“Aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika”
“Kanefa aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika.” — FILIPIANA 3:16.
1, 2. a) Amin’ny ahoana moa ny ankizy faka tahaka no loharanom-pampaherezana ho an’ny manodidina azy? b) Inona anefa no fanontaniana azo apetraka ny amin’izy ireny?
ZARA raha vao roa taona mahery i Alisa dia efa nahatalanjona ny olona rehetra tamin’ny fanaovana tsianjery ny anaran’ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly sy ireo apostoly 12, sy amin’ny filazalazana amin’ny fihetsehana ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra sivy (Matio 10:2-4; Galatiana 5:22, 23). Teo amin’ny fahafolo taonany, dia nanampy isan-kerinandro zazavavy kely iray zandriny roa taona izy hianatra ny Soratra masina. Taty aoriana, ilay mpianany kely dia afaka nanaitra ny fahalianan’ny zokiny lahy ho amin’ny Baiboly. Hatramin’izay i Alisa sy ilay namany dia nametra zava-kendrena manokana. Manantena izy ireo fa indray andro any dia ho afaka hiara-hanao ny asan’ny mpitory maharitra manokana (mpitory manontolo andro).
2 Tsy azo lavina fa mahafinaritra tokoa ny miaraka amin’ankizy tahaka an’i Alisa sy ny namany. Angamba mahalala amin’izany koa ny tenanao. Kanefa, amin’ny toe-javatra toy izany dia voatery manontany tena isika hoe: Hanao ahoana izy ireo rehefa hihalehibe? Hanohy handroso ara-panahy ve izy ireo mandra-pahatratrany ny zava-kendreny? Sa kosa hamela zavatra hafa hampiala azy amin’ny lala-mahitsy izy ireo?
Aoka isika hanohy handroso
3. Iza no mila ny handroso?
3 Mazava ho azy fa mbola mila ny hitombo be dia be eo amin’ny lafiny ara-panahy ireo ankizy ireo alohan’ny hahatanterahana ny zava-kendreny. Nefa moa ve ny tanora sy ny vaovao ihany no hany tokony handroso? Raha ny marina, ampy ve ny manao fandrosoana ampy indrindra mba hanatrarana ny fahamasahana ara-panahy na mba handraisana tombontsoa toy izao na izao? Tsy izany velively. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny apostoly Paoly. Tsy nianina tamin’izay efa vitany izy, fa izao no nambarany tao amin’ny taratasiny ho an’ny kristiana tany Filipy: “Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka [manohy ny fihazakazahako, MN ] aho hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesosy ahy.” — Filipiana 3:12.
4. Inona moa no “zava-kendrena” niezahan’ny apostoly Paoly notratrarina?
4 Miharihary fa eo i Paoly dia tsy niresaka ny amin’ny hahatongavana amin’ny fahamasahana, satria efa kristiana matotra izy. Ny ‘fihazakazahany’ kosa dia nitondra azy ho amin’ny zavatra mbola tsy ‘azony’. Inona àry izany? Ny tenany ihany no manazava izany amin’izao teny izao: “Eny, miezaka hanatratra ny marika [zava-kendrena, MN ] aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 3:14). Araka izany, i Paoly dia tsy nitady fotsiny hanatratra ny fahamasahana kristiana na hahafeno ireo fepetra takina mba hanaovana raharaha iray. Nikendry zava-kendrena hafa ambony kokoa izy. Ho azy toy ny ho an’ny kristiana voahosotra hafa rehetra, izany dia ny ‘lokan’ny fiantsoana any ambony’, dia ny fananganana ny maty mitarika ho amin’ny fiainana any an-danitra.
5. a) Nahoana no tena ilaina ny hanohizana hitombo? b) Ahoana no tokony handraisana ny fitenenana hoe “manadino izay zavatra ao aoriana”?
5 Izany dia mahatonga antsika ho afaka hahatakatra hoe nahoana isika no tokony hanohy hitombo ara-panahy, na hatramin’ny oviana na hatramin’ny oviana isika no tao amin’ny lalan’ny fahamarinana. Raha tokony handroso isika mba hahatongavana hoheverina ho matotra na hahafenoana ireo fepetra takina amin’ny tombontsoa manokana fotsiny, soa maharitra inona no horaisintsika avy amin’izany? Ny fahamasahana sy ireo tombontsoa fotsiny dia tsy miantoka velively fa ho tratrantsika ny zava-kendrentsika farany, dia: ny fiainana mandrakizay. Noho izany antony izany, sahala amin’ny apostoly Paoly, dia tokony ‘hanadino izay zavatra ao aoriana isika ka hiezaka hanatratra izay zavatra eo aloha’. (Filipiana 3:13.) Izany dia tsy milaza fotsiny fialana amin’ny asa tsy mahavokatra rehetra nety ho nataontsika talohan’ny nahalalana ny fahamarinana, fa hiahy koa ny amin’ny tsy hianina amin’izay efa nataontsika hatramin’izay. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia zava-dehibe ny tsy mianina amin’ny fahombiazana voalohany, fa tsy hitsaharantsika manohy ny fihazakazahantsika. Izany ve no ataonao? Sa kosa mihamiadam-pamindra kokoa ianao noho ny antony iray na ny antony hafa? — Jereo I Korintiana 9:26.
6. Raha ny amin’ny fandrosoantsika, fianarana inona no azontsika tsoahina avy amin’ny fampitahana ny andininy faha-12 sy 15 amin’ny Filipiana toko faha-3?
6 Rehefa heverina amin’izany zavatra setraina izany, dia manampy teny toy izao i Paoly: “Koa aoka isika rehetra izay tanteraka [matotra, MN ] hihevitra izany; fa hasehon’Andriamanitra aminareo izany, raha sendra manana sain-kafa hianareo.” (Filipiana 3:15). Eo amin’ny Fi 3 andininy faha-12 ilay apostoly dia miaiky fa mbola tsy natao “tanteraka” izy. Kanefa dia izao no lazainy eto: “Isika rehetra izay matotra”, na “tanteraka”. (Kingdom Interlinear.) Tsy nilaza teny nifanipaka velively i Paoly fa nanipika fa na dia ny kristiana matotra tahaka azy aza dia tokony hahatsiaro fa tsy mbola nahatratra ny zava-kendreny farany izy ireny ary tokony hanohy handroso mba hahatongavana amin’izany. Koa namintina ny fananarany tamin’izao teny izao izy: “Kanefa aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika [manaraka fifehezana hatrany, MN ] [“aoka isika tsy hiova famindra”, Maredsous].” — Filipiana 3:16.
Ny fomba ‘hizorana manaraka fifehezana’
7. Lalana inona no nananaran’i Paoly an’ireo rahalahiny mba harahina?
7 Rehefa nangataka an’ireo rahalahiny i Paoly mba ‘hizotra manaraka fifehezana hatrany’ na “tsy hiova famindra”, dia namporisika azy ireo izy mba hanorina fandaharana tsara ho an’ny tenany sy tsy hiala amin’izany mandra-pahatongan’ny fotoana handraisana ny valisoany? Raha nanao toy izany izy ireo, dia ho nitovy tamin’ilay mpanompo izay, tao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy, dia nandevina ny hany talenta nankinin’ny tompony taminy ary nianina tamin’ny fiandrasana ny fiverenan’io (Matio 25:14-30). Tsy nanary ny talentany io mpanompo io, ary tsy niala tamin’ny toerany. Kanefa dia handroaka azy ny tompony amin’ny filazana azy ho “mpanompo tsy mahasoa”. Tsy ny hamporisika antsika hitana izay ananantsika noho ny tahotra sao mamoy azy ihany àry no nirin’i Paoly. Nananatra antsika kosa izy mba handroso. Rehefa nilaza izy hoe ‘aoka isika hizotra manaraka fifehezana hatrany’, dia nampahatsiahy fandrosoana tsy tapaka izy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny kristiana dia tsy tokony hitovy amin’ny miaramila iray mijaridina, fa amin’ny mpiady mandeha.
8. Tokony hiahy ny amin’inona isika raha ny amin’ny fomba fanompoantsika an’Andriamanitra?
8 Ny torohevitr’i Paoly dia tokony hanampy antsika hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny hanaovana fiezahana mitohy sy mafy mba handrosoana amin’ny asan’i Jehovah. Eny, na inona na inona “efa azontsika sahady” eo amin’ny fandrosoantsika, na loholona isika na mpikarakara momba ny asa, mpitory maharitra na mpitory tsotra, ny tokony hahintsika voalohany indrindra dia tokony ho ny hanatontosana asa tsara kokoa ho an’i Jehovah amin’ny lafin’ny hatsarana, nefa koa araka izay azo atao, amin’ny lafin’ny habetsahana. Aoka isika tsy hanana toe-tsaina sahala amin’ireo Isiraelita tsy nankatò tamin’ny andron’i Malakia. Nino ireo fa afaka nanatontosa ny adidiny tamin’Andriamanitra tamin’ny fanolorana ho azy fanatitra tsy dia manao ahoana. Nitovy hevitra tamin’izany ve Jehovah? Ny tenany mihitsy no nampiseho izany tamin’ny fanambarana hoe: “Aterinareo ho fanatitra [ny biby mandringa na marary]; moa ta-handray izany amin’ny tànanareo va Aho?” — Malakia 1:13.
9. Amin’ny ahoana moa ireo torohevitr’i Paoly voasoratra ao amin’ny Romana 12:6-8, 11 no mety hisy heriny eo amin’ny fandrosoantsika?
9 Raha ny amintsika, dia tena ilaina ny hanaovana amin’ny fo rehetra ny asantsika ho an’Andriamanitra. Araka ny nampahatsiahivin’i Paoly an’ireo kristiana tany Roma, na manao ahoana na manao ahoana tombontsoa nankinina tamintsika, dia tokony ‘hikarakara izany’ “tsy misy vazivazy” isika ka “tsy hitsilamodamoka”. (Romana 12:6-8, 11, MN.) Ny dikan’ny hoe mitsilamodamoka” dia “mandeha tsy misy zava-kendrena”, tsy manatratra zava-kendrena iray voafaritra tsara. Tsara ny manamarika fa ny teny grika ampiasaina ao amin’io andinin-teny io dia adika ara-bakiteny hoe “kamo”. Milaza tsara ny heviny io teny io. Raha inoana ny fitantarana iray, na dia afaka mandeha haingana aza ny biby nomena ny anarana hoe “kamo” dia mety hatory na tsy hihetsika tanteraka mandritra ny 139 ora amin’ny 168, izany hoe 83 isan-jaton’ny fotoanany. Tsy misy mahagaga mihitsy àry raha anarina isika mba tsy ho “kamo”, fa hiseho “harehitry ny fanahy” ka ‘hiasa ho an’i Jehovah amin’ny maha-mpanompo’! Inona no hanampy antsika amin’izany?
10. Nahoana moa isika no tokony hihevitra mafy ireo torohevitra nomen’i Paoly ao amin’ny I Timoty 4:12-16?
10 Ao amin’ny I Timoty 4:12-16 ny apostoly Paoly dia nanazava tamin’ny antsipiriany be dia be izay tokony ho nataon’i Timoty raha tiany “hiseho amin’ny olona rehetra” ny fandrosoany. Tamin’izany andro izany i Timoty dia tsy zatovo intsony na vaovao. Efa niara-niasa akaiky tamin’i Paoly nandritra ny 10 taona mahery izy. Ambonin’izany, dia nisy andraikitra sy fahefana lehibe nankinina taminy teo anivon’ny kongregasiona kristiana, tsy isalasalana fa noho ny fandrosoana efa vitany hatreo. Noheverin’i Paoly anefa fa tsara ny hanomezana azy ireo torohevitra hodinihintsika. Noho izany, dia hahasoa antsika rehetra ny handatsaka am-po izany.
Aoka ianao ho ohatra amin’ny teny sy amin’ny fitondrantena
11, 12. a) Amin’ny lafiny inona moa isika no tokony hiezaka handroso alohan’ny zavatra rehetra? b) Nahoana moa no zava-dehibe kokoa ny handrosoana amin’io lafiny io noho ny fampitomboana ny fahalalana na ny fahaizan’ny tena?
11 Voalohany indrindra, eo amin’ny 1Ti 4 andininy faha-12 i Paoly dia manambara toy izao: “Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.” Io fitanisana io dia tsy isalasalana fa mampahatsiahy antsika ny “vokatry ny fanahy” nolazalazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny Galatiana 5:22, 23. Iza no afaka milaza fa tsy mila ny handroso amin’io lafiny io ny tenany? Be dia be amintsika no nanao fiezahana lehibe mba hianarana sy hitadidiana ireo “vokatry ny fanahy’ sivy sy mba hanampiana ireo tanora sy ireo vaovao hanao toy izany. Nefa moa ve isika nanao fiezahana toy izany mba hamoazana ireo vokatra ireo? Nosoritan’i Paoly fa ny kristiana matotra dia tokony ho ohatra amin’io lafiny io. Miharihary tokoa fa izany dia lafiny iray amin’ny fiainan’ny kristiana azo ihatsarana foana.
12 Amin’ny heviny iray, ireo toetra ireo dia angamba milaza zavatra betsaka kokoa ny amin’ny fandrosoantsika ara-panahy noho ny fahalalantsika na ny fahaizantsika manokana. Ireo vokatra ireo tokoa dia avy amin’ny asan’ny fanahy masina, fa ny fahalalantsika sy ny fahaizantsika dia matetika mifamatotra amin’ny fahaizantsika araka ny natiora sy ny fanabeazana antsika. Ireo mpanora-dalàna sy Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy dia nahalala tsara ny Soratra masina ary nitandrina an-tsakany sy an-davany ny Lalàna hatramin’ny antsipiriany madinika indrindra. Nanameloka azy ireny tamin’izao teny izao anefa i Jesosy: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana [fahatokiana, MN ].” (Matio 23:23). Raha ny amin’izay mahakasika antsika, dia zava-dehibe indrindra ny handrosoantsika amin’ny fampiharana ireo zavatra “lehibe” ireo.
Tandremo ny famakian-teny, ny fananarana sy ny fampianarana
13. Inona no soa azon’ireo mpiandraikitra tsoahina avy amin’ny torohevitra nolazain’i Paoly ao amin’ny I Timoty 4:13?
13 Rehefa avy eo i Paoly dia manasa an’i Timoty hanohy ‘hitandrina ny famakian-teny ampahibemaso, ny fananarana, ny fampianarana’. (I Timoty 4:13.) Ao amin’ny taratasy hafa izy dia nidera an’i Timoty, tamin’ny fampisehoana azy ho minisitra mahatoky sy mahay (Filipiana 2:20-22; II Timoty 1:4, 5). Toroany hevitra anefa izy eto hanohy handatsaka am-po ireo andraikitra tena lehibe iantsorohany amin’ny maha-mpiandraikitra azy. Raha notendrena ho mpiandraikitra ao amin’ny kongregasionanao ianao, ‘mitandrema hatrany’ amin’io lafiny io? Ohatra, mitandrina ireo fanipazan-kevitra ao amin’ny Manuel pour l’Ecole du ministère théocratique ve ianao mba hanitsian-tena amin’ireo kileman-toetranao, sa ianao mirona hieritreritra fa izany rehetra izany dia tsy mahakasika afa-tsy ny vaovao? Mianatra amim-paharisihana ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana ve ianao mba hahafahana ‘mananatra mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra’? — II Timoty 4:2; Titosy 1:9.
Aza atao tsirambina ny asa izay fanomezana
14. Ahoana no azontsika ampisehoana fa mandroso amin’ny fitoriana isika?
14 Ny sasany ihany no voatendry hampianatra ny kongregasiona. Ny kristiana rehetra kosa anefa dia nahazo avy amin’i Jesosy ny asa fanendrena hanao fanambarana ny amin’ilay Fanjakana sy hanao mpianatra (Matio 24:14; 28:19, 20). Mba hiantsorohana izany, dia tokony hampianatra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny olona tso-po izy ireo ka hananatra azy ireny hanova ny fiainany sy hiandany amin’i Jehovah. Moa ve ianao manohy ‘mitandrina’ mba hampitombo ny fahaizanao amin’ny fanompoana? Moa ve ianao miezaka amim-pieritreretana tsara hanararaotra araka izay farany azo atao ireo fanipazan-kevitra ao amin’ny Fanompoana ilay Fanjakana sy ny fivoriana momba ny asa izay atao isan-kerinandro ao amin’ny kongregasionanao, mba ‘hanaovana ny asan’ny mpitory ny filazantsara’ sy ‘hanatanterahana amin’ny fomba feno ny fanompoanao’? — II Timoty 4:5, MN.
15. Inona moa no “fanomezam-pahasoavana” natolotra an’i Timoty? Inona no sahala amin’izany amin’izao andro izao?
15 Nampahatsiahy ny taloha i Paoly ka efa nilaza tamin’i Timoty hoe: “Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan’ny loholona.” (I Timoty 4:14). Ny zavatra rehetra dia mahatonga hino fa Timoty dia notendren’ny fanahy masina, ary rehefa avy eo dia voatendry hanao asa manokana ao anatin’ny kongregasiona kristiana (I Timoty 1:18; II Timoty 1:6). Toy izany koa amin’izao andro izao, mpikambana maro ao amin’ny fandaminana no namboly fahaizana azony avy amin’Andriamanitra, ka izany dia nahatonga azy ireo ho voatendry ho loholona, mpiandraikitra mpitety faritany, misionera, mpitory maharitra mandavantaona na manokana, ohatra. Na dia tsy nisy faminaniana na fametrahan-tanana ara-bakiteny aza, dia tsy isalasalana fa azony raisina ho azy ireo izao torohevitra manaraka izao: “Aza tsy mitandrina [manao tsirambina, MN ] ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao.”
16. Inona no hisakana antsika tsy hanao tsirambina ny “fanomezam-pahasoavana” natolotra antsika?
16 Araka ny filazan’ny diksionera, ny dikan’ny hoe “manao tsirambina” dia hoe “mamela (zavatra iray) tsy ho ampy fikarakarana, fiezahana, fitandremana tokony hatao aminy”, na koa “tsy mampihatra” noho ny tsy fanahiana. Rehefa lasa fahazarana ny asa iray, tsy ela dia atao tsirambina izany. Mety ho latsaka ao anatin’io kileman-toetra io isika raha mipetraka eo amin’ireo tombontsoantsika amin’ny fitsaharana tsy mandroso. Manana tombontsoa tokoa àry isika hanaraka ny torohevitra nomen’i Paoly ao amin’ny Kolosiana 3:23, 24, manao hoe: “Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo [Jehovah, MN ], fa tsy ho an’olona, satria fantatrareo fa ny Tompo [Jehovah, MN ] no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’i Kristy Tompo hianareo.”
Mitondra tombontsoa ny faharetana
17. Raha manao ahoana ny fiezahantsika no hitondra vokatra?
17 Raha mieritreritra tsara ireo fanontaniana vao avy notsahivintsika isika, dia tsy mety ho latsaka ao anatin’ny fandriky ny fahafahampo amin’ny tena. “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, hoy ny apostoly Paoly, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” (I Timoty 4:15). Mazava ho azy fa tsy ho tiantsika ny hanao “fandrosoana” toy izany mba hampiharihariana ny tenantsika na mba hanairana ny sain’ny hafa. Na dia izany aza, na tanora isika na antitra, rehefa mitombo amin’ny lafiny ara-panahy isika, avy hatrany dia tonga antom-pifaliana sy fampaherezana ho an’izay rehetra manodidina antsika. Izany no hita tamin’i Alisa sy ny namany izay noresahintsika teo am-piandohan’ity lahatsoratra ity.
18. Valisoa roa sosona inona no azontsika antenaina raha mampihatra amim-pahadodonana ny torohevitr’i Paoly isika?
18 Raha mampihatra amim-pahadodonana ireo torohevitr’i Paoly isika, dia afaka manantena ny hahazo valisoa roa sosona. “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” (I Timoty 4:16). Mety ny handinihantsika tena foana mba hahitana raha mandroso sy mitombo ara-panahy isika, toy ny anasantsika ny hafa hanao izany. Izany dia hisakana antsika tsy “holavina”. (I Korintiana 9:27.) Raha manao toy izany isika, dia ho azo antoka ny fahatsinjovana mahasambatra ny hahita ny fandaharan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra, ho antsika sy ho an’ireo ho nananantsika tombontsoa ny nanampy azy. Araka izany àry, mba hahasoa azy ireny sy isika koa, nefa indrindra ho fiderana an’i Jehovah Andriamanitsika dia “aoka ho amin’ilay efa azontsika sahady no mbola hizorantsika”. — Filipiana 3:16.
Tadidinao ve?
◻ Inona moa no ‘zava-kendrentsika’ farany? Ahoana no mety hahatratrarantsika izany (Filipiana 3:12, 13)?
◻ Lalana inona no tokony hizorantsika (Filipiana 3:16)
◻ Nahoana moa isika no tokony hanohy handroso amin’ny teny sy amin’ny fitondrantena (I Timoty 4:12)?
◻ Ahoana no mety handrosoan’ireo loholona, ireo mpikarakara momba ny asa sy ny kristiana hafa rehetra amin’ny fahaizan’izy ireo mampianatra (I Timoty 4:13)?
◻ Inona no tokony hataontsika mba tsy hanaovana tsirambina ny “fanomezam-pahasoavana” natolotra antsika? (I Timoty 4:14.)
[Sary, pejy 14]
Alisa sy ilay mpianany kely dia nametra ho zava-kendrena ny hanompo an’i Jehovah manontolo andro.