FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/6 p. 24-29
  • “Fohy ny fotoana sisa tavela”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Fohy ny fotoana sisa tavela”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mbola haharitra hafiriana?
  • Mihafohy ny “andro farany”
  • Aoka isika hiaina mifanaraka amin’ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly
  • Aoka isika hanatontosa ny asan’ny Tompo amim-pahadodonana
  • Tena fotoana tokony hanaovan-javatra izao
  • Ireo andro faran’izao fandehan-javatra ratsy izao
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Tadidio Tsara ny Andron’i Jehovah
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Ho Tanteraka Tsy Ho Ela Ny Fikasan’andriamanitra
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Ady Niokleary?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/6 p. 24-29

“Fohy ny fotoana sisa tavela”

1. Nahoana no misy mieritreritra fa fohy ny fotoana ho an’ny taranak’olombelona?

MIHAMARO ny olona miaiky fa mihafohy ny andron’ny fandehan-javatra ankehitriny. Matoa misy izany, dia satria tandindomin-doza ny fisian’ny taranak’olombelona mihitsy. Toa akaiky dia akaiky ny apokalypsy noklehera, hany ka ao an-tsain’ny maro dia efa “misasakalina latsaka telo”.

2. Inona no nolazain’ny mpanao gazety iray momba ny loza noklehera?

2 Teo ambanin’ny lohateny hoe “Ny zava-mahatahotra ny amin’ny baomba”, dia nanoratra toy izao ilay mpanao gazety aostraliana atao hoe Nick Brash: “Tapaka vanja fotsy (dynamite) antsasa-kilao dia ampy hamotipotehana olona iray. Ary anefa ny tahirim-piadiana noklehera ankehitriny dia mirakitra ny mifandanja amin’ny vanja fotsy efatra taonina isaky ny lehilahy, isaky ny vehivavy ary isaky ny ankizy amin’ny tany. 500 lavitrisa dôlara mahery no efa lany nanamboarana baomba ataomika. Tamin’ity taona ity [1983], izao tontolo izao dia mbola handany 40 lavitrisa mahery amin’ny fitaovam-piadiana. Mampieritreritra izany firehetana hamono olona izany. Izany dia mahatonga hieritreritra an’izay hikiry hitifitra baomba “Mortéine” [famonoam-bibikely] 10 ny moka kely iray.” — The Sun Weekend Magazine (Melbourne, Australie), tamin’ny 23 aprily 1983.

3. Inona avy moa no tsy isalasalana fa ho vokatry ny ady noklehera iray?

3 Sarotra ny maka sary an-tsaina ny ho vokatry ny ady noklehera iray. Ankoatra ny fahafatesan’olona an-jatony tapitrisa maro, ny “retombées radioactives” hanarona ny planeta manontolo, ny fikorontanana eo amin’ny fifandanjan’ny zavaboary sy ny hafa, ny loza aman’antambo toy izany dia hiseho amin’ny fisamatsamahan’ny raharaha ara-tsosialy sy ara-politika ary ara-toe-karena eo amin’izao tontolo izao. Ny amin’izany, Brian Martin, fizisiana iray miasa ho an’ny sampan-draharaha momba ny fikarohana ao amin’ny oniversitem-pirenena any Aostralia dia nanao izao fanamarihana izao: “Be dia be loatra ny anton-javatra tsy fantatsika ka tsy haintsika ny manombana marina ny ho vokatry ny ady noklehera iray amin’ny ambaratonga maneran-tany.”

4. a) Nahoana moa no azo atao ny manizingizina fa tsy hanjavona ao amin’ny ady noklehera iray ny olombelona? b) Ahoana anefa ny ahafantarantsika fa fohy ny fotoana ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny?

4 Marina fa toa manjombona ny ho avy. Nefa raha tia an’Andriamanitra ianao, dia mahereza! Na dia mihafohy tokoa aza ny fotoana ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia tsy hanjavona ao anatin’ny fikorontanan’ny ady noklehera iray akory ny taranak’olombelona. Azontsika antoka ny amin’izany satria Jehovah, Ilay “namorona ny tany sy nahavita azy” dia, ‘tsy namorona azy tsy misy endrika akory, fa nataony onenana izy io’. (Isaia 45:18.) Mazava ho azy fa mba hahafahan’ny olombelona mandositra ny fandringanana, dia tokony hisy fandraisan’ny hery ambony noho ny olombelona anjara mba hamaranana haingana izao fandehan-javatra izao sy ny haromotany handringana. Soa ihany tokoa fa ny Mpamorona ny planeta tany sy ny olombelona dia hanafoana tsy ho ela izao tontolo izao ratsy mihazakazaka ho amin’ny famonoan-tena. Matoa mihafohy àry ny andron’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia satria antomotra “ny andro lehiben’i Jehovah” (Zefania 1:14-18). Mampahery anefa ny mahafantatra fa mandritra izany andro fitsarana izany dia ‘hiaro izay rehetra tia Azy Jehovah; fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany’. — Salamo 145:20.

Mbola haharitra hafiriana?

5. Araka ny Apokalypsy 6:9, 10, inona no nirin’ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra ho fantatra?

5 Tsy isalasalana fa handringana an’ireo fahavalony Andriamanitra. Nefa mbola hiandry hafiriana izy vao handringana izao fandehan-javatra ratsy izao mba hanorenana fandaharan-javatra vaovao hanjakan’ny fiadanana sy ny rariny amin’ny farany. Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia tsy isalasalana fa ho tianao ny hahalala ny valin’io fanontaniana io. Amin’izany lafiny izany ianao dia mitovy fihetseham-po amin’ireo voahosotra novonoina izay niantsoantso toy izao, ao amin’ny Apokalypsy: “Tompo masina sy marina ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny ranay amin’izay monina eny ambonin’ny tany?” (Apokalypsy 6:9, 10). Raha lazaina ara-panoharana, ireny mpianatra ireny dia naniry hahafantatra hoe rahoviana Andriamanitra no hanomboka hamaly ny ran’izy ireo. Tsy misy mahagaga mihitsy àry raha toa ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra ka maniry fatratra ny hahatongavan’ny “andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” hatao amin’ny Hara-Magedona! — Apokalypsy 16:14-16.

6, 7. a) Ao amin’ny I Korintiana 7:29, inona no nolazain’i Paoly ny amin’ny fotoana? b) Ahoana no nanamafisan’i Petera fa hahita fiafarana mahatsiravina ny fandehan-javatra ankehitriny?

6 Ireo vavolombelona voahosotra izay nalatsa-dra satria tsy nivadika hatrany tamin’i Jehovah dia handray valisoa, satria manampy teny toy izao ny fitantarana ao amin’ny Baiboly: “Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.” (Apokalypsy 6:11). Afaka matoky koa isika fa hanao zavatra Andriamanitra amin’ny fotoana noferany. Amin’izany, dia mety ny hampahatsiahivana fa ao amin’ny I Korintiana 7:29 i Paoly dia nilaza tamin’ireo rahalahiny ao amin’ny finoana izao fampitandremana tsy misy fihambahambana izao: “Efa fohy ny andro [fohy ny fotoana sisa tavela, MN ].”

7 Ireo tenin’ilay apostoly ireo dia mahaforona fampaherezana ho an’ny kristiana amin’ny andro ankehitriny. Izany anefa dia milaza koa fa izy ireny dia tokony hampifantoka ny fiainany amin’ny asa mahadodona nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo. Mitovitovy hevitra amin’izany koa, dia nanambara toy izao ny apostoly Petera: “Antomotra ny faran’ny zavatra rehetra.” (I Petera 4:7). Fantatr’i Petera fa izao fandehan-javatra izao dia voatokana ho amin’ny fiafarana mampidi-doza sady tsy azo sakanana.

8. Inona no tokony ho vokatry ny fahantomoran’ny fandehan-javatra ankehitriny eo amin’ireo mpanompon’i Jehovah?

8 Araka izany àry, Paoly sy Petera dia samy nanipika fa voaheloka ny fandehan-javatra ankehitriny. Tsy tokony hanadino izany na oviana na oviana ny kristiana marina. Ho tonga amin’izao androntsika izao ny farany nambara, ary ny zavatra rehetra dia mampiseho fa faran’izay antomotra izany. Isan’andro isan’andro ny fomba fiainantsika dia tokony hampiseho fa miaiky ny amin’izany isika. Noho ny fahafantarana hoe aiza ho aiza isika izao ao anatin’ny fifaranan’izao fandehan-javatra izao, dia tokony vao mainka ho tapa-kevitra isika ny hanao faran’izay betsaka amin’ny asa tsara sy mahadodona aoka izany ho fanambarana ny vaovao tsara, ka hampiseho amin’izany fa anisan’ireo vavolombelona voadio sy be zotom-po ho an’i Jehovah isika. — Titosy 2:13, 14.

Mihafohy ny “andro farany”

9. Hiahy ny amin’inona indrindra moa ny olona? Vao voalohany ve no nitrangan’izany?

9 Jesosy Kristy dia nanambara fa mandritra ny fanatrehany tsy hita maso dia hiahy be dia be ny amin’ny raharahan’ny fiainana andavanandro ny olona. Tsy misy hafa amin’ny niara-belona tamin’i Noa sy Lota nanaiky fahiny hohamaizinin’ireo zavatra ireo, dia “toy izany koa amin’ny andron’ny Zanak’olona”, izany hoe amin’ny fanatrehan’i Kristy tsy hita maso, rehefa hadiva hamely izao fandehan-javatra ratsy izao ny fandringanana. — Lioka 17:26-30.

10, 11. Inona no manaporofo fa antomotra ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny?

10 Eritrereto koa ireo faminaniana voatantara ao amin’ny Matio 24, ao amin’ny Marka 13 sy ao amin’ny Lioka 21. Tao Jesosy dia nanambara fisehoan-javatra tsy voasakan’ny herin’ny olombelona tanteraka, toy ny areti-mandringana sy horohorontany lehibe, ohatra. Ambonin’izany, dia tsy azo lavina fa “mitombo” “ny tsy firaharahana lalàna” nanomboka tamin’ny 1914. Amin’izao andro izao ireo vaovao dia voafintina ho fitantarana heloka bevava sy fanimbana, indrindra fa any amin’ireo tanàn-dehibe. Izany toe-javatra izany dia tsy miseho fotsiny amin’ny fitomboan’ny fanaovana heloka bevava, fa amin’ny toe-tsaina koa izay, amin’ny toerana rehetra, dia manamavo ny fanerena ara-dalàna sy amin’ny fihariharian’ny fangatsiahan’ny “fitiavan’ny maro”. — Matio 24:12, MN.

11 Etsy andaniny koa, dia miharihary “ny fahorian’ny firenena” satria very hevitra ny olona eo anoloan’ny zava-manahirana azy izay mitombo (Lioka 21:25, 26). Farany, ireo solontenan’ny “taranaka” tamin’ny 1914, ilay tsy tokony ho lany alohan’ny hahatanterahan’izay rehetra nambaran’i Jesosy ho amin’ny androntsika, dia mihena isa hatrany (Matio 24:34). Izany koa dia mampiseho mazava fa antomotra ny faran’izao fandehan-javatra izao.

12. Inona moa no tsy isalasalana fa porofo miharihary indrindra fa efa lasa lavitra tokoa ny “andro farany”?

12 Ho azo atao ny hanonona zava-nitranga maro hafa mba hampisehoana fa efa lasa lavitra tokoa isika ao anatin’ny “andro farany”. (Daniela 12:4.) Kanefa, ny porofo tsara indrindran’ny fahantomoran’ny fanafoanana ny fandehan-javatra ankehitriny dia tsy isalasalana fa eo amin’ny fitoriana tontosain’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Mbola tsy nisy asa lehibe toy izany mihitsy notontosaina hatreo. Amin’izao fotoana izao, any amin’ny tany 203, dia olona maherin’ny 2 840 000 no mampiseho ny zotom-pony amin’ny asa tsara famelomana indray ny fanantenan’ny mpiara-belona amin’izy ireo amin’ny fanambarana aminy fa manjaka Kristy nanomboka tamin’ny 1914. Nilaza mialoha anefa i Jesosy fa ho tonga ny “farany” rehefa ho voatory amin’ny tany onenana manontolo ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. — Matio 24:14.

Aoka isika hiaina mifanaraka amin’ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly

13. Inona no dikan’izao fanambaran’i Paoly izao: “Aoka izay manambady ho toy ny tsy manana”?

13 Araka izany àry, ny zavatra rehetra dia mampiseho fa fohy ny fotoana sisa tavela ary antomotra ny farany. Noho izany, dia tena ilaina ny hampifanarahan’ireo mpanompon’i Jehovah ny fiainany amin’ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly, indrindra fa ireo nolazain’i Paoly ao amin’ny I Korintiana 7:29-31 (MN ). Taorian’ny nilazany indrindra hoe: “Fohy ny fotoana sisa tavela”, dia nanampy teny toy izao ilay apostoly: “Hatramin’izao, aoka ireo manambady ho toy ny tsy nanana.” Tamin’ireo teny ireo, dia tsy te-hilaza izy akory fa ny lehilahy kristiana dia tokony hitondra ny vadiny amim-panaovana tsirambina. Na dia izany aza, amin’ny fanatontosana amim-pahatokiana ireo andraikiny ara-panambadiana, dia tsy maintsy mitandrina izy mba hahatonga ny fifandraisany amin’Andriamanitra hitana foana ny toerana voalohany ao am-pony sy ao an-tsainy sy handraisan’ny fiainany ara-panambadiana anjara amin’izany.

14. Araka ny I Korintiana 7:30, inona no fihetsika tokony harahin’ny mpitory ilay Fanjakana eo anoloan’ny zava-manahirana azy manokana?

14 Eo amin’ny I Ko 7 andininy faha-30, dia manohy ny teniny toy izao i Paoly: “Ary koa, aoka izay mitomany ho toy ny tsy mitomany, ary izay mifaly ho toy ny tsy mifaly, ary izay mividy ho toy ny tsy manana.” Inona no tiana holazaina amin’izany? Ireo teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireo dia manipika fa tsy ny fananana na ny fifaliana sy ny alahelo manokana no zava-dehibe indrindra amin’ny minisitr’ilay Fanjakana. Mitranga amin’ny rehetra ny “fotoana sy ny sampona, [fisehoan-javatra tsy ampoizina, MN ] ka mety hanova ny toerantsika tampoka (Mpitoriteny 9:11; Jakoba 4:14). Amin’izany dia tsy ho fahendrena ny hiheverana ho zava-dehibe aoka izany ny alahelontsika, ny fahasahiranantsika sy ny zava-manahirana antsika, hany ka haka toerana alohan’ny fanompoantsika, ny andraikitsika hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana.

15. Nahoana no ho faran’izay hadalana ho an’ny kristiana iray ny hanokanan-tena tanteraka ho an’ny raharahany manokana, amin’ny lafiny ara-nofo na hafa?

15 Izao koa no ambaran’i Paoly ao amin’ny I Korintiana 7:31 (MN ): Ary [aoka] izay mampiasa izao tontolo izao [ho] toy ny tsy mampiasa azy amin’ny fomba feno. “Koa satria ny olona eo amin’izao tontolo izao tsy manana ny fanantenana atolotry ny Baiboly antsika, dia voatana tanteraka amin’ny fanomezana fahafahampo izay ilainy sy ny faniriany laza manokana izy ireny. Matetika izy ireny no manandrana miseho ho ambony eo amin’ny manodidina azy amin’ny fampideraderana ny hareny. Araka ny nasehon’ny apostoly Jaona tsara anefa, “ny fampideraderana ny fananan’ny tena” dia anisan’ny zavatra “eo amin’izao tontolo izao” ka noho izany dia “tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao”. Nanampy teny toy izao anefa i Jaona: “Mandalo izao tontolo izao ary koa ny filany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (I Jaona 2:16, 17, MN ). Rehefa heverina amin’izany ho avy mandrakizay izany, dia ho faran’izay hadalana ho an’ny kristiana iray ny hanaiky ho voatanan’ny raharahany manokana ka tsy hanam-potoana intsony hatokana ho an’ilay Fanjakana (Matio 6:25-32; jereo Filipiana 2:19-22; II Timoty 4:10). Marina fa tsy ratsy akory ny mandray soa amin’ny fananana ara-nofo ananan’ny tena sy ny manandrana fahafinaretana mahasoa. Tsy tokony ho tonga antony hahavelomantsika na oviana na oviana anefa izany. — Lioka 12:15.

16. Inona no fihetsika arahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao matetika? Inona no tokony ho zava-dehibe indrindra ho an’ireo mpanompon’i Jehovah?

16 Tsy mahalana no andrenesana olona eo amin’izao tontolo izao sy ireo tsy ampy fahatanjahana ara-panahy mimenomenona noho ny manjo azy (jereo Joda 16, MN ). Araka izany dia misy marary mitaraina tsy ankijanona fa tsy salama ary mahantra mitomany lava satria tsy manan-karena. Noho izany, ny fahasalamana sy ny harena dia tena mety ho tonga zava-kendrena voalohany ho azy ireo. Misahirana fatratra izy mba hahatongavana amin’izany, ka raha tsy mahomby izy dia ho tafalentika ao anatin’ny fahaketrahana. Nefa kosa, ho an’ireo izay tena mifikitra amin’i Jehovah, dia ny “fanompoana masina” no zava-dehibe indrindra (Romana 12:1, 2 MN ). Mazava ho azy fa tsy misakana antsika tsy hanan-java-manahirana akory izany fanompoana izany. Nefa izany tsy manosika antsika himonomonona na hitaraina noho ny manjo antsika. Nanome antsika asa hotanterahina Andriamanitra, ka izany no mitana ny saintsika rehetra. Raha ny marina, dia falifaly hatrany isika satria mitana ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany amin’ireo zavatra imasoantsika. — Matio 6:33.

17. Inona no tokony ho fihetsika harahin’ireo mpivavaka amin’Andriamanitra eo anoloan’izay rehetra mety hahavariana azy?

17 Inona àry no lalam-pahendrena ho antsika izay manompo an’i Jehovah? Afaka mandray soa sasany amin’ny fananana sy ny fanampiana atolotr’izao tontolo izao antsika isika. Kanefa tsy tokony hamela na inona na inona mihitsy hampiala antsika amin’ny asan’Andriamanitra isika (Lioka 21:34-36). Aoka hotadidiantsika fa tsy misy na inona na inona maharitra eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Raha ny marina, izany fivadibadihana izany mihitsy dia mety hitarika antsika hiala amin’ny lalana tsara. Tsy nanafina izany tamintsika i Paoly: “Eo am-piovana ny fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao.” (I Korintiana 7:31). Izany anefa tsy tokony hamoizantsika ny asan’i Jehovah.

Aoka isika hanatontosa ny asan’ny Tompo amim-pahadodonana

18. a) Koa satria isika miaina amin’ny “andro farany” nanomboka tamin’ny 1914, inona moa no asa tokony hameno ny fiainantsika? b) Raha ‘mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo’ isika, inona no azo inoana fa hiafaran’ireo zava-manahirana antsika isan’andro?

18 Noho ny fahaizantsika manavaka ara-panahy, dia fantatsika ny porofo maro manamarina fa nanomboka tamin’ny 1914 isika dia miaina amin’ny “andro farany”. Aoka indrindra àry isika tsy hino fa hisy zavatra tsy ampy amintsika raha tsy mampiasa izao tontolo izao amin’ny fomba feno isika Aoka isika hameno ny fiainantsika amin’ny “asan’ny Tompo”. Eny, aoka isika ‘hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatsika fa tsy foana tsy akory ny fikelezantsika aina ao amin’ny Tompo’. (I Korintiana 15:58.) Aoka isika hilofo tanteraka amin’ny fitoriana sy ny fampianarana ireo fahamarinana momba ilay Fanjakana. Raha manao toy izany isika, hanao ahoana ireo zava-manahirana antsika andavanandro? Azo inoana fa ho voailika any aoriana izany, hany ka ho hita fa tsy mafy kokoa, tsy sarotra zakaina kokoa.

19. Inona no dikan’ny hoe ‘miaritra hatramin’ny farany’?

19 Rehefa nanonona ilay faminaniany malaza ny amin’ireo andro farany ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny, Jesosy dia nilaza fa ireo mpianany dia ho “halan’ny olona rehetra” noho ny anarany. Nanampy teny toy izao anefa izy: “Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Marka 13:10-13). Ho antsika izay nanolo-tena ho an’i Jehovah, “ny farany” dia na ho ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” na ho ny fahafatesan’ny tenantsika, angamba noho ny fanenjehana (Matio 24:3). Na ahoana na ahoana, dia voafetra ny fotoana ananantsika mba hanatanterahana ny asan’ny Tompo. Noho izany, moa ve isika tsy tokony hanambara ny hafatra momba ilay Fanjakana amim-pahadodonana kokoa? Miharihary ny valiny.

Tena fotoana tokony hanaovan-javatra izao

20. Ahoana no nahafahan’ireo Isiraelita afaka avy tamin’ny fahababoany tany Babylona nampiseho fa nihevitra ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah izy ireo?

20 Rehefa nafahana avy any Babylona ireo babo jiosy tamin’ny taonjato faha-6 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia tsy maintsy nanao fanapahan-kevitra izy ireo. Moa ve izy ireo hody any amin’ny taniny mba hanorina any indray ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah sa hijanona any Babylona? Tsy hoe tsy maintsy ho azo tsinina akory ireo Isiraelita nijanona tao amin’io tanàna io. Anisan’izy ireo koa Daniela mpaminany efa zokiolona. Afaka nanome ny fanohanany ara-tsaina sy ara-nofo ho an’ny sisa niverina tany izy ireo ka nandefa ho any Jerosalema ny “fanatitra” an-tsitrapo ho an’ny tranon’i Jehovah, nandray anjara tamin’izany tamin’ny fandrosoan’ny fanompoam-pivavahana marina (Ezra 1:2-4). Tsy maintsy ho faly ny mpivavaka tamin’i Jehovah rehetra nahita ny sisa niainga ho any Jerosalema niaraka tamin’ireo fanaka masina tao amin’ny tempolin’i Jehovah! Fa raha ny amin’ireo izay nitondra ireny zavatra ireny, dia tsy maintsy namantatra tsara izy ireo raha nanadio ny tenany tamin’ny fahalotoana rehetra nifandray tamin’ny faharatsiam-pitondrantena ara-pivavahana sy ara-pitondrantenan’i Babylona izy. — Isaia 52:11.

21. a) Fanontaniana inona avy no ho tsara raha eritreretina? b) Koa satria “fohy ny fotoana sisa tavela”, ahoana no tokony hiheverantsika ireo fahafahana atolotra antsika mba hitory ny vaovao tsara?

21 Moa ve manintona ny sainao ny fanompoam-pivavahana marina sahala amin’ny nataon’ireo Isiraelita ireo, taonjato 25 lasa izay? Eo imasonao, moa ve tena tombontsoa sy antom-pifaliana tokoa ny manompo amin’ny fanompoana masina eo anivon’ny fandaminana madio sy be zotom-po izay manome voninahitra ny anarany masina? Hainao ve ny manavaka ireo porofo maro manamarina fa efa lasa dia lasa ny “andro farany”? Raha eny no avalinao an’ireo fanontaniana rehetra ireo, dia aza mangataka andro manao zavatra mifanaraka amin’izany. Ataovy izay hahatonga foana ilay Fanjakana ho ny antony ahavelomanao lehibe indrindra. Koa satria “fohy” ny fotoana sisa, ny fahafahana atolotra antsika mba hampahafantatra ny vaovao tsara dia mihasarobidy kokoa hatrany. Voatahy àry ny vavolombelon’i Jehovah mahatoky rehetra izay mampifatoka ny fiainany amin’ilay Fanjakana ka ‘mahefa be’ amin’ny fitoriana ny vaovao tsara dieny mbola misy fotoana!

Ho hainao ve ny hamaly?

◻ Nahoana no mihafohy ny fotoana ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny?

◻ Ahoana no ahafantarantsika fa lasa lavitra tokoa ny “andro farany”?

◻ Raha ‘mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo’ isika, azo inoana fa hanao ahoana ireo zava-manahirana antsika manokana?

◻ Koa satria akaiky ny farany, amin’inona moa no tokony hampifantohantsika ny fiainantsika?

[Sary, pejy 27]

Aoka isika tsy hanaiky ho voatanan’ireo zava-manahirana andavanandro ka hanao tsirambina ny fitoriana ilay Fanjakana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara