Ny fiadanana sy ny filaminana: avy aiza no hiaviany?
NA DIA nitondra fanampiana sarobidy aza ny Fandaminan’ny Firenena mikambana teo amin’ny lafiny sasany, izay rehetra mahafantatra ny mitranga maneran-tany dia tokony hanaiky fa hatramin’izao izy io dia tsy nahomby teo amin’ny lafin’ny fiadanana sy ny filaminana. Miaiky izany ankarihary na dia ireo mpiaro azy mafana fo aza.
Araka izany, tamin’ny 1953, valo taona monja taorian’ny namoronana ny O.N.U., Dag Hammarskjöld, sekretera jeneraly tamin’izany fotoana izany, dia niaiky hoe: “Raha nanonofinofy lanitra vaovao ireo teo alohantsika, ny fanantenana mamintsika indrindra kosa dia ny hamelana antsika hamonjy an’ity tany tranainy ity.” Enina amby roapolo taona taty aoriana, dia voatery niaiky toy izao i C. William Maynes, mpanampy ny sekreteram-panjakana amerikana: “Ny zava-kendren’ny Filan-kevi-pilaminana sy ny Fivoriambe voalohany indrindra dia ny fitandroana ny fiadanana sy filaminana iraisam-pirenena (...). Mazava fa tsy nahatratra ny zava-nokendreny voalohany ny O.N.U.”
Mety ve izany fanantitranterana izany?
Ny marina dia hoe ny ankamaroan’ireo fanapahan-kevitra lehibe mahakasika ny fiadanana sy ny filaminana tao anatin’ny efapolo taona farany dia natao tany ivelan’ny O.N.U. tanteraka. Tamin’ny 1982, ny sekretera jeneraly, Javier Pérez de Cuellar, dia nitaraina satria hitany “tamin’io taona io, imbetsaka dia imbetsaka, ny fanilihana na famelana ilay fandaminana noho ny antony iray na ny antony hafa, tao anatin’ny tarehin-javatra tokony sy azony nandraisana anjara lehibe sy manorina”. Nahoana?
Ny sasany milaza fa ny fitomboana mahagagan’ny isan’ny mpikambana ao amin’ny O.N.U. no mahatonga izany. Ny tany mpikambana 51 tamin’ny famoronana azy dia tafakatra ho 150 mahery, ary mitovy ny vaton’ny tany tsirairay avy ao amin’ny Fivoriambe. Kely dia kely anefa ny sasany amin’ireny firenena ireny. Araka izany, ny nosy Saint Christopher sy Nevis, firenena faha-158 nikambana tamin’ny O.N.U., dia manana mponina latsaka ny 50 000; ny fandatsaham-baton’io tany io anefa dia mitovy lanja amin’ny an’i Shina izay manakaiky ny iray lavitrisa ny isan’ny mponina. Mazava ho azy fa izany fandaharana izany dia manome ho an’ireo tany madinika, fahafahana hohenoina, kanefa tsy mamporisika loatra an’ireo fanjakana lehibe hihevitra ho zava-dehibe ny fanapahan-kevitry ny O.N.U.
Nametraka zava-manahirana hafa iray i Shirley Hazzard: “Ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, hoy izy, dia tsy nomena fahefana hampiasa fanerena, satria ireny fahefana ireny angamba eo an-tanan’ireo firenena mpikambana izay tsy isalasalana fa mila ny hampiharana fanerena indrindra.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny O.N.U. dia afaka manao fanapahan-kevitra, kanefa amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia tsy afaka mampanaja izany izy. Misy zava-manahirana iraisam-pirenena lehibe dinihina maharitra tsy tapaka. Misy fanapahan-kevitra lanina ampahibemaso, avy eo dia hadino. Tamin’ny 1982, ny sekretera jeneralin’ny O.N.U. dia voatarika hitaraina satria “ireo fanapahan-kevitra natao dia tsy nohajain’ireo izay nanaovana azy”.
Vao hitantsika ireo zava-manahirana tsy misaraka amin’ilay fandaminana mihitsy ary, araka ny filazan’ny manam-pahaizana manokana, dia misy maro hafa koa amin’izany. Nefa, raha ny marina, ny tsy fahombiazany dia avy amin’ny zava-manahirana lalina sy lehibe lavitra.
Zava-manahirana lalina kokoa
Raha nampahatsiahy ny fitotoran’ireo mpanorina ny O.N.U. amin’ny hevitra fa tsy amin’ny zava-misy i Javier Perez de Cuellar dia nanambara hoe: “Toa azo natao tamin’izay ny namorona, mba hahazoana izay nilaina indrindra, fandehan-javatra iray izay hitana ny fiadanana sy ny filaminana araka ny fandaharana amin’ny Fitsipika itondrana. Inona no niafaran’izany fahitana mahatalanjona izany. Vetivety dia nohamaizinin’ny tsy fifanarahana nampifanohitra ireo fanjakana lehibe izany (...). Afa-tsy izany koa, izao tontolo izao dia niharihary ho be kojakojany lavitra sy mikorontana lavitra tsy araka ny nanantenana azy.”
Raha ny marina, ny O.N.U. dia tsy afaka nanampo mihitsy ny ho afaka hanorina fiadanana sy filaminana. Adidy sarotra loatra fotsiny izany. Ny famoaboasan-kevitra nataon’ny sekretera jeneraly dia mampahatsiahy antsika ireto tenin’i Jeremia mpaminany ireto: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany.” (Jeremia 10:23). Ny olombelona, izay ny fahendrena sy ny fahaizany dia voafetra, dia tsy ho afaka na oviana na oviana hitondra fiadanana sy filaminana ho an’ny rehetra.
Araka ny filazan’ilay sekretera jeneraly, ireo mpanorina ny O.N.U. dia nahatsapa fa “be kojakojany” kokoa tsy araka ny nantenainy izao tontolo izao. Toa tsy fantatr’izy ireo ny antony lehibe indrindra mahatonga izany toe-javatra izany. Manazava izany amin’izao teny izao anefa ny apostoly Jaona: “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (I Jaona 5:19). Ampahafantarin’ny Baiboly antsika fa amin’izao andro izao ilay “ratsy”, Satana, dia mahatonga “loza ho an’ny tany”, satria “manana fahatezerana lehibe”. (Apokalypsy 12:12.) Ny fandaharana rehetra nataon’ny O.N.U. mba hanorenana fiadanana dia voatokana ho amin’ny tsy fahombiazana noho Satana sy ny heriny manimba.
Tsy tokony hohadinoina koa fa zanak’izao tontolo izao ny Fandaminan’ny Firenena mikambana ka nandova ny toetoetrany. Tsy maintsy hita koa eo anivon’ny O.N.U. àry ireo fahalemena, faharatsiana, fanimbana mampiavaka ireo firenena mpikambana. Izao no nambaran’i Alexandre Soljenitsyne tamin’ny 1972: “Ampahefatry ny taonjato lasa izay no nahaterahan’ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, niaraka tamin’ny fanantenana lehibe teo amin’ny olona rehetra. Mampalahelo anefa fa noho izy io nitombo teo amin’izao tontolo izao ratsy fitondrantena, dia nanjary ratsy fitondrantena koa izy.” Manome izao fampitandremana izao ny Baiboly: “Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.” (Isaia 48:22). Tsy ho afaka hanorina fiadanana sy filaminana na oviana na oviana ny fandaminana iray “ratsy fitondrantena”.
Rahoviana no hisy fiadanana sy filaminana?
Amin’izany, hiova ve ny zavatra amin’ny 1986 amin’ny “Taonan’ny fiadanana iraisam-pirenena”? Tena tsy azo inoana izany, satria ireo zava-manahirana voatonona eo ambony dia tsy mety ho voalamin’ny olombelona tanteraka. Tsy isalasalana fa tsy hampandroso kokoa ny olombelona ho amin’ny fiadanana ny “Taonan’ny fiadanana” toy ny tsy nanatsaran’ny “Taonan’ny ankizy” tamin’ny 1979 ny manjo ny ankizy eo amin’izao tontolo izao, na tsy nitondran’ny ‘Taona niraisam-pirenena ho an’ny vehivavy’ tamin’ny 1975, fiainana mahafinaritra kokoa ho an’ny vehivavy.
Kanefa raha tiana tsy ho lany tamingana ny olombelona, dia tena tokony hisy olona hanao zavatra ho fanohanana ny fiadanana sy ny filaminana. Manana hery hoenti-mandringana saika ny aina rehetra eto an-tany ankehitriny ireo firenena manana fitaovam-piadiana noklehera. Faran’izay be kojakojany ireo fiadiana fahita hatramin’ny ela ka maka ain’olona maro be mahatsiravina isan-taona. Toa mbola vao mainka tsy mety ho azo tsy nisy toy izany mihitsy ny tena fiadanana. Raha tsy nahalamina izany zava-manahirana izany ny Firenena mikambana, iza no afaka manao izany?
Manome antsika antony tokony hanantenana ny fanopaza-maso any amin’ny lasa. 3 000 taona teo ho eo izay, Davida mpanjaka, mpiady iray tany Atsinanana Afovoany, dia nanoratra faminaniana iray mahakasika mpanjaka ho avy iray izay hahomby amin’ny fanorenana ny fiadanana maneran-tany. Raha nanonona vavaka momba an’io mpanjaka io i Davida dia nilaza hoe: “Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an’ny olona, eny, ny havoana koa amin’ny fahamarinana. Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.” — Salamo 72:3, 7.
Mpitondra iza no tena ho afaka hanorina fiadanana maharitra toy izany? Tsy fandaminan’olombelona akory no notondroin’i Davida eo; tiany kosa ny hilaza fa ho tanteraka izany noho ny fahefan’ny Andriamaniny, Jehovah. Nofinofy tsara fotsiny ve izany? Tsia. Nitoky tamin’Andriamanitra koa i Solomona, zanak’i Davida. Tamin’ny andro nanjakany anefa dia nanorina ohatra Jehovah rehefa nampiseho ny heriny tamin’ny fampanjakana ny fiadanana teo amin’ny fanjakany izay tao anatin’ny anankiray tamin’ireo faritra teo amin’izao tontolo izao norotidrotehin’ny ady indrindra anefa. Tsy mpiady akory i Solomona, kanefa nandritra ny andro nanjakany, ‘ny Joda sy ny Isiraely dia nandry fahizay, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana [avaratra] ka hatrany Beri-sheba [atsimo]’. — I Mpanjaka 5:5.
Mazava ho azy fa tsy naharitra akory io fiadanana io. Nanaraka ireo lalan-dratsin’izao tontolo izao ny Isiraelita ka namoy izany filaminana avy tamin’Andriamanitra izany. Na dia izany aza, 200 taona taty aoriana, rehefa nanomboka nampihatra fiadanana tamin’ny alalan’ny horohoro ny Asyriana lozabe, dia naminany ny amin’ny hahatongavan’ilay Mpanjaka nasehon’i Solomona Isaia mpaminany. Izao no nosoratany: “Ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina (...) Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.” — Isaia 9:5, 6.
Iza moa io “Andrian’ny fiadanana” io? 700 taona mahery taorian’i Isaia, raha mbola nanandrana nampanaja ny filazany ny amin’ny fiadanana sy filaminana iraisam-pirenena ny Herim-panjakana romana, io Mpanjaka io dia nipoitra tao amin’ny tanin’i Davida, tany Jodia, tamin’ny tenan’i Jesosy Kristy. Ireo mpiray firenena taminy dia niresahany ny amin’ilay Fanjakana, izay izy no tokony ho tonga Mpanjaka ao aminy. Koa satria any an-danitra io Fanjakana io dia ho afaka handamina ireo zava-manahirana ateraky ny fitaoman’i Satana sy ny tsy fahaizan’ny olona mitondra ny tenany. Toa naleon’ny Jiosy ny fanapahana romana, satria nasainy notsaraina sy novonoina i Jesosy. Porofoin’ny Tantara anefa fa natsangana tamin’ny maty izy ary niakatra ho any an-danitra, ka niandry ny fotoana voatendrin’Andriamanitra mba hanombohana handray fiandrianana amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ny fahatanterahan’ireo faminaniana anefa dia mampiseho mazava fa tokony hitranga amin’izao androntsika izao io fisehoan-javatra lehibe io. Teraka tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra ary nazera ho etỳ amin’ny tany Satana, “manana fahatezerana lehibe” ary mahatonga “loza ho an’ny tany”. (Apokalypsy 12:7-12.) Inona no vokatr’izany? Mamely ny tany ny ady sy fahoriana hafa, araka ny nambaran’ny tenan’i Jesosy. Ny planetantsika dia manjary isehoan’ny “fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra”. — Lioka 21:25, 26; Matio 24:3-13.
Ny lalan’Andriamanitra sa ny an’ny olombelona?
Ireo faminanian’i Jesosy, nisy efa ho roa arivo taona izao, dia manome antsika filazalazana toe-piainana maneran-tany marina lavitra noho ireo fanambarana zavatra hihatsara notononina tamin’ny namoronana ny O.N.U., efapolo taona lasa izay. Ny tsy fahombiazan’io fandaminana ‘very hevitra’ io dia manaporofo fotsiny ny fahamarinan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. Marina tokoa fa, araka ny nolazain’Isaia, ‘ireo iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy’, diso fanantenana noho ny tsy fahombiazan’izy ireo. — Isaia 33:7.
Izany rehetra izany dia mampisongadina antony farany tsy hahafahan’ny Firenena mikambana manorina mihitsy ny fiadanana sy filaminana. Mandeha eo amin’ny lalana mifanohitra tanteraka amin’ny an’Andriamanitra tokoa izy. Araka ny fikasan’i Jehovah voambara, ny fiadanana dia tsy ho tonga amin’ny fanakambanana ireo firenena, fa amin’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa izay hisolo toerana azy rehetra (Daniela 2:44). Nilaza i Dag Hammarskjöld fa niasa mba ‘hamonjena ity tany tranainy ity’ izy. Raha toa ny tiany holazaina tamin’izany ka ny fandehan-javatra ankehitriny voaforon’ny fanjakana ara-politika mahaleotena, dia efa voaheloka hatrany am-piandohana hirodana ny fanantenany. Raha ny marina, “ity tany tranainy ity” dia tokony hanome toerana ho an’ny fandehan-javatra vaovao iray, satria “mandalo izao fiainana izao”. (I Jaona 2:17.) Tsy misy na inona na inona afaka mamonjy azy, na dia fandaminan’ny Firenena mikambana iray aza.
Rehefa heverina amin’ny fitiavan-tena amam-panindrahindram-pirenena eo amin’ny vahoaka, dia tsy misy afa-tsy fomba tokana mihevitra ny zavatra tena misy, mba hanorenana ny fiadanana sy filaminana. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka mitondra ho an’ny olombelona ny karazam-piadanana iriny fatratra hatramin’ny nandroahana azy avy tany amin’ny saha Edena. Izao no teny ilazalazana ny filaminana hanjaka eo ambanin’io Fanjakana io: “Hofafany [Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Apokalypsy 21:4.
Hitanao ho tsy mihevitra ny zavatra tena misy ve ny fampanantenana toy izany? Raha ny marina, dia io no hany fanantenana ananantsika, ary ny nomerao manaraka amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia handalina ny antony tsy mety haha-hafa noho izany. Eo am-piandrasana, dia ho tianay ny hanintona ny sainao ho amin’ny toe-javatra tena lehibe iray: mbola tsy vita ny tantaran’ny Firenena mikambana. Manana anjara lehibe horaisina io fandaminana io ao amin’ireo fisehoan-javatra ho avy. Mamporisika anao izahay mba hamaky ireo lahatsoratra roa hanaraka. Resahiny ny amin’ny ho avin’ny O.N.U. araka ny fanazavan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly.
[Sary, pejy 5]
Adidy sarotra loatra ho an’ny Firenena mikambana ny fanorenana ny fiadanana.
[Sary nahazoan-dalana]
Sary tafika É.-U.
[Sary, pejy 6]
‘Izao tontolo izao [anisan’izany ny O.N.U.] dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.’
[Sary, pejy 7]
Tsy ho tsara fitondrantena kokoa noho ireo firenena mahaforona azy na oviana na oviana ny O.N.U.