FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/4 p. 8-13
  • Moa ve ny olombelona hahasakana ny loza aman’antambo?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Moa ve ny olombelona hahasakana ny loza aman’antambo?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy ampy lehibe
  • Ny fahantrana: zava-manahirana iray mbola tokony halamina
  • Ny teknolojia sy ny ady
  • Nahoana no tsy Nahomby ny Olombelona?
  • Ny fitaoman’i Satana
  • Fanantenana
  • Ny Finoana sy ny Hoavinao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Afaka miantoka fiadanana sy filaminana maharitra ve ny olombelona
    Ny Tena Fiadanana sy Filaminana—Avy Aiza no Hiaviany?
  • Aiza no hahitana ny fahamarinana izay mety hanafaka antsika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Efa Hifarana ny Famelan’Andriamanitra ny Fijaliana Hisy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/4 p. 8-13

Moa ve ny olombelona hahasakana ny loza aman’antambo?

“Tsy an’ny (...) mpandeha ny hahalavorary ny diany.” — Jeremia 10:23.

1, 2. Tonòny ny sasantsasany amin’ny zavatra malaza vitan’ny olombelona tamin’izao taonjato faha-20 izao.

NAHAVITA zava-mahagaga ny olombelona tamin’izao taonjato faha-20 izao. Ny fampianarana sy ny siansa ary ny fahaizan-taozavatra dia nahavita fandrosoana niavaka andraisan’ny maro soa isan’andro. Any amin’ny tany samihafa, ny ankamaroan’ny tokantrano dia manana jiro herimbaratra, rano sy izao karaza-milina rehetra izao izay tsy ilaina intsony ny mampiseho ny ilàna azy. Afa-tsy izany koa, ny fitsaboana dia afaka nisakana aretina izay tena loza taloha, toy ny nendra.

2 Nisy fanatsarana lehibe natao koa tamin’ny fomba fifamoivoizana sy fitaterana. Ny telefaonina, ny fiarakodia, ny fiaran-dalamby sy ny fiaramanidina dia mahatonga antsika ho afaka hifandray amin’ny mpiara-belona amintsika, na aiza na aiza misy azy, amin’ny hafainganam-pandeha tsy nosaintsainin’ireo razambentsika velively. Amin’izao andro izao, ireo fisehoan-javatra mitranga any ambadiky ny tany mifanandrify amintsika dia tonga atỳ amintsika avy hatrany noho ny zanabolana fampitana lavitra.

Tsy ampy lehibe

3, 4. Tamin’ny lafiny lehibe inona avy moa ny olombelona no tsy nahomby, araka ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly?

3 Tao anatin’izany fotoana izany ihany koa, dia mihelohelo tsy tapaka eo amin’ny taranak’olombelona ny fandrahonan’ny apokalypsy noklehera. Ary tena misy lafiny hafa lehibe tokoa tsy nahombiazan’ny olombelona velively. Ohatra, moa ve ny fandrosoana teo amin’ny fianarana nampianatra ny olona hiseho hanao ny marina kokoa, hilaza ny fahamarinana sy hitana fari-pitondrantena ambony? Any Etazonia Fotsiny, ny fatiantoka vokatry ny fitaka amin’ny fandoavan-ketra, isan-taona, dia tafakatra ho 100 lavitrisa dôlara mahery (10 000 lavitrisa ariary eo ho eo). Tao amin’ny tany hafa iray, tao anatin’ny fito taona, dia polisy 17 000 tao amin’ny tanàna iray ihany no toa hoe nalana tamin’ny raharahany noho ny fandraisana kolikoly. Ny fanaovana ny tsy marina toy izany dia mahatonga antsika hieritreritra izay nambaran’i Paoly ao amin’ny toko faha-3 amin’ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty. Araka an’io faminaniana ao amin’ny Baiboly io tokoa, ny olona dia ‘ho tia tena, ho tia vola, tsy manaja izay masina [tsy mahatoky, MN ] ary tsy tia ny tsara’ mandritra ny “andro farany”.

4 Ny fahalotoam-pitondrantena manodidina dia miseho koa eo amin’ny ataon’ny mpiara-belona amintsika raha ny amin’ny lahy sy ny vavy. Manjary fahita aoka izany ny fanitsakitsaham-bady sy ny fijangajangana, hany ka any amin’ny toerana maro dia mahalana no ahitana sarimihetsika, zavatra alefa ao amin’ny televiziona, teatira na tantara foronina mampiseho an-tsehatra fianakaviana madio fitondrantena. Afa-tsy izany koa, ny filalaovan-dratsy mampiavaka ny androntsika indrindra no mahatonga izao tarehi-marika mahatsiravina izao: Isan-taona, maneran-tany, dia vehivavy eo amin’ny 55 tapitrisa no manala zaza. Eny, tao anatin’ny herintaona monja, ny isan’ny ain’olombelona foana tamin’izany fomba izany dia mihoatra noho ny isan’ny mponina any Argentine, Canada, Frantsa, Pologne sy tany hafa 145. Araka izany àry, raha mbola mandray ireo fandrosoana vita mba hamonjena ankizy vitsivitsy ny sampan’ny fitsaboana iray, ny hafa iray dia mamono an-tapitrisany maro aminy ka tsy manome azy fahafahana ho teraka akory. Araka ny voalazan’ny Soratra masina mialoha koa, amin’izao “andro farany” izao, dia be dia be no miseho ho “tsy mahonom-po” sy “tsy manam-pitiavana”. — II Timoty 3:3.

5. Inona no vokatry ny fahalotoam-pitondrantena teo amin’ny lafin’ny fahasalamana?

5 Afa-tsy izany koa, ny filibana mampiavaka an’izao taonjato iainantsika izao dia niteraka fielezan’ny aretina mora mifindra amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, izay ny maro aminy dia efa tsy sitran’ny fomba fitsaboana rehetra. Ohatra, ny “herpès génital”, aretina mihamiely hatrany, dia tsy mbola nahitana fanafodiny. Ary anefa dia atrehina ny fitomboana mahabe ahiahy amin’ny isan’ny ankizy teraka voan’ny “herpès” avy amin’ny renin’izy ireo. Ny antsasak’ireny zaza vao teraka ireny eo ho eo no maty ary amin’ireo tsy maty, dia ny antsasany hafa no osa ara-batana na ara-tsaina foana. Etsy andaniny koa, dia tsy hay foana ny mitsabo ny SIDA (syndrome immunodéficitaire acquis), aretina mahafaty izay mahavery hevitra ny fitsaboana. Tsy ela izay, dia efa niseho tao amin’ny tany 33 izy io. Araka ny filazam-baovaon’ny Associated Press, hatramin’izao izy io dia “fandrahonana ho an’ny fahasalamana maneran-tany, ka izany dia mampahatsiahy ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny Romana 1:27.

6. Moa ve ny fitsaboana afaka nisakana ny fielezan’ny aretina eo amin’izao tontolo izao?

6 Mifanitsy amin’izany, ireo mpitsabo dia mahatsapa fitomboan’ny aretina maro hafa, nefa tsy mahasakana izany. Afrikana an-tapitrisany maro no mijaly noho ny tazo, ny aretin-torimaso, ny habokana sy ny aretina hafa. Any amin’ny tany mandroso kokoa, ny homamiadana, ny aretim-po, ny aretin’ny be siramamy, ny aretin’aty sy ny fahavoazan-tsaina dia mihamanimba hatrany. Ny sasany amin’ireny aretina ireny dia azo na fara faharatsiny mihamafy noho ny fitebitebena sy ny fomba fiaina mampiavaka ny fitambaran’olona be fanaovan-taozavatra. Ny hafa mamely indrindra ireo voa noho ny fileferana loatra.

7. Azo antenaina ve fa ny fandrosoan’ny fitsaboana dia mahatonga antsika ho afaka ny hanana fahasalamana tsara foana?

7 Aoka anefa hataontsika hoe azo atao ny misakana aretina maro kokoa. Moa ve na dia izany aza ny fitsaboana ho afaka hitana antsika ho salama foana? Tsia no havalin’ny mpahay siansa maro an’io fanontaniana io. Araka ny hevitr’izy ireo, dia angamba ho vita, fara fahabetsany, ny hampitombo taona vitsivitsy ny ara-kevin’ny halavan’ny andro iainana, nefa tsy maintsy hitatra ny aretina hafa. Nanao izao fanatsoahan-kevitra izao ny manam-pahaizana iray: “Tsy azo ampoizina loatra ny hahafahantsika mampitombo be dia be ny halavan’ny andro iainana na ny hampihemorana amin’ny fomba mora tsapa ny fahanterana amin’ny ho avy tsy ho ela.” Rariny àry, efa ela be izay, ny nanambaran’ny Baiboly izao manaraka izao ao amin’ny Salamo 90:10: “Fito-polo taona ny andron’ny taonanay ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.”

Ny fahantrana: zava-manahirana iray mbola tokony halamina

8. Ahoana no nampahafantaran’ny Baiboly fa tsy hahafoana ny fahantrana ny teknolojia?

8 Marina fa noho ny teknolojia amin’ny andro ankehitriny, dia mora kokoa amin’ny olona sasany ny fiainana. Maro anefa no tsy ampy vola mba hahafahana mandray soa amin’ny fandrosoana ara-teknika. Ny amin’izany, dia nanao izao fanambarana izao ny boky ofisialy iray (World Military and Social Expenitures 1983): “Olona roa lavitrisa no miaina amin’ny fidiram-bola isan-taona latsaka ny 500 dôlara (45 000 ariary).” Nanampy teny toy izao io revio io: “Fara faharatsiny, dia olona iray isaky ny dimy no tonga eo an-tokonan’ny fahantrana tanteraka sy voahidy ao anatin’ny tsy fananana tanteraka. Izany dia fandripahana foko iray tsy sahy milaza ny anarany.” Ambonin’izany, raha inoana ny voalazan’io lahatsoratra io ihany, dia “ankizy iraika ambin’ny folo tapitrisa no maty [noho ny aretina na ny tsy fahampian-tsakafo] raha mbola tsy feno herintaona akory.” — Apokalypsy 6:5-8.

9. Ao anatin’ny tarehin-javatra mampahonena inona moa ny tany maro?

9 Any amin’ny tany sasany, hoy ny fitantaran’ny Detroit News, dia “vehivavy betsaka no maro anaka loatra ary tsy manana antom-pivelomana mihitsy mba hikarakarana azy. (...) Matetika tokoa ny reny toy izany no manary zanaka tsy irina eny amin’ny arabe”. Miisa ho an-tapitrisany maro ny ankizy karazan’izany. Any an-toeran-kafa, dia ny zanaka no manary ny ray aman-dreniny. Tany amin’ny tany iray any Azia, dia nanoratra toy izao ny mpanao gazety iray: “Olona be taona an’arivony maro no roahina tsy ho ao an-tranony satria tsy afaka mamelona azy intsony ny fianakaviany. Tsy nisy mihitsy sampan-draharaha ara-tsosialy nomanina mba hitondra fanampiana ho azy ireny. Matetika tokoa ireo zanany no manao izay handehanany amin’ny fiara-dalamby ary mamela azy ireny any amin’ny gara iray na toerana hafa iray.” Nanohy ny teniny toy izao io mpanoratra ao amin’ny gazety io: “Endrey izany fitsimbadihan-javatra ao amin’ny fitambaran’olona fatra-panaja ny antitra taloha!” Tsy azo lavina fa manamarina izao ohabolana ao amin’ny Baiboly izao ny androntsika: “Misy taranaka izay manozona ny rainy sady tsy misoatra ny reniny.” — Ohabolana 30:11.

10. Inona no holazaina ny amin’ny tarehin-javatra ara-bola eo amin’izao tontolo izao? Mampahatsiahy faminanian’i Jesosy inona izany?

10 Tsy afaka manafoana ny fahantrana eo amin’izao tontolo izao ireo fitondram-panjakana. Ireo tany eo an-dalam-pandrosoana dia efa vesaran’ny trosa mihamafonja hatrany izay efa tsy voaloanay intsony. Afa-tsy izany koa, ny tany mandroso sasany koa dia manana ny tsy ampy ivelany mihoapampana. Mampiharihary izany ny fisian’ny trano fametraham-bola amerikana am-polony maro nahita fatiantoka tamin’ny taona lasa. Ny anankiray amin’ireo trano fametraham-bola lehibe indrindra any Etazonia dia nahita fahasahiranana, ary tsy maintsy nandray anjara ny fanjakana tamin’ny fampisamborana azy an-davitrisany dôlara maromaro mba hisorohana ny loza. Araka ny filazan’ny New York Times tokoa, raha niharatsy io trano fametraham-bola io, dia nety ho natahorana “hitatra ny fifindran’aretina ka hampidi-doza ny fandehan-javatra ara-bola amin’ny fitambarany”. Manjary mihasarotra àry ny manalavitra ny loza aman’antambo. Ny taona mandalo tsirairay avy tokoa dia manamafy izao fanamarihana nataon’ny Guardian any Londres izao: “Eo an-katoky ny loza aman’antambo ara-tsosialy sy ara-politika izao tontolo izao (...). Kontinanta manontolo maro no nahita ny fanantenany nanjavona.” — Lioka 21:25, 26.

Ny teknolojia sy ny ady

11. Nanamafy zava-manahirana inona moa ny teknolojia?

11 Tsy vitan’ny hoe tsy nahasakana ny ady ireo fitondram-panjakana, fa nanamafy ny vokany koa ny teknolojia. Matoa nahafaty olona be dia be toy ireny ny Ady Lehibe Voalohany, dia satria ny fandrosoana ara-teknika nahatonga ho azo atao ny fampiasana tamin’ny ambaratonga lehibe ny “mitrailleuse”, ny sambo mpisitrika, ny fiaramanidina mpiady, ny kalesy fanafihana sy ny fandefasana lelafo. Ny amin’izany, dia nanao izao fanamarihana izao ilay mpanoratra britanika atao hoe Richard Rees: “Ny ady 1914-1918 dia nanome fanazavana hevitra roa: Voalohany indrindra, ny teknolojia dia tonga tamin’ny ambaratonga iray tsy nahafahany nanohy nitombo tsy niteraka loza aman’antambo teo amin’izao tontolo izao tafaray. Faharoa, ny fandaminana ara-politika sy ara-tsosialy eo amin’izao tontolo izao dia tsy maintsy nisakana ny fampiraisana azy.” Nanamarina izany rahateo ny Ady Lehibe Faharoa, satria tao anatin’izany, ny fitaovam-piadiana mbola be kojakojany kokoa ihany dia nifaoka olona 55 tapitrisa.

12. Inona avy moa no fandrahonana mitambesatra amin’izao andro izao eo amin’ny taranak’olombelona?

12 Ankehitriny dia vao mainka maharaiki-tahotra tsy mbola nisy toy izany mihitsy ny fitaovam-piadiana. Fa raha ny amin’ireo fitondram-panjakana, dia tsy tafaray velively izy ireny. Ny amin’ny fitaovam-piadiana noklehera, dia nihiaka toy izao ilay mpanoratra atao hoe Herman Wouk: “Ny fahakingan-tsaina, ny asa sy ny vola izay miasa ho an’io (...) hadalana io dia tena tsy azo saintsainina. Raha nitsahatra tsy nianatra ady ireo firenena, dia tsy hisy na inona na inona tsy ho vita intsony ho an’ny taranak’olombelona.” Tetsy andaniny koa, ilay astronoma atao hoe Carl Sagan dia nanao izao fanamarihana izao ny amin’ny mety ho vokatry ny ady lehibe noklehera: “Tsy isalasalana loatra fa hanjavona tanteraka ny sivilizasionantsika.” Afa-tsy izany koa, raha mbola mahazo ny fianakavian’olombelona izany fandrahonana hanafoana izany, dia ady maro no efa mitelina aina tsy tambo isaina. Ny sampan-draharahan’ny filazalazana isan-javatra amin’ny Minisiteran’ny Fiarovana amerikana dia nitantara fa tao anatin’ny taona 1984, dia ady sy fikomiana 42 no notarihina teny am-bava ady. Raha ny marina, raha tsy mahasakana ny onjan-keloka bevava sy herisetra mitosaka ao amin’ny taniny ireo fitondram-panjakana, dia tsy mety ho afaka hanorina tena fandriampahalemana maneran-tany.

13. Moa ve fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Soratra masina ny herisetra mameno an’izao tontolo izao misy antsika.

13 Izany tarehin-javatra izany dia mifanitsy tsara amin’ny filazalazana ara-paminaniana omena antsika ao amin’ny Apokalypsy 6:4. Ao, ny amin’ny anankiray amin’ireo ‘mpitaingin-tsoavalin’ny Apokalypsy efatra’ izay nanomboka nandroso tamin’ny 1914, dia izao no vakintsika: “Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.”

Nahoana no tsy Nahomby ny Olombelona?

14, 15. Inona moa no anankiray amin’ireo antony lehibe indrindra tsy ahatanterahan’ny olombelona ny volavolan-keviny?

14 Nahoana no rariny ny hatahorantsika fa tsy hitsimbina azy amin’ny loza aman’antambo ny fahombiazan’ny olombelona vitsivitsy? Nahoana no miharihary fa tsy manan-kery foana hanatrarana ny zava-kendreny ny olombelona? Ny Baiboly dia manintona ny saintsika ho amin’ny anankiray amin’ireo antony tena lehibe mahatonga izany toe-javatra izany rehefa manambara hoe: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Romana 5:12). Ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany, Adama sy Eva, dia nomena vatana sy saina tanteraka. Tsy afaka nitana ny fahatanterahany anefa izy ireo raha tsy nitoetra tao anatin’ny faritry ny fetra voalazalazan’ireo lalàn’Andriamanitra mahasoa. Ireo tokoa dia namela ho azy fahafahana hisafidy lehibe. Araka ny ahariharin’ny toko faha-3 amin’ny Genesisy anefa, dia lasa lavitra loatra ireo ray aman-drenintsika voalohany tamin’ny fampiharana ny fahafahany. Tiany ny hanafa-tena tamin’Andriamanitra sy ny lalàny mba hanapahan’ny tenany ihany ny amin’izay tsara sy izay ratsy, ka izany dia fakana ny tombom-pahefan’ny Mpmorona. Rehefa avy nanao izany fisafidianana izany izy ireo, dia navela tamin’izao. Tononin’ny Baiboly tokoa izao fotopoto-pitsipika manaraka izao: “Jehovah momba anareo, raha hianareo momba Azy; (...) fa raha mahafoy Azy hianareo, dia hahafoy anareo Izy.” (II Tantara 15:2). Rehefa tafasaraka tamin’ny Mpamorona azy Adama sy Eva dia nanomboka niharatsy. Nahazo azy tsikelikely ny aretina, ny alahelo ary farany dia ny fahafatesana. — Genesisy 2:16, 17.

15 Koa satria tafalentika tao anatin’ny tsy fahatanterahana Adama sy Eva, ny lalàn’ny fandovan-toetra dia nampita izany toe-piainana izany tamin’ny taranany rehetra. Araka izany, dia niaiky toy izao ny mpanao salamo iray: “Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.” (Salamo 51:5). Vaka tanteraka ny fitsaboana eo anoloan’ny vokatry ny tsy fahatanterahana nolovana. Ireo izay miantehitra amin’ny fahitan-javatra vaovao ara-tsiansa mba hanafoanana ny aretina sy ny fahafatesana dia tsy maintsy ho diso fanantenana, satria tsy ho afaka hanatanteraka fahagagana toy izany mihitsy ny olombelona.

16. Inona avy no vokatry ny tsy fahatanterahana teo amin’ny sain’ny olombelona?

16 Nisy akony teo amin’ny saintsika koa ny tsy fahatanterahana nolovana. Isika rehetra tokoa dia teraka manana fironana sasany hanao ratsy. Aoka tsy hanatsoaka hevitra avy amin’izany isika fa hoe tsy tompon’ny ataontsika isika. Afaka mifehy tena isika raha miezaka manitsy tena. Manome toky antsika ny amin’izany rahateo ny bokin’ny Ohabolana (3:6) amin’izao teny izao: “Maneke Azy [Jehovah] amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” Rehefa tsy mety manitsy tena kosa anefa ny olombelona, dia tsy maintsy miteraka fahasahiranana lehibe ho an’ny tenany izy. Noho izany fironana avy hatrany ho tia tena izany, arakaraka ny ihatahan’ny olona iray na ny firenena iray amin’ireo lalàn’Andriamanitra no ahitany loza amin’ny vokatry ny ataony. Ny amin’izany, dia nanao izao fanamarihana izao ny fitarihan-tenin’ny New York Times: “Tsy azo atao loatra intsony ny manopy maso amin’ireo lohatenin’ny gazety raha tsy manontany tena hoe mankaiza izao tontolo izao (...). Izany no mitranga rehefa mametraka amim-pitiavan-tena ny tombontsoany alohan’ny zavatra hafa rehetra ny olona sy ny fikambanana ary ny firenena (...). Any amin’ny tany tsirairay avy dia manjary miharihary fa tsy mitondra tombontsoa ny fitiavan-tena.”

Ny fitaoman’i Satana

17, 18. Inona no anton-javatra hafa nanampy be dia be tamin’ny tsy fahombiazan’ny olombelona?

17 Misy anton-javatra hafa iray anefa izay manazava hoe nahoana ny olombelona no tsy afaka manatanteraka ny volavolan-kevitra foronin’izy ireo noho ny fanantenana ny hisakana ny loza aman’antambo. Tianay ny hiresaka ny amin’ny fitaoman’ilay “andriamanitr’izao fandehan-javatra izao”, ilay asiana fitenenana ao amin’ny II Korintiana 4:4 (MN ). Ireo izay mahalala ny Baiboly dia mety hieritreritra fa ilay Andriamanitra Tsitoha izany. Io andininy io ihany anefa no manampy teny fa ilay “andriamanitra” resahina dia ‘nanajamba ny sain’ny tsy mino’. Tsy sahala amin’ilay Mpamorona antsika tia izany. Ankoatr’izany, io andriamanitra io dia tondroina koa ao amin’ny I Jaona 5:19, izay amakiantsika toy izao: “Izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.”

18 Ny andriamanitra mitana ny fandehan-javatra ankehitriny dia tondroina ao amin’ny Apokalypsy 12:9 ho “devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao.” Ny dikan’ny anarana hoe “Satana” dia “mpanohitra” na “fahavalo”. Fa raha ny teny hoe “Devoly” kosa, izy io dia manondro mandrakariva mpanendrikendrika, olona mampiely fiampangana lainga. Mety tsara amin’io olona io anefa izany anarana iantsoana izany. Matoa nikomy tamin’Andriamanitra tokoa Adama sy Eva, dia noho ny famporisihan’io mpikomy any amin’ny faritra ara-panahy io. Izy io no toy ny nilaza tamin’i Eva hoe: “Tsy mila ny manaraka ireo lalàn’Andriamanitra ianao. Ny tenanao ihany no afaka manapaka ny amin’izay tsara sy izay ratsy.’ Na dia izany aza, rehefa niendaka tamin’Andriamanitra Satana, dia nietry ara-tsaina, ary porofon’izany ny asany. Mba hiaikena ny amin’izany, dia ampy ny mijery ny toe-piainan’izao tontolo izao eo ambany fahefany. Tsy azo lavina fa ny ratsy tsy misaraka amin’ny pejin’ny tantaran’olombelona rehetra dia mitondra soritry ny fitaoman-dratsy.

Fanantenana

19. Inona no fanafodin’ny fahoriana eo amin’izao tontolo izao natoron’ny mpandinika sasany?

19 Ny mpandinika sasany eo amin’izao tontolo izao ianjadian’ny fisafotofotoana dia nanolotra fanafodiny mampiseho fahaizana ho an’ny fahorian’ny olombelona. Izao, ohatra, no azo novakina tao amin’ny Gazette any Montréal: “Antokon’olona mpanao politika eo amin’ny 150 avy amin’ny firenena manontolo no samy miasa any amin’ny lalana tsy mitovy, ka izany dia tsy maintsy mitarika ny fitambaran’olona misy antsika ho amin’ny fikorontanana lehibe. Ny ankamaroan’ireo zava-manahirana lehibe anefa dia iraisam-pirenena, satria ireo fomba fitaterana sy fifamoivoizana amin’ny andro ankehitriny dia nampihena ny tany hanana refin’ny vohitra lehibe iray, ho fikambanana iray manerana ny planeta.” Rehefa avy eo, dia nanome izao torohevitra izao ilay lahatsoratra: “Amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa, dia ilaina ny ho tonga amin’ny hevitra ny amin’ny fitondram-panjakana tokana haneran-tany.” Araka ny filazan’ilay sosiology atao hoe Erich Fromm, dia tsy hanjavona ny fahorian’izao tontolo izao “raha tsy azo soloana tanteraka amin’ny fandaharana hafa amin’ny fotony ny fandaharana [ara-tsosialy sy ara-politika] misy hatramin’ny 6 000 taona.” — Izahay no manipika.

20. a) Nahoana moa ny olombelona no tsy hahatanteraka na oviana na oviana ny fanantenany amin’ny fiezahan’ny tenany? b) Iza no tokony hametrahantsika ny fitokisantsika?

20 Na dia tsy tsapan’ireo mpandinika voalaza eo aloha aza izany, ny marina dia hoe ny fandaharana ara-tsosialy sy ara-politika ankehitriny dia madiva ‘hosoloana tanteraka amin’ny fandaharana hafa amin’ny fotony’. Eny, tsy ho ela dia tsy hisy afa-tsy fitondram-panjakana tokana intsony ho an’ny olombelona rehetra. Tsy ho voaorina amin’ny fiezahan’ny olona anefa izany. Tsy afaka misakana ny loza aman’antambo irery ny olombelona. Araka ny noporofoin’ny Tantara, dia tsy azon’izy ireo atao tanteraka ny hanolo ny fandehan-javatra ankehitriny na amin’inona na amin’inona. Ambonin’izany, dia tsy ho hainy ny hanafoana ny tsy fahatanterahana nolovana, ny aretina sy ny fahafatesana, ary indrindra ka ny hoe hanaisotra an’i Satana sy ireo demoniany. Marina àry fa ny fanandraman’ny olombelona dia nanaporofo fotsiny ny fahamarinan’ireto teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireto: “Tsy an’ny (...) mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Noho izany antony izany no anomezan’ny Tenin’Andriamanitra antsika izao torohevitra izao: “Aza mahatoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” (Salamo 146:3). Iza anefa no azontsika ianteherana? Manome ny valiny antsika amin’izao teny izao ny bokin’ny Ohabolana (3:5): “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao.” Fa nahoana no hitoky toy izany amin’i Jehovah? Satria hahomby izy ao amin’izay tsy nahombiazan’ny olombelona, araka ny hasehon’ny lahatsoratra manaraka.

Aoka hofintinintsika:

◻ Eo amin’ny lafiny lehibe inona avy moa no tsy nahomby ny olombelona?

◻ Tamin’ny ahoana moa ny teknolojia no nanamafy ny vokatry ny ady?

◻ Nahoana moa no tsy mahomby matetika toy izany ny fiezahan’olombelona?

◻ Rehefa heverina amin’ny tsy fahombiazan’ny olombelona, inona moa no fahendrena ny hanaovana azy?

[Sary, pejy 9]

Tsy naharesy ny aretina sy ny fahafatesana ny fitsaboana.

[Sary, pejy 10]

Tsy afaka manafoana ny fahantrana ireo fitondram-panjakan’olombelona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara