Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Aoka isika hanatsoaka fianarana avy amin’ny fakam-panahy nihatra tamin’i Jesosy
RAHA vantany vao vita ny batisany, dia nentin’ny fanahy masin’Andriamanitra ho any an’efitr’i Jodia Jesosy. Nanan-javatra be dia be hoeritreretina izy. Tamin’ny fotoan’ny batisany tokoa, dia “nisokatra taminy ny lanitra”, hany ka azony natao ny nanavaka ny zavatra tany an-danitra. Azon’i Jesosy natao izao ny nahatsiaro ny fiainany tamin’ny naha-zanaka ara-panahin’Andriamanitra ary indrindra fa ny amin’izay rehetra nolazain’ny Rainy taminy. Tena nanan-javatra be dia be hosaintsainina izy.
Tamin’izany Jesosy dia nandany 40 andro sy 40 alina tany an’efitra, tsy nihinana na inona na inona. Avy eo, rehefa noana mafy izy, dia nanatona azy Satana mba haka fanahy azy; izao no nambarany taminy: “Raha Zanak’Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.” Fantatr’i Jesosy tsara tokoa anefa fa ratsy ny mampiasa ny fahefany hanao fahagagana mba hanomezana fahafahampo ny fanirian’ny tenany manokana. Nanda àry izy, nanohitra ny fakam-panahy.
Tsy niala ny Devoly. Nanandrana zavatra hafa izy. Nihaika an’i Jesosy izy tamin’ny fangatahana azy mba hianjera avy eny ambonin’ny mandan’ny tempoly mba hahatongavan’ireo anjely hamonjy azy. Tsy resin’ny fakam-panahy hanao fampisehoana higagana toy izany anefa i Jesosy. Nanonona ny Soratra masina izy ka nanazava fa tsy tsara ny maka fanahy an’Andriamanitra amin’izany fomba izany.
Tao amin’ny fakam-panahy fahatelo, tamin’ny fomba mahagaga, dia nasehon’ny Devoly an’i Jesosy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao ka hoy izy taminy: “Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.” Tsy nety ho resin’ny fakam-panahy indray anefa i Jesosy; nifidy ny tsy hivadika hatrany amin’Andriamanitra izy.
Afaka manatsoaka fianarana avy amin’izany fakam-panahy nahazo an’i Jesosy izany isika. Ohatra, ampahafantariny antsika fa, mifanohitra amin’ny hevitry ny sasany, dia tsy ny ratsy fotsiny akory ny Devoly fa persona tsy hita maso tena misy. Ny anankiray amin’ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesosy dia mampiharihary koa fa ny fitondram-panjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao dia fananan’ny Devoly. Raha tsy izany tokoa no izy, ahoana no mety hahatonga ny fanolorany hahaforona tena fakam-panahy?
Eritrereto koa izao: Nilaza ny Devoly fa raha miankohoka indray mandeha monja i Jesosy, dia vonona ny hamaly soa azy izy, hanome azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao. Tena mety haka fanahy antsika amin’ny fomba mitovy amin’izany ny Devoly, angamba amin’ny fanolorana antsika fahafahana mampilendalenda aoka izany hahazo harena, fahefana na toerana miavaka eo amin’izao tontolo izao. Hiseho ho hendry anefa isika amin’ny fanarahana ny ohatra nomen’i Jesosy; tsy hivadika hatrany amin’i Jehovah na inona na inona fakam-panahy. Matio 3:16; 4:1-11; Marka 1:12, 13; Lioka 4:1-13.
◆ Tamin’ny heviny ahoana moa no hoe nisokatra tamin’i Jesosy ny lanitra?
◆ Ahoana no nakan’ny Devoly fanahy an’i Jesosy?
◆ Inona no fantatsika avy amin’ny fakam-panahy nahazo an’i Jesosy?
[Sary, pejy 25]