Melohin’ny fitsarana tiorka ny Vavolombelon’i Jehovah
TAMIN’NY 12 DESAMBRA 1984, tany Ankara, ny fanapahan-kevitra nahatafintohina iray dia nataon’ny Fitsaram-pilaminana ao amin’ny Fanjakana tiorka. Izany dia nanameloka Vavolombelon’i Jehovah dimy hosazina enin-taona sy valo volana an-tranomaizina ary sesitany roa taona sy roa volana. Nampidirina am-ponja ny Vavolombelona valo ambin’ny folo hafa mandritra ny efa-taona sy roa volana, aorian’izany dia tokony hatao sesitany mandritra ny herintaona sy efa-bolana izy. Nisy hafa koa notsaraina tamin’ny ady heloka.
Ny “heloka” nataony? Notsaraina ho meloka ho nandika ny fizarana faha-163 amin’ny Fitambaran-dalàna momba ny fanamelohana tiorka izy ireo. Araka ny voalazan’io fizarana io, dia heloka ny “fanaovana fampielezan-kevitra ara-pivavahana noho ny fikendrena ny hanova ny fandaharana ara-tsosialy, ara-toe-karena, ara-politika na ara-pitsaran’ilay Fanjakana”. Nolazaina àry fa io antokon’olom-bitsy Vavolombelon’i Jehovah io dia nanandrana nandrodana ny fandaharana ara-politikan’i Tiorkia. Fa amin’ny ahoana ny lehilahy sy vehivavy vitsy, tia filaminana, tsy mitam-piadiana sy tsy mbola nanandrana nikomy mihitsy no nety ho nahaforona fandrahonana ho an’ny fitondrana tiorka?
Olom-pirenena mpanaja lalàna
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra maneran-tany amin’ny fanajany lalàna. Ohatra, ny governora jeneraly iray tany Nigéria dia nilaza toy izao ny aminy: “Nanampy be dia be tamin’ny fampandrosoana ara-panahy ny firenentsika izy ireo.” Ary koa: “Raha sahala amin’ny Vavolombelon’i Jehovah daholo ny antokom-pinoana rehetra, dia tsy hisy vonoana olona, na vaky trano, na fandikan-dalàna, na mpigadra, na baomba ataomika intsony. Tsy hilaina intsony ny hanidiana mafy ny varavarana, na andro na alina.”
Ambonin’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mbola tsy nitsabaka mihitsy tamin’ny politika. Fantatry ny maro ny fialanalanany amin’io lafiny io. Nanambara toy izao ny gazety italiana iray (Il Corriere di Trieste): “Tokony hoderaina ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nahoana? Ankoatra ny zavatra hafa dia satria ny zavatra inoan’izy ireo misakana azy tsy ‘hampifangaro ny politika amin’ny fivavahana mba hiasana ho an’ny tombontsoan’ireo antoko’.
Araka izany, rehefa taonjato iray mahery no nisiany, dia tsy nanandrana mihitsy nanova ny fandaharana ara-politikan’ny tany rehetra izy. Araka ny andidian’ny Baiboly azy ireo, ny fitondram-panjakana mitana toerana dia heveriny ho “fahefana lehibe” tokony hohajainy (Romana 13:1). Noho izany, ny zavatra inoany ara-pivavahana mihitsy dia mandrara izay rehetra mety ho asa fikomiana. Koa ireo firenena tsy tapahin’ny fitondrana jadona dia mihevitra ny Vavolombelon’i Jehovah ho fivavahana manana ny maha-izy azy ka manome azy fahafahana sahala amin’ny omena ny olom-pirenena rehetra, indrindra fa amin’ny lafin’ny fanompoam-pivavahana.
Tsy azo hamarinina ny fitsarana voatonona eo ambony noho ny antony hafa iray koa. Tamin’ny 24 martsa 1980 tokoa ny Fitsarana tampony any Torkia dia nampiseho fa tsy azo nosazina ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy nandika ny lalàna ny fivavahan’izy ireo. Io fitsarana io àry dia nanafaka azy ireo tamin’ny fiampangana ho nikomy natambesatra tamin’izy ireo.
Ny zava-nitranga
Noho izany antony izany, dia mipetraka ny fanontaniana iray: Niorina tamin’ny fanazavana inona ny fitsarana mba hamoahana ny didim-pitsarany? Niova asa na zavatra inoana ve ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1980? Aoka hojerentsika fohy ireo zava-nitranga nitarika ho amin’io fanapahan-kevitra io sy ny fitantarana ny fitsarana mihitsy.
Tamin’ny 20 novambra 1974 ny fitsaram-paritany any Istanbul dia nanaiky tamin’ny fomba ofisialy ny Vavolombelon’i Jehovah ho fivavahana manana ny maha-izy azy. Taty aoriana, ny Vavolombelona dia afaka nanoratra ankarihary ny finoany teo amin’ny kara-panondrony, araka ny Lalàna. Afa-tsy izany koa, nanomboka tamin’ny desambra 1974, dia nanao tamim-pahalalahana ireo fivoriany ara-pivavahana tany amin’ny tanàna maromaro tao amin’ilay tany izy ireo. Ny fitondram-panjakana ara-tafika izay nandray ny fahefana tamin’ny septambra 1980 dia namela azy ireo koa hivory ampahibemaso tao amin’ireo ‘Efitranony fanaovana fanompoam-pivavahana’.
Indro anefa fa tamin’ny martsa 1984, ny fianakaviana telo tany Eskisehir dia nangataka tamin’ny fitsarana mba hanoratra azy ireo ho Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela dia noresahina be dia be teo an-toerana ny fisehoan-javatra. Koa satria anisan’ny fivavahana silamo ireo fianakaviana ireo taloha, ny hataka nataony tokoa dia niteraka fahatezeran’ireo mpiray finoana taminy taloha nirehitra fatratra izay nanomboka namely sy nanaratsy ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny gazety maro.
Anisan’ireo mpanohitra, dia nomarihina ny fanatrehan’ny “Fitarihana ireo raharaha ara-pivavahana”. Nanambara toy izao ny “Filan-kevitra lehibe” izay mampiseho an’io fandaminam-pitondram-panjakana sady miozilimana io: “Io fihetsiketsehana io [Ny Vavolombelon’i Jehovah] izay tsy heverina ho fivavahana hatraiza hatraiza, (...) dia fandaharana kristiana izay miasa eo ambany fitarihana jiosy.” Nanizingizina izy rehefa avy eo fa “raha omen-dalana [any Torkia] io fihetsiketsehana voalaza io dia ho loza ho an’ny Fanjakana sy ny fivavahana Silamo”.
Taorian’io fampielezan-kevitra an-gazety feno hasomparana io, dia nosamborina tany Ankara ny Vavolombelona roa satria nanolotra boky ho an’olona iray. Ireo boky resahina ireo anefa dia natonta ara-dalàna tany Torkia.
Tamin’ireo andro nanaraka, ny polisy dia nisambotra ireo loholona dimy tao amin’ny kongregasiona iray ihany, sy olon-kafa koa fantatra ho Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny fitambarany, dia olona 31 no nadinina, tany an-tranony, tany amin’ny toeram-piasany na rehefa nivoaka avy ao amin’ny ‘Efitranony fanaovana fanompoam-pivavahana’. Tamin’ireo isa ireo, dia 23 no nampidirina am-ponja. Nalefa ny hafa.
Fiampangana lainga
Rehefa nandeha ny fitsarana, dia nanjary niharihary tanteraka fa tsy fandikan-dalàna no nalamin’ny fitsarana tamim-pahefana fa raharaha ara-pivavahana ranofotsiny.
Ohatra, mba hampisehoana fa meloka ny Vavolombelona, ny minisiteram-bahoaka dia nampiasa fanambarana avy amin’ny Fitarihana ny raharaha ara-pivavahana. Io soratra io dia nampiseho ny Vavolombelon’i Jehovah ho “fihetsiketsehana kristiana mirehitra loatra” izay tsy manana “na mpaminany na boky masina azy manokana”. Raha ny marina, ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra ho olona mahay mandanjalanja, tia filaminana sy mpanaja lalàna. Ambonin’izany, izy ireo dia tena manana ny tenan’i Jesosy Kristy ho mpaminany, izay heverin’ny miozilimana ho toy izany koa. Farany, izy ireo dia tsy mila velively “boky masina azy manokana”, satria efa manana anankiray amin’izany izy: Ny Baiboly Masina, izay “nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”. — II Timoty 3:16.
Nilaza koa ilay fiampangana fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy nanaiky “ireo Fanjakana ankehitriny sy ny sisintaniny”. Diso tanteraka izany. Ny fivavahan’ny Vavolombelona dia mitaky ny haneken’izy ireo “ny fahefana lehibe [ny fitondram-panjakana]” sy ny lalàna rehetra tsy mifanohitra amin’ny an’Andriamanitra. Ny Baiboly no mandidy azy ireo hanao izany. — Romana 13:1; Asan’ny apostoly 5:29.
Afa-tsy izany koa, ny Fitarihana ny raharaha ara-pivavahana dia nanizingizina fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia nikendry ny “hanorenana maneran-tany fandaharana ara-pivavahana iray miorina amin’ny Baiboly” ary nino fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia haorina “eo anelanelan’i Eofrata sy Neily”. Io fanizingizinana farany io dia natao hanaporofoana fa mandrahona ny fitondrana tiorka ny Vavolombelon’i Jehovah, satria mamakivaky ny atsinanan’i Tiorkia i Eofrata.
Mazava ho azy fa fiampangana lainga koa izany. Tsy nilaza na oviana na oviana ny Vavolombelon’i Jehovah fa haorina eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany, dia nampiseho foana izy ireo fa ho fitondram-panjakana any an-danitra izany. Koa tsy hety hiorina any Tiorkia izy io. — Matio 4:17; 6:9, 10.
Fanaovana fanambarana diso
Ny fitsarana dia nangataka tamin’ny “olo-mahay” telo koa mba handinika ireo boky sy ireo zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny voalohany tamin’izy telo dia anisan’ny Fitarihana ireo raharaha ara-pivavahana, ary ny faharoa mpampianatra mpanampy ao amin’ny “faculté” silamo iray. Ny fahatelo kosa dia mpampianatra mpanampy ao amin’ny “faculté de droit” any Ankara.
Nanohitra ny fanendrena an’ireo “olo-mahay” roa voalohany ny mpisolovava mpiaro. Ireo tokoa dia efa nilaza tao amin’ny boky iray ny fankahalany manokana ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia tsy azo atao loatra ny manantena ny hanaovany tatitra tsy misy fiangarana amin’ny Fitsarana. Nolavin’ireo mpitsara anefa ny fanoheran’ny mpiaro ka navelany ho eo an-tanan’ireo olona tia fifampiandaniana ireo famotopotorana.
Nampiseho ny fanatsoahan-keviny àry ireo ny mpanao famotopotorana Araka ny azo nampoizina, ireo mpanao raharaha ara-pivavahana roa dia nanambara fa meloka ny Vavolombelona. Ilay mpahay lalàna kosa dia tsy nahita antony tokony hanamelohana mihitsy tao amin’izy ireo. Araka ny nohazavainy, ny Vavolombelona dia “mihevitra fa Andriamanitra no hitondra ny fiovana ho avy aorian’ny adin’i Hara-Magedona”, fa tsy fisalovanana avy amin’olombelona na inona na inona.
Fa raha ny amin’ireo anankiroa hafa, izy ireo dia nanaporofo fa tsy nahaforona fivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah. Mazava ho azy fa fiampangana lainga amboniny fotsiny izany. Araka ny filazan’izy ireo, ny finoan’ny Vavolombelona an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy dia “ampiasainy fotsiny ho fisehoana ivelany ara-pivavahana mba hanafenana ny tena zava-kendreny”. Ary inona izany “zava-kendrena” izany? Namaly toy izao ireo “mpanao famotopotorana”: “Ao ambadiky ny Fanjakan’Andriamanitra, dia alatsany ny fototra ho an’ny fanovana ara-politika izay antenain’izy ireo ho hita hitranga amin’ny ho avy tsy voafetra.” Tamin’ny fanakambanana fehezanteny notsimponina tetsy sy teroa ao amin’ireo bokin’ny Vavolombelona, izy ireo dia tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra fa ireo dia nahaforona ‘fandaminana miafina iray miasa eo ambany fitarihana sionista izay tsy mandamina fivoriana ara-pivavahana afa-tsy ho fialana fotsiny’.
Ireo mpiampanga roa ireo anefa dia tsy nanome porofo na dia iray monja aza manamarina fa efa nanandrana nanongana ny Fanjakana tiorka ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nety hanao toy izany koa izy ireo, satria ny Vavolombelona dia tsy manohitra mihitsy ireo fitondram-panjakana mitana toerana, na iza izy na iza. Andriamanitra no tokony hampamoaka azy ireo. Izy fa tsy olona iray no Mpitsara tampony. Afa-tsy izany koa, izay rehetra nifanerasera na dia kely foana aza tamin’ny Vavolombelona dia mahalala fa tsy misy ifandraisana amin’ny sionisma mihitsy izy.
Ny fiarovana
Tetsy andaniny koa, ny fiarovana dia nanome porofo maro manamarina fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy nandika lalàna velively. Ankoatra ny didin’ny Fitsarana tampony tamin’ny 24 martsa 1980, dia notononiny ny didim-pitsarana telo nataon’ny Fitsarana ambony izay efa nanafaka ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fiampangana toy izany.
Ny mpisolovava mpiaro dia nampiseho koa ny fanambarana nataon’ny mpampianatra momba ny lalàna hafa iray izay efa nandinika koa ireo bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah ka tsy nahita na inona na inona tamin’izany izay mifanohitra amin’ny lalàna.
Io mpisolovava io dia nampahatsiahy koa didim-pitsarana eo amin’ny roapolo hafa natao tany Tiorkia tao anatin’ireo telopolo taona farany. Ny fitsarana nanao ny raharaha rehetra dia samy nanafaka ireo Vavolombelona tamin’ny fiampangana toy izany.
Farany, ilay polisy voatendry hanara-maso ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah koa aza dia nanamarina teo anatrehan’ny fitsarana fa “tsy nahatsapa fandikan-dalàna mihitsy izy nandritra ny taona manontolo” nanendrena azy ho eo amin’io toerana io.
Mandà ny zavatra miharihary ny Fitsarana
Nolavin’ny Fitsarana anefa ny porofo rehetra nomen’ny fiarovana. Ny hany nohenoiny dia ireo fanendrikendrehana nasehon’ny fiampangana avy amin’ny Fitarihana ny raharaha ara-pivavahana na avy amin’ny mpanao famotopotorana jamban’ny fitompoan-teny fantatra.
Mametraka fanontaniana lehibe ireo fitsarana natao tamin’izany: Moa ve ireo mpitsara, miozilimana daholo, voatariky ny zavatra inoany? Moa ve niharan’ny fanerena ara-pivavahana ny fitsarana no manameloka ny Vavolombelon’i Jehovah toy izany?
Tsy ilaina intsony ny milaza fa nangataka fitsarana ambony ireo. Hanana fahafahana handamina amim-pahefana an’ilay raharaha àry ny Fitsarana ambony. Manantena izahay fa io fitsarana ambony io dia hanao ny asany amin’ny fiheverana ny zava-misy rehetra. Mampalahelo anefa fa mandra-pahatonga amin’izany, ireo Vavolombelona 23 (lehilahy 15 sy vehivavy 8) dia hijanona any an-tranomaizina.
Tsy isalasalana mihitsy fa maneran-tany, ireo olona tia ny rariny sy ny fahafahana dia tsy maintsy hanontany tena hoe: Ahoana no mety hitrangan’ny tsy rariny toy izany ao amin’ny tany iray milaza fa entim-bahoaka? Ahoana no mety hanaovan’ny fitsarana tiorka tsy rariny toy izany, kanefa ny fitondram-panjakan’ny taniny nanao sonia ny Fanambarana ny zon’olombelona izay miantoka ny fahalalahana amin’ny fanompoam-pivavahana?
Raha tsy ekenao ny mety hampidirana an-tranomaizina tsy ara-drariny toy izany, olona tia filaminana sy tsy manan-tsiny, dia anjaranao ihany ny maneho ny hevitrao. Azonao atao ny manoratra amin’ny mpanao raharaham-panjakana ambony rehetra araka ireto anarana manaraka ireto, mba hampahafantarana azy ireo ny fihetseham-ponao.
Prezidàn’ny Repoblika:
Son Excellence Kenan EVREN, Bakanliklar, Ankara, Turquie.
Praiminisitra:
M. Turgut OZAL, Bakanliklar, Ankara, Turquie.
Minisitry ny Atitany:
M. Yildirim AKBULUT, Bakanliklar, Ankara, Turquie.
Minisitry ny Fitsarana:
M. Necat ELDEM, Bakanliklar, Ankara, Turquie.
Azonao atao koa ny manoratra any amin’ny Ambasadin’i Tiorkia ao amin’ny taninao.
[Teny notsongaina, pejy 30]
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy manohitra ireo fitondram-panjakana mitana toerana, na iza izy na iza.
[Teny notsongaina, pejy 31]
Ahoana no mety hitrangan’ny tsy rariny toy izany ao amin’ny tany iray milaza fa entim-bahoaka?