotoana kely izy mba hanandramana ireo fahafinaretana eo amin’ny fiainana.

Izany dia mifanohitra amin’izao torohevitry ny olon-kendry iray fahizay izao: “Aoka ny olona rehetra hihinana sy hisotro, ary hahita soa noho ny asany mafy rehetra. Fanomezan’Andriamanitra izany.” (Mpitoriteny 3:12, 13, MN.) Eny, tsy tokony hatao an-terivozona ny asan’ny olona iray fa tokony hitondra fahafahampo ho azy sy hahatonga azy ho afaka hifaly amin’ny zavatra mahasoa sy tsotra nomen’Andriamanitra antsika. Ny kristiana marina dia maneho fahendrena amin’ny tsy fihazakazahana ho amin’ny fikatsahana harena izay zava-poana. Fantany fa ny hahazoana tena fahafahampo dia amin’ny ‘fanangonana harena any an-danitra, fa tsy eto an-tany’. — Matio 6:19, 20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara