Ny tena sakaiza: nahoana no tsy fahita firy izy ireny?
“HO TIAKO ny hanana sakaiza iray tapitrisa”, hoy ny ambaran’ny hirahira breziliana iray. Fa inona marina tokoa moa no atao hoe sakaiza. Omena heviny malalaka aoka izany indraindray io teny io, hany ka saika manjary manondro olona ifandraisana rehetra tsy miseho ho mankahala tsotra izao. Mihoatra noho ny olom-pantatra fotsiny anefa ny tena sakaiza iray. Momba ny fisakaizana, dia nanoratra toy izao i Francis Bacon: “Mampitombo avo roa heny ny fifaliantsika izany ary mampihena antsasany ny fahoriantsika.”
Marina tokoa fa mitondra fahasambarana ho antsika ny tena sakaiza ary, rehefa ilaina izany, dia manampy antsika hizaka ny fahoriantsika izy. Amin’izany, izay tsy manana sakaiza dia tsy mety ho sambatra tanteraka. Olona an-tapitrisany maro anefa no mitaraina satria sarotra aminy ny mahita tena sakaiza.
Nahoana no tsy fahita firy ny tena sakaiza?
Nanambara ny Baiboly fa ny mpiara-belona amintsika dia “ho tia tena (...) mpandoka tena, mpiavonavona (...), tsy misaotra, tsy manaja izay masina [tsy mahatoky, MN], tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo”. (II Timoty 3:1-4.) Tsy mahagaga mihitsy àry raha sarotra ny mahita sakaiza mahatoky. Tsy manamora velively ny fampitomboana toetra faniry mampiavaka ny sakaiza mendrika izany anarana izany ny manodidina antsika.
Misy anton-javatra hafa mahatonga izany toe-javatra izany anefa. Misy tokoa olona tsy mandinika tsara izay tsy miahy afa-tsy ny fisehoana ivelany. Ny hafa tsy vonona ny hanana ny fahafoizan-tena ilaina mba hitanana fisakaizana iray. “Tsy haningo-tena”, izany no filamatr’izy ireny. Ambonin’izany, dia manimba ny fisakaizana ny fiheveran’izao tontolo izao ho zava-dehibe loatra ny fananana ara-nofo. Maro no mifikitra kokoa amin-javatra, amin’ny alika na ny saka aza, noho ny amin’ny mpiara-belona aminy. Amin’ny ankapobeny, raha miraiki-po amin’ny hafa izy, dia tsy lalina izany. Nanao izao fanamarihana izao tokoa ny vehivavy be taona iray: “Tia izy ireo, nefa lavitra.” Na dia ny famihinana sy ny fanorohana fampiseho any amin’ny tany sasany aza dia tsy antoka foana ny hisian’ny tena fanohanana rehefa misy fahoriana.
Ny tsy fahampiam-potoana koa dia misakana olona be dia be tsy hampifamatotra fifandraisam-pisakaizana amin’ireo manodidina azy. Noho ny firimorimon’ny fandehan’ny fiainana, dia betsaka no sahirana loatra na vizana loatra ka tsy afaka mamboly fisakaizana. Farany, ny sasany mino fa tokony homena zavatra sarobidy ireo izay tian’ny tena. Noho izany, dia mihevitra izy fa tsy afaka manana aingitraingitra mba hananana sakaiza.
Fisakaizana ivelany fotsiny
Na dia izany aza, dia olona be dia be no milaza ho manana sakaiza. Manao ahoana anefa ny halalin’ny fifandraisana tanan’izy ireo. Matetika tokoa izy ireny no tsy mihevitra ny hafa raha tsy arakaraka ny azon’ireo omena azy fa tsy noho ny maha-izy azy. Mandrakariva no miharihary fa mihelina ny karazam-pisakaizana toy izany, satria raha vantany vao tsy miseho ho malala-tanana intsony ny “sakaiza” iray, dia hadino avy hatrany izy.
Na dia ny fananan-javatra iombonana aza dia tsy miantoka foana ny faharetan’ny fisakaizana. Ny amin’izany, ny Brazil Herald dia nitantara ny amin’ny “mpisakaiza” akaiky roa izay tia ny nandany ny faran’ny herinandron’izy ireo hiaraha-mitety trano fisotroan-toaka. Indray andro ireo lehilahy ireo dia nifanditra ny amin’ny hahafantarana hoe iza amin’izy roa lahy no mafy kokoa. Mba hanaporofoana fa toy izany ny tenany, ny anankiray tamin’izy ireo dia namoaka ny basipoletany ka nitifitra an’ilay sakaizany. Voatery niaiky izy nony avy eo fa namono nahafaty ny ‘sakaizany tsara indrindra’.
Kanefa, na dia ao aza ny vato misakana rehetra mameno ny lalana mitarika ho amin’ny fisakaizana, isika rehetra dia mahatsapa ny filana raikitra ao amintsika hanana sakaiza. Aiza ary amin’ny fomba ahoana àry no mety hahitantsika izany?