FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/5 p. 26-31
  • ‘Tokony ho mpampianatra ianareo’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Tokony ho mpampianatra ianareo’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay mpampianatra...
  • ... sy ny fampianarany
  • Fampitomboana ny Fahaiza-mampianatra
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Manehoa Fahaiza-mahataka-javatra sy Fahaiza-mandresy Lahatra Rehefa Mampianatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Tahafo Ilay Mpampianatra Lehibe
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • “Tsy Niteny Tamin’izy Ireo ... Izy Raha Tsy Tamin’ny Fanoharana”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/5 p. 26-31

‘Tokony ho mpampianatra ianareo’

‘Tokony hahay hampianatra ny mpanompon’ny Tompo.’ — II TIMOTY 2:24.

1, 2. Amin’ny lafiny lehibe inona moa ny kristiana no tokony hanahaka an’i Jesosy?

TAMIN’NY lohataonan’ny taona 31, Jesosy dia nanao lahateny ankalamanjana teo anoloan’ny karazan’olona maro tafavory mba hihaino azy. Koa satria tsy nisy fanamafisam-peo tamin’izany fotoana izany, dia nanararaotra ny mahabe ny feon-javatra araka ny natiora teo amin’ny fidinana amin’ny tendrombohitra izy mba handrenesana azy. Tena miavaka tokoa ny teny notononiny tamin’io andro io. Rehefa ho avy niresaka izy, dia hiaiky ireo mpihaino azy fa mbola tsy nahazo fampianarana mahatalanjona toy izany mihitsy izy ireo. Milazalaza amintsika ny fihetsik’izy ireo koa ny fitantarana iray, araka izao: “Talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany.” (Matio 7:28). Tamin’io fotoana io toy ny tamin’ny maro hafa, dia nasehon’i Kristy fa mpampianatra tsy nanam-paharoa izy.

2 Taty aoriana, dia hampahafantarin’i Jesosy an’ireo mpianany fa mba natao ho tonga mpampianatra koa izy ireo. Ohatra, hanome azy ireo izao baiko izao izy: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (...) sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo”. (Matio 28:19, 20). Ny apostoly Paoly koa dia hanipika fa ny kristiana dia manana adidy hampianatra. Izao no holazainy amin’ireo rahalahiny hebreo: “Tokony ho efa mpampianatra (...) hianareo.” (Hebreo 5:12). Hanoratra toy izao ho an’i Timoty koa izy: “Tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra.” — II Timoty 2:24.

3. Amin’ny toe-javatra inona moa ny kristiana iray no mety ho voantso hampianatra?

3 Nahoana no miresaka be dia be ny amin’ny fampianarana? Satria tokony ho fantatry ny kristiana izay tokony holazaina rehefa mitory isan-trano na eny amin’ny arabe izy ireo na miverina any amin’ireo olona tsara fikasa sy manomboka miara-mianatra ny Baiboly amin’izy ireny. Kendreny tokoa ny fifampikasohany amin’ny hafa mba ho samy fahafahana hampianatra (jereo Jaona 4:7-15). Afa-tsy izany koa, ny minisitra kristiana dia mampianatra rehefa miteny amin’ny kongregasiona iray ao amin’ny Efitrano Fanjakana na manome torohevitra manokana. Ireo vehivahy matotra koa dia asaina ‘hampianatra ny zavatra tsara’ amin’ny vehivavy tanora (Titosy 2:3-5). Fa raha ny amin’ireo ray aman-dreny kristiana, izy ireo dia mikely aina mba hitaiza ireo zanany “amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazan-tsain’i Jehovah”, ka izany dia mitaky amin’izy ireny fahaizana mitaiza lehibe (Efesiana 6:4, MN ); Deoteronomia 6:6-8). Tsy misy mahagaga mihitsy àry raha nilaza ny amin’ny kristiana ny apostoly Paoly fa ilainy ny ‘hahay hampianatra’.

4, 5. Inona no hanampy antsika ho tonga mpampianatra tsara?

4 Tsy raharaha mora anefa akory ny fampianarana. Fahaizana izy io (II Timoty 4:2). Ahoana àry no mety hahazoan’ireo mpianatr’i Kristy izay amin’ny ankapobeny dia “tsy firy no olon-kendry araka ny nofo”, hahazo ny fahaizana ilaina mba hampianarana (I Korintiana 1:26)? Tsy ho tonga amin’izany izy raha tsy noho ny fanohanan’Andriamanitra (Matio 19:26). Aoka tsy hohadinointsika fa manome fahendrena ho an’ireo izay mangataka izany aminy Jehovah (Jakoba 1:5). Amin’ny alalan’ny fanahiny masina no anohanany ireo izay miezaka hanatanteraka ny sitrapony. Ambonin’izany, dia nomeny antsika ny Baiboly izay “mahasoa koa ho fampianarana” ary afaka manome fitaovana antsika “ho amin’ny asa tsara rehetra”, anisan’izany ny fampianarana. — II Timoty 3:6, 17.

5 Manampy antsika ho tonga mpampianatra tsara kokoa ny Soratra masina. Ataony indrindra izany amin’ny fitantarana amim-pahatokiana amintsika ny fanompoan’i Jesosy, dia io olona io izay nahagaga aoka izany ny niara-belona taminy ny fahaizany nampianatra (Marka 1:22). Raha fantatsika izay nahatonga azy ho mpampianatra tsara toy izany, dia ho mora kokoa amintsika ny hanahaka azy. Azo jerena amin’ny endriny roa tsy mitovy ny fampianarana: ireo toetra manokan’ilay mpampianatra sy ny fomba fampianarany. Aoka hojerentsika ny fomba anamarinana izany araka ny hita tamin’i Jesosy, ary aoka isika hanandrana hanatsoaka fianarana avy amin’ny ohatra nomeny.

Ilay mpampianatra...

6. Amin’ny lafiny inona moa isika no tokony hanahaka an’i Jesosy rehefa mampianatra? Nahoana no tena ilaina izany?

6 Hoy Jesosy indray andro: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 7:16). Taty aoriana dia niaiky toy izao koa izy: “Tsy manao na inona na inona ho Ahy aho, fa araka ny nampianarin’ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany.” (Jaona 8:28). Araka izany, Jesosy dia nanintona ny sain’ireo mpihaino azy ho amin’ny Rainy any an-danitra. Na dia Mesia aza izy, dia nitady izay hanomezam-boninahitra ny anaran’i Jehovah fa tsy ny an’ny tenany (Matio 6:9; Jaona 17:26). Azo antoka anefa fa ny fanetren-tenany dia nanampy tamin’ny fanaovana azy ho mpampianatra niavaka. Amin’izao andro izao, ireo mpampianatra kristiana dia tokony hampiseho fanetren-tena toy izany. Ny fikasany dia tsy ny hanangona dera fa ny hankalaza an’i Jehovah, Loharanon’ny fampianarany. Amin’izany ireo mpianany dia ho tonga mpanompon’Andriamanitra fa tsy mpianatry ny olona iray. — Jereo Asan’ny apostoly 20:30.

7, 8. a) Inona moa no fihetsika tsara dia tsara nananan’i Jesosy teo anoloan’ny fahamarinana (Salamo 119:97)? b) Amin’ny ahoana ny fihetsika toy izany no hanampy antsika handroso amin’ny fahaiza-mampianatra?

7 Tadidio koa fa tonga i Jesosy mba “hanambara ny marina”, ary hainy tanteraka ny foto-dresany (Jaona 17:17; 18:37). Teo amin’ny faha-12 taonany dia efa nahaliana azy mafy ny zavatra ara-panahy (Lioka 2:46, 47). Niharihary fa tia ny fahamarinana i Jesosy (Salamo 40:8). Ny sainy naranitra sy ny fitiavany lalina ny fahamarinana dia nahatonga azy hino mafy fa nila ny handre ny hafatra nentiny ny hafa. Koa tapa-kevitra izy ny hampianatra izany tsara araka izay azony natao. — Jaona 1:14; 12:49, 50.

8 Ary isika? Tsy isalasalana fa efa manana fahalalana sasany ny fahamarinana isika, nefa tena tiantsika tokoa ve izany? Moa ve isika mandany fotoana hianarana izany mba hahatongavana ho kinga kokoa amin’ny fiarovana azy? Faly ve isika miresaka ny amin’izany amin’ny namantsika? Arakaraka ny hihalalinan’ny fahalalantsika ny fahamarinana, dia hitombo ny fitiavantsika azy ka hanosika antsika hampiely izany amin-kafanam-po. Nambaran’ilay mpanao salamo fa sambatra ny olona izay ny “lalàn’i Jehovah no sitrany” ka ‘misaintsaina izany andro aman-alina’. Izao koa no nosoratana ny amin’izany olona izany: “Ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.” Mihatra amin’ny fampianarany koa io fanamarihana io. — Salamo 1:1-3.

9. Inona koa no toetra hafa nahatonga an’i Jesosy ho mpampianatra tsara dia tsara?

9 Na dia izany aza, dia tsy ampy ny mifankazatra tsara amin’ny foto-kevitry ny tena mba hahatongavana ho mpampianatra mahay. Fony mbola nankany an-tsekoly ianareo, dia angamba nahalala mpampianatra izay na dia nahay tsara ny zavatra nampianariny aza dia tsy nahay nampianatra tsara izany. Nahoana? Angamba tsy nanana ny toetra iray hita be dia be tao amin’i Jesosy, dia: fitiavana sy fiheverana ny hafa tamim-pahatsorana. Mitantara toy izao tokoa ny filazana ao amin’ny Baiboly: “Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” (Matio 9:36). Tsy sasatra loatra izy na be fanahiana loatra ka tsy afaka nihevitra ny mpiara-belona taminy (Jaona 4:6-26). Hainy ny niseho ho tsara fanahy, malemy fanahy sy naharitra tamin’izy ireo na dia tao aza ny fahalemen’ireo. Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, dia tiany ny hanampy azy ireo (Lioka 5:12, 13). Amin’izao andro izao koa, ny kristiana dia haneho ireo toetra ireo mba hahatongavana ho mpampianatra mahita vokatra.

10. Nahoana moa no tena ilaina ny hanomezana ohatra tsara?

10 Misy toetra fahefatra nampiavaka an’i Jesosy tamin’ny mpampianatra hafa rehetra. Izao no vakintsika: “Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.” (I Petera 2:22). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy nanao na inona na inona nety ho nampiala ireo mpihaino azy tamin’ny fampianarany izy. Manahaka azy amin’io lafiny io ve isika? Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana, dia nametraka izao fanontaniana izao i Paoly: “Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany ve hianao?” (Romana 2:21). Mitovitovy hevitra amin’izany, moa ve ny loholona izay maniry hampiseho amin’ny kongregasiona ny maha-zava-dehibe ny fitoriana mba mandany hery amim-paharisihana koa amin’io asa io? Moa ve izay, ao amin’ny lahateny iray, dia mamporisika ny hafa hamaky ny Soratra masina, manaraka fandaharam-pamakiana ny Baiboly tsara? Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety ho ampy lanja ny fitondrantenantsika mba ‘hahazoana’ olona iray mankahala, na dia tsy milaza na inona na inona aza isika (I Petera 3:1). Fantatra fa matetika ny atao no mahalaza zavatra betsaka kokoa noho ny teny. Amin’izany, raha manohitra ny tenintsika ny ataontsika, tsy ho ela dia hahatsapa izany ireo mpianatsika ka tena mety ho very maina foana ny fampianarantsika.

11. Ny amin’ny lafiny hafa inona amin’ny fampianarana no horesahintsika izao?

11 Ny faniriana hidera an’i Jehovah, ny fahalalana sy ny fitiavana ny fahamarinana, ny fiahiana sy ny fomba fiaina faka tahaka dia hanampy be dia be amin’ny fanaovana kristiana iray ho mpampianatra tsara. Hanohina ny fon’ny olona tso-po ireo toetra ireo, na dia tsy havanana amin’ny fampianarana aza ilay mampianatra. Na dia izany aza, ny fampianarana dia mbola fahaizana ihany izay azontsika androsoana amin’ny fampiasana fomba sasany. Aoka àry hojerentsika izao ny lafiny sasany ara-pahaizana kokoa tamin’ny fampianaran’i Jesosy ka hojerentsika ny fomba mety hanampiany antsika ho tonga mpampianatra tsara kokoa.

... sy ny fampianarany

12. a) Inona moa no lafiny miavaka amin’ny fampianaran’i Jesosy misongadina amin’ny Matio 5:3-12? b) Ahoana no azonao akana hevitra avy amin’izany mba hanatsarana ny toetry ny fampianaranao?

12 Mba hahatonga anao ho vonton’ny fampianaran’i Jesosy tsara, dia vakio ireo andininy voalohandohany amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra (Matio 5:3-12). Inona no manaitra anao? Marina fa nandanjalanja tsara ny teniny i Jesosy. Ny fitarihan-teniny, fitohitohizana foto-kevitra raisina ho fitsipika izay manomboka amin’ny teny hoe “sambatra”, dia hisoritra mora foana ao amin’ny fitadidian’ny mpihaino azy. Tsara koa anefa ny manamarika fa tsy nampiasa teny miraondraona na fehezanteny miolana izy. Na dia lalina aza ireo fahamarinana notononiny, dia hainy ny nilaza azy tamin’ny fomba tsotra. Izao àry no zava-miafin’ny mpampianatra tsara voalohany: NY FAHATSORANA. Somary vakio ny tapany sisa amin’ilay lahatenin’i Jesosy; ho hitanao ao ny fahamarinana lalina hafa hainy novelabelarina tamin’ny fomba mazava sy tsotra (Matio 5:23, 24, 31, 32; 6:14; 7:12). Rehefa vita izany, dia eritrereto ny fomba ho azonao, amin’ny fomba tsotra toy izany, hilazalazana ny faharetan’ny andron’ny Jentilisa na hampisehoana hoe nahoana ny Baiboly no miresaka ny amin’ny fanantenana roa, ny anankiray any an-danitra ary ny anankiray eto an-tany.

13, 14. Nahoana ny fanoharana no nanome aina ho an’ny tenin’i Jesosy?

13 Vakio izao ny Matio 5:14-16. Ao amin’ireo andinin-teny ireo i Jesosy dia mamporisika ny olona manetry tena izay mihaino azy hampiely ny fahamarinana amin’ny teniny sy ny asany. Nahagaga azy ireo angamba izany hevitra izany, satria tamin’izay fotoana izay, tao an-tsain’ny Jiosy rehetra, dia anjaran’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny nampianatra ny firenena. Hain’i Jesosy anefa ny nampiseho ny fampianarany mba hampisongadina azy sy hahitana izany no mety. Tamin’ny fomba ahoana? Noho ny fanoharana hentitra. Nampiasa matetika FANOHARANA toy izany tokoa i Jesosy rehefa nampianatra.

14 Nahoana no nanao izany izy? Satria mieritreritra amin’ny alalan’ny sary indrindra ny olona. Afa-tsy izany koa, rehefa tsoahina avy amin’ny fiainana andavanandro ny fanoharana dia mahatonga ny zavatra ara-panahy ho mora raisina kokoa. Izany no antony nampitahan’i Jesosy an’i Jehovah, Ilay mihaino vavaka, tamin’ny ray iray manome zava-tsoa ho an’ny zanany. Mba hampisehoana tsara ny fahasahiranana ho hitan’ireo izay hiezaka hahazo ny fiainana, dia niresaka ny amin’izany ho toy ny vavahady ety mivoha eo amin’ny lalana tery izy. Fa raha ny amin’ireo mpaminany sandoka, izy ireny dia nampitahainy, indraindray tamin’ny amboadia mitafy hoditr’ondry, indraindray tamin’ny hazo mamoa voa ratsy (Matio 7:7-11, 13-21). Ireo fanoharana ireo, mifandray tanteraka amin’ny zavatra tena misy dia nanome aina ny tenin’i Jesosy. Tamin’izany ny fampianarany dia nanjary mora tadidiana kokoa, raha tsy tiana aza ny hilaza hoe tsy hay hadinoina.

15. Asehoy ny fomba mety hanatsaran’ny kristiana amin’izao andro izao ny fampianarany amin’ny alalan’ny fanoharana.

15 Amin’izao andro izao, dia matetika ny kristiana no mampiasa fanoharana sahala amin’izany mba hanampiana ireo mpihaino azy handray hevi-baovao. Araka izany, mba hampisehoana ny lafiny tsy mety amin’ny fampianarana momba ny afobe mirehitra, ny sasany dia nanontany ny olona niresahany izay heveriny ny amin’ny ray iray na ny reny iray hanasazy ny zanany tsy mankatò amin’ny fandorana ny tanany amin’ny afo. Toy izany koa, mba hanazavana fa azo lazaina hoe olona vitsy no ho any an-danitra, fa ny ankamaroan’olona kosa afaka manana fanantenana ny hiaina mandrakizay eto an-tany, dia azo atao ny mampahatsiahy izay mitranga any amin’ny ankamaroan’ireo firenena izay olom-pirenena vitsivitsy monja no mahaforona ny fitondram-panjakana, fa ny ankamaroan’olona kosa no mandray soa amin’ny fisiany. Amin’ny fitsipika ankapobeny anefa, dia tsaratsara kokoa ny hanatsoahana ny fanoharana iray avy amin’ny zava-misy efa fantatry ny mpihaino. Raha lava loatra izany na tokony harahin’ny fanazavana tsy mety tapitra, dia mety hanakona ny hevitra noheverina fa hohazavainy.

16. Karazana fanoharana inona no manaitra indrindra?

16 Mety hampiasa ny fijeren’ny maso koa ny fanoharana. Rehefa nanontaniana an’i Jesosy raha nety na tsia ny nandoa vola hetra ho an’i Kaisara, dia nangataka izy ny hitondrana vola madinika teo aminy, denaria iray, ka nampiasa an’io izy mba hanamafisana ny valinteniny (Matio 22:17-22). Rehefa tiany ny hanipika ny maha-zava-dehibe ny fanetren-tena, dia niantso zazakely ho eo anilany izy (Matio 18:1-6). Farany, mba hampisehoana ny atao hoe tena fitiavam-pivavahana, dia notondroiny ny vehivavy mpitondratena iray izay nandatsaka izay rehetra nananany — farantsakely roa — tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly (Marka 12:41-44). Toy izany koa, ao amin’ireo fivoriana kristiana atao ao amin’ny Efitrano Fanjakana, ny mpandahateny sasany dia matetika no mampiasa tabilao, sary, planina na “diapositives”. Ao amin’ireo fianarana ny Baiboly any an-tokantrano dia azo atao ny mampiasa ireo sary ao amin’ny boky na fomba hafa koa. Mandaitra lavitra ny sary hitan’ny maso noho ny teny.

17. Tonòny ny fomba fampianatra hafa nampiasain’i Jesosy imbetsaka.

17 Ho famaranana, dia vakio izay nolazain’i Jesosy indray andro tamin’ny Fariseo ao amin’ny Matio 12:10-12. Mariho ny namaliany tamim-pahakingana ny fanontaniana mamitaka napetrak’izy ireo. Marina fa nampiasa fanoharana izy, nefa moa ve voamarikao ny fomba nampisehoany izany? Tamin’ny endriky ny fanontaniana. Tamin’izany fomba izany no nahafahany nitarika an’ireo mpihaino azy hihevitra ny Sabata amim-pahaiza-mandanjalanja kokoa. Marina tokoa fa noho ireo FANONTANIANA, dia nahazo vokatra mahatalanjona i Jesosy. Amin’ny famakiana ny Filazantsara, dia ho voamarikao ny fomba nampiasany an’io fomba fampianarana io mba hitarihana ireo mpihaino azy haka fotoana hieritreretana, ary na dia mba hanerena ireo fahavalony hanitsy ny fiheverany aza. — Matio 17:24-27; 21:23-27; 22:41-46.

18. Karazam-panontaniana inona no azon’ny kristiana iray apetraka rehefa misy fifanakalozan-kevitra momba ny foto-pampianarana?

18 Afaka mampiasa fanontaniana sahala amin’izany foana ny kristiana. Araka izany, rehefa manonona ny Matio 28:18 ny mpanohana ny trinite iray mba ‘hanaporofoana’ fa tsitoha Jesosy, ary noho izany dia mitovy amin’Andriamanitra, ny mpampianatra za-draharaha dia hanampy azy hanao fanjohin-kevitra amin’ny fametrahana fanontaniana sahala amin’izao: ‘Raha nomena an’i Jesosy ny fahefana rehetra, iza no nanome azy izany fahefana izany? Inona no toerana notanan’i Jesosy talohan’ny nanomezana fahefana azy?’ Ny fanjohin-kevitra toy izany dia hahatonga an’ilay mpanohana ny trinite hijery an’io andininy ao amin’ny Baiboly io amin’ny endriny vaovao. Aoka hataontsika izao hoe mampiasa ny fanoharana ny amin’ny mpanan-karena sy Lazarosy ny olona iray mba hampisehoana fa misy afobe mirehitra iray (Lioka 16:19-31). Mba hanazavana izany, dia ho azo atao ny hanontany azy hoe: ‘Nankaiza ilay mahantra rehefa maty? Raha nankany an-danitra izy, moa ve tokony hotsoahina avy amin’izany fa izay rehetra any dia ao “an-tratran’i Abrahama”? Koa satria nilaza i Jesosy fa talohany dia tsy nisy olona niakatra ho any an-danitra, ahoana no hanazavana ny naha-tany amin’io toerana io an’i Abrahama (Jaona 3:13)?’ Ny fanontaniana toy izany dia hanampy an’ilay olona liana hahatakatra fa ara-panoharana ny toeran’ilay mahantra voalazan’ny fanoharana taorian’ny ‘nahafatesany’. Noho izany, dia tokony ho toy izany koa ny toeran’ilay lehilahy mpanan-karena ‘taorian’ny nahafatesany’. Vao mainka tsy tokony horaisina amin’ny heviny ara-bakiteny izany, indrindra rehefa fantatra izay lazain’ny tapany sisa amin’ny Soratra masina ny amin’ny ‘afobe’. — Mpitoriteny 9:10a.

19. Nahoana moa no tsara ny hametrahana fanontaniana isaky ny mampianatra isika?

19 Ireo fanontaniana dia mitarika an’ilay mpianatra handray anjara amim-paharisihana amin’ny fampianarana. Na dia izay tsy tena mitaky valiny avy aminy aza dia tsara satria manosika azy hieritreritra. Jereo ny fomba nampiasan’i Jesosy izany karazam-panontaniana izany ao amin’ny Matio 11:7-11. Misy antony hafa ilàna ny fanontaniana koa. Ilaintsika matetika tokoa ny mahafantatra izay heverin’ny olona iray mba hahafahana manampy azy. Koa satria tsy mba mahay mamaky ao am-po sahala amin’i Jesosy isika, dia tokana ihany sisa fomba hahafantarana ny fiheveran’ny hafa: mametraka fanontaniana amim-pahendrena. — Ohabolana 18:13; 20:5.

20. Raha ‘mitandrina foana ny tenantsika sy ny fampianarantsika’ isika, inona no ho azontsika avy amin’izany (I Timoty 4:16)?

20 Araka izany àry dia fahaizana ny fampianarana. Mba hahaizana izany, ilay mampianatra dia sady tokony hiezaka hampitombo ny toetra tsarany manokana no hianatra hampianatra. Na dia sarotra aza anefa ny fahaiza-mampianatra dia mendrika ny hambolena, satria ny hoe kristiana dia milaza ny maha-mpampianatra. Ny ankamaroan’ny adidin’ny mpianatr’i Jesosy tokoa dia mitarika azy hampianatra ny mpiara-belona aminy. Koa ho tsara ny hanarahantsika izao torohevitr’i Paoly izao: “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao.” Marina fa ny sasany dia havanana kokoa noho ny hafa amin’io lafiny io. Ny rehetra anefa dia hahay hampianatra amin’ny fomba mandaitra raha manao ny fiezahana ilaina ary raha miantehitra amin’ny fanampian’i Jehovah. Ary tena rariny ny hanarovana toy izany, araka ny porofoin’i Paoly rehefa manampy teny toy izao izy: “Mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” — I Timoty 4:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny fanamarihana ambany pejy sy ny fanampiny 4 B ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, fanontana amin’ny teny anglisy misy teny nalaina tamin’ny 1984. Jereo koa ny fanampiny amin’ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, pejy faha-1458.

Aoka hofintinintsika:

◻ Inona avy moa ireo toetra nahatonga an’i Jesosy ho mpampianatra tsara?

◻ Amin’ny ahoana ireo toetra ireo no hanampy antsika?

◻ Nahoana moa ny mpampianatra tsara iray no tokony hahay hijanona ho tsotra?

◻ Amin’ny ahoana moa ny fampiasana fanoharana sy fanontaniana no hanatsara ny fampianarantsika?

[Sary, pejy 26]

Tamin’ny fomba fampianany, Jesosy dia niavaka tamin’ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny androny.

[Sary, pejy 28]

Sahala amin’ny nataon’i Jesosy, moa ve ny kristiana amin’izao androntsika izao manararaotra ny fahafahana hampianatra rehetra atolotra azy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara