“Ny asa tsara indrindra”, “ny fiainana mahafinaritra indrindra”
Rehefa avy nandalina ny Soratra grika kristiana i John Wycliffe, mpandika tenin’ny Baiboly be herim-po izay velona tamin’ny taonjato faha-14, dia tonga tamin’ny famaranan-kevitra niavaka momba ny andraikitry ny olombelona eo anoloan’ilay Andriamanitra Tsitoha. Araka ny tantarain’i H. Conant ao amin’ny bokiny hoe The English Bible, dia izao no nambaran’i Wycliffe: “Ho an’ny olona iray, ny asa tsara indrindra dia ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra.” Taonjato vitsivitsy taty aoriana, tamin’ny 1714, ny mpandinika Baiboly hafa iray, Matthew Henry, dia hanonona hevitra sahala amin’izany eo am-bavahoana. Izao izany: “Ny fiainana lany miaraka amin’Andriamanitra sy mba hanompoana azy no fiainana mahafinaritra indrindra mety hananana eto amin’izao tontolo izao.”
Amin’izao andro izao, dia Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny dimy hetsy sy roa tapitrisa no mandray indray amin’ny fo rehetra ireo teny ireo. Tena manana “ny fiainana mahafinaritra indrindra” tokoa izy ireo. Fa nahoana? Satria mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana maneran-tany izy ireo, araka izao fananarana izao: “Derao Jah, (...) fa mahafinaritra izany.” — Salamo 147:1, MN.