Ny hatsaram-pon’i Jehovah ao anatin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”
“Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah.” — ISAIA 2:3.
1, 2. a) Loza lehibe inona no mandrahona ny olombelona? b) Inona no lazain’ireo filohan’izao tontolo izao ny amin’ny Hara-Magedona?
“NY VANIM-POTOANA FARANY AMIN’NY ANDRO”. Nahoana no hita imbetsaka ao amin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly io fitenenana io? Milaza ve izany fa kely sisa ny andron’ny olombelona ka amin’ny farany ny loza aman’antambo haneran-tany iray dia handrava ny tany sy izay rehetra miaina eo? Matetika ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny no miresaka amim-panahiana ny amin’izany zavatra mety hitranga izany. Ohatra, tamin’ny fanadinadinana azy tao amin’ny televiziona tamin’ny 13 janoary lasa teo, Andrei Gromyko, minisitry ny Raharaham-bahiny any U.R.S.S., dia nampiomana ny mponina any amin’ny Firaisana sovietika fa “mihantona eo ambonin’ny olombelona rehetra ny loza lehibe iray, ny fandrahonana mafy iray”. Ary dia nampiany koa hoe: “Tokony hatao izay rehetra azo atao mba hanilihana izany fandrahonana izany, mba tsy hitrangan’ny Hara-Magedona ahin’ny olona hatramin’ny taonjato maro.”
2 Tetsy andaniny koa, Ronald Reagan, prezidàn’i Etazonia, dia niresaka imbetsaka koa ny amin’ny Hara-Magedona. Araka izany, araka ny Daily News any New York tamin’ny 30 oktobra 1983, dia toa hoe nilaza toy izao izy: “Nitodika tany amin’ireo mpaminaninareo ao amin’ny Testamenta Taloha sy tany amin’ireo famantarana manambara ny Hara-Magedona aho, ary tonga amin’ny fanontanian-tena raha tsy ao anatin’ny taranaka hahita ny fahatanterahan’izany rehetra izany isika.” Vao haingana kokoa, ny 8 febroary 1985, dia azo natao ny namaky teo amin’ireo pejin’ny Wall Street Journal hoe: “Milaza ny prezidà Reagan fa mieritreritra ny [ady] Hara-Magedona izy ka miresaka ny amin’izany, (...) kanefa tsy manomana izany.”
3. a) Inona moa Hara-Magedona raha ny marina? b) Inona ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”?
3 Miresaka ny amin’ny Hara-Magedona àry ireo mpanao politika. Kanefa, tsapan’izy ireny ve ny dikan’io fitenenana ao amin’ny Baiboly io? Toa tsy izany, satria tsy ho ady ateraky ny olombelona akory izany. Ho adin’Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao izany, ka amin’izany, Jesosy Kristy Mpanjaka lefiny sy ny tenany, dia hampihatra fanamelohana eo amin’ireo firenena sy olona ratsy fanahy. Hahaforona ny fara herin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro” izy io. (Daniela 10:14, MN; Apokalypsy 16:14, 16.) Fa inona no atao hoe “vanim-potoana farany amin’ireo andro”? Ny fandikan-teny hafa dia milaza hoe “ny faran’ireo andro” (Crampon 1905; Zadoc Kahn) na “ny farany indrindra amin’ireo andro”. (Young.) Ireto ny teny hebreo nadika toy izany: ’aharith hayyamim. Araka ny diksionera iray (Theological Dictionary of the Old Testament), matetika ny dikany dia hoe “ny fotoana farany”; tsy hevitra ny amin’ny ho avy indrindra fotsiny no lazainy, fa ambarany ‘ny fara herin’ny Tantara, ny fiafarany’.
4. Ahoana no hahatongavan’ny “andro farany” amin’ny fara heriny? Inona no ho fiafaran’izany?
4 Hatramin’ny 70 taona mahery izao, ny olombelona dia miaina ao anatin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” nambaran’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:3 ka hatramin’ny 25:46. Io vanim-potoana io, izay nanomboka tamin’ny 1914, no “fotoana farany” izay ao anatiny no itomboan’ny fisehoan-javatra miandalana mba hiafara amin’ny fara heriny. Hitranga io rehefa hofoanana ny fandaminana ratsin’i Satana manontolo (Matio 24:21, 22). Hahafinaritra tokoa ny fiafarany: hanamarina ny anarana masin’i Jehovah izany. — Ezekiela 38:16, 23.
Ny hatsaram-pon’i Jehovah
5. Inona no teny mampahery hitantsika ao amin’ny Hosea 3:5?
5 Jehovah dia Andriamanitra izay mampahery an’ireo mpivavaka aminy. Ny Teniny, ny Baiboly Masina, dia feno fanambarana faran’izay mampahery, ka anisan’izany ity hita ao amin’ny Hosea 3:5 ity: “Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak’Isiraely ka hitady an’i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary handeha amin-kovitra hanatona an’i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any am-parany [amin’ny vanim-potoana farany amin’ireo andro, MN ]”.
6. Amin’ny ahoana moa ny Isiraely ara-panahy no hafa noho ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana?
6 Tamin’ny 537 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nisy sisa tamin’ny Isiraely tafaverina tokoa avy tany Babylona nahababoany, mba hanomboka hivavaka tamin’i Jehovah indray tany Jerosalema. Toy izany koa, tamin’izao androntsika izao, tamin’ny 1919, ny sisa voahosotra tamin’ny Isiraelita ara-panahy ‘dia tafaverina’ avy any amin’ny fandaminan’i Satana nahababoany tamin’ny ‘fitadiavana tamim-pahatsorana an’i Jehovah Andriamaniny’. Endrey ny tsy fitovian’izany amin’ireo fivavahana niala tamin’ny marina ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana. Tsy misy na dia iray aza amin’izy ireny tia ny hanaiky an’i Jehovah ho ‘Andriamaniny’. Tsy ‘mitady an’i Jehovah velively’ izy ireny fa mandà kosa aza ny fampiasana ny anarany.
7. Tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’ireo mpanompon’i Jehovah voninahitra ny anarany?
7 Teo amin’ny fanombohan’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”, Ny Tilikambo Fiambenana, tao amin’ny fanontany amin’ny teny anglisy tamin’ny 1 janoary 1926 (fanontana amin’ny teny frantsay tamin’ny martsa 1926), dia nandefa tena fihaikana tamin’ny endriky ny lahatsoratra iray hoe “Iza no hanome voninahitra an’i Jehovah?” Namaly tamim-pahatokiana an’io fanasana io ny sisa tamin’ireo Isiraelita ara-panahy izay tafangona indray ary tamin’ny 1931 izy ireo dia nanaiky tamim-pifaliana ny hitondra ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah (Isaia 43:10, 12). Hatramin’izao andro izao izy ireo dia tsy nitsahatra ny nampahafantatra be dia be ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah tamin’ireo mponina amin’ny tany. Tamin’izany, tamin’ny 1984 no namoahany an-tapitrisany maro, amin’ny fiteny maro, tamin’ny bokikely mahafinaritra miloko iray mitondra ny anarana hoe Le nom divin qui demeure à jamais.
8, 9. a) Inona no hevitry ny hoe ‘mitady an’i Davida mpanjakany’? Oviana ary taiza moa no nandray fiandrianana ilay Mpanjaka? d) Ahoana no nanjary nahatakaran’ireo mpanompon’i Jehovah an’io raharaha io?
8 Nanambara koa anefa Hosea fa ireny zanaka ara-panahy ireny dia ‘hiverina ka hitady an’i Davida mpanjakany’. Tsy nanana mpanjaka intsony mihitsy ny Isiraely araka ny nofo hatramin’ny nandrodanana ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Io fisehoan-javatra io koa dia nanamarika ny fanombohan’ny 2 520 taona nisian’ny fanapahana ratsy, dia ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” na “andron’ny jentilisa”. (Lioka 21:24; Daniela 4:13.) Tamin’ny 1914 anefa, rehefa nanomboka “ny vanim-potoana farany amin’ireo andro”, dia notendren’Andriamanitra Jesosy Kristy nanana an’i Davida ho tandindona, ho Mpanjaka tao Ziona, dia “Jerosalema any an-danitra”. — Hebreo 12:22; Salamo 2:6.
9 Tsy nahatakatra avy hatrany izany rehetra izany ireo mpanompon’i Jehovah teto an-tany. Kanefa, tonga tamin’ny fara heriny ny fitadiavany an’i ‘Davida mpanjakany’ rehefa navoakan’ny Ny Tilikambo Fiambenana tao amin’ny fanontany amin’ny teny anglisy tamin’ny 1 martsa 1925 ilay lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Fahaterahan’ny firenena iray”. Natolotr’io lahatsoratra io ny porofo manamarina mihitsy, niorina tamin’ny Apokalypsy toko faha-12, fa teraka tany an-danitra tamin’ny 1914 ny Fanjakana mesianikan’i Jehovah ary hatramin’izay Kristy dia ‘nanapaka teo afovoan’ny fahavalony.’ — Salamo 110:1, 2; 2:1-6.
10. a) Iza no ‘manatona an’i Jehovah amin-kovitra’ ary amin’ny fomba ahoana? b) Nahoana no zava-dehibe tokoa amin’izao andro izao “ny fahatahorana an’i Jehovah”?
10 Ireo anisan’ny sisa voahosotra, ary mazava ho azy tokoa fa izay rehetra manolo-tena ho an’i Jehovah, dia mahatsapa tanteraka fa nanota taloha. Amim-panetren-tena àry no ‘andehanany amin-kovitra manatona an’i Jehovah’, amin’ny fangatahana aminy ny famelana ny helony taloha. Ary rehefa manatona ny fara heriny izao “ny vanim-potoana farany amin’ireo andro”, izay rehetra tia an’i Jehovah dia vao mainka mitandrina tsara mba tsy hanota amin’Andriamanitra amin’ny fandikana ireo lalàny marina. Tokony hanohy ‘hanatona an’i Jehovah amin-kovitra’ isika, sady manisy ny tenantsika ho mangana, mba hahazoana ny famonjena ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra (I Korintiana 9:27). Tokony hotadidiantsika foana fa “ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”. — Salamo 111:10.
11. a) Amin’ny lafiny inona avy moa Jehovah no tsara? b) Nahoana isika no tokony ‘hanatona amin-kovitra ny hatsaram-pon’i Jehovah’?
11 Fa amin’ny fomba ahoana no azontsika ‘anatonana amin-kovitra ho amin’ny hatsaram-pon’i Jehovah’? Tsara tanteraka Jehovah; izy no ohatra faka tahaka tampony amin’ny fahatsaram-pitondrantena. Feno izy ary manome izay ilaintsika rehetra. Koa amim-pitokisana tanteraka no ahafahantsika milaza sahala amin’i Davida hoe: “Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho (...). Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako.” (Salamo 23:1-6). Dieny izao sy hatramin’ny fahataperan’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”, dia tokony ‘hanatona ny hatsaram-pon’i Jehovah amin-kovitra’ isika, matoky fa hanarona ny fahotantsika ny sorona sarobidin’i Jesosy Zanany (I Jaona 2:1, 2). Mihiaka amim-pankasitrahana toy izao isika: “Jehovah ô, (...) akory re ny haben’ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ny matahotra Anao!” — Salamo 31:17, 19.
12. a) Ahoana no azontsika anahafana ny hatsaram-pon’i Jehovah? b) Nahoana no tena ilaina ny hanaovana toy izany?
12 Raha mbola milentika kokoa ihany ho amin’ny ratsy izao tontolo izaon’i Satana, aoka isika hanahaka ny hatsaram-pon’i Jehovah amin’ny fampahafantarana amin’ny mpiara-belona amintsika ny vaovao tsaran’ny Fanjakana sy amin’ny fanehoana ireo toetran’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Aoka hambolentsika tokoa ireo vokatry ny fanahy, anisan’izany ny hatsaram-po, eo amin’ny fifandraisantsika rehetra amin’ny hafa, na ao anatin’ny fianakaviana izany, na eo anivon’ny kongregasiona na eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny olona amin’ny ankapobeny (Galatiana 5:22, 23; Salamo 119:65-68). Tena ilaina izany raha tiantsika ny ho tafita velona amin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”.
Torohevitry ny patriarka iray
13. a) Iza moa amin’izao andro izao no afaka mandray soa amin’ny fandinihana ilay faminaniana notononin’’i Jakoba teo amin’ny farafara hahafatesany? Inona no torohevitra raketin’io faminaniana io?
13 3 700 taona teo ho eo izay, Jakoba patriarka (antsoina hoe koa Isiraely) dia nanome faminaniana iray teo amin’ny farafara nahafatesany. Niteny tamin’ireo zanany lahy 12, dia ireo filohan’ny fokon’ny Isiraely, izy ka nilaza tamin’izy ireo hoe: “Mivoria hianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany [amin’ny vanim-potoana farany amin’ireo andro, MN].” Ireo teny ireo dia tanteraka amin’izao andro izao eo amin’ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy ary mitatra amin’ireo namany, dia ny “ondry hafa”. Tsy misy na dia iray aza amin’ny kristiana, anisan’ireo kilasy roa ireo, afaka mandika nefa tsy ho voasazy, ireo fitsipika ara-pitondrantena noferan’i Jehovah, sahala amin-dRobena, na hanampatra herisetra tahaka ny nataon’i Simeona sy Levy. Ny kristiana kosa dia tokony hamboly toetra tsara toy ny herim-po, ny fitokisana amin’i Jehovah, ny fanomezana vokatra, sahala amin’ireo zanak’i Isiraely hafa. — Genesisy 49:1, 3-7, 9, 18, 22; Jaona 10:16; jereo II Petera 1:8-11a.
14. Inona moa no faminaniana roa momba ny “andro farany” izay manome torohevitra manokana tokoa ho an’ny “ondry hafa”?
14 Kanefa ny torohevitra manokana dia manokana iray dia omena ireo “ondry hafa” izay manana fanantenana ny ho tafita velona amin’ny “andro farany”. Voasoratra ao amin’ny toerana roa io torohevitra io toy ny hoe mba hanamafisana azy tsara: ao amin’ny Isaia 2:2-5 sy ao amin’ny Mika 4:1-5.
Misy vahoaka mirohotra mankao an-tranon’Andriamanitra
15. a) Ahoana no nahatanterahan’ny Isaia 2:2? b) Inona no tsy fitovian-javatra tsapan’ireo manetry tena amin’izao andro izao, ary ahoana no fandraisany izany?
15 Izao no vakina ao amin’ny Isaia 2:2: “Ary izao no ho tonga any am-parany [amin’ny vanim-potoana farany amin’ireo andro, MN]: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.” Hatramin’ny dimampolo taona eo ho eo izao, nanomboka tamin’ny 1935, ireny “irin’ny firenena rehetra” ireny dia mivory ao amin’ny ‘tranon’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah’, ‘mameno voninahitra an’io trano io’. Toa manatrika fihafainganan’izany fanangonana izany koa isika raha mbola mihamanatona ny fara heriny ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”. Miha-misandratra hatrany io tendrombohitra ara-panoharana io, dia ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah, hany ka ny olona manetry tena dia afaka mahamarika ny fiavahany amin’ireo “havoana” sy “tendrombohitra hafa”, dia ireo fivavahan-diso an’izao tontolo izaon’i Satana milefitra loatra. ‘Mivoaka’ avy ao amin’ireny izy ireo ka mandositra mihamaro ho amin’ny tendrombohitra na fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. — Hagay 2:7; Apokalypsy 18:2, 4, 5; Salamo 37:10, 11.
16. a) Inona no fanasana valian’ireny olona manetry tena ireny? b) Ahoana no anatanterahan’i Jehovah ny fampanantenany “hanafaingana izany”?
16 Mamaly toy izany izao fanasana manaraka izao natao ao amin’ny Isaia 2:3 ireny olona manetry tena ireny: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony; fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Jehovah.” Dieny izao Jehovah dia efa manatanteraka ny fampanantenany “hanafaingana izany amin’ny fotoany”. (Isaia 60:22.) Mivory mba hivavaka aminy àry ny ‘olona betsaka avy amin’ny firenena rehetra’ sy mihamaro hatrany. Anisan’ireo mpikambana amin’izany “olona betsaka” izany, dia 138 540 no natao batisa tamin’ny 1982, 161 896 tamin’ny 1983 ary 179 421 tamin’ny 1984. Izy rehetra dia maniry ny ho tafita velona amin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”. — Apokalypsy 7:9, 14.
17. a) Ahoana no azon’ireo Vavolombelona vaovao ampisehoana ny fankasitrahany noho ny hatsaram-pon’i Jehovah? b) Didy manorina inona avy no tokony harahintsika rehetra?
17 Ireny Vavolombelona vaovao ireny dia velom-pankasitrahana an’i Jehovah noho ny nanehoany tamin’izy ireo ny hatsaram-pony tamin’ny fitarihana azy ireo ho amin’ny fahazavan’ny fahamarinana, ka izy ireo koa dia maniry amim-pahatsorana haneho hatsaram-po amin’ny mpiara-belona aminy. Ekeny an-tsitrapo ny fampianarana omen’i Jehovah azy ireo amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany. Raha nirakitra fandrarana maro tokony hotandreman’ny Isiraely ny lalàn’i Mosesy (jereo Eksodosy 20:3-17), ireo didy roa lehibe notononin’i Jesosy ho an’ny kristiana kosa dia manorina; izy ireo dia mandidy antsika mba ‘ho tia an’i Jehovah Andriamanitsika, amin’ny fontsika rehetra, ny fanahintsika rehetra, ny saintsika rehetra ary ny herintsika rehetra, ka ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika’. (Marka 12:29-31.) Amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaraka amim-piraisan-tsaina tanteraka ny “lalàna” ampitain’Andriamanitra amin’izy ireo amin’ny alalan’ilay “Jerosalema any an-danitra” amin’ny fitandremana ireo fotopoto-pitsipika marina amin’io lalàna io.
18. a) Karazam-pitsipika inona no tokony hotandremantsika? b) Inona no soa azo amin’ny fanarahana fitsipika mahasoa?
18 Tsy milaza anefa akory izany hoe tsy manana fitsipika harahina mihitsy ireo mpanompon’i Jehovah. Mampahatsiahy antsika toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka ny zavatra rehetra hatao amin’ny fahamendrehana sy ny filaminana.” (I Korintiana 14:40). Mety hiharihary fa ilaina ny hamerana fitsipika sasany ao amin’ireo Efitrano Fanjakanantsika, na mba hitsitsiana herimbaratra izany na mba hisakanana ny ankizy kely tsy hanao ny trano fanaovana fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ho tokotany fakan-drivotra aorian’ireo fivoriana. Ireo filoham-pianakaviana angamba dia tokony hanorina fitsipika sasany, ohatra, mba handinihana tsy tapaka ny teny natao hovakina isan’andro ao an-trano. Ao amin’ny fianakavian’ny Betela dia misy fitsipika koa, indrindra fa ilay mitaky ny hananan’ny rehetra taovolo sy fisehoana ivelany maotina mba hampahamendrika ny vaovao tsara (I Timoty 2:9). Ireo “horonamboky” hovohana ao anatin’ny Fanjakana arivo taonan’i Jesosy dia tsy isalasalana fa hirakitra fitsipika izay hahasoa ny olombelona rehetra. Tsara àry ny hizarana dieny izao mankatò fitsipika mahasoa ho fiheverana ny hafa sy hanohanana ny filaminana. — Apokalypsy 20:12; I Korintiana 10:24; Filipiana 2:3, 4.
Eo amin’izao tontolo izao feno herisetra
19, 20. a) Inona no fihetsika narahin’ireo mpanompon’i Jehovah raha ny amin’ny fotopoto-pitsipika voarakitra ao amin’ny Mika 4:3? b) Amin’ny ahoana izany no mahasoa azy ireo amin’izao “vanim-potoana farany amin’ireo andro” izao?
19 Isika izao dia manatona haingana ny fotoana hahitana ny olona tsirairay avy “hanainga tànana hifamely”. (Zakaria 14:13.) Izao tontolo izao dia miavaka kokoa ihany amin’ny tsy firaharahana lalàna sy ny herisetra, fa ahoana no ataon’ireo mpanompon’i Jehovah? Manaraka ny Mika 4:3 izay amakiantsika toy izao: “Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka.” Tena niala tamin’ny karazana herisetra rehetra tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy “hianatra ady intsony” izy ireo. Tsy isalasalana mihitsy fa izany dia hitondra soa ho azy ireo ao anatin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”, araka ny efa hita sahady.
20 Ohatra, rehefa nanazava Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 oktobra 1983 fa tsy nety ny hitondran’ny kristiana basy na basipoleta, ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Nouvelle-Calédonie dia nanaisotra ny fiadiany fitifirana. Rehefa afaka kelikely taty aoriana, dia nisy olona anisan’ny antoko ara-politika iray teo an-toerana nisava ny trano rehetra tao amin’ny toerana iray ka nandoro ireo trano nahitany fiadiana fitifirana. Tsy nisy rava na dia iray aza tamin’ireo tranon’ny Vavolombelona. Araka ny nasehon’ny zava-nitranga tany Irlande Avaratra, tany Liban, tany Zimbabwe sy tany amin’ny tany hafa koa, dia matetika ny fihetsika mialanalana fantatra tsara no ny karazam-piarovan-tena tsara indrindra.
21. a) Fanasana inona no tokony hovaliantsika, ary fanapahan-kevitra inona no tokony hataontsika raha irintsika ny ho sambatra tokoa? b) Ahoana no mety hahazoantsika antoka ny amin’ny hatsaram-pon’i Jehovah?
21 Ho sambatra isika raha mamaly ity fanasana atao ao amin’ny Isaia 2:5 ity: “Avia, ary aoka isika handeha amin’ny fahazavan’i Jehovah.” Sambatra koa izay rehetra mba mandray koa ny fanapahan-kevitra hentitra nolazain’i Mika mpaminany. Rehefa avy nilazalaza ny filaminana sy ny fiadanan’ny paradisa misy eo anivon’ny olon’Andriamanitra tokoa izy dia manampy teny toy izao: “Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy; fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” Tsy isalasalana mihitsy fa haneho amintsika ny hatsaram-pony Jehovah raha manohy manaraka ny fanompoam-pivavahana marina ao anatin’ny firaisan-tsaina sy ny fihavanana isika mba hahatafita velona amin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba handinihana amin’ny antsipiriany kokoa ny faminanian’i Jakoba, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 1 sy 15 oktobra 1962 na ny Bulletin 11/62.
Ho famintinana
◻ Ahoana no fandraisanao ny atao hoe “vanim-potoana farany amin’ireo andro”?
◻ Ahoana no azontsika ‘anatonana amin-kovitra an’i Jehovah sy ny hatsaram-pony’?
◻ Inona no torohevitra tovozintsika ao amin’ilay faminaniana notononin’i Jakoba talohan’ny hahafatesany?
◻ Dingana manorina inona avy no azontsika atao mifanaraka amin’ny Isaia 2:2-5 sy Mika 4:1-5?
[Sary, pejy 15]
Mamporisika antsika Hosea mba hanahaka ny hatsaram-pon’i Jehovah.
[Sary, pejy 16]
Nanonona toetra tsara sy kileman-toetra i Jakoba.
[Sary, pejy 17]
Manasa antsika Isaia mba handeha “ao amin’ny fahazavan’i Jehovah.”
[Sary, pejy 18]
Mamporisika antsika i Mika mba ‘handeha amin’ny anaran’i Jehovah mandrakizay doria’.