FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/2 p. 3-5
  • Nahoana no mivavaka ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no mivavaka ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo zava-manahirana
  • Ny fitaovam-piadiana noklehera
  • Ny fahantrana eo amin’izao tontolo izao
  • Ny fandotoana ny rivotra
  • Ny fandotoana ny rano
  • Nahoana?
  • Mila ilay Fanjakana isika
  • Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Izay Tena Hahasambatra An’ity Tontolo Ity
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fanjakana “Tsy ho Rava Mandrakizay”
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Mpanapaka eo Amin’ny Tontolo Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/2 p. 3-5

Nahoana no mivavaka ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra?

“RAINAY Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:9, 10.

Efa ho hatramin’ny 2 000 taona izao ny kristiana mahatoky no mampiasa ireo teny ireo ho ohatra faka tahaka rehefa mivavaka amin’Andriamanitra izy. Io vavaka io, izay Jesosy Kristy no nanonona azy voalohany, dia antsoina hoe ny Rainay Izay any an-danitra na ny Vavaka nampianarin’ny Tompo.

Amin’izao andro izao anefa, dia olona maro be no tsy manonona intsony an’io vavaka nampianarin’ny Tompo io. Tsy mitodika velively any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireny, fa any amin’ireo fitondram-panjakan’olombelona kosa, any amin’ireo fandaharana ara-toe-karena, ny siansa na ny Firenena mikambana koa mba hahitana fanantenana. Izany koa ve no fihetsikao? Fiheverana ny zavatra tena misy ve izany?

Ireo zava-manahirana

Amin’ny olona sasany, dia ny sivilizasionantsika no nandroso indrindra teo amin’ny Tantara. Tsy azo antoka aoka izany anefa ny toerany amin’izao andro izao. Hery maro be no mandrahona ny ho avin’ny sivilizasiona, na ny ho avin’ny fiainana eto an-tany mihitsy aza. Aoka hojerentsika ny sasantsasany monja amin’ireny hery mandrahona ireny.

Ny fitaovam-piadiana noklehera

Ny fitambaran’ny herin’ireny fiadiana ireny azo ampiasaina amin’izao andro izao dia mifanitsy amin’ny telo taonina T.N.T. isaky ny mponina: lehilahy, vehivavy, na ankizy. Tao amin’ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Ny baomba: ferana ve izy io?”, David Lancashire, mpanoratra gazety kanadiana, dia nanao izay hanamarihana fa “noho ny fampitomboana ny fanatsarana fitaovam-piadiana, dia mitombo ny mety hahitana ady tsy ampoizina noho ny fahadisoan’ny ‘ordinateur’. Avy eo, dia notononiny ny tapany amin’ny fandinihana nataon’ny Firenena mikambana tamin’ny filazana hoe: “Asehon’ny Tantara fa rehefa nampitomboina mihoatra noho ny vanim-potoam-panandramana ny karazam-piadiana iray, amin’ny ankapobeny dia hampiasaina izy io. Mbola tsy hita izany tamin’ny fiadiana noklehera, afa-tsy indroa naningana monja [Hiroshima sy Nagasaki], kanefa tsy azontsika antoka mihitsy hoe hijanona eo ny zavatra.”

Ny fahantrana eo amin’izao tontolo izao

Raha mbola manana fari-piainana ambony dia ambony ny firenena vitsivitsy, ny hafa kosa dia faran’izay mahantra. Araka ny filazan’ny mpanoratra iray ao amin’ny revio New Scientist, raha maharitra izao tsy fitoviana ankehitriny izao, dia hitarika ho amin’ny “ady tsy azo sakanana”. Kanefa, na dia tsy mitarika ho amin’ny ady aza ireny tsy fitoviana ireny, dia mety hiteraka loza aman’antambo. Nahoana?

Nitrosa tsy toko tsy forohana ireo tany mahantra indrindra. “Nanazava toy izao ilay masoivoho atao hoe John Madeley tamin’ny 1981: “Izany dia nitarika ireo fandaharam-pametraham-bola sy fitantanam-bola hanakaiky kokoa ihany ny hantsana noho izay neken’ny fametraham-bola hatramin’izao. Raha tsy atao avy hatrany ny fanitsiana lalina ny fandaharana ara-toe-karena iraisam-pirenena mba hanomezana ho an’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana, fahafahana hampitombo ny vola miditra aminy, [dia mbola mety hisy] tsy fahafahana mandoa sy fandaharan-trosa indray, ka hanapoaka vokany mitohitohy izany ary dia hiafara amin’ny firodanana.” (World Press Review). Mbola tsy azo antoka aoka izany ihany ny fandaharana ara-bola any amin’ny tany maro.

Ny fandotoana ny rivotra

Hatramin’ny ela be tokoa ny olona dia manary amin’ny fomba tsy misy fanahiana izao karazan-javatra mandoto rehetra izao eny amin’ny rivotra. Amin’izao andro izao anefa, araka ny filazan’ny Chicago Tribune, dia mihamaro ny manam-pahaizana matahotra ny hoe, sahala amin’ny balaonina mibontsina hatramin’ny fahavakiana, ny gaza mifono ny tany dia mety ho tonga hatramin’ny madiva hitrangan’ny fiovana mitondra loza aman’antambo angamba (...) Efa ao ny loza aman’antambo sasany, ary ny hafa tonga haingana kokoa tsy araka ny nanampoizana azy.”

Ny fandotoana ny rano

Nandoto ny rano ny olombelona any amin’ny faritra maro amin’ny gilaoby. Izao, ohatra no notantaraina tany Etazonia: “Any Biscayne Bay, dia manjary sampona ny hazandrano. Any Nouvelle-Orléans, izay nahitana zavatra shimika 112 samy hafa tao amin’ny rano fisotro, dia mitombo haingana ny ara-kevin’ny isan’ny matin’ny homamiadana (cancer). Eo amin’ny moron-tsiraka iray mankeo amin’ny hafa, dia mamoy aina amin’ny fomba mahatsiravina na olona na biby noho ny fandotoana tsy ankijanona ny rano mamy sy ny ranomasina ary ny rano mandeha.” — New Times.

Vitsivitsy monja amin’ny loza mandrahona ny ho avin’ny olombelona ireo. Ho azo anampy izany ny fihenan’ny loharanon-kery famokarana, ny fihoaran’ny isam-bahoaka, ny fanimbana ny ala, ny fitaran’ny efitra sy ny fitomboan’ny tsy fahampian-drano mamy. Tafahoatra angamba ny filazana ny hamafin’ny sasany amin’ireny loza mandrahona ireny. Kanefa, amim-pahatsorana, heverinao ve fa tafahoatra daholo ireny filazana ireny? Ary rehefa jerena ny zava-manahirana rehetra, azo atao ve ny mieritreritra fa afaka manantena na dia kely akory aza ny hahalamina izany ny olombelona? Raha tsy azo alamina anefa izany, inona no ho avin’ny taranak’olombelona. Ary nahoana isika no ianjadian’ny zava-manahirana be dia be toa tsy misy fanafodiny toy izao?

Nahoana?

Izao: ireny zava-manahirana ireny dia manaporofo zavatra tena lehibe iray: raha ny marina dia tsy afaka mitondra ny tenany amim-pahasambarana ny olombelona. Tsy nisy mihitsy filoha olombelona nanana ny fahendrena, ny fiheverana ny hafa na ny hery nilaina mba hanapahana ka hitondrana ny soa lehibe indrindra ho an’ny rehetra. Izao no lazain’ny Baiboly amintsika: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Tsy natao hitondra ny tenany ny olombelona.

Misy anton-javatra hafa iray koa tokony hojerena, dia anton-javatra izay sarotra amin’ny olona maro ny manaiky azy amin’ny androntsika mihevitra fatratra ny zavatra hita maso: tsy raharahan’ny olombelona ihany akory ny fanapahana ny olombelona. Fony Jesosy teto an-tany, Satana, zavaboary mahery noho ny olombelona, dia nanolotra azy ny fanapahana eo amin’ny fanjakana rehetra maneran-tany. Ary taty aoriana, i Paoly, mpianatr’i Jesosy, dia niresaka an’i Satana ho “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”. (II Korintiana 4:4, MN; Matio 4:8, 9.) Fa ahoana no mety hahatongavan’i Satana ho filohan’izao tontolo izao ankehitriny, kanefa olona maro no tsy mino intsony ny fisiany? Satria ny ankamaroany — na dia tsy nahy aza — dia tsy manaiky ny fanapahan’Andriamanitra, ka izany dia manohana ny fikasan’i Satana. — Matio 12:30.

Niharatsy ny toeran’i Satana hatramin’ny naha-tetỳ an-tany an’i Jesosy. Ahariharin’i Satana tokoa fa ankehitriny izy dia manana “fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny”. (Apokalypsy 12:12.) Sahala amin’i Hitler tao amin’ny faran’ny Ady Lehibe farany teo, ny fahavononany dia ny “hanapaka na handringana”. Koa satria niharihary fa nanimba ny fanapahany izay maharitra hatramin’ny ela izao, ankehitriny Satana Devoly dia miharihary fa tapa-kevitra ny hanafoana ny taranak’olombelona. Moa ve tsy mampieritreritra izany rehefa fantatra ny fisian’ny hery lehibe sy mampidi-doza toy izany? Indrindra fa raha eritreretina fa toa tsy ‘voafetran’ny’ olombelona ireo tahirim-piadiana noklehera be dia be. Fa inona no ifandraisan’izany rehetra izany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Mila ilay Fanjakana isika

Koa satria ireo zava-manahirana antsika dia avy amin’ny tsy fananan’ny olona hery hitondra ny tenany sy avy amin’ny fitaomana manimban’ny hery iray lehibe noho ny olombelona, dia mazava fa tsy mety ho voalamin’ny olombelona izany. Noho izany antony izany no ilàntsika mafy ny Fanjakan’Andriamanitra. Tena fitondram-panjakana izy io, kanefa ambony noho ny an’ny olombelona, any an-danitra ary manana fahefana handresy an’i Satana. Koa satria Fanjakan’Andriamanitra izy io, dia manana koa ny fahendrena, ny fiheverana ny hafa sy ny fahefana ilaina mba hanaovana fanapahan-kevitra marina sy hampiharana ny fanapahana amim-pahombiazana.

Afaka ny ho faly àry isika satria manambara toy izao ny Baiboly: “Ary amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [ireo mpitondra amin’ny andro ankehitriny], Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44). Ny Mpanjakan’io Fanjakana io dia Jesosy Kristy, izay ny aminy no nilazan’ny faminaniana hoe: “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. Ary hanjaka hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina izy, ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany.” — Salamo 72:7, 8.

Araka izany, ny Fanjakan’Andriamanitra dia tena handamina ireo zava-manahirana ny olombelona tokoa. Nahoana àry ianao no tsy handinika ny Baiboly mba hahafantarana ny amin’io Fanjakana io sy ny fomba mety hahatongavanao dieny izao ho anankiray amin’ireo vahoakany? Sahala amin’ny olon-kafa rehetra, dia mila an’io Fanjakana io ianao. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia vonona ny hanampy anao hianatra bebe kokoa ny amin’io raharaha io.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

Antontan-taratasim-pirenena U.S.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

Sary WHO

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara