FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/11 p. 10-15
  • Mpitory ilay Fanjakana ny kristiana marina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpitory ilay Fanjakana ny kristiana marina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny asa nanirahana antsika: hitory
  • Noho ny fitondran’Andriamanitra
  • “Isan-trano”
  • Mampianara ampahibemaso sy isan-trano
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • ‘Tsy maintsy torina aloha ny vaovao tsara’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Nahoana no Tena Ilaina ny Fitoriana Isan-trano Ankehitriny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Aoka isika tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/11 p. 10-15

Mpitory ilay Fanjakana ny kristiana marina

“Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” — MATIO 24:14, MN.

1, 2. a) Nahoana moa ny hafatra momba ilay Fanjakana no tokony hotorina maneran-tany amin’izao andro izao? b) Fanontaniana inona no tokony hapetraky ny tsirairay avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny tenany?

MANAMBARA NY FANJAKAN’I JEHOVAH. Izany hatramin’ny am-polony taona maro no zava-kendren’ity gazety ity lehibe indrindra, araka ny asehon’ny lohateniny rahateo. Iankinan’ny aina ny hitoriana maneran-tany ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’izao fotoana izao. Nahoana? Noho izay nolazain’i Jesosy Kristy mihitsy taorian’ny nanononany zavatra hafa mahaforona ny “famantarana” izay tokony hanamarika ny ‘fanatrehany’ tsy hita maso sy ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny. Izao tokoa no teny nanampiny: “Hambara maneran-tany ity vaovao tsaran’ny Fanjakana ity, ho vavolombelona eo anatrehan’ny firenena rehetra. Ary dia ho tonga ny farany.” — Matio 24:3, 14, Bible de Jérusalem.

2 Amin’izao andro izao, dia tena akaiky tokoa “ny farany”. Koa izay rehetra nanolo-tena ho an’i Jehovah mba ho anankiray amin’ireo vavolombelony dia tokony hanontany tena toy izao angamba: Ahoana no iheverako ny fitoriana ilay Fanjakana? Mandray anjara tsy tapaka amin’izany ve aho? Manao ny fanompoako amim-pahakingana sy amin-jotom-po ve aho?

Ny asa nanirahana antsika: hitory

3. Nampahafantatra inona ny tenin’i Jesosy voatantara ao amin’ny Matio 5:14-16 raha ny amin’ireo mpianany?

3 Tsy misy kristiana marina manana zo handa io tombontsoa io, dia ny fitoriana “ny vaovao tsara” amin’ny hafa. Izao tokoa no nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin’izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:14-16). Tian’i Jesosy holazaina tamin’izany fa ho mpitory ilay Fanjakana ireo mpianany.

4. Inona no nosoratan’ny mpanoratra iray ny amin’ilay lehibe indrindra amin’ny mpitory ilay Fanjakana rehetra?

4 Ny amin’ilay lehibe indrindra amin’ny mpitory ilay Fanjakana rehetra, dia nisy nanoratra toy izao: “Sady nitory ilay fanjakana ny Tompontsika (...) no nanomana sy nandamina ny Fanompoana an’io (...). Natombony ny fanompoana ara-paminaniana (...), avy eo dia nataony izay handraisan’ny Roa ambin’ny folo, sy ny Fitopolo anjara tamin’io fanompoana io. Rehefa nitory ilay fanjakana ho avy sy nanao ‘famantarana’ izy, dia naniraka azy ireo hialoha azy hitondra izany hafatra izany koa sy niaraka tamin’ny fahefana sahala amin’izany. Tamin’ny alalan’ny fampianarana nahatalanjona sy hentitra, (...) dia nampiofaniny koa izy ireo ho amin’ny andraikitra lehibe kokoa izay hankinina amin’izy ireo any aoriana.” — Tantaran’ny Fiangonana (anglisy), nataon’i Milo Mahan.

5. Inona no nataon’i Jesosy teo amin’ny lafin’ny fitoriana ilay Fanjakana?

5 Nomen’i Jesosy fampiofanana tsara dia tsara ireo apostoliny avy eo dia ireo mpianatra 70 talohan’ny hanirahana azy ireny hitory (Lioka 6:12-16; 10:1-22). Ambonin’izany, ny tenany koa, Ohatra tokony halaintsika tahaka, “dia lasa (...) nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra”. Niaraka taminy ireo apostoly sy vehivavy vitsivitsy “izay nanompo azy tamin’ny fananany”. (Lioka 8:1-3.) Tena mpitory be zotom-po ny vaovao tsara tokoa àry Jesosy ary nalatsany ny fototry ny fandaminana iray izay hitory ilay Fanjakana.

6. Inona no asa nankinin’i Jesosy tamin’ireo mpianany talohan’ny hiakarany ho any an-danitra?

6 Namita ny fihazakazahany teto an-tany i Jesosy rehefa avy nanao ny fanompoany telo taona sy tapany. Talohan’ny hiakarany ho any an-danitra anefa dia nanankina asa tamin’ireo mpianany izy tamin’ny filazana tamin’izy ireo hoe: “Mandehana (...), dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao [ny fandehan-javatra, MN ].” (Matio 28:19, 20). Tena ho tonga mpitory ilay Fanjakana tokoa izy.

7. Nahoana moa, na dia tao aza ny tsy fahampian’ny fahalalany marina teo am-boalohany, no hahita fahombiazana ihany ireo mpianatr’i Jesosy amin’ny asany fanaovana fanambarana?

7 Rehefa nadiva handao ny tany i Jesosy, dia nanontany azy toy izao ireo mpianany: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?” Izao no navaliny azy ireo: “Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany.” Tsy nanana fahalalana marina ny amin’ilay Fanjakana ireo mpianany, kanefa azon’i Jesosy natao ihany ny nanankina tamin’izy ireo ny asa fitoriana izany, satria handray ny fanampiana ilaina mba hanatontosana izany izy ireo. “Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.” (Asan’ny apostoly 1:6-8). Notarihin’ny fanahy masina ireo mpianatr’i Jesosy ka hahatakatra taty aoriana fa ho fitondram-panjakana any an-danitra ilay Fanjakana (Jaona 16:12, 13). Ary rehefa mandeha ny fotoana, ireo zava-nitranga ny amin’io Fanjakana io dia hotorina “hatramin’ny faran’ny tany”.

8. Nanao ahoana ny fahombiazan’ny asa fitoriana tamin’ny taonjato voalohany?

8 Nanatontosa tsara tokoa ny asa nanirahana azy ireny vavolombelona ireny. Mazava ho azy fa nandray soa tamin’ny fanampian’i Jehovah sy ny fanohanan’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra tany an-danitra izy ireo (Asan’ny apostoly 8:1-8; 11:19-21). Tsy mahagaga àry raha toa, vao tamin’ny 60 na 61 ny apostoly Paoly dia afaka nanambara fa ny “vaovao tsara” dia efa “notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny”. — Kolosiana 1:23.

9. Inona moa no asa lehibe indrindra tokony hotontosain’ny kongregasiona kristiana?

9 Izao no nosoratan’ny mpanoratra iray ny amin’io asa fanaovana fanambarana io: “Ny fanambarana ny filazantsara dia tsy hoe (...) asa sahala amin’ny maro hafa ihany ilatsahan’ny Fiangonan’ny T[estamenta] V[aovao]; izy io dia fototry ny asany, tena lehibe (...). Mariho fa tsy nilaza i Jesosy [ao amin’ny Asa. 1:8] hoe: Hanao fanambarana ny amiko ianareo, fa hoe: Ho vavolombeloko ianareo. Ny fampiasana ny ‘ho’ eo dia zava-dehibe tena tokony hoheverina tokoa. Ny fitenenana [amin’ny teny grika] dia tsy mampiseho fotsiny izay hataon’ny Fiangonana, fa ny hoe hanao ahoana izy io (...). Ny Fiangonan’i Jesosy Kristy dia (...) fikambanana mijoro ho vavolombelona.” (Ny Pentekosta sy ny fitoriana ara-misioneran’ny Fiangonana [anglisy], Harry Boer, pp. 110-114). Ny asa lehibe indrindra ataon’ny tena kongregasiona kristiana àry dia fitoriana.

Noho ny fitondran’Andriamanitra

10, 11. a) Ahoana no nandaminana ireo mpitory ilay Fanjakana tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no nitranga rehefa nitombo ny tarehin-javatra vaovao iray?

10 Tamin’ny taonjato voalohany, ireo mpitory ilay Fanjakana dia nandray ny fitarihana nilaina avy amin’ny kolejy foibe. Anisan’ny fandaminana ny fisian’ny mpiandraikitra mpitety faritany, ary tao anatin’ireo kongregasiona ny raharaha samihafa dia niantsorohan’ireo mpiandraikitra sy mpikarakara momba ny asa (Asan’ny apostoly 15:1, 2, 22-36; Filipiana 1:1). Fa inona no nitranga rehefa nisy tarehin-javatra vaovao nitombo?

11 Aoka hojerentsika izay nitranga fotoana fohy taorian’ny Pentekosta taona 33. Nisy Jiosy niteny grika nanomboka nimonomonona tamin’ny Jiosy niteny hebreo “satria tsy mba enina tamin’ny fiantrana isan-andro ny mpitondratenany”. Mba handaminana io zava-manahirana io, tamin’izay ireo apostoly dia nanendry ‘fito lahy izay tsara laza’ mba hikarakara izany fizaran-tsakafo izany (Asan’ny apostoly 6:1-8). Izao no voasoratra ny amin’izany: “Tamin’ny voalohany, rehefa heverina amin’izay lazaina amintsika, ireo ‘fito’ dia natokana mba hiahy fotsiny ny hizarana amin’ny fomba tsy miangatra ny sakafo isan’andro iombonana. Mazava ho azy anefa fa hisy asa hafa hanampy arakaraka ny hahatsapana fa ilaina izany, satria, raha tsy niova ireo fotopoto-pitsipik’ilay finoana vaovao, ny fandaminana sy ireo fanazavana izay hahatonga ho afaka hampihatra izany sy hanitatra azy amin’ny fomba mandaitra kokoa araka izay azo atao dia havela hataon’ny fahendrena sy ny fahaiza-mampihatra hananan’ireo taranaka misesy (...). Ny fampifanarahana sy ny fanovana antsipiriany tsy tena lehibe (...) dia tsy maintsy atao ao amin’izay rehetra mety ho fandaminana lehibe.” — Ora maro miaraka amin’ny Baiboly (anglisy), New Testament Series, boky II, nataon’i Cunningham Geikie.

12. a) Inona no nandray anjara tamin’ny fandrosoan’ny kristianisma voalohany? b) Taiza ary tamin’ny fomba ahoana moa ireo mpianatr’i Jesosy no nanjary nantsoina hoe kristiana?

12 Raha nandroso ny kristianisma tamin’ny voalohany, ankoatra ny antony hafa dia satria ireo kristiana nitoky tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka, nefa koa noho “ny fahendrena sy fahaiza-mampihatra” ananan’ny kolejy foibe. Ambonin’izany, dia azo antoka fa izay nitranga dia nitranga noho ny fitondran’Andriamanitra. Ohatra, nolazaina fa ireo mpianatr’i Jesosy voalohany dia anisan’ny “Lalana”. (Asan’ny apostoly 9:1, 2, MN.) Nefa, angamba vao tamin’ny 44, tany Antiokia any Syria, “noho ny fitondran’Andriamanitra, ireo mpianatra dia nantsoina hoe kristiana”. (Asan’ny apostoly 11:26, MN.) Noraisin’izy ireo an-tsitrapo io anarana avy tamin’Andriamanitra io. — I Petera 4:16a.

13. Sahala amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izay mampiasa fomba fanontana araka ny toetr’andro amin’izao andro izao, inona no nampiasain’ireo kristiana voalohany tamin’ny asa fitoriany?

13 Tamin’ny andron’ireo kristiana voalohany, dia nisy zavatra hafa koa nitranga noho ny fitondran’Andriamanitra. Araka izany, toy ny ampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao fomba fanontana araka ny toetr’andro, dia toy izany koa fa ireo kristiana voalohany dia nanoka-dalana tamin’ny fampiasana ny kodeksa, tena zava-tsoa ho an’ireo nitory ilay Fanjakana tamin-jotom-po. Izao no nambaran’i C. McCown ny amin’izany: “Ireo boky ara-pivavahan’ny kristiana, na ny Testamenta Taloha na ireo soratra vaovao (...), dia tsy natao hovakin’ny mpanan-karena mpanandranandrana fotsiny. Ireo olona variana tamin’ny raharaha dia naniry handray zavatra betsaka araka izay azo atao avy amin’ny boky iray. Izy ireny sy ireo misionera kristiana be zotom-po dia naniry ny ho afaka haka teny haingana ao amin’ny soratra toy izao na izao ho porofo, ka tsy ho voatery hamelatra “papyrus” metatra vitsivitsy.” — Nalaina avy amin’ny Revio momba ny arkeolojia araka ny Baiboly (anglisy), p. 261.

14. Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana moa ireo apostolin’i Jesosy no vonona ny hitory?

14 Raha zava-dehibe tokoa ny fahafahana maka teny ‘haingana ao amin’ny soratra toy izao na izao ho porofo’, dia noho ny fomba nampiasain’ny kristiana voalohany mba hitoriana ilay Fanjakana. Indraindray, araka ny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah matetika amin’izao andro izao, dia nisy fotoana nanaovan’izy ireo fanambarana tsy nampoizina. Izao no azo novakina ny amin’izany: “Ny anankiray tamin’ireo lafiny manokana tamin’ny fitorian’ireo apostoly, dia ny lafiny tsy an-tery aminy. Tsy niandry toe-javatra hafa dia hafa hiseho ny apostoly iray. Ny hany fotoana nahafahany nitory teo anatrehan’ireo manam-pahefana, dia, sahala amin’ny nitranga tamin’i Paoly teo anatrehan’i Félix, rehefa nigadra izy ka nentina teo anatrehan’ny filoha nitafy jaky mba hadinina sy hiaro tena amin’ny fiampangana azy ho mandika lalàna. Tsy hoe tsy nahita fahafahana [hitory] izy; nomena azy izany fahafahana izany tao an-tranomaizina, teny an-dalana, tany amin’ireo trano tsotra nanomezana fialofana azy ny alina (...). Nieritreritra izy fa ny hafatra nentiny dia natao ho an’ny isam-batan’olona indrindra, nefa vonona koa izy ny hampiseho izany teo anatrehan’ny vahoaka. Tsy sanganehana izy na iza na iza nihaino azy. Tsy nohadinoiny ny ohatra nomen’i Kristy (...) izay nampiasa lalana mamovoka, arabe maro mpandalo na moron-drano feno vatokilonjy tany Galilia mba ho solon’ny fialofana (...). Tsy nohadinoin’ireo [apostoly] fa raha vao teo am-piandohan’ny fiarahany tamin’i Jesosy, dia nanome toromarika azy ireo Jesosy momba ny fomba tokony hampiasaina tsara indrindra mba hitoriana ny fampianarany, fa nofenoiny tamin’ny hafa ireo lesony voalohandohany ary nasehony azy ireo, talohan’ny hiakarany indrindra, fa ho faritanin’izy ireo izao tontolo izao ary ho mpihaino azy ny zavaboary tsirairay avy.” Tantaran’ny Fiangonana kristiana (anglisy), nataon’i John Hurst, boky I, p. 96.

“Isan-trano”

15. Ahoana no nanaovan’ny apostoly ny asa fitoriana taorian’ny Pentekosta taona 33?

15 Tamin’ny andro Pentekosta taona 33, ireo mpianatr’i Jesosy dia efa nampiasa fomba tsara dia tsara mba hitoriana ny “vaovao tsara”. Inona tokoa no nataon’ireo apostoly rehefa avy nenjehina sy nalam-baraka noho ny anaran’i Jesosy Kristy? “Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’i Jesosy ho Kristy isan-andro teo an-kianjan’ny tempoly sy tao an-trano [isan-trano, MN] izy.” (Asan’ny apostoly 5:41, 42). Nanao fanambarana isan-trano àry ireo apostoly.

16. Ho amin’ny karazam-pitoriana inona moa no nampianaran’i Paoly ireo loholona tany Efesosy?

16 Taty aoriana ny apostoly Paoly dia afaka nampahatsiahy toy izao an’ireo loholona tany Efesosy: “Ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ny olona ary tao amin’ny isan-trano; ary nambarako tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Asan’ny apostoly 20:20, 21). Tsy te-hilaza akory i Paoly tamin’izany fa nampianatra an’ireo loholona tany an-tranony izy. Tamin’ireo Jiosy sy Grika tsy mpino kosa no nanaovany fanambarana ny amin’ny fibebahana tamin’i Jehovah sy ny finoana an’i Jesosy Kristy. Tsy isalasalana mihitsy anefa fa nampianariny an’ireny loholona ireny koa ny fomba fanaovana izany fanambarana isan-trano izany.

17. Inona no nosoratan’ny mpanoratra maromaro ny amin’ny fanompoana isan-trano nataon’i Paoly tany Efesosy?

17 Ny amin’ny fanompoan’ny apostoly Paoly tany Efesosy, dia izao no vakina: “Paoly dia zatra ny nanao ny raharahany nanomboka tamin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny 11 ora maraina (Asan’ny apostoly 20:34, 35), ora nahavitan’i Tyrano ny fampianarany; koa tamin’ny 11 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro, dia nitory tao amin’ilay efitrano i Paoly, niresaka tamin’ireo mpiara-miasa taminy, nifanakalo hevitra manokana tamin’ireo izay liana ny amin’ny kristianisma ary nitsinjo ny hanitarana an’io asa io tao anatiny; farany, dia nandeha isan-trano izy mba hitory ny filazantsara tamin’ny olona, ary izany dia nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny alina be (Asan’ny apostoly 20:20, 21, 31).” (A. Bailey). Nanoratra toy izao ny mpandinika Baiboly hafa: “Tsy nianina tamin’ny fanaovana lahateny tao amin’ny fivoriambe ampahibemaso izy tamin’ny fifadiana ny fampiasana ny fomba hafa rehetra, fa nanohy ny asany mahatalanjona tamin-jotom-po izy, manokana, isan-trano; nitondra ny fahamarinana momba ny lanitra tany amin’ireo tokantrano, sy tao am-pon’ireo Efesiana izy.” (A. Livermore). “Nitory ny filazantsara ampahibemaso sy isan-trano izy, tao an-tanàna sy nanerana ny provansa.” (E. Blaiklock). “Tokony homarihina fa io mpitory tsara dia tsara io dia nitory isan-trano ary tsy fitsidihana tamim-pisakaizana fotsiny akory ny fitsidihana nataony.” — A. Robertson.

18. a) Inona no mahatonga anao ho afaka hilaza fa ny fanompoana isan-trano ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao dia manana fototra mafy orina ao amin’ny Baiboly? b) Sahala amin’ny nataon’i Jesosy sy ireo mpianany voalohany, aiza ary amin’ny fomba ahoana moa no itorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny hafatra momba ilay Fanjakana?

18 Tamin’ny 33, ireo apostolin’i Jesosy dia nanao fanambarana isan-trano. Io karazana asa io dia anisan’ny fanompoan’i Paoly tany Efesosy ary tsy isalasalana fa tany an-toeran-kafa koa. Misy fototra araka ny Baiboly mafy orina àry ny fanompoana isan-trano ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Toy izany koa ny amin’ireo fomba hafa ampiasainy mba hampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Homarihintsika amim-pahalianana izao resaka nalaina avy amin’ny “encyclopédie” iray izao: “Nitory hatraiza hatraiza izay nahafahany namory olona ny Tompontsika sy ireo apostoliny. Ny antenatenan’ny havoana, ny moron-dranomasina na renirano, ny trano manokana, ny fialofana tamin’ny tempoly, ny synagoga jiosy sy toerana maro hafa koa dia samy toerana noheveriny fa tsara raha itoriana ny filazantsara.” (Cyclopedia nataon’i McClintock sy Strong, boky VIII, p. 483). Sahala amin’ny nataon’i Jesosy sy ireo mpianany voalohany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana ‘eny amin’ny arabe, any an-trano manokana (...) sy any amin’ny toerana maro hafa’. Ohatra, any amin’ny tany sasany fara faharatsiny, dia atolony eny amin’ny arabe ireo gazetiny (ity sy ny Réveillez-vous!); kanefa fantatra tsara indrindra izy ireny amin’ny asany isan-trano.

19. Ahoana no anaovana ireo fanapahan-kevitra momba ny fomba fitoriana ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao.

19 Voaorina tsara àry ireo endriny tena lehibe amin’ny fanompoana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah raha vao tamin’ny taonjato voalohany. Ambonin’izany, dia mety tanteraka ny hifidianan’ny Kolejy foibe amin’izao androntsika izao, izay voaforon’ny kristiana voahosotry ny fanahy, ireo fomba fitoriana mifanaraka amin’izao androntsika izao. Ny fanapahan-kevitra toy izany dia misy miorina amin’ny “fahendrena sy ny fahaiza-mampihatra” ananan’ireny lehilahy ireny. Kanefa, mba hanaovana izany, dia manahaka ny kolejy foibe izay nitarika ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany izy. Mitady ny fitarihan’Andriamanitra sy ny fanahiny masina amin’ny alalan’ny vavaka izy, ary manaraka ny voalaza taloha ao amin’ny Baiboly mba hamerana hoe fomba fitoriana inona avy no mety indrindra amin’izao “am-parany” izao. — II Timoty 3:1; Asan’ny apostoly 15:23, 28.

20. a) Nahoana moa no azontsika antoka fa ankasitrahan’Andriamanitra ireo fomba fitoriana ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Inona moa no fihetsika tokony hananan’ny mpanompon’i Jehovah rehetra eo anoloan’ny fitoriana ilay Fanjakana?

20 Miharihary fa ireo fomba fitoriana ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah dia miditra ao anatin’ny faritry ny fitondran’Andriamanitra, satria nataon’Andriamanitra nahita fahombiazana sy fitahiana (Ohabolana 10:22). Lehilahy sy vehivavy maro be no manaraka ny fanompoam-pivavahana marina ka miaraka amin’ny sisa amin’ireo mpianatr’i Jesosy voahosotry ny fanahy. Izy ireo dia mahaforona ny hany fandaminana izay manome voninahitra ny anarana masin’i Jehovah ka mitory tsy amin-tahotra ny vaovao tsaran’ny Fanjakana efa miorina any an-danitra izao. Rehefa madiva ho tapitra ny fandehan-javatra ankehitriny, enga anie ny mpanompon’i Jehovah rehetra hanohy handray anjara amim-paharisihana amin’ny asa fanaovana mpianatra ho an’i Jesosy! Tokony hanao zavatra amim-pahatokiana toy izany isika, satria ny tena kristiana dia tsy azo lavina fa tokony ho mpitory ilay Fanjakana.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, p. 271, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York.

Azonao ve?

◻ Nahoana moa ny hafatra momba ilay Fanjakana no tokony hotorina maneran-tany amin’izao andro izao?

◻ Asa tena lehibe inona no tokony hotanterahin’ny kristiana marina rehetra?

◻ Nahoana moa no azo atao ny milaza fa eo amin’ireo mpanompon’i Jehovah dia mitranga noho ny fitondran’Andriamanitra ny zavatra?

◻ Inona no fototra mafin’ny fitoriana isan-trano ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao?

[Sary, pejy 11]

Hoy Jesosy tamin’ireo mpianany: ‘Mandehana, manaova mpianatra.’ Manatontosa amin-jotom-po ny asan’ny kristiana marina lehibe indrindra ve ianao?

[Sary, pejy 13]

Mitory tsy tapaka isan-trano ve ianao? Izany no nataon’ireo apostolin’i Jesosy voalohany mbamin’i Paoly, mpitory be zotom-po ilay Fanjakana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara