FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/12 p. 7
  • Ny fivavahana: hery mampiray ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fivavahana: hery mampiray ve?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Tokony hiova finoana ve hianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Ahoana no Ahafantarako ny Fivavahana Marina?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fanarahana ny Fivavahana Madio mba Hahatafita Velona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Hahavita Hampihavana ny Olona ve ny Fivavahana?
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/12 p. 7

Ny fivavahana: hery mampiray ve?

MOA VE ny fivavahana amin’ny ankapobeny hery nampiray teo amin’izao tontolo izao? Sa kosa izany hery mitarika ho amin’ny fahafatesana sy ny fandringanana? Ho valiny, dia tokony hilaza isika fa izao tontolo izao dia nandia taonjato iray nisian’ny ady izay napoakan’ny fanindrahindram-pirenena fa novelomin’ny fivavahana kosa. Nanomboka tamin’ny 1909, dia ady nalaza 14 fara fahakeliny izay nipoaka teo amin’izao tontolo izao no nanana antony ara-pivavahana. Nanao izao fanamarihana izao Ernest Lefever, prezidàn’ny Foiben’ny fahalalana ara-pitondrantenam-bahoaka any Washington: “Taloha toy ny ankehitriny, dia vitsy ny ady tsy nandraisan’ny fivavahana anjara andraikitra na dia kely monja aza.”

Araka ny fiheverana anefa, ny fivavahana dia tokony hahay hampanjaka ny fandriampahalemana eo amin’izao tontolo izao. Izao no nosoratan’i Mike Royko, mpanoratra gazety iray. “Raha tsy mety mamono olona ny miaramila noho izy ireo mitovy finoana fotsiny, dia ho sarotra [tokoa] ny hilatsaka hanao ady iray.” Avy eo, taorian’ny nanamarihany fa nisy tsy kristiana nitovy finoana “nifamono tamin-kabibiana an’aliny maro”, dia hoy ny teny nanampiny: “Tsy nisy hafa tamin’izy ireny, ny kristiana dia tsy nanda mafy ny hevitra hoe hiady amin’ny kristiana hafa. Raha nanao izany izy ireny dia tsy ho nitranga mihitsy ny ankamaroan’ny ady feno fahasiahana indrindra nandrava an’i Eoropa.”

Aorian’izany, mbola tokony hahagaga ihany ve raha olona be dia be no mandà izay rehetra mamofompofona fivavahana? Ireo pejin’ny Tantara dia voapentin’ny ra nalatsaky ny miaramila miseho ho mpivavaka, na noho izy ireny tsy niraharaha mihitsy izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, na noho ny nanolanany ny hevitr’izany mba hampifanarahana azy amin’ny tombontsoany manokana.

Rehefa arahina tsara anefa ny fomba fiaina ampianarin’ny Baiboly dia tsy mitarika ho amin’ny ady fa ho amin’ny fihavanana sy ny firaisan-tsaina (Ohabolana 3:1-6). Nananatra ny mpianany tamin’izao teny izao i Jesosy: “Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo.” (Lioka 6:27). Nasongadiny koa ny marika hampiavaka ny tena mpianany tamin’ny filazana hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara