Nanao zava-dehibe ho anay Jehovah
TEO ambany fifehezan’ny antokon’olona mpanolo-tsaina ara-tafika nandritra ny fito taona teo ho eo; niady tao Atlantika Atsimo; simban’ny fihenan’ny sandam-bola teo amin’ny 500 isan-jato isan-taona: izany dia samy fitsapana nihatra tamin’i Argentine tao anatin’ny folo taona farany.
Amin’izao andro izao, dia tsy nanjavona ny fahasahiranana ara-toe-karena, kanefa natsangana ny fitondram-panjakana repoblikana iray ary vita ny ady. Mijery ny ho avy amin’ny fanantenan-javatra hihatsara kokoa àry ireo mponina 30 tapitrisa any Argentine. Ny sasany amin’izy ireny aza mahita fifaliana tsy manam-petra. Nahoana? Satria Jehovah manao zava-dehibe ho azy ireo.
Noho ny fanohanan’Andriamanitra tokoa, dia Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny 55 000 izao no mampiely vaovao tsara mahafaly any amin’io tany any Amerika Atsimo io, ary izany dia nahatonga mponina maro be any Argentine ho sambatra.
Ireo voan’ny fahamarinana voalohany
Tamin’ny 1924 ny asa fitoriana ilay Fanjakana no nanomboka teto amin’ny taninay. Tamin’io taona io i Joseph Rutherford (prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay) dia nandefa tany an’i Juan Muñiz mba hikarakara ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Tokony ho herintaona teo ho eo taty aoriana, dia tonga i Carlos Ott ka nanomboka nitory ny vaovao tsara teo amin’ny olona niteny alemana izay nonina tao amin’ilay tany. Voafafy ireo voan’ny fahamarinana voalohany.
Tamin’ny 1945, dia mpitory ilay Fanjakana 363 no niasa teto Argentine. Ny taona nanaraka izy ireo dia handray misionera nahazo diplaoma avy any amin’ny Sekolin’i Gileada, Fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower. Ny rahalahy Gwaenydd Hughes sy ny anabavy Ofelia Estrada, samy avy ao Argentine, no voalohany tamin’ny Gileadita maro nifanesy tonga mba hiasa tao amin’ilay tany. Samy tonga tamin’ny 1948 i Charles sy Lorene Eisenhower ary Helen Wilson. 36 taona atỳ aoriana, dia mbola mandany hery foana amin’ny asan’i Jehovah eto izy ireo. Helen Nichols, izay tonga tamin’ny 1948 koa, dia nahavita ny fihazakazahany teto an-tany tamin’ny 1974 tao amin’ny faritany naha-misionera azy, tany Tucuman.
Nitranga ny fahasahiranana
Nihamaro hatrany izahay, ary Vavolombelona tanora maro be tonga teo amin’ny taona tokony hanaovana ny raharaha miaramila no nanaraka toeram-pialanalanana kristiana (Isaia 2:2-4; Jaona 15:19). Nanapoaka fanoherana izany. Marina fa nekena ho ara-dalàna ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny 1950, nefa tsy haharitra ela izany. Tao anatin’io taona io ihany, dia nofoanana io fanekena io. Na dia izany aza dia naharitra tamin’ny asan’Andriamanitra nandritra ireo 33 taona nanaraka ireo Vavolombelon’i Jehovah.
Na dia teo aza ny toe-piainana ratsy, dia mbola nitatra ihany ny asa fitoriana. Tamin’ny 1974, ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanapa-kevitra fa hatao ao amin’ilay tany ny fanontana ireo gazetinay Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! Nomanina àry ny fananganana “rotative offset” iray, ny voalohany nampiasain’ny Fikambanana. Ny fanaovam-pirinty mihitsy dia avy tany Frantsa ary ny fanakambanan-taratasy telolafy avy tany Alemaina koa izahay. Ireny milina rehetra ireny dia nomen’ireo sampan’ny Fikambanana tao amin’ireny tany samy hafa ireny anay. Tsy maintsy nandresy fahasahiranana maro izahay talohan’ny hahafahana manonta pirinty ireo gazetinay voalohany teto Argentine. Toy inona anefa ny fifalianay rehefa vita pirinty ny fanontana tamin’ny 15 aprily 1975 amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana!
Teo ambany fandrarana
Tamin’ny 1976, ny fitondram-panjakana ara-tafika vaovao dia nandidy ny hanakatonana ireo Efitrano Fanjakananay. Noroahina tsy hianatra tany an-tsekoly ireo zanakay ary nanerana ilay tany, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah noroahina satria nitory ny vaovao tsara. Tonga tamin’ny fara heriny izany fisehoan-javatra izany ny 7 septambra rehefa nakatona ny fanontam-pirinty sy ireo biraon’ny Fikambanana. Ny trano fonenan’ny fianakavian’ny Betela ihany no mbola tsy nakatona. Izany fandaharana izany dia avy amin’ny didy iray nampiseho mazava fa ‘ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny fampielezana sy ny fampianarana ampahibemaso ireo fampianarany dia voarara tanteraka nanerana ny faritanin’ilay firenena’.
Nisy taon-tsarotra niandry anay àry. Ho fotoana fanatanjahana sy fampitomboana ny fahalalanay ara-panahy koa anefa izany. Mbola tsy nampahafantatra be dia be ny aminay toy izany mihitsy ny gazety. Ireo lohatenin’ny gazety tokoa dia ampy namintinana izay nitranga tao anatin’ireo taona ireo: “Vavolombelona nampidirina an-tranomaizina satria tsy nanaiky ireo mari-pitiavan-tanindrazana”; “Ankizy noroahina tsy ho any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany”; “Miverina any an-tsekoly ireo zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah”; “Ahazoan-dalana indray ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah”.
Tamin’ny martsa 1979, ny Fitsarana tampony dia namoaka didim-pitsarana nanohana anay tamin’ny ady ara-pitsarana Juan Carlos Barros nifanohitra tamin’ny minisiteram-panabeazam-pirenena. Noroahina avy tao amin’ny sekoliny ny zanakalahin’ny rahalahy Barros roa, Paul sy Hugh (fito taona sy valo taona), satria tsy nety nandray anjara tamin’ny fombafomba fiarahabana saina (jereo Eksodosy 20:4-6; Daniela 3:1, 16-18; I Jaona 5:21). Nanambara toy izao ny fitsarana, ankoatra ny zavatra hafa: “Ny fihetsika [nasehon’izy ireo] izay tsy nisy fanaovana na inona na tamin’ny toe-javatra mitana ny saintsika, (...) dia tsy azo ampitovina amin’ny fampisehoana tsy fanajana ireo marika mampiseho fitiavan-tanindrazana, nosaintsainina mialoha. Izany kosa dia taratry ny fankatoavany ny fahefan’ny ray aman-dreny.” Araka izany, araka ny filazan’io fitsarana io, ny toerana notanan’ny zanaky ny Vavolombelona noho ny feon’ny fieritreretana dia tsy avy amin’ny tsy fisian’ny fanajana ireo marika mampiseho ny firenena Argentine velively.
Narovana koa ny zon’ireo zanakay tamin’ny ady ara-pitsarana Aurelio Francisco D’Aversa mifanohitra amin’ny fanjakana. Ny minisiteran’ny Fanabeazana dia nanapa-kevitra fa tsy horaisina ao amin’ny sekoly rehetra ao amin’ilay tany ny zanaky ny fianakaviana D’Aversa. Kanefa, rehefa naseho teo anatrehan’ny fitsarana ambony federaly ilay raharaha, dia namoaka didim-pitsarana nanamarina anay io. Io ady ara-pitsarana io dia nanome anay ohatra ara-pitsarana nilaina tokoa. Rehefa avy nanao izay hanamarihana izy fa ny ankamaroan’ny olom-pirenena tao amin’ilay tany dia naneho avy hatrany ny fihetseham-po novelominy ho an’ireo marika mampiseho ilay firenena, dia nanambara izao manaraka izao i Tonelli mpitsara: “Etsy andaniny koa, ny ankamaroan’ireo izay mirehitra mafy ara-pitiavan-tanindrazana dia ho tafintohina hahita fa misy olona terena handa ireo zavatra inoany sy hampiseho fientanana toy izany amin’ny fomba tsy misy fahatsorana mihitsy.” Fa raha ny amin’i Barletta mpitsara, dia niaiky izy fa “tsy misy na inona na inona mahatonga ny zanak’i D’Aversa ho meloka noho ny fanamavoana, ny tsy fanajana na fanalam-baraka ampahibemaso karazan’izany”. Taty aoriana, dia nanamafy an’io didim-pitsarana io ny Fitsarana tampony.
Ny fandrarana izay namely ny asanay tamin’ny 1976 dia toa niteraka fihenan’ny isan’ny mpihira fiderana an’i Jehovah: raha 33 503 izy ireo tamin’io taona io, dia 31 846 monja sisa izy ireo tamin’ny 1977. Nihazatra tamin’ireo toe-piainana vaovao anefa ireo rahalahy ka tsy ela dia nandroso indray ny asa fitoriana.
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nandamina fivoriambe kely aza izahay, niaraka tamin’ireo loholona sy ny vadiny fotsiny aloha, avy eo dia niaraka tamin’ny mpikambana rehetra tao amin’ireo kongregasiona. Ireny fivoriambe ireny dia natao tany amin’ny toerana hafahafa indrindra: tany ambanivohitra be, tany amin’ny trano bongon’ny mpanety volon’ondry ary tany amin’ny tranon’akoho koa aza. Toy inona moa ny fahasambaranay tamin’ireo andro nivorianay mba handray fianarana ara-panahy!
Mbola zava-dehibe kokoa ihany fa tsy mbola diso mihitsy na dia nomerao iray monja tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana aza izahay mba hanaovana ny fianaranay isan-kerinandro. Ireny gazety ireny dia natonta tamin’ny fanaovam-pirinty “offset” kely tany amin’ny faritra samy hafa tao amin’ny tany. Izany dia asa lehibe izay matetika tokoa no nahatandindomin-doza ny fahafahan’ireo rahalahinay. Tamin’izany fotoana izany ireo gazety dia namoaka lisitr’ireo olona tsy hita, niisa ho an’arivony maro, nefa tsy nisy na dia iray monja aza tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anisan’izy ireny. Na dia tao aza ny vato misakana rehetra hitany, dia nanamarika fitomboana 57 isan-jato ny olon’Andriamanitra teo anelanelan’ny 1977 sy 1984 teto Argentine. Nandritra izany vanim-potoana rehetra izany, dia mpitory ilay Fanjakana vaovao maherin’ny 18 000 no tonga nanatevina ny laharanay.
Afaka tanteraka!
Raha ny marina, dia tamin’ny fotoana roa izahay no nahita ny fahafahanay. Voalohany indrindra, ny 12 desambra 1980, dia nofoanan’ny fitondran’ny tafika ny fandrarana ny asanay. Nanomboka tamin’io andro io àry dia tsy hoe tsy ara-dalàna intsony izany, kanefa mbola tsy nekena tamin’ny fomba ofisialy foana. Avy eo, ny fitondram-panjakana ankehitriny dia nanoratra ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Io fanapahan-kevitra io dia nataon’i Maria T. de Morini, lefitry ny Sekreteram-panjakana momba ny Fanompoam-pivavahana.
Anisan’ny lasa hatramin’izao ireo taona maro niadianay mba hahazoana ny fanekena ny asanay ho ara-dalàna. Azonay natao voalohany ny nampahafantatra ireo Efitrano Fanjakananay tamin’ny alalan’ny soratra nanoloana azy. Ny fanambarana ny fanekena anay dia nahatonga anay ho sahala amin’ny olona ‘nanonofy ary feno fihobiana ny lelanay’! Marina tokoa fa ‘nanao zava-dehibe ho anay Jehovah’. — Jereo Salamo 126:1, 2.
Fitomboana mahafaly
Ny fanekena ny asanay ho ara-dalàna dia narahin’ny fitomboana isa miavaka. Nanao volavolan-kevitra àry izahay ny hanorina ny Efitranonay voalohany hanaovana fivoriambe tany akaikin’i Moreno, tokony ho 40 kilaometatra avy ao Buenos Aires. Ho afaka handray olona 2 200 izy io. Eo amin’io tany io ihany koa no misy toeram-piompiana sy fambolena iray mamokatra saika ny sakafo rehetra ilain’ny mpianakavin’ny Betela 78.
Tany amin’ny voalohandohan’ny taom-piasana 1985, tamin’ny desambra, dia nahatratra tampon’isa vaovao izahay tamin’ny mpitory ilay Fanjakana 51 962 voazarazara ao amin’ny kongregasiona 730. Faly aoka izany izahay tamin’ny taona 1985 nanisa mpanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy 135 379! Tetsy andaniny koa, dia olona 97 167, izany hoe nihoatra 17 000 noho ny tamin’ny taona talohan’io, no nanatrika ny anankiray tamin’ireo fivoriamben’ny distrika sivy “Ny fitomboan’ilay Fanjakana”, nifarana tamin’ny janoary.
Noho izany fitomboana rehetra izany, dia kely loatra izao ireo tranon’ny sampana. Nanana fahafahana izahay nividy trano nanorenanay ny fanontam-pirintinay sy ireo birao, ary manam-pikasana izahay ny hanorina eo akaiky eo, trano avo iray hisy rihana sivy hitoeran’ny mpianakavin’ny Betela.
Manantena izahay fa ireo trano vaovao ireo dia hahatonga anay ho afaka hiahy tsara araka izay azo atao ny tombontsoan’ilay Fanjakana eto Argentine. Mibanjina ny ho avy amin’ny fanantenana fihatsaran-javatra izahay ary safononoky ny fankasitrahana ny fonay, satria tsapanay fa manao zava-dehibe tokoa ho an’ireo izay tia azy Jehovah.
[Sary, pejy 29]
Ireo lohatenin’ny gazety dia nampahafantatra ireo fahasahiranana hitanay teo ambanin’ny fandrarana, avy eo dia ny famerenana ny fahalalahana ara-panompoam-pivavahana.