Mifaly noho ny fitomboan’ilay Fanjakana i Bermudes
“JEHOVAH no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; aoka ho ravoravo ny nosy maro.” Izany no nohirain’ny mpanao salamo iray (Salamo 97:1). Anisan’ireny “nosy maro” ireny ny fitambara-nosin’i Bermudes, zanatany britanika manapa-tena any Atlantika andrefana tokony ho 1 100 kilaometatra any atsimo atsinanan’ny tanànan’i New York.
Amin’ireo tora-pasiny mavokely malaza sy ny ranony manga mangalahala, dia tsy isalasalana fa anisan’ny kanto indrindra amin’ny nosy rehetra any Atlantika i Bermudes. Manintona ny mpitsidika ny fomba fiaina mahafinaritra tokoa ao amin’ireo nosy ireo. “Tsy re any ny fanairan’ny fiarakodia, ny anjombon’ny orinasa, ny jiro telo loko, ny trano manaka-danitra, ny “métro” sy ny vahoaka mifanety, fa re kosa ny fikatraotraoky ny kitron-tsoavaly tsy miovaova, ny fitsitaitaiky ny fanairana amin’ny bisikileta, hita ny mpamily kalesy manao satroka kasika fanao any amin’ny zanatany, ny ‘bobbies’ mibaiko ny fifamoivoizana eo amin’ny ankavian-dalana, ny mpanao raharaham-barotra manao pataloha fohy, ny tafon-trano marin-tampona fisotroana fanalana hetaheta, ny fahadiovana mahasodokan’ny trano lehibe maro loko sy ny trano madinika fotsy tafo.”
Tany amin’ny 1939 io famoaboasana nataon’ny mpidera tranainy an’i Bermudes io. Fa ahoana ny amin’izao andro izao? Amin’ny fomba fitaterana sy fifandraisana araka ny toetr’andro ankehitriny, dia naka tanteraka an’io antoko-nosy kely io ny vahoaka tandrefana. Marina fa niteraka tombontsoa maro sy fanambinana ara-nofo sasany izany. Nefa moa ve izany nitondra ho an’ireo mponin’ny nosy fiainana tena falifaly? Tsy tena izany.
Ho ohatra, dia aoka hotononintsika ny tenin’ny gazety iray vao haingana manao hoe: “Mandefa fampitandremana lehibe ho an’ny mponina eto Bermudes ny praiminisitra (...). Tojo fahasahiranana lehibe ny toe-karen’ny fitambara-nosy.” Atỳ akaikintsika kokoa ihany, dia nitantara toy izao ny lahatsoratra iray: “Araka ny filazan’ilay minisitra, dia ilaina ny fanavaozana lehibe. Madiva hirodana ny orinasan’ny fizahan-tany.”
Oharina amin’ny faritra maro eto amin’ny gilaoby, dia mbola mety hahatonga hieritreritra paradisa iray i Bermudes. Asehon’ny filazalazana isa anefa fa mitombo efatra isan-jato isan-taona ny fanaovana heloka bevava. Ny lahatsoratra amin’ny filazam-baovao hafa dia miresaka ny amin’ny “fisian’ny fambolena zavatra mahadomelina mahery any Bermudes” ary mitantara fa ‘miseho indray eny amin’ny arabe ny fivarotan-tena amin’ny faran’ny herinandro sy ny fiadiana fitifirana’. Tsy mahagaga àry raha nanambara vao haingana ny fitsapana fa “mponina iray amin’ny efatra eo ho eo no mieritreritra fa tsy tsara toy ny taloha ny toe-piainana ka hiharatsy hatrany ao anatin’ireo dimy taona ho avy”.
Nefa azo atao ve ny manantena ho avy tsaratsara kokoa na dia ao aza izany rehetra izany? Moa ve afaka mahita antony tsara tokony hahasambatra sy hifaliana ireo mponina any Bermudes?
Tonga tany Bermudes ny hafatra mahafaly
Tamin’ny 1913 ny fanantenana ho avy hahafaly noho ny Fanjakan’Andriamanitra no re voalohany tany Bermudes. Tamin’izany fotoana izany, ny Mpianatra ny Baiboly iray nantsoina hoe Nelson dia nanomboka nizara bokin’ny Fikambanana Watch Tower tao amin’ilay fitambara-nosy. Rehefa afaka fotoana kelikely taty aoriana anefa dia nangataka azy mba handao an’i Bermudes ny manam-pahefana teo an-toerana.
Naharitra taona maro ny fitompoan-teny fantatra ara-pivavahana nanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’izany, tamin’ny 1933 ny fianakaviana Roberts, avy any Antilles, dia voatery nandao an’i Bermudes. Maro no nentina toy izany noho izy nanandrana nampiely ny hafatra mahafaly ao amin’ny Baiboly fotsiny. Anisan’izy ireny i Fredricia Johnson, nomena anaram-bositra hoe “Freddy”, izay nitsidika matetika ireo nosy tao anatin’ireo taona telopolo tamin’ny naha-minisitry ny vaovao tsara manontolo andro. Tamin’ny 1940 anefa dia notsaraina izy ary nilazana hoe: “Tsy ianao no karazan’olona irinay ho eto Bermudes, ary arakaraka ny fahafainganan’ny handaozanao ny toerana no hahatsara zavatra kokoa.”
Na dia tao aza ireo fanerena tsy nitsahatra, dia mbola nanohy nampiely ny hafatra mahafaly ao amin’ny Baiboly ihany ireo mpitory. Tamin’ny 1945, dia tonga ny olona roa nahazo diplaoma avy ao Gileada. Na dia noroahina aza izy ireo tamin’ny 1947, nandritra ireo sivy ambin’ny folo volana naharetan’ny fanompoany, dia nijinja vokatra tsara izy ireo ka nanampy ireo mponin’ny nosy hahafantatra hoe karazan’olona manao ahoana tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fanantenana torin’izy ireo. Navelan’ny Vavolombelona hiteny ho solony ny fitondrantenany, ka namaly soa ny fiezahana nitohy nataony Jehovah.
Tonga tamin’ny 1951 ny olona hafa roa nahazo diplaoma avy ao amin’ny Sekolin’i Gileada. Tamin’izany fotoana izany, dia nanjary nandefitra kokoa tamin’ny Vavolombelona ireo manam-pahefana.
Mitondra fifaliana ny fitomboan’ilay Fanjakana
Tamin’ny 1950, ilay hany kongregasionan’ny fitambara-nosy dia tsy nahitana afa-tsy mpitory dimy. Folo taona taty aoriana, dia nahatratra 43 ny isan’ny mpitory, ary tamin’ny 1970, dia Vavolombelona 118 no nanompo tamim-pifaliana tao amin’io kongregasiona io. Vao mainka nanjary niharihary kokoa ihany ny fitomboan’ilay Fanjakana taorian’ny folo taona vaovao, satria tonga efatra ny isan’ny kongregasiona, ka 214 ny isan’ny mpitory tamin’ny fitambarany. Tamin’ny janoary 1985, dia olona 310 mahery voazarazara tao amin’ireo kongregasiona ireo no nampahafantatra ny fanantenany nahafaly tamin’ny hafa.
Tsy ny fitomboana isa ihany anefa no nitera-pifaliana. Tena mahafaly tokoa ny mahita ireo fiovana ataon’ny olona manaiky ny vaovao tsara eo amin’ny fiainany. Raha mihamaro ny olona tanora na be taona mitodika any amin’ny zavatra mahadomelina sy ny alikaola, ny hafa kosa dia manaraka fomba fiaina mitondra ny tena fahasambarana.
Randy, ohatra, dia nanomboka nampiasa zavatra mahadomelina teo amin’ny faha-12 taonany. “Noho ny fiarahana tamin’ny naman-dratsy, dia nanomboka nifoka ‘marijuana’ aho. Izany dia nitarika ahy hampiasa zavatra mahadomelina mahery, toy ny ‘amphétamines’ sy ny LSD. Nahafinaritra tokoa ny ‘diako’ dimy ambin’ny folo voalohany. Izany fara fahakeliny no noeritreretiko tamin’izany fotoana izany. Avy eo dia nanomboka ny fahasahiranana. Indray mandeha dia nandany adiny efatra na dimy aho nisotroana ronono sy rano satria noheveriko ho nirehitra ny tsinaiko. Indray andro, dia natahotra aoka izany aho; nipetraka teo amin’ny mangingina aho ary tsaroako ho nihakely ny tenako, fa nihalehibe kosa ireo tongotro. Raha nanana basipoleta teo an-tanako aho, dia ho namono tena (...).
“Mahalana no nisy andro iray tsy nifohako ‘marijuana’ (...). Ambonin’izany, dia nanana fitondrantena naloto tokoa aho, ka tamin’izany fotoana izany dia noheveriko ho ara-dalàna tanteraka izany.”
Rehefa avy nanana izany karazam-piainana izany nandritra ny iraika ambin’ny folo taona i Randy dia nandre firesahana ny amin’ny fahamarinana. Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny rahalahiny sy ny anabaviny, ary navelan’ny anabaviny hipetrapetraka tao amin’ny efitranony ny boky. Tsy namaky izany mihitsy anefa izy. Indray andro anefa dia nanintona ny sainy ny fonon’ny gazety Réveillez-vous! iray izay namelabelatra ny amin’ny fandriampahalemana eo amin’izao tontolo izao. Novakiny tamim-pahalianana io gazety io ka niaiky ny amin’izany tamin’ilay anabaviny izy ary nomen’io avy hatrany ny boky Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. “Nentiko isan’andro tany am-piasako ilay izy, hoy Randy, ary voavakiko tanteraka tao anatin’ny herinandro. Io no boky voalohany novakiko nanomboka tamin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.”
Nasain’ny rahalahiny hanatrika fivoriana iray tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy, nefa somary tsy nety satria ‘tena tsy tiany ny niakanjo tsara’. Tonga ihany anefa izy. “Hatramin’izay, hoy izy amin’izao andro izao, dia tsy nitsahatra mihitsy nankamamy ireo fandaharana mahafinaritra tokoa ataon’i Jehovah ho antsika aho.” Fotoana fohy taty aoriana, dia natao batisa izy, ka nanamarika tamin’izany ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah. “Nanomboka tamin’io andro io aho, dia nandany 75 ka hatramin’ny 90 ora isam-bolana niresahana ny amin’ny fanantenako tamin’ny olona, hoy ny tohin’ny tenin’i Randy. Niahy indrindra aho ny amin’ny handrenesan’ny sakaizako taloha rehetra ny vaovao tsara. Taty aoriana i Randy dia nanambady mpitory ny vaovao tsara be zotom-po iray. Tonga mpitory maharitra mandavantaona izy io tamin’ny janoary 1983. Herintaona taty aoriana, dia afaka niaraka taminy tamin’io endri-panompoana mahasoa sy mahafaly io i Randy. Afa-tsy izany koa, hatramin’ny enin-taona izy dia manompo amin’ny maha-loholona ao anatin’ny anankiray amin’ireo kongregasiona eo an-toerana. Izao no nambaran’i Randy: “Misaotra an’i Jehovah isan’andro aho noho ny nanokafany ny foko ho amin’ny fahamarinana.”
Mponina maro hafa any Bermudes no afaka nanova ny fiainany ka tonga lehilahy vady, vehivavy vady, reny, ray, rahalahy, anabavy na rahavavy tsaratsara kokoa sy sambatra kokoa. Ny zatovo sy ny tanora efa lehibe indrindra no maneho fahalianana amim-pahatsorana amin’io tena fanantenana io. Ohatra tsara ny amin’izany ny fianakaviana iray.
Nanomboka niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Gretchen tamin’ny 1961. Koa satria hitany tsara fa diso ny fampianarana ampianarin’ny fivavahana hafa, dia nanantena hahita fahadisoan-kevitra tamin’ny fampianaran’ny Vavolombelona izy. Tsy nahita izany izy, ka natao batisa tamin’ny 1963. Amin’izao andro izao, tokony ho roapolo taona atỳ aoriana, dia Vavolombelon’i Jehovah vita batisa sy falifaly koa ny anankiroa amin’ireo zanany lahy sy ny telo amin’ireo zanany vavy.
Fahatsinjovana mahafaly amin’ny asa
Ireny tanora rehetra ireny sy ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy be taona kokoa dia mijinja fifaliana avy amin’ny fanompoana masina ataony ho an’i Jehovah.
Tamin’ny 1984, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah iray isaky ny mponina 170 tany Bermudes. Nefa moa ve isika afaka manantena hahita fitomboan’ilay Fanjakana lehibe kokoa? Izany dia izany tokoa satria fampianarana Baiboly eo amin’ny 300 no atao any an-tokantranon’ny olona tsara fikasa. Miharihary amin’izany àry fa misy fahatsinjovana fitomboan’ilay Fanjakana mahafinaritra tokoa miseho, izay hitondra fifaliana lehibe kokoa ihany ho an’ireo nosin’i Bermudes.
[Sarintany, pejy 28]
(For fully formatted text, see publication)
N
Hamilton
[Sarintany]
OSEANA ATLANTIKA
[Sary, pejy 30]
Ireo Efitrano Fanjakana: foiben’ny fanompoam-pivavahana marina any Bermudes.