Moa ve Andriamanitra mametra ny anjaranao?
BE DIA BE no mino mafy fa noferan’Andriamanitra mialoha ny ho anjaran’ny tsirairay avy. Afa-tsy izany koa, dia mino amim-pahatsorana izy ireo fa ny fiheverany dia miorina amin’ny Soratra masina.
Ho fanohanana an’io hevitra io, dia hisy hanonona ny amin’i Esao sy Jakoba. Mbola tao an-kibon-dreniny izy ireo raha nanambara toy izao ny aminy Andriamanitra: “Ny zokiny hanompo ny zandriny.” (Genesisy 25:23). Mitovitovy amin’izany koa, ny Mpamorona dia nahafantatra mialoha fa hanao asa lehibe ho azy Samsona, Jeremia sy Jaona Mpanao batisa (Mpitsara 13:3-5; Jeremia 1:5; Lioka 1: 13-17). Moa ve tsy tokony hotsoahina avy amin’izany fa ireo olona telo ireo dia voalahatra ho amin’ny famonjena mandrakizay?
Etsy andaniny koa, inona no holazaina ny amin’i Jodasy Iskariota? Taloha elan’ny nahaterahany, dia nisy faminaniana ao amin’ny Baiboly nanambara fa hisy hamadika ny Mesia (Salamo 41:9; 55:12, 13). Lazain’ireo Filazantsara mazava aza fa fantatr’i Jesosy Kristy “hatramin’ny voalohany” ny hoe iza no hanolotra azy. — Jaona 6:64.
Rehefa heverina amin’ireo hevitra vitsivitsy vao notsahivintsika, manao ahoana ny fiheveranao? Araka ny hevitrao, moa ve ny Baiboly mampianatra fa Andriamanitra dia nandahatra ny olona sasany ho amin’ny famonjena mandrakizay ary ny hafa ho amin’ny fanamelohana? Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, moa ve Andriamanitra nametra ny anjaranao?
Izay voafaoka amin’ny lahatra
Alohan’ny hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia aoka isika hieritreritra izay rehetra voalaza amin’ny fampianarana ny amin’ny lahatra. Raha niharihary fa marina izany, ny ho dikany dia hoe raha vao tamin’ny voalohany Andriamanitra dia efa nahita mialoha ny ho vokatry ny famoronana ny olombelona: Ny nahalavoan’i Adama sy Eva, ny ady, ny heloka bevava, ny filalaovan-dratsy, ny fampahoriana, ny lainga, ny fihatsarambelatsihy sy ny aretina. Tamin’ny filazana hoe: “Andeha Isika hamorona olona”, Andriamanitra àry dia ho ninia nandefa ny fitohizan-javatra hiseho tsy maintsy hiteraka izany loza rehetra izany (Genesisy 1:26). Ambonin’izany, tamin’ny fanolorana ny fiainana mandrakizay ho an’i Adama sy Eva, dia tsy ho nanao afa-tsy ny nandrebireby azy ireo izy. Afa-tsy izany koa, ny Baiboly dia ho nampanantena foana hevi-dravina antsika rehefa mandefa amintsika izao fanasana izao: “Izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” — Apokalypsy 22:17.
Manizingizina anefa ny Soratra masina fa Jehovah dia “be famindrampo sy fahamarinana”. (Eksodosy 34:6.) Tsy hanolo-javatra na ho an’iza na ho an’iza mihitsy izy raha fantany fa tsy afaka ny hahazo izany io. Manazava toy izao i Jesosy Kristy: “Iza moa aminareo, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato? (...) Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy?” (Matio 7:9-11). Afa-tsy izany koa, raha nolazain’Andriamanitra hatramin’ny ela be ny hoe iza no hahazo ny famonjena mandrakizay ary iza no ho ringana tanteraka, nahoana ny Baiboly no manazava fa “mahari-po [amintsika] Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra”? — II Petera 3:9.
Amin’izany, ny fampianarana ny amin’ny lahatra dia mifanohitra amin’izay ahariharin’ny Baiboly amintsika ny amin’Andriamanitra. Nefa, hoy angamba ianao manontany tena, raha feran’Andriamanitra ny fahalalany ny ho avy, moa ve tsy manohitra ny maha-tsitoha azy izany?’ Tsy izany velively. Ao amin’ny Titosy 1:2 dia vakintsika koa fa “tsy mahay mandainga” izy. Tsy mampiseho velively hoe tsy tsitoha izy, io fanambarana io fa manipika ny amin’ny fahamarinany.
Ny apostoly Paoly dia nanome izao torohevitra manaraka izao ho an’ireo kristiana izay nahazo ny fahaiza-maminany: “Ny fanahin’ny [fanomezan’ny fanahy ho an’ireo, MN] mpaminany dia manaiky hozakain’izy [hofehezin’ireo, MN] mpaminany. Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana.” (I Korintiana 14:32, 33). Tsy tokony hilaza hevitra na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ireo mpaminany resahina fa tokony hampita ny hafatra entiny amim-pilaminana. Amin’izany dia tsy maintsy mifehy tena izy ireo. Toy izany koa, tsy isalasalana fa ny Mpamorona dia afaka mampiasa amim-pifantenana ny fahalalany ny ho avy, ka tsy hampiasa izany raha tsy amim-pahalalana tanteraka. — Jereo Genesisy 22:1, 12.
Ny fahalalan’Andriamanitra ny ho avy
Efapolo taona monja taorian’ny nandaminana ny firenen’Isiraely, dia nanambara Andriamanitra fa hanapaka ny fanekena nifanaovany taminy izy. Teo dia tsy hoe tsy nisy antony akory ny fahalalan’Andriamanitra ny ho avy, satria ny firenen’Isiraely efa nampiseho ny tsy fanekeny tamin’ny fikomiana. Tena nolazain’i Jehovah tamin’izao teny izao tokoa ny antony nilazany ny faminaniany: “Fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ny tany izay nianianako homena azy izy.” (Deoteronomia 31:20, 21). Toy ny mpanorina mahay iray afaka milaza mialoha ny hirodanan’ny trano iray natsangana tamin’ny fitaovana tsy dia tsara, dia toy izany koa fa hitan’i Jehovah tsara ny lalana nidiran’ilay firenena. Tamin’ny isam-batan’olona kosa anefa ny Isiraelita dia nanana fahafahana hihaino ireo torohevitry ny mpaminanin’Andriamanitra ka handray soa avy amin’izany. Izany rahateo no nataon’ny sasany. — Jeremia 21:8, 9; Ezekiela 33:1-20.
Etsy andaniny koa, Jesosy Kristy dia nanameloka ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, filoha ara-pivavahana (Matio 23:15, 33). Izany anefa tsy milaza fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna rehetra tsy ankanavaka dia hiafara any amin’ny Gehena. Ny porofo dia hoe ny tenan’i Paoly mihitsy aza dia Fariseo be zotom-po talohan’ny nahatongavana ho apostoly. — Asan’ny apostoly 26:4, 5.
Na dia nolazalazain’Andriamanitra mialoha aza ny fihetsika harahin’ny olona sasany toa an’i Jakoba sy Esao, dia tsy nampihatra lahatra tamin’ireo izy na dia izany aza. Tamin’izany izy dia nianina tamin’ny fanondroana ilay anisan’ny antokom-pirenena avy amin’ireo lehilahy roa ireo izay hanapaka ny iray (Genesisy 25:23-26). Tsy misy na inona na inona kosa anefa mampiseho fa tamin’io toe-javatra io dia noferany ny anjaran’i Jakoba sy Esao. Tsara aloha ny milaza fa ny fihetsika manapaka sy ny toetran’ny zaza iray dia toa azo fantarina indrindra amin’ny foto-javatra nolovana. Mety ho nandinika ny fandovan’ireo olona ireo toetra avy tamin’ny ray aman-dreniny Jehovah talohan’ny nahaterahan’izy ireo mihitsy aza, mba hifidianana ilay tokony hiantefan’ny fahamboniana. — Jereo Salamo 139:14-16.
Nampiasa ny fahalalany ny ho avy tamin’ny fomba sahala amin’izany Jehovah tamin’i Samsona, Jeremia sy Jaona Mpanao batisa. Izany anefa tsy nanome antoka velively fa tsy hivadika hatramin’ny fahafatesany ireo lehilahy ireo. Raha ny marina, Andriamanitra dia nilaza mialoha koa fa ny anankiray tamin’ireo zanak’i Davida dia hatao hoe Solomona ary hampiasa azy io izy mba hanorina ny tempoly (I Tantara 22:9, 10). Izany anefa tsy nahasakana an’i Solomona tsy ho latsaka tao anatin’ny fivadiham-pinoana tao anatin’ny fahanterany. — I Mpanjaka 11:4, 9-13.
Ahoana ny amin’i Jodasy Iskariota? Moa ve ireo faminaniana tsy nanambara mazava fa anankiray amin’ireo mpianany no hamadika an’i Jesosy? Izany tokoa, nefa tsy nolazainy mazava hoe mpianatra iza izany. Afa-tsy izany koa, raha fantatr’i Jesosy fa hanjary mpamadika i Jodasy, dia ho ‘nandray anjara’ tamin’ny fahotany izy tamin’ny fanendrena azy ho apostoly (jereo I Timoty 5:22). Ho niray tetika tamin’izany fanaovan-javatra izany koa Andriamanitra, satria nivavaka mafy taminy Kristy talohan’ny nifidianana an’i Jodasy. — Lioka 6:12-16.
‘Fantatr’i Jehovah anefa ny fikasan’i Satana’ (Jereo II Korintiana 2:11). Tsaroany fa izy io dia efa nahay nanova ho mpamadika ny sakaiza tian’i Davida iray, dia Ahitofela. Taty aoriana, dia Satana, fa tsy Andriamanitra, no ‘nanome saina an’i Jodasy Iskariota, zanak’i Simona hamadika’ an’i Jesosy Kristy (Jaona 13:2; II Samoela 15:31). Nety ho afaka nanohitra ny fitaoman’i Jodasy, nefa navelany hanapaka azy ny fahotana. Nanomboka tamin’ny fotoana iray, dia azon’i Jesosy natao ny namaky mazavazava tao am-pony mba hilazana mialoha ny amin’ny hamadihany azy (Jaona 13:10, 11). Tamin’izany no nahalalany azy “hatramin’ny voalohany”, tsy hoe fony izy nifankahalala tamin’i Jodasy, fa raha vantany vao nanomboka nanao zavatra tamim-pitaka io. — Jaona 6:64.
Voatokana mialoha
Tsy mampiasa ny fahalalany ny ho avy araka ny kisendrasendra àry Andriamanitra, rehefa tiany ny hanao izany. Nanoratra izao manaraka izao ny apostoly Paoly ho an’ireo rahalahiny kristiana izay nohosoran’ny fanahy masina sahala aminy: “Notendrena rahateo isika araka ny fikasan’Izay [Jehovah] mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan’ny fony.” (Efesiana 1:11). Hatramin’ny nahatafalatsaka ny olombelona tao anatin’ny fahotana, dia noforonin’i Jehovah ny fikasana hanamarina ny anarany amin’ny alalan’ny Fanjakany. Mba hanaovana izany, dia nampiasainy indraindray ny fahaizany mahalala ny ho avy. Ohatra, nanapa-kevitra mialoha izy fa hisy kilasin’ny mpiray lova hiara-hanjaka amin’i Jesosy Kristy ao amin’ny Fanjakana. Anjaran’ny olona tsirairay avy voakasika anefa ny miseho ho mahatoky mba hahafahany ho anisan’izany. — II Petera 1:10, 11.
Ireo fampianarana madio omen’ny Baiboly ny amin’izany dia hanampy anao hanana fiheverana marina ny amin’ny ho avy. Tsia, tsy nametra ny anjaranao Andriamanitra. Mifanohitra lavitra amin’izany, dia anjaranao ny mampiasa ny safidy nomeny ny zavaboary nataony “tahaka ny endriny”. (Genesisy 1:27.) Eny, anjaranao ihany ny manao ny fisafidianana tsara sy ny manaiky amin’ny fo rehetra ny fiainana mandrakizay atolotr’i Jehovah anao. — Jaona 17:3.
[Sary, pejy 4]
Raha voaheloka mialoha tsy hahomby Adama sy Eva, dia fandrebirebena azy tamin-kalozana ny nanolorana azy ireo ny fiainana mandrakizay.
[Sary, pejy 5]
Oviana no fantatr’i Jesosy fa hanolotra azy i Jodasy?