FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/7 p. 21-23
  • Ny fombafomba fisaonana: ahoana no fiheveranao izany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fombafomba fisaonana: ahoana no fiheveranao izany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny alahelo: fihetsika ara-dalàna
  • Ireo fombafomba fisaonana
  • Ireo soa ateraky ny tsy fivadihana
  • Fiheveran’ny Kristianina Ireo Fomba Rehefa Misy Maty
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Halaviro ny Fanao Tsy Mampifaly An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Fisaonana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Alahelo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/7 p. 21-23

Ny fombafomba fisaonana: ahoana no fiheveranao izany?

HATRAMIN’NY ela be, dia tojo fahafatesana ny taranak’olombelona. Izany fanandraman-javatra naharitra izany anefa dia tsy nampihena velively ny fahaketrahana ateraky ny fahafatesan’ny lehilahy iray na ny vehivavy iray eo amin’ireo sisa velona. Saika tsy miova fa ny fahalasanan’ny olona iray anisan’ny fahavelomantsika dia miteraka alahelo lalina sy maharitra ho antsika, fahatsapana fahabangana mafy.

Araka ny fandrindran-kevitra, ny fivavahana dia tokony hampitony ny fanaintainana ateraky ny fahafatesana, nefa raha ny marina, matetika izany dia mampitombo azy fotsiny. Araka izany, ny alahelon’ny olona misaona dia miova ho horohoro rehefa mino izy ireo fa ireo havany maty dia niova ho fanahy mpamaly faty ka hamely azy ireo matetika raha tsy ampitoneny amin’ny fombafomba fisaonana. Afa-tsy izany koa, rehefa mamoy ny anankiray amin’ny mpianakaviny ny fianakaviana kristiana iray, dia tsy maintsy manao fanapahan-kevitra mifandray amin’ireo fanao eo an-toerana izy indraindray, toy ny fanaovana akanjo fisaonana na fanao hafa antenain’ny manodidina azy ho hita harahiny.

Nampanantena Jehovah fa hanafaka ny fianakavian’olombelona amin’io loza io, dia ny fahafatesana (Apokalypsy 21:4). Eo am-piandrasana izany, dia nomeny antsika ny Teniny, ny Baiboly, ho ‘fanazavana ny lalantsika’. (Salamo 119:105.) Isaky ny tsy mahazo antoka ny amin’izay mety raha hatao isika, ny Soratra masina dia manoro antsika ny lalana irin’Andriamanitra ho hita hataontsika (Isaia 30:21). Aoka àry hodinihintsika ireo torohevitra omeny antsika ho amin’ny andro hampahory hahafatesan’ny anankiray amin’ireo havantsika akaiky.

Ny alahelo: fihetsika ara-dalàna

Araka ny efa nasainay nomarihina, dia ara-dalàna ny hahatsapana alahelo lalina rehefa lasa ny olona iray tsy fointsika. Fantatry ny kristiana anefa fa hisy fananganana ny maty. Noho izany, dia tsy ketraka noho ny alahelo mampivadi-po mpahazo an’ireo tsy manana fanantenana amin’ny toe-javatra toy izany izy ireo (I Tesaloniana 4:13). Tsy hoe tsy maintsy ho fanaovam-beloma akory ny fahafatesana. Na dia izany aza, dia fanaovana mandra-pihaona ihany izany.

Noho izany antony izany, Abrahama dia ‘nisaona an’i Saraha sy nitomany azy’ fony izy io maty (Genesisy 23:2). Isaka zanany lahy koa dia nila ‘nampiononina noho ny alahelony an-dreniny’. (Genesisy 24:67.) Lehibe aoka izany ny alahelon’ireo havana aman-tsakaizan’i Lazarosy, hany ka Jesosy koa aza mba “nitomany”. (Jaona 11:35.) Mariky ny fitiavana ny fitsidihana ny fianakavian’ilay maty mba hampaherezana azy ao anatin’io fitsapana io. — Jaona 11:31.

Ho voamarikao anefa fa ao amin’ireo fitantarana araka ny Baiboly izay miresaka ny amin’ny fisaonana sy ny fampiononana entina ho an’ny sisa velona dia tsy misy firesahana mihitsy ny amin’ny fampitonena ny maty. Fantatr’ireo mpanompon’Andriamanitra fa tsy nahalala na inona na inona ny maty, fa toy ny matory (Jaona 11:11-14; Mpitoriteny 9:5, 10). Tsy mijaly any amin’izay atao hoe ankoatra akory ny maty ary tsy miova ho fanahy mpanisy ratsy sy mpamaly faty (Salamo 146:3, 4). Noho izany antony izany, ny olon’i Jehovah dia tsy tokony hanahaka ireo firenena nanodidina azy tamin’ny fanao nampiseho fiheveran-diso ny amin’ny toe-javatra misy ny maty. — Deoteronomia 14:1; 18:10-12.

Amin’izao andro izao koa, rehefa mandinika ireo fanao mifamatotra amin’ny ‘fanajana ny maty’ isika, dia tokony hofantarintsika hoe inona no heviny amin’izao fotoana izao. Moa ve ireny fanao ireny mifamatotra amin’ny finoanoampoana na amin’ny fampianaran-diso? Raha izany no izy, moa ve ny kristiana iray tokony hanaraka izany? — Romana 13:12-14.

Ireo fombafomba fisaonana

Any amin’ny firenena samihafa, ny lehilahy sy ny vehivavy maty vady dia heverina fa tokony hanao fitafiana manokana sy ‘hisaona’ mandritra ny herintaona izay manery azy ireo hanaraka fepetra maro. Mifanaraka amin’ny finoana kristiana ve izany lovantsofina izany?

Takatra ny mahatonga ny alahelon’ny kristiana iray vao avy namoy havan-tiana hiseho kelikely eo amin’ny fomba fitafiny sy ny ataony (Jereo II Samoela 13:19; II Mpanjaka 6:30). Izany anefa tsy manome lalana azy hitondra maharitra, fitafiana ampiarahin’ny olona ao amin’ny faritra misy azy amin’ireo zavatra inoana tsy araka ny Baiboly mifandray amin’ny maty. Rehefa nisy vehivavy kristiana maty vady tsy nety nanaraka fanao toy izany, indraindray ireo havany sy ny manodidina azy dia nanizingizina fa hamely azy ireo ny “anjara ratsy” na ho sosotra amin’izany ny ‘avelon’ny’ vadiny maty ka hanasazy azy. Tamin’ny toe-javatra sasany, ireny olona ninonino foana ireny dia nihevitra koa fa ny fihetsiky ny kristiana dia hiteraka fahamainana na faharatsian’ny vokatra.

Ny vehivavy maty vady iray izay tsy nety nanaraka ny fanao dia nandre ny zanany lahy niteny taminy hoe: “Tsy handry amim-piadanana ny fanahin’ny raiko.” Ny filohan’ny foko iray dia nandrahona ny hanafoana ny mpanompon’i Jehovah rehetra tao amin’ny faritaniny. Tao amin’ny vohitra iray, dia sosotra aoka izany ny olona noho ny toerana notanan’ny kristiana, hany ka nosimbany tamin’ny famaky sy ny tsoram-by ny toeram-pivorian’izy ireo. Tao amin’ny faritra hafa iray, dia nampitanjahina sy nokapohin’ny polisim-poko tamin-kalozana tamin’ny sjambok (karazana karavasy) ny vehivavy maty vady iray.

Nahoana ireny vehivavy kristiana maty vady ireny no tsy nety nameno ireo fepetra takin’ny manodidina azy? Angamba ianao mieritreritra manokana fa tsy misy maha-ratsy ny fanarahana ny fanao eo an-toerana noho ny fanajana ireo “firaisam-pifanarahana”. Tsy isalasalana fa marina izany ny amin’ny fanao sasany. Ahoana anefa no tokony hiheverana ny kristiana iray izay handray anjara amin’ny fombafomba natao hampitonena “ny fanahin’ny razana”? Tadidio fa ireo izay nanaraka fanao toy izany dia tsy noraisina tao anatin’ny fikambanana isiraelita na tao anatin’ny kongregasionan’ireo kristiana voalohany. — Deoteronomia 13:12-15; 18:9-13; II Korintiana 6:14-18; II Jaona 9, 10.

Aoka hojerentsika ny antony vitsivitsy. Voalohany indrindra, izay mandray anjara amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa amin’ireny fombafomba ireny dia manohana na mamporisika amin’ny ataony, fivavahana tsy kristiana iray. Aharihariny amin’izany fa tao am-pony izy dia tsy tena niendaka tamin’ny fivavahan-diso. — Apokalypsy 18:4.

Maneran-tany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra tsara fa mampianatra ny Soratra masina. Ankoatra ny fahamarinana hafa araka ny Baiboly anefa, dia matetika izy ireo no manazava fa tsy mahalala na inona na inona ny maty ka rehefa dinihina dia tsy mino izay ampianariny ny Vavolombelona, ka noho izany dia tsy mijaly ao amin’ny afobe izy ireny na mivezivezy eto an-tany mba hanisy ratsy ny taranany. Izao no ambaran’ny Baiboly: “Ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona.” (Mpitoriteny 9:5). Io fampianarana io dia efa nampahery olona ana hetsiny maro. Noho izany, any amin’ny ankamaroan’ny faritra amin’ny gilaoby ny olona dia tsy manantena ny hanaovan’ny kristiana sorona amin’ny fombafomba natao hampitonena ny maty.

Inona no hitranga raha toa, noho ny fitaoman’ny havany na ny manodidina azy, ka manaiky hanaraka fanao amin’ny fisaonana tsy kristiana ny kristiana marina? Moa ve ireo hahita azy tsy hanatsoaka avy amin’izany fa rehefa dinihina dia tsy mino izay ampianariny ny Vavolombelona, ka noho izany dia ho azony atao ny hanaovany izay handikany ny fieritreretany amin’ny zavatra hafa koa? Tsy isalasalana mihitsy fa izany no izy. Ny ho vokatr’izany dia fanafoanana asa tsara be dia be sy fitondrana fahatafintohinana ho an’olona. — Matio 18:6; II Korintiana 6:3.

Noho izany antony izany, ny Vavolombelon’i Jehovah, indrindra fa ireo loholona, dia manohana araka izay azo atao ireo mpikambana ao aminy vao namoy havan-tiana. Ampiany be dia be araka izay ilainy izy ireny mba hifikitra mafy hatrany amin’ny fahamarinana na dia ao aza ireo fanerena izay manosika azy ireo handray anjara amin’ny fanao tsy kristiana. — Jereo II Korintiana 1:3, 4.

Fa inona no hatao raha toa na dia ao aza ny fanampiana toy izany, ny kristiana iray dia milatsaka hanaraka fombafomba fisaonana avy amin’ny mpanompo sampy? Hanao zavatra amin-katsaram-po aminy ireo loholona. Nanome izao torohevitra izao ny apostoly Paoly: “Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ny fahamorana izy.” (Galatiana 6:1). Mitovitovy hevitra amin’izany, dia nanoratra toy izao i Jakoba mpianatra: “Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin’ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy, aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny làlan’ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.” — Jakoba 5:19, 20.

Tsara ny hahatsiarovana fa Andriamanitra koa aza “tsy tia ny hisian’ny very fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra”. (II Petera 3:9.) Hanao izay rehetra azony atao àry ireo loholona mba hampiverenana an’ilay naniasia. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia ho tsapan’izy ireo fa ny alahelo sy ny tahotra olona no nitarika ilay olona nisaona hanao safidy ratsy. Azo atao àry ny manantena fa ny fanampian’izy ireo amim-pahamoram-panahy sy fangoraham-po dia hanampy azy ‘hanao làla-mahitsy halehan’ny tongony, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa’. — Hebreo 12:13.

Raha mandray anjara amin’ny fombafomba fisaonan’ny mpanompo sampy anefa ny kristiana iray ary tsy mety manaiky ny fanampian’ireo rahalahiny fa mikiry amin’ny lalany mifanohitra amin’ny kristianisma, amin’izay ireo loholona dia hanao zavatra mba hahatonga ny fihetsiny tsy hiteraka fisafotofotoana eo amin’ireo izay mahita maso izany ka hampiditra ny ratsy ao anatin’ny kongregasiona. Izay rehetra mivavaka amin’ny razany dia tsy kristiana marina intsony, ka tokony hisy fandaharana hatao mba hahatsapan’ny rehetra izany amin’ny fomba feno. — I Korintiana 5:13.

Ireo soa ateraky ny tsy fivadihana

Kristiana maro no afaka nahatsapa fa amin’io lafiny io, dia miteraka vokatra tsara ny tsy fivadihana. Edwina Apason, vehivavy kristiana iray any Surinam, dia mampahafantatra antsika ny zavatra nihatra taminy tamin’izao teny izao: “Indray andro, raha nanampy olona iray hianatra ny Baiboly aho, dia naharay vaovao nahatsiravina. Ny zanako lahimatoa izay tsy Vavolombelona dia maty tamin’ny fanaovana fihetsiketsehana. Tsy maintsy harahin’ny fitsapana hafa izany famoizana mafy izany, satria nandidy toy izao ny fianakaviako: ‘Raha tsy manatanteraka ny fombafomba fisaonana ianao dia satria tsy tia ny zanakao lahy.’ Ny fanao anefa dia nitaky ny hanapahako ny voloko, ny hisaronako loha amin’ny lamba fotsy sy hisaonako mandritra ny volana maro amin’ny fandehanana moramora tsy ara-dalàna, amin’ny fitenenana malemy sy amin’ny famonoana ny feoko, izany rehetra izany dia mba hampisehoana amin’ny hafa sy amin’ny ‘fanahin’ny maty’ fa tena nalahelo tokoa aho. Raha nanao toy izany aho, dia ho very maina foana ny fitoriako ka tsy ho afaka hitana fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra aho.” Koa tsy nanaiky lembenana mihitsy i Edwina.

Nanazava ny lehilahy iray fa niseho taminy tsy tapaka ny nenitoany efa maty rehefa alina. Araka ny filazany, inona no notadiavin’izy io? “Ny hanolorana sorona ho azy eo amin’ny renirano.” Ary inona no hitranga raha tsy nekena ny hataka nataony? Nety hitranga ny fahafatesana. Fony mbola velona anefa io vehivavy io dia olona be fitiavana tokoa. Ary indro fa toa nanova azy ho tena mpampijaly nilaza fandrahonana nahatsiravina ny fahafatesana. Tena nety ho olona iray ihany ve izany? Noho ny fandrindran-kevitra sy ny Soratra masina, io lehilahy io sy ny maro hafa koa dia nafahana tamin’ny tahotra ny maty. Fantatr’izy ireny fa ireo fahitana, ireo feo sy ireo fisehoan-javatra karazan’izany dia asan’ny anjely nietry, dia ireo demonia. — Jereo II Korintiana 11:3, 14; Efesiana 6:12.

Nosoritan’i Jehovah ho an’ireo mpanompony mahatoky ny lalana iray izay hitarika azy ireo amin’ny farany ho amin’ny fiainana mandrakizay raha mijanona eo anefa izy (Isaia 30:21). Ampiasain’i Satana tsy ankijanona ny fitaka ankolaka indrindra mba hanandramana hanao izay hahatafintohina azy ireny sy hampialana azy amin’io lalana io (I Petera 5:8, 9). Fantany fa mora voa indrindra izy ireny rehefa mitomany ny fahafatesan’ny havan-tiana iray. Ny kristiana kosa anefa dia tapa-kevitra ny tsy hivadika hatrany amin’i Jehovah amin’ny zavatra rehetra na inona na inona fanerena hianjady aminy. Amin’izany, toy ny amin’ny lafiny hafa, izy ireo dia tokony ‘hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona’. (Asan’ny apostoly 5:29.) Amin’ny fanaovana toy izany, dia asehony fa mifikitra mafy amin’i Jehovah izy, ka izany dia mahatonga azy ireo ho afaka hiandry amim-pitokisana ny valisoa nampanantenainy azy: ny fiainana ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao iray “tsy hisy” fahafatesana sy alahelo intsony. — Apokalypsy 21:4.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara