Ny fiadanana, ny filaminana ary ny ‘sarin’ny bibi-dia’
“Dia nentiny tamin’ny Fanahy ho any an-efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.” — APOKALYPSY 17:3.
1. Nahoana moa no mahaliana antsika ilay bibi-dia manan-doha fito sy tandroka folo hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana?
HITAN’NY apostoly Jaona tao amin’ny fahitana iray ara-tsindrimandrin’Andriamanitra io biby mahatsiravina io. Tsy izy irery ihany anefa no nahita azy io. Azo inoana fa nahita azy koa ny tenanao, na fara faharatsiny, dia novakinao izay lazain’ireo gazety momba azy io. Fantatrao ve izy io?
2, 3. Zava-manan’aina inona no hitan’i Jaona tao amin’ny fahitany?
2 Mazava ho azy fa rehefa mahita an’io bibi-dia io isika amin’izao andro izao dia tsy araka ny nilazalazan’i Jaona azy akory no ahitantsika azy ivelany. Ny hitan’i Jaona dia fampisehoana ara-panoharana, zavatra hisy eto an-tany amin’ny “Andron’ny Tompo”. (Apokalypsy 1:10.) Ankehitriny isika dia mahita maso ny tena izy izay ny sariny no nolazalazainy. Ny endrika maharikoriko nisehoan’ilay bibi-dia teo imason’i Jaona dia taratry ny fomba fiheveran’i Jehovah izay asehony: maharikoriko eo imasony izany. Tao amin’ny fahitany, Jaona dia efa vavolombelon’ny nandroahana ho any ivelan’ny lanitra an’i Satana Devoly “manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny”. (Apokalypsy 12:12.) Hitany koa ireo fandehan-javatra ara-politikan’izao tontolo izaon’i Satana tamin’ny endriky ny biby sampona iray manan-doha fito sy tandroka folo izay niakatra avy amin’ny “ranomasina”, izany hoe ny olombelona (Apokalypsy 13:2; 17:15; Isaia 57:20; Lioka 4:5, 6). Nampihatra ny fahefany teo amin’ny olombelona rehetra io bibi-dia io ary nanery ny olona handray ‘ny mariky ny bibi-dia’ eo amin’ny tanana ankavanana na eo amin’ny handrina, ka milaza izany fa nanohana azy ireo. — Apokalypsy 13:7, 16, 17.
3 Nahita ny olona nanao sarin’io bibi-dia io koa i Jaona (Apokalypsy 13:14, 15). Io sary io no naseho taminy tao amin’ilay fahitana voatonona eo ambony ary voatantara ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17. Koa satria handray anjara lehibe amin’ny fisehoan-javatra ho avy io ‘sary’ manan-doha fito sy tandroka folo io, dia tena zava-dehibe ny hamantarantsika azy. Ahoana no hetezan’izany?
Ny ‘sarin’ny bibi-dia’ amin’izao andro izao
4, 5. Mampiseho inona moa ireo lohan’ny bibi-dia?
4 Ny anjely iray dia nanome an’i Jaona fanazavana vitsivitsy izay mahasoa antsika tokoa. Hoy izy taminy: “Ny loha fito dia tendrombohitra fito, izay ipetrahan-dravehivavy. Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.” (Apokalypsy 17:9, 10). Ny fanononana ny teny hoe “mpanjaka” sy “tendrombohitra” izay, ao amin’ny Baiboly, dia matetika no mampiseho fanjakana ara-politika, dia milaza fa mampiseho fitondram-panjakana ireo lohan’ilay bibi-dia (Jeremia 51:25). Inona àry ireo fitondram-panjakana fito resahina?
5 Tamin’ny andron’i Jaona, dia efa lavo ny dimy, mbola teo ny iray ary ho avy ny hafa iray. Araka ny tantaran’ny Baiboly, tamin’ny andron’ilay apostoly, dia nandroso ny empira dimy lehibe, nampahory ny olon’Andriamanitra avy eo dia nirodana. Tsy iza izany fa Egypta, Asyria, Babylona, ny Herim-panjakana mediana sy persiana ary Grisia. Tamin’ny andro nahaveloman’i Jaona, dia ny Empira romana no nampihatra ny fahefana. Taonjato maro taorian’ny nahafatesan’ilay apostoly, dia nanjavona tsy ho eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena io empira io tamin’ny naha-herim-panjakana manapaka mba hosoloana ny Empira britanika tamin’ny farany. Fotoana fohy taty aoriana, ny zanatany tandrefana sasany tamin’io empira io dia nahazo ny fahaleovan-tenany mba hahaforona miaraka amin’i Grande-Bretagne, ny Herim-panjakana anglisy amerikana. Io no “mpanjaka” “mbola tsy tonga” tamin’ny andron’i Jaona. Inona no fifandraisana nisy tamin’ilay bibi-dia hitan’i Jaona sy ireo empira fito nasehon’ny lohany? Io bibi-dia io koa dia “mpanjaka fahavalo nefa avy amin’ireo fito”. — Apokalypsy 17:11, MN.
6. a) Mampiseho inona ireo tandrok’ilay bibi-dia? b) Tamin’ny heviny ahoana izy ireo no “tsy mbola nahazo fanjakana”?
6 Aza hadinoina koa fa nanana tandroka folo ilay bibi-dia. Izao no nolazain’ilay anjely ny amin’izy ireo: “Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin’ny bibi-dia izy.” (Apokalypsy 17:12). Ao amin’ny Baiboly, ny isa folo dia manondro izay feno raha ny amin’ny zavatry ny tany. Ireo tandroka folo ireo àry dia mampiseho ny fitondram-panjakana rehetra eto an-tany manohana ny bibi-dia kelikely (“iray ora”) amin’ny “Andron’ny Tompo”. Anisany ny Herim-panjakana fahafito mbamin’ireo fitondram-panjakana amin’ny andro ankehitriny avy amin’ny ‘lohan’ny bibi-dia’ enina hafa izay tsy herim-panjakana intsony. Tsy nisy tamin’ny andron’i Jaona ireo “mpanjaka” ireoa. Rehefa nandray fahefana izy ireo izao, dia “manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibi-dia”. — Apokalypsy 17:13.
7, 8. a) Inona moa ny bibi-dia hitan’i Jaona tao amin’ny fahitany voatantara ao amin’ny Apokalypsy toko faha-17? b) Inona no ifandraisany amin’ny loha sy ny tandroka?
7 Fantatrao ve izao hoe inona io bibi-dia io? Izy io dia mifanitsy amin’ilay “zavatra maloto mahatonga loza” izay nanomboka tamin’ny Fikambanam-pirenena ary misy amin’izao andro izao amin’ny endriky ny Fandaminan’ny Firenena mikambana (Matio 24:15; Daniela 12:11). Fa amin’ny heviny ahoana io fandaminana io no ‘avy amin’ireo herim-panjakana fito’? Amin’ny heviny hoe, sahala amin’ny herim-panjakana fahavalo iray, io fandaminana io amin’ny fitambarany, oharina amin’ny bibi-dia, dia natao nisy tamin’ny alalan’ireo fitondram-panjakana efa misy, ka ny Herim-panjakana anglisy amerikana no mpiaro sy mpanohana azy lehibe indrindra.
8 Afa-tsy izany koa, araka ny nolazain’ilay anjely tamin’i Jaona, ireo “tandroka folo” dia “manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ilay bibi-dia”. (Apokalypsy 17:13.) Raha ny marina, raha tsy misy ny fanohanan’ireo fitondram-panjakana asehon’ireo loha sy ireo tandroka, dia tsy ho nanana fahefana mihitsy ilay bibi-dia. Nahoana? Satria izy io dia sary fotsiny (Apokalypsy 13:14). Sahala amin’ny sary rehetra, dia tsy manana hery mihitsy amin’ny tenany ihany izy io (Isaia 44:14-17). Ny fiainana mety hananany dia avy amin’ireo izay manohana azy (Apokalypsy 13:15). Indraindray, ny fitondram-panjakana sasany dia manao asa fanapahan-javatra sasany amin’ny alalan’ny Firenena mikambana, ohatra, nandritra ny ady tany Korea.
9. Ahoana no anamafisana ny fampahafantarana ilay bibi-dia?
9 Io fampahafantarana ny bibi-dia io dia voamarin’ny antsipiriany hafa nomen’ny anjely, manao hoe: “Ny bibi-dia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin’ny fandringanana.” (Apokalypsy 17:8). Nisy fahatanterahany kely tamin’ireo teny ireo. Tena niteraka fanjavonan’ny Fikambanam-pirenena tokoa ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin’ny 1942, rehefa takatry ny Vavolombelon’i Jehovah tsara io faminaniana io, dia azo natao ny nilaza ny amin’ny “bibi-dia”, ny Fikambanam-pirenena tamin’izay hoe: “Tsy eob” izy. Tamin’ny 1945 anefa dia ‘niakatra avy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa’ izy io tamin’ny endriky ny Fandaminan’ny Firenena mikambana. Ho afaka hanorina ny fiadanana sy ny filaminana ve izy io? Tsia no avalin’ny faminaniana. Tokony “ho lasa ho amin’ny fandringanana” kosa izy io.
Iza no mitaingina ny bibi-dia?
10, 11. a) Iza no nitaingina ilay bibi-dia voalazan’ny fahitana? b) Ahoana no nahatanterahan’io lafiny amin’ny fahitana io amin’izao androntsika izao?
10 Nanamarika zavatra hafa momba ilay bibi-dia ve ianao? Misy “vehivavy” mitaingina azy. Io “vehivavy” io dia tondroina ho ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, “Babylona lehibe, renin’ny mpijangajanga sy ny zava-betaveta amin’ny tany”. (Apokalypsy 17:3-5, 15.) Moa ve ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao ‘nitaingina’ ireo fandaminana roa resahina mba hanandramana mitarika ny fihazakazahan’izy ireo? Eny, ary indrindra fa ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana.
11 Ohatra, ny amin’ireo solontenan’ny Fiangonana protestanta any Amerika, Grande-Bretagne sy ireo tany skandinavy izay nanatrika ireo fotoam-pivorian’ny Fikambanam-pirenena, Pierre van Paassen, masoivoho neherilanday, dia niresaka ny amin’ny “zavatra sahala amin’ny hafanam-po ara-pivavahana”. Tamin’ny 1945, dia izao no nambaran’ny Filan-kevitra federalin’ny Fiangonan’i Kristy any Amerika: “Tapa-kevitra izahay ny hiasa ho amin’ny fanitarana tsy tapaka raharaha fanasitranana sy famoronana ataon’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana.” Tamin’ny 1965, ny papa Paul VI dia nanizingizina ny fiheverany an’io fandaminana io ho ‘taratry ny fikasana ambony indrindra sy feno fitiavan’Andriamanitra ho fampandrosoana ny fianakavian’olombelona eto an-tany, dia taratra ahitantsika ny hafatry ny Filazantsara, izay any an-danitra, tonga eto an-tany’. Tena nofenoin’ireo filoha ara-pivavahana “anarana fitenenan-dratsy” tokoa io fandaminana io. — Apokalypsy 17:3; jereo Matio 24:15; Marka 13:14.
Tsy hery ho an’ny fiadanana akory izy io
12. Inona moa no fifandraisan’ireo mpanohana ny Firenena mikambana sy ny Fanjakan’Andriamanitra?
12 Tsy mitana fifandraisana tsara amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Firenena mikambana. Raha ny marina, ny mpanohana azy dia manohitra an’io. Hoy ny anjely tamin’i Jaona: “Ireo [ny tandroka folo] dia hiady amin’ny Zanak’ondry, ary ny Zanak’ondry haharesy azy, satria Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.” (Apokalypsy 17:14). Mifanaraka amin’ilay faminaniana, ireo firenena dia tsy nitsahatra ‘niady tamin’ny Zanak’ondry’ tamin’izao andro farany izao tamin’ny fiadiana sy tamin’ny fanenjehana ny olona izay miasa amin’ny maha-ambasadaoron’ny Fanjakany. Kanefa, tsy hay resena ny Zanak’ondry, toy izany koa ireo mpanompony eto an-tany izay manohy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra na dia ao aza ny fandrarana, ny fampidirana an-tranomaizina ary na dia ny fahafatesan’ny sasany aza. — Matio 10:16-18; Jaona 16:33; I Jaona 5:4.
13. Nahoana moa ny Firenena mikambana no tsy hety mihitsy ho hery ho fanohanana ny tena fiadanana?
13 Raha ny marina, ny Firenena mikambana dia tsy ho hery hanohanana ny tena fiadanana mihitsy. “Babylona lehibe” izay mitaingina an’io fandaminana io, dia anankiray amin’ireo mamporisika hanao ady ratsy indrindra teo amin’ny Tantara, ary “leon’ny ran’ny olona masina sy ny ran’ny maritioran’i Jesosy” koa izy io. (Apokalypsy 17:6.) Ny adin’ireo firenena izay manohana ny O.N.U. dia nampilomano ny tany tamin’ny ra (Matio 24:6, 7). Fa raha ny amin’i Satana Devoly, ilay “dragona lehibe”, ilay hery miasa ao ambadik’ireny firenena ireny, dia azo antoka fa tsy tia filaminana akory izy io (Apokalypsy 12:9, 17; 13:2). Tsy hahita filaminana na oviana na oviana àry ny olombelona raha mbola haharitra koa ireo fototra ireo. Tokony hanjavona ireo.
Izay hahatonga ny fiadanana hety
14. a) Tao amin’ny fahitan’i Jaona, inona no nitranga tamin’ilay vehivavy nitaingina ny bibi-dia? b) Ahoana no hahatanterahan’izany?
14 Ny fivavahan-diso no hanjavona voalohany, ary izany dia amin’ny fomba mahagaga. Toy izao no ho fitrangan-javatra: “Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka azy sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ny afo.” Loza re izany ho an’ny olombelona (Apokalypsy 17:16; 18:9-19)! Ny “tandroka” mpanindrahindra firenena sy mpandrava no mandray anjara lehibe ao amin’ny Fandaminan’ny firenena mikambana izay handrava azy. Izany dia mampahatsiahy amin’ny fomba mahagaga ny teny ara-paminanian’i Jesosy ilazana fa handrava an’i “Jerosalema” ilay “zavatra maloto”. (Marka 13:14-20; Lioka 21:20.) Kanefa raha ireo firenena mihitsy no hanao izany fandravana izany, raha ny marina dia hampihatra ny fanamelohan’Andriamanitra an’ilay “vehivavy janga lehibe” izy, ka ao anatin’izany ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana. Inona no ho vokany? “Tsy ho hita intsony izy [ny fivavahan-diso].” — Apokalypsy 17:1; 18:21.
15, 16. a) Inona moa no atao hoe “fahoriana lehibe”? b) Hiafara amin’ny inona izany? d) Ahoana no hisakanana an’i Satana tsy hanimba ny fahatsinjovam-piadanana ho an’ny olombelona?
15 Nambaran’i Jesosy fa ny fandravana ny fivavahana lazaina fa kristiana dia hanamarika fiandohan’ny “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”. (Matio 24:15, 21.) Aorian’izany, ao anatin’io fahoriana io, ny Fanjakan’Andriamanitra dia hampihatra fanamelohana eo amin’ny tapany ara-politika sy ara-barotra rehetra amin’ny fandaminan’i Satana (Daniela 2:44). Tao amin’ny fahitany, dia hitan’i Jaona nanaraka izany ilay Mpanjaka niasa: “Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.” Milahatra hanohitra azy ireo firenena ara-politika amin’ny tany miaraka amin’ny ‘sarin’ny bibi-dia’. Inona no hiafaran’io ady io? Mbola ny fandravana ireo izay manohitra ny fiadanana ihany. — Apokalypsy 19:11, 19-21.
16 Amin’izay dia tsy hisy intsony afa-tsy vato misakana lehibe iray ho an’ny fiadanana: ny tenan’i Satana Devoly. Nanohy ny teniny i Jaona tamin’ny fampisehoana ny fomba hanaovana izay tsy hahafahan’ilay fahavaloben’ny olombelona hanimba intsony; hoy izy: “Ary, hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona.” — Apokalypsy 20:1-3.
Izao no fotoana tokony hisafidianana
17. Inona izao no tokony hataon’ny isam-batan’olona izay maniry hahita fiorenan’ny tena fiadanana?
17 Miaina amin’ny fotoam-piovana lehibe ho an’ny olombelona isika. Raha esorina ireo fandaminana sy fitondram-panjakana, ny ho anjaran’ny isam-batan’olona dia miankina be dia be amin’ny safidy ataony manokana. Noho ny fitiavany, dia nanome izao baiko izao Jehovah: “Tsy maintsy torina amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara”, avy eo dia ho tonga ny fahoriana lehibe (Marka 13:10, MN ). Ny olona tia fiadanana dia asaina ‘hivoaka’ avy ao Babylona Lehibe (Apokalypsy 18:4). Ireo izay ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia anarina mba “handositra ho any an-tendrombohitra”. (Lioka 21:21.) Fa raha ny amin’ny olona izay manaiky ny Fanjakan’Andriamanitra, dia tokony hitandrina izy ireny mba tsy handray ‘ny mariky ny bibi-dia’. (Apokalypsy 14:9-12; Jaona 17:15, 16.) Misy lehilahy sy vehivavy mahitsy fo maro be ‘avy amin’ny fahoriana lehibe’. (Apokalypsy 7:9-14.) Raha ny marina dia tsy misy mihitsy olona voatery ho ringana miaraka amin’ny fandehan-javatr’i Satana. — Ohabolana 2:21, 22.
18, 19. a) Inona no azo lazaina raha ny amin’ny fotoana hipoahan’ny fahoriana lehibe? b) Ahoana no iomanan’ny kristiana ho amin’izany fotoana izany?
18 Fa rahoviana no hitranga izany fisehoan-javatra hanakorontana ny tany izany? Re maneran-tany amin’izao andro izao ny “vaovao tsara”. Fa raha ny amin’ilay “zavatra maloto”, dia efa ao izy io (Matio 24:14-16, MN ). Raha ny marina, ‘ny sarin’ny bibi-dia’ dia efa ao amin’ny dingana faharoa amin’ny fahavelomany ary tokony “ho lasa ho amin’ny fandringanana”. (Apokalypsy 17:8.) Ny fahatanterahan’ny “famantarana” dia mampiseho fa miaina amin’ny fotoana fanatrehan’i Jesosy isika nanomboka tamin’ny 1914, izany hoe hatramin’ny 72 taona izao (Matio 24:3). Izao anefa no nolazain’i Jesosy: “Raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Matio 24:33, 34). Tokony ho akaiky dia akaiky àry ny “fahoriana lehibe”. Azo atao ve ny ho hentitra kokoa noho izany? Tsia, ankehitriny.
19 Nanambara ny apostoly Paoly hoe: “Rehefa hilaza izy ireo hoe: ‘Fiadanana sy filaminana!’, dia tokony ho tonga avy hatrany eo aminy ny fandringanana tampoka.” (I Tesaloniana 5:3, MN ). Ho taitra amin’ny fomba hahatsiravina ny olona amin’ny ankapobeny, fa tsy ho toy izany ny kristiana. Fantatr’ireo fa antomotra io fotoana io ka arahiny izao torohevitr’i Jesosy izao: “Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany”. — Lioka 21:36.
20. Nahoana moa no tsy afaka milaza ny kristiana amin’izao andro izao hoe rahoviana marina no hitranga ny fahoriana lehibe?
20 Tsy azon’ny kristiana lazaina mialoha anefa ny hoe rahoviana no tena hipoahan’ny fahoriana lehibe. Tsy nambaran’i Jehovah ‘na ny andro na ny ora’. (Marka 13:32; Matio 24:42.) Araka izany, rehefa manambara ny Firenena mikambana fa ho “Taonan’ny fiadanana iraisam-pirenena” ny 1986, dia mandinika ny fisehoan-javatra amim-pahalianana ny kristiana. Tsy azony atao anefa ny milaza mialoha raha ho fahatanterahan’ny tenin’i Paoly voatonona eo ambony izany. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah anefa izy ireo noho ny nanomezany azy fahafahana hamantatra izay asehon’ny ‘sarin’ny bibi-dia’ sy “ny zavatra maloto mahatonga loza”. Hitany amin’izany araka ny ahitan’i Jehovah azy io fandaminana io ka noho izany dia tsy manaiky ho voafitaky ny fiezahana ataony mba hanorenana fiadanana izy ireo.
21. a) Fiadanana inona no efa ananan’ny kristiana dieny izao? b) Inona no azony andrasana amim-pitokisana tanteraka?
21 Ny olona ‘miambina’ sy manaiky an-tsitrapo ny Fanjakan’Andriamanitra dia manana fiadanana dieny izao. Momba azy ireo Jehovah, “Andriamanitry ny fiadanana” ary manome azy ‘ny fiadanany izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra’. (Filipiana 4:7, 9.) Ambonin’izany, dia antenainy ny hahita amin’ny ho avy tsy lavitra loatra, ny tany manontolo handray soa amin’ny fahatanterahan’ity faminanian’Isaia mahafinaritra ity: “Ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay; ary ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po.” (Isaia 32:16-18). Hanjaka haneran-tany amin’izay ny filaminana (Isaia 11:9). Ho tena fiadanana izany satria ho asan’i Jehovah.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Amin’izao andro izao ny sehatra ara-politika maneran-tany dia hafa dia hafa noho ny tamin’ny andron’i Jaona. Vitsy dia vitsy ny firenena, anisan’ny O.N.U. ankehitriny, efa nisy tamin’izany fotoana izany. Marina àry ny hilazana fa “tsy mbola nandray fanjakana” izy ireny. Misy maningana vitsivitsy ihany anefa, sahala amin’i Egypta, kanefa na dia amin’izany toe-javatra izany aza dia niova aoka izany ny karazam-pahefana tao anatin’ireo taonjato, hany ka mbola marina ihany ny tenin’ilay anjely: “tsy mbola nandray fanjakana” ireo fitondram-panjakana mitana toerana ankehitriny tamin’ny andron’ilay apostoly.
b Ny 20 septambra 1942, raha mbola nitohy tamin’ny firehetany rehetra ny Ady Lehibe Faharoa, ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower dia nanonona, tamin’ny Fivoriambe teokratikan’izao tontolo izao vaovao, lahateny iray nitondra ny lohateny hoe ‘Haharitra ve ny fiadanana ho avy?”. Nasehon’ilay mpandahateny avy amin’ny Apokalypsy toko faha-17 fa, mifanohitra amin’ny nantenain’ny olona maro, ny ady niraisam-pirenena dia tsy hiafara amin’ny Hara-Magedona akory, fa ilay ‘bibi-dia ho amin’ny fandriampahalemana’ kosa dia tokony hiakatra avy any amin’ny lavaka tsy hita noanoa aloha, hivoaka avy ao amin’ny tsy fanaovana na inona na inona, mba hanjaka mandritra ny “iray ora” ara-panoharana miaraka amin’ireo fanjakana ara-politika.
Tadidinao ve?
◻ Inona moa no toetoetra sasany mampiavaka an’ilay bibi-dia voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 17?
◻ Mampiseho inona moa io bibi-dia io?
◻ Nahoana moa io bibi-dia ara-panoharana io no tsy ho afaka hanorina fiadanana mihitsy?
◻ Ahoana no hanorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra fiadanana sy filaminana ho an’ny olombelona amin’ny farany?
◻ Ahoana no azon’ny tsirairay avy andraisan-tsoa amin’ny fahalalana izany toe-javatra izany?
[Teny notsongaina, pejy 15]
Ny papa Paul VI dia nahita teo amin’ny Firenena mikambana, ‘taratry ny fikasana ambony indrindra sy feno fitiavan’Andriamanitra ho fampandrosoana ny fianakavian’olombelona’.
[Sary, pejy 17]
Ny olona tia fiadanana dia anarina mba ‘hivoaka’ avy ao Babylona Lehibe.