FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/1 p. 28-31
  • Macao — ohatra faka tahaka amin’ny fiaretana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Macao — ohatra faka tahaka amin’ny fiaretana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Ny fiainany ara-pivavahana
  • Ny fiandohan’ny fivavahana marina tany Macao
  • Fanerena maro karazana
  • Fandrosoana vaovao
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/1 p. 28-31

Macao — ohatra faka tahaka amin’ny fiaretana

MACAO, ilay zanatany tranainy indrindra any amin’ny morontsiraka sinoa, dia niaritra fisedrana maro tao anatin’ireo taonjato efatra lasa. Tao amin’io tany misy fifanoheran-javatra io anefa, dia niseho ny karazam-piaretana hafa iray, dia fiaretana miteraka fanantenana. — Romana 5:3, 4.

Rehefa tonga tao amin’io tany saiky nosy kely tsy ampy roa kilaometatra amin’ny dimy eo amin’ny vavaranon’i Perles io ilay mpizaha tany portiogay atao hoe Jorge Alvares, dia vao nahita an’i Amerika i Christophe Colomb. Noho ny fahafantarana fa hilainy aoka izany i Macao mba hahatongavana any Cathay nalaza tamin’ny dian’i Marco Polo, dia nanao izay hahazoana antoka ny fananana azy i Portiogay tamin’ny fanaovana sonia fifanekena tamin’i Chine, tamin’ny 1557. Vetivety io zanatany io dia tonga ny lehibe indrindra tamin’ny toerana fampandrosoam-barotra tany amin’ny farany Atsinanana.

Ny fiainany ara-pivavahana

Araka ny lazaina, dia nanaraka akaiky an’ireo mpizaha tany sy mpivarotra foana ny fivavahana katolika. Raha ny marina, tamin’ny fotoana nanapahany tamin’ny naha-foibe ara-barotra azy, dia efa noheverina ho “dobon-dranon’ny fivavahana lazaina fa kristiana tany Atsinanana” i Macao. Nandritra ny fotoana nananany voninahitra, ny diosezin’i Macao dia nampihatra ny fahefany teo amin’ny tombontsoan’ny Eglizy nanerana an’i Chine sy Japon. Amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ny mponina Macao izay Sinoa dia tsy manaraka fivavahana mihitsy raha lazaina ara-bakiteny. Be dia be anefa no mbola mitandrina ihany ny fanaom-pireneny izay mitondra mariky ny bodisma na ny fivavahana amin’ny razana. Ohatra, manao matso lehibe izy ireny amin’ny fampakaram-bady, ny fandevenana ary ireo andro fety.

Zavatra mifanohitra anefa fa “ilay foiben’ny fivavahana lazaina fa kristiana any Atsinanana”, raha ny marina dia nandray ny anarany avy amin’ny andriamanitra tatsinanana iray. Ny Encyclopédie catholique (anglisy) dia mampahafantatra antsika tokoa fa ny teny portiogay hoe Macau dia “azo inoana fa nanam-piandohana sinoa; izy io dia voaforon’ny hoe Ma, anaran’ny andriamanitra iray eo an-toerana, sy ny hoe gau, ‘seranana’ ”. Raha ny marina, ny hoe A-Ma, araka ny lovantsofina, dia anaran’ny andriamanibavy sinoan’ny tantsambo sy ny mpanjono izay ny fitoerany masina dia tempoly iray antsoina hoe Ma Kwok. Nanandrana nanome endriny kristiana an’i Macao ny Portiogay tamin’ny fanomezana azy anarana ofisialy hoe “A cidade do santo nome de Deus de Macau”. (Ny tanànan’ny anarana masin’ny Andriamanitr’i Macao.)

Raha tokony hitondra ny anarana hoe “Andriamanitr’i Macao ny andriamanitra iray amin’izao andro izao, dia azo antoka fa ny andriamanitry ny “Vintana” izany. Macao dia mirehareha ho manana eglizy maro kokoa noho ny Tanànan’i Vatican ary latabatra filokana betsaka kokoa noho ny an’i Monte-Carlo. Ankoatra ny trano filokana, misy karazam-pilokana sinoa sy tandrefana maro be, dia ao koa ny “jeux de pelote”, ny hazakaza-tsoavaly sy amboa mpihaza bitrodia, ny Loka fiarakodia lehibe ao Macao izay alamina isan-taona, ary koa hazakazaka môtô maro. Izany rehetra izany dia manintona mpilalao maneran-tany; ireo no miantoka ny fahaveloman’i Macao sady misy heriny lalina na mametra mihitsy aza ny fomba fiainany.

Ny fiandohan’ny fivavahana marina tany Macao

Tsy maintsy niandry ny taona 1961 mba hanombohan’ireo fahazavana voalohan’ny fahamarinana hanazava ny “tanànan’ny anarana masin’Andriamanitra”. Tamin’izay no niseho ny karazam-piaretana vaovao iray.

Ny vehivavy kristiana portiogay iray izay niasa tao amin’ny tafika ny vadiny dia tonga niorim-ponenana tao Macao. Niezaka mba hitory ny vaovao tsara tamin’ny mponina niteny portiogay izy, nefa tsy tojo olona maro nihaino tsara, ary tsy ela ireo ‘namany’ vaovao dia nanalavitra azy. Ny hany olona nampiseho fahalianana ka nanaiky hianatra ny Baiboly dia tsy nahay niteny portiogay ka niadana ny fandrosoany. Mampalahelo fa fotoana fohy taorian’izany dia voatendry ho any an-toeran-kafa ny vadin’ilay vehivavy kristiana resahina, ary tsy nisy olona hanohy ny asa fitoriana intsony.

Koa satria teo akaiky teo i Hong-kong, ireo Sinoa nonina tao amin’io tanàna io dia nomen-dalana ho any Macao sy hiverina avy any anefa tsy ho voatery hampiseho “visa”. Koa tamin’ny febroary 1963, ny mpitory maharitra manokana (mpitory manontolo andro) sinoa roa dia tonga avy tany Hong-kong mba handray indray ny asa fitoriana. Niezaka indrindra izy ireo mba hitsidika ny mponina niteny “cantonaise” izay maro an’isa. Na dia mbola “tsy niasana” aza ilay faritany, dia tsy noraisina tamin-kafanam-po tao ny hafatra momba ilay Andriamanitra marina sy ny Fanjakany any an-danitra. Sahirana loatra ny ankamaroan’olona ary nanahy loatra sao tsy ampy fivelomana, hany ka tsy nikarakara ny raharaha ara-panahy. Nampiseho fahalianana anefa ny fianakaviana indoneziana iray. Natao tamin’ny fifangaroan’ny teny “cantonais” sy anglisy ary indoneziana ny fifanakalozan-kevitra, ary tamin’ny farany, Johnnie, lahimatoa, sy Shirley anabaviny dia nanaiky ny fahamarinana. Amin’izao fotoana izao i Shirley dia manambady rahalahy avy any Hong-kong tamin’ny 1975, ary samy manompo amin’ny maha-mpitory maharitra manokana izy mivady ao Macao.

Raha nahatonga ho afaka hampiofana haingankaingana mpitory vaovao roa ny fanombohan’ny asa fanaovana fanambarana tany Macao, dia hilaina ny hanehoana fiaretana be ao anatin’ireo taona nanaraka. Tonga be dia be avy amin’ny lafiny rehetra tokoa ireo fisedrana sy anton-javatra nahakivy. Teo anelanelan’ny 1963 sy 1968, dia nisy mpitory maharitra manokana sivy nalefa nankany Macao, nefa tamin’ny aogositra 1968 dia tsy nisy afa-tsy anankiray monja sisa mba hanampy ilay antokon’olom-bitsy nisy olona dimy tamin’izay. Inona no nitranga teo anelanelan’izany?

Fanerena maro karazana

Koa satria vitsy olona ilay antoko nitokana tao Macao, dia hita ho nohamaivanina ny fandaharan’ireo fivoriana fanao isan-kerinandro. Niadana ny fandrosoan’ny fitoriana ilay Fanjakana, sahala amin’ny fomba fiaina tao amin’io faritra io. Noho izany antony izany, ny sasany tamin’ireo Vavolombelona tonga mba hitondra fanampiana dia kivy na manina ny tany niaviany. Koa niverina nankany Hong-kong izy ireo. Nisy hafa koa lasa noho ny antony manokana.

Indray andro tamin’ny 1965, ny polisy miafina portiogay dia niditra tao amin’ny tokantranon’ny Vavolombelona iray nanaovana fivoriana. Nalain’ireo polisy ny Baiboly sy ny boky momba ny Baiboly rehetra ary nampitandrina ny mpanatrika tamin’izany fivoriana izany izy ireo. Koa satria voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Portiogaly tamin’izany fotoana izany, ireo manam-pahefana tany Macao dia nisambotra sy nandroaka anabavy mpitory maharitra roa. Tsy ilaina ny milaza fa handona ilay antokon’olom-bitsy vaovao zara raha vao nanomboka nanompo an’i Jehovah izany.

Na dia tao aza izany rehetra izany, dia niorina mafy hatrany ireo Vavolombelona vitsivitsy. Rehefa afaka volana maromaro, dia tonga ny mpitory maharitra manokana hafa mba hanohana sy hampahery azy ireo. Ny fahamalinana dia nitaky ny hameran’izy ireo ny fitoriany ho amin’ny faritany sinoa mba tsy hahitana fanoherana indray. Hosedraina mafy indray anefa ny fiaretan’izy ireo.

Ireo fihetsiketsehana nanakorontana an’i Chine kontinanta tamin’ny 1966 dia nisy akony mafy tao Macao. Nisy tabatabam-bahoaka nipoaka ary nampiasaina ny karazam-panerena hafa mba hitarihana ny fitondram-panjakana portiogay tao Macao hanaiky ny fitakiana sy ny fiandrianam-pirenen’i Chine. Nanjary voatery tamin’izay ny Vavolombelona nanalavitra, tsy ny faritany portiogay ihany, fa ireo faritany manana fironana kaominista be koa mba tsy ho voampangan’ny vahoaka na hiharam-pahasahiranana lehibe kokoa. Nifanandrina tamin’ny antokon’olona nandrahona sy nirehitra mafy tsy amin’ny antony anefa ireo mpitory maharitra indraindray. Ny fahamalinany sy ny vavaka nataony mangina dia hahatonga azy ireo tsy ho resy tamin’io karazan-dia ratsy io.

Hatramin’izay dia hita ho nihatsara ny tarehin-javatra. Afa-tsy izany koa dia nekena ara-dalàna tany portiogaly ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, ireo Vavolombelona vitsivitsy tany Macao dia afaka nanohy ny asany nefa tsy voakorontan’ny manam-pahefana sinoa sy portiogay loatra.

Niharihary ho vato misakana vaovao iray koa ho an’ny Vavolombelona ny fahavitsian’ny asa sy ny fonenana. Mialokaloka amin’ny fivelomana kely indrindra ny ankamaroan’ny olona ka miasa maharitra amin’ny karama anarany fotsiny sady tsy maka afa-tsy andro fialan-tsasatra roa isam-bolana. Nitombo aoka izany ny hofantrano, hany ka ny efitrano bitika iray na toerana ho an’ny farafara iray misy hafa mifanongoa eo amboniny fotsiny aza dia antsasaky ny vola miditra antonontonony mahery. Amin’izany, dia takatra mora foana fa sarotra amin’ny maro ny mampihatra izay ianarany ao amin’ny Baiboly. — Matio 6:33; 13:22.

Noho izany antony rehetra izany, dia miadana ny fandrosoana. Araka ny fandehan’ireo taona, dia olona maromaro nanaiky ny fahamarinana no voatery nandeha fa ny hafa kosa resin’ny fitaomana sy ny fakam-panahin’izao fandehan-javatra izao. Noho izany antony izany, na dia amin’izao andro izao aza, ilay hany kongregasionan’i Macao dia tsy ahitana afa-tsy mpitory ny vaovao tsara iraika ambin’ny folo. Manjaka ao anefa ny toe-tsaina tsara; falifaly sy tsy misalasala foana ireo rahalahy ary tsy kivy. Heverin’izy ireo ho zava-miseho miavaka manampy be dia be amin’ny fanatanjahana ny finoany ny fitsidihan’ireo mpiandraikitra mpitety faritany avy any Hong-kong mbamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika.

Fandrosoana vaovao

Tamin’ny aogositra 1979, ny mpivady misionera dia tonga avy any Portiogaly mba hiara-miasa tamin’ny kongregasiona tao Macao. Niharihary ho nahasoa tokoa ny nahatongavan’izy ireo, satria tsy vitan’ny hoe nitory be dia be teo amin’ny mponina miteny portiogay izy ireo, fa mianatra ny teny “cantonnais” koa mba hanaovana fanambarana amin’ny Sinoa.

Tsy niafina tamin’ny Eglizy katolika ny asan’izy ireo. Ireo boky ara-pivavahana dia nampitandrina ny mpamaky azy tamin’ny ‘poizin’ny’ Vavolombelon’i Jehovah, ary notoroana hevitra ireo mpiangona mba tsy hiady hevitra amin’ireo misionera raha tsy efa “voaomana” ho amin’izany. Tsy nahatratra ny zava-nokendreny anefa izany fampitandremana izany. Izany kosa aza dia nahatonga ireo Vavolombelona ho afaka hanomboka resaka tsara tamin’ny mponina. Nisy olona tsy nampiseho fahalianana mihitsy hatreo, nangataka mba hanao fifanakalozan-kevitra ny amin’ny Baiboly tamin’izy ireo.

Tsy ela izay, dia nividy trano iray ny Fikambanana mba honenan’izy mivady misionera sy mpitory maharitra manokana iray. Ny “living” aminy, malalaka sy mampiadana, dia atao Efitrano Fanjakana. Tamin’ny martsa 1983, dia olona 38 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Mba hanomezana ho an’ireny olona tsara fikasa ireny, fahafahana hahazo fanampiana tsy tapaka, na dia miasa fito andro ao anatin’ny fito andro aza ny ankamaroany, dia alamina ny hariva ireo fivoriana. Eo amin’ny roapolo eo amin’ny ara-keviny ny isan’ny mpanatrika lahateny ampahibemaso isan-kerinandro ary saika sahala amin’izany koa amin’ireo fivoriana hafa. Isan-kerinandro isan-kerinandro ireo rahalahy, na dia vitsy aza, dia manomana tsara ny famelabelarany nefa tsy mitaraina mihitsy. Oha-piaretana tsara re izany!

Tao anatin’izao 20 taona faramparany izao, dia ora maro be no natokana ho amin’ny fampielezana boky momba ny Baiboly an’aliny maro amin’ny teny Portiogay sy amin’ny teny sinoa. Na dia kely aza ny fandrosoana raha ny isa no jerena, ireo Vavolombelona vitsivitsy any Macao dia manohy amim-pahatokiana manome oha-piaretana tsara dia tsara. Tadidiany ao an-tsaina ireto teny nolazain’i Jehovah tamin’i Ezekiela fahiny ireto: “Ary holazainao aminy ihany ny teniko, na hihaino izy na tsy hihaino.” (Ezekiela 2:7). Izany tokoa no ataon’izy ireo, ary hanohy hanao izany izy ho voninahitr’i Jehovah.

[Sarintany, pejy 29]

(Jereo ny gazety)

CHINE

MACAO

TAÏWAN

PHILIPPINES

[Sarintany]

CHINE

MACAO

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara