Aoka isika hitana ny fitokisantsika manoloana ny herisetra
“Jehovah Tompo [Tompom-piandrianana, MN] no miteny, ka iza no tsy haminany?” — AMOSA 3:8.
1. a) Raha ny momba ny anaran’i Jehovah, tombontsoa lehibe inona no ananantsika? b) Ahoana no nankalazan’i Jesosy sy Paoly an’i Jehovah sy ny anarany?
“JEHOVAH TOMPO, [Tompom-piandrianana, MN]”. Endrey fa milazalaza tsara ilay Filoha tampony eo amin’izao rehetra izao ireo teny ireo! Na inona na inona lazain’ireo mpanaraka antokom-pinoana dia tombontsoa lehibe ny miantso sy mampahafantatra an’i Jehovah amin’ny anarany manokana, ny mitana fifandraisana akaiky aminy sy manambara ny fikasany. Nandritra ny fandalovany teto an-tany, Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra, dia nanonona ireto teny ireto: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko (...) hitory teny soa mahafaly [vaovao tsara, MN] amin’ny malahelo.” Rehefa nivavaka tamin’i Jehovah izy dia nilaza toy izao momba ireo mpianany: “Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.” Ny apostoly Paoly tetsy andanin’izany dia nanonona ireo mpaminany hebreo tamin’ireto teny ireto: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Tompo [Jehovah, MN] no hovonjena”. — Lioka 4:18; Jaona 17:26; Romana 10:13; Joela 2:32.
2. a) Ahoana no nanandratan’i Amosa an’i Jehovah? b) Mifandray amin’ny hevitry ny anarany, karazana asa nanahirana inona no azony?
2 Anankiray amin’ireny mpaminany tamin’ny andro Fahizay ireny Amosa. Nankalaza ny anaran’i Jehovah koa izy, satria ny fitenenana hoe “Jehovah Tompo [Tompom-piandrianana, MN]” dia hita in-21 ao amin’ny boky ao amin’ny Baiboly nosoratany. Ny anarana hoe Amosa dia midika hoe “mpitondra entana”. Marina tokoa fa io mpaminany io dia nanana andraikitra navesatra teo an-tsorony. Toy izany koa no izy, amin’izao androntsika izao, ny amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah mahatoky. Amosa, tetsy andaniny dia mpiompy ondry sady mpamboly hazo fihinam-boa, ary toa tsy nanaraka fianarana manokana izy mba hahatongavana ho mpaminany. Kanefa ny zavatra rehetra dia milaza fa nahafantatra tsara ny Tenin’Andriamanitra izy; ary ambonin’ny zava-drehetra, ny fanahin’i Jehovah dia tao aminy mba hanampy azy hiantsoroka ny andraikitra sarotra napetraka taminy. Nefa raha ny marina, inona moa no nahaforona io andraikitra io? Nandeha nitarika azy handao an’i Joda, tany nahaterahany, sy handeha ho toy ny misionera any amin’ny fanjakana Avaratra izay voaforon’ny foko folon’Isiraely nivadika nifidy an’i Samaria ho renivohitra. Tany izy dia tsy maintsy nanambara hafatra fanamelohana tsy tiam-bahoaka aoka izany.
3. “Zavatra” inona no nampisehoan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Amosa?
3 Moa ve Amosa nanda teo anatrehan’io asa nanirahana io? Tsia, na dia fotoana kely aza. Efa niaina tamin’ny fotoan’ny herisetra izy, nefa ireo mpiara-belona taminy dia tsy maintsy nampahafantarina fa nanakaiky ny “andro” mbola “mampahory” kokoa. Hatramin’izay tokoa ny fiainan’izy ireo dia nihodinkodina teo amin’ny fihinanana sy ny fisotroana. Raha nitsilailay teo amin’ny farafara ivoriny sy ny fandriandriany mirenty izy ireo dia tsy nihevitra kely akory an’i Jehovah sy ny fanompoam-pivavahana marina (Amosa 6:3-6). Nanapa-kevitra ny hanafay azy ireo Andriamanitra, nefa nilainy ny ahazoan’izy ireo fampiomanana ara-paminaniana araka izay hazavainy raha niteny hoe: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo [Tompom-piandrianana, MN], raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” — Amosa 3:7.
Fampiharana amin’izao andro izao
4. a) Nahoana no narovana ireo faminaniana tamin’ny andro Fahizay? b) Amin’ny alalan’iza no mety ahafantarana ny heviny amin’izao androntsika izao?
4 Moa ve io faminaniana fahiny io mifono heviny amin’izao taonjato misy antsika izao? Ny tena izy dia mirakitra hafatra mahery miantefa amintsika izy io. Ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry dia natambatra teo ambany fitarihan’Andriamanitra ary narovana mandra-pihavin’ny “andro farany” ho tombontsoan’ireo mpanompon’i Jehovah izay “niharan’ny faran’izao tontolo [fandehan-javatra, MN] izao”. Ny heviny ara-paminaniana dia naseho antsika tamin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sady malina”, ilay fitambarana kristiana voahosotra ampiasain’ny Tompo, Jesosy Kristy, ankehitriny mba hanome ny “hanina” ara-panahy amin’ny fotoana” ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra rehetra. — Daniela 12:4; I Korintiana 10:11; Matio 24:45-47.
5. Ahoana no tokony ho fihetsitsika amin’ny fanambaran’i Jehovah voatantara ao amin’ny Amosa 3:8?
5 Moa ve isika mihevitra ny ‘hevitra’ izay atolotry ny faminanian’i Amosa antsika halana sarona ho toy ny foto-kevitra ambinambiny izay raha lazaina amin’ny teny hafa dia karakaraintsika rehefa tsy manan-katao? Raha ohatra isika irery any ambanivohitra be, any Afrika ohatra, ka tampotampoka teo injay fa manapaka ny fahanginana ny fieron’ny liona iray, inona no hataontsika? Tsy hanao zavatra avy hatrany ve isika? Amin’ny toe-javatra toy izany izay hahatandindomin-doza ny aintsika dia tsy hanary fotoana marimarina isika. Noho izany, moa ve isika tsy tokony haneho fihetsika sahala amin’izany amin’ny fanambarana ara-paminanian’i Jehovah? Ny tenan’ny Mpamorona mihitsy no mampiseho izany amintsika amin’ireto teny ireto: “Ny liona no mierona, ka iza no tsy hahatahotra? Jehovah Tompo [Tompom-piandrianana, MN] no miteny, ka iza no tsy haminany?” (Amosa 3: 8). Ilaina àry ny hanambarantsika ireo faminaniana sy ny heviny amin’ireo mpiara-belona amintsika. Nefa amin’ny fomba ahoana?
“Mandehana, ka maminania”
6. Amin’ny ahoana ny fivavahana lazaina fa kristiana no mitovy amin’i Samaria fahizay?
6 Nandidy an’i Amosa i Jehovah hoe: “Mandehana, ka maminania amin’ny Isiraely oloko.” (Amosa 7:15). Ny fanjakan’Isiraely nivadika dia mahita ankehitriny ny tarazony ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, manan-java-kendrena fatra-pitia ny zavatra hita maso, izay tsy velona raha tsy noho ny herisetra sy ny fandrahonan’ny herisetra ary mankahala an’i Jehovah Tompom-piandrianana sy ny anarany. Ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy manana marina kristiana afa-tsy ny anarana, satria manohitra ny fahatongavan’ilay Fanjakan’i Kristy ara-drariny. Ankoatr’izany, ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza ireo anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana ho “mpanao meloka”. — Matio 7:21-23.
7, 8. a) Ahoana no ‘nanambarana’ arakaraka ny fandehan’ny taona ny fandrahonana mitambesatra amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana? b) Inona no mahaforona ny “fahafahana” izay notoriana tamin’ireo “babo”? Inona no vokatr’io asa io?
7 Hatramin’ny 1914, daty niorenan’ilay Fanjakana tany an-danitra, ny Vavolombelon’i Jehovah mahaforona ny setrin’i Amosa amin’ny andro ankehitriny dia manambara ny andro famalian’Andriamanitra amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana manontolo. Nanomboka teo amin’ny 1919 ka hatramin’ny 1939 indrindra dia nitory fampiomanana amin’ny antsipiriany any amin’ireo firenena mahaforona azy izy ireo ary nanohy nanao izany mandraka ankehitriny. Ho an’ireo Vavolombelon’i Jehovah, ireo taonan’ny Ady Lehibe Faharoa, dia ny 1939 ka hatramin’ny 1945, dia voamariky ny fanenjehana nefa koa ny fandaminana indray. Tamin’ny 1943, Gileada, ilay Sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, dia nanomboka nampiofana misionera voantso hanompo any an-tany hafa, hany ka tamin’ny faran’ilay ady dia nandefa izany nisesy isaky ny tany izy mba hanitatra ny fanambarana natao ho an’ilay Fanjakana. Ny asa notanterahina tao amin’ny faritanin’ny fivavahana lazaina fa kristiana àry dia nitatra, indrindra tany Italia, Portiogaly, Espaina ary nanerana an’i Amerika latina manontolo.
8 “Mandehana, ka maminania”. Nalefa ny antso. Ho valin’izany dia nisy fianakaviana be fandavan-tena nandao an’i Kanada, Etazonia, Aostralia, Grande-Bretagne ary tany hafa tany Eoropa mba hanaraka ireo misionera voatendry any amin’ny faritany vaovao izay nilana mpitory be dia be. Tamim-pitokisana dia ‘nanambara’ ny tenin’ilay “Jehovah Tompo [Tompom-piandrianana, MN] izy rehetra. Ny fanahin’Andriamanitra dia nanampy ireny Vavolombelona ireny hanambara amin’izao tontolo izao manontolo “ny andro famaliana” izay tsy maintsy hamely ny fivavahana lazaina fa kristiana sy “hitory fanafahana amin’ny babo” tany amin’ireo fivavahan-diso (Isaia 61:1, 2; Zakaria 4:6). Tao anatin’ny 40 taona monja dia nahitana vokatra mahatalanjona ny isan’ny Vavolombelona mitory ilay Fanjakana. Marina tokoa fa ny ara-keviny isam-bolana 109 794 tamin’ny 1943 dia lasa 2 501 722 tamin’ny 1983.
Hafatra iray manerana izao rehetra izao
9, 10. a) Nanao ahoana ny fitaran’ny fanambarana tamin’ny andron’i Amosa? Manao ahoana izany ankehitriny? b) Tahaka izay azon’ny faminanian’i Amosa navela ho hampoizina, ahoana no fiheveran’ireo firenena lazaina fa mpanompo sampy ny fivavahana lazaina fa kristiana?
9 Izany ka mampahatsiahy antsika ny andron’i Amosa, izay tsy maintsy nandrenesana ihany koa ny hafatra fanamelohana tany Asdoda, foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny sampy tany Filistia, tsy lavitra an’Isiraely, ary hatrany Egypta mihitsy aza. Marina tokoa fa Jehovah Tompom-piandrianana dia nanome ity baiko ity: “Ambarao ao an-tranoben’i Asdoda sy ao an-tranobe any amin’ny tany Egypta, ka ataovy hoe: ‘Miangona any an-tendrombohitr’i Samaria hianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny. Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.” — Amosa 3:9, 10.
10 Toy izany koa ny fanambarana ny famalian’i Jehovah hamely ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nanakoako nihoatra lavitra ny fetran’io farany io: any Afrika, any amin’ireo nosy sy faritra samihafa any Atsinanana. Marihana fa ny Baiboly dia manao an’i Egypta ho sarin’izao tontolo izao ratsy sy mankahala an’Andriamanitra amin’ny fitambarany. Takatra àry ny nitondrana ny hafatra fanamelohana mamely ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny toerana rehetra (jereo Isaia 19:19, 20). Firenena maro lazaina fa mpanompo sampy no vavolombelon’ny ‘tabataba, ny fampahoriana, ny tsy fahamarinana, ny fandozana sy ny roban’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Nandritra ireo taonjato, dia nanana fahafahana izy ireo nahita ireo misionerany nandray anjara, tamin’ny ady sy ny fikomiana ara-poto-kevitra na natao fanakonana ny varotra iraisam-pirenena ny fitaovam-piadiana sy zavatra mahankona. Ankehitriny, rehefa misy misioneran’ny Fikambanana Watch Tower miresaka amin’ny bodista iray, dia tsy mahalana no hanaovan’izy io ity fanoherana manaraka ity: ‘Jereo àry ny fitondrantenan’ireo kristiana. Izahay bodista dia mitondra tena tsara kokoa injato noho izy ireo, koa nahoana ianao no maniry ny hiovanay?’ Amin’izay ilay misionera dia voatery milaza marina sy mazava fa ny fivavahana arahin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy mitovy velively amin’ny kristianisma voalazalaza ao amin’ny Soratra masina. Amin’io fepetra tokana io no mety ahitana sofina mihaino.
11. Mahatonga antsika hihevitra ny amin’ny tarehin-javatra ankehitriny inona moa ny faharatsiam-pitondrantena nanjaka tany Samaria?
11 Toy ny tamin’i Samaria fahizay, ireo mpanao politika sy olo-manan-kaja, lehibe sy kely, dia “tsy mahalala hanao ny marina”. Ambonin’izany, any amin’ny tany maro lazaina fa kristiana, ny herisetra sy ny tsy firaharahan-dalàna dia manjaka sy manapaka (Matio 24:3, 12), ka izany dia mifanohitra amin’ny toe-piainana milamina miavaka any amin’ny tany maro ‘tsy kristiana”.
12. Amin’ny heviny ahoana ny fivavahana lazaina fa kristiana no nanangana “fandozana sy roba”?
12 Ankoatr’izany, ny “fandozana” sy ny “roba” dia kotrehina amin’ny fomba manala baraka amin’ny ambaratonga iraisam-pirenena. Tsy faly fotsiny ho niandohan’ireo ady roa lehibe izay nanavesarany ny fieritreretany tamin’ny fandripahana olona 69 tapitrisa ny fivavahana lazaina fa kristiana fa mandray anjara amim-paharisihana amin’ny ady ifanaovan’ireo herim-panjakana tampony, ny “mpanjakan’ny atsimo” sy ny “mpanjakan’ny avaratra”, hany ka ireo firenena izay mahaforona azy ankehitriny dia manaiky ny fampitomboana fitaovam-piadiana noklehera mahatsiravina ao amin’ny taniny.
13. Amin’ny ahoana ireo mpiandany amin’ny herisetra no mahatanteraka ny faminaniana voarakitra ao amin’ny Daniela 11:40 sy ao amin’ny Lioka 21:25?
13 Nandritra ny fitsidihana iray tany Japana, ny mpitondra tenin’ny “mpanjakan’ny atsimo” lehibe indrindra dia nanambara hoe: “Ny hany antony ananana fiadiana noklehera dia ny manao izay ahazoana antoka fa tsy hampiasa izany na oviana na oviana.” Araka izany, nahoana ireo firenena no mifikitra aoka izany amin’ny tahirim-piadiany? Satria fotsiny Satana, ilay andriamanitr’izao tontolo izao, dia nanidy azy ireo tao amin’ny toe-draharaha nahasanganehana tsy azon’izy ireo ialana. Ho valin’ny ‘fanotoan’ny “mpanjakan’ny atsimo”, ilay solontena voalohan’ny “mpanjakan’ny avaratra” dia nanambara fa hisy “missiles” noklehera mahalasa antonontonony “hapetraka ao anaty oseana sy ranomasina” ary hatodika manandrify ny kontinanta amerikana. Izany rehetra izany dia mandray anjara amin’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy mifandray amin’ny fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany”. — Daniela 11:40; Lioka 21:25; Apokalypsy 12:9, 12.
14. Amin’ny ahoana ny tarehin-javatra ankehitriny sy ny fiafarany no mampahatsiahy antsika ny andron’i Noa?
14 Ny taranak’olombelona dia tsy mbola nahita roba sy fandrahonan’ny fitomboan’ny herisetra toy izany hatramin’ny andron’i Noa. Ny filazana ara-tantara momba izany fe-potoana izany dia mampahafantatra antsika izao manaraka izao: “Hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro (...). Ary simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza.” Noho ny hasomparany sy ny herisetrany, Jehovah dia ‘nanimba’ ireo ratsy fanahy tamin’ny safodrano. Ankehitriny dia mikasa indray ‘hanimba izay manimba ny tany’ izy. — Genesisy 6:5-13; Apokalypsy 11:18; Lioka 17:26, 27.
Ny famaboan’ny fivavahana lazaina fa kristiana
15. Tamin’ny alalan’ny “fahavalo” inona no nampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany tamin’i Samaria?
15 Hitondra ho amin’inona ny fifandonan’ireo herim-panjakana tampony? Afaka mampahafantatra antsika izany Jehovah. Izao no vakintsika ao amin’ny Amosa 3:11: “Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo [Tompom-piandrianana, MN]: he, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.” Iza moa ilay “fahavalo” resahina? Tamin’ny andron’i Amosa, izany dia ny Herim-panjakana naneran-tany asyriana. Nampiasa tokoa ny tafika mahatahotr’i Asyria i Jehovah ho toy ny “tehina” mba hampiharana ny didim-pitsarany tamin’ilay Samaria tanàna mpivadika. Manazava izany araka izao izy ao amin’ny Isaia 10:5, 6: “Endrey! ry Asyria tsorakazon’ny fahatezerako ô, eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako! Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan’ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny andalambe.”
16. a) Fifandonana inona mitovy amin’izany amin’ny androntsika no voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 17? b)Zava-baovao inona no manondro fa akaiky ny faharavan’ny fivavahana lazaina fa kristiana?
16 Amin’izao androntsika izao, Jehovah dia hampiasa koa “Asyriana” anankiray mirongo fiadiana. Hanao azy ho ‘tehiny sy ‘famakiny’ izy amin’ny fitarihana azy handringana ny fivavahana lazaina fa kristiana mpivadika. Ambonin’izany, Babylona Lehibe, ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso manontolo dia holevonin’ny “tandroka” mahery setra, ireo hery ara-politika ampy fiadiana izay efa miisa sahady ho anisan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny O.N.U. (Isaia 10:15; Apokalypsy 17:5, 16, 17). Ireo famantarana mpialoha-lalana io fisehoan-javatra antomotra io dia miha-miharihary hatrany eo amin’ny vaovao. Ohatra, izao no azo novakina tsy ela tao amin’ny revio amerikana anankiray (U.S. News & World Report): “Tsy hoe any Polonia fotsiny ny katolisisma sy ny kaominisma no toa miroso ho amin’ny fifandonana. Manerana an’i Eoropa Atsinanana manontolo, ny fifandraisan’ny Eglizy sy ny fitondrana kaominista dia miha-henjana hatrany foana hatramin’ny 1978, taona nahatongavan’ny Poloney iray ho papa Jean-Paul faha-2. Ahatsapana fanoherana nihavao miharihary ao amin’ireo eveka katolika ao amin’ny antoko sovietika (...). Tamin’ny fanaovana ny tenany ho mpiaro tanteraka ny fiandaniana katolika dia nanampy fankahalana ny papa (...). Ireo fitondram-panjakana kaominista dia tsy manafina ny tsy fahatokisany ny papa”.
17. Inona no ampahafantarin’ny bokin’i Amosa sy faminaniana hafa ao amin’ny Baiboly antsika ny amin’ny famaboan’ny fivavahan-diso?
17 Azontsika atao àry ny hanampo hahita ny fahatanterahan’ireto tenin’i Jehovah ireto manontolo voarakitra ao amin’ny Amosa 3:15 hoe: “Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah”. Ireo harena nangonin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia ho fongana, ary koa ny an’ireo fivavahan-diso rehetra. — Ezekiela 7:19; Apokalypsy 18:15-17.
18. a) Inona no ho sahin’ilay “Asyriana” atao rehefa avy eo? b) Ho famantarana ny amin’ny inona io famelezana io? Inona no ho vokatr’izany amin’ireo mpanompon’i Jehovah?
18 Moa ve io fandringanana io hitarika avy hatrany ny fanafahana ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky? Hifarana ve ho azy ireo ny fanalam-baraka, ny fanenjehana ary ny fampahoriana amelezan’izao tontolo izaon’i Satana azy ireo? Tsy mbola izany. Marina tokoa fa ilay “Asyriana” nanao politika tafahoatra, ilay “tehina” na “famaky” izay ho hampiasain’Andriamanitra mba hanatanterahana ny didim-pitsarany tamin’ny fivavahana lazaina fa kristiana mpivadika, dia ho sahy ‘hiavonavona’ amin’i Jehovah amin’ny famelezana ireo Vavolombelona manompo azy amim-pahatokiana eto an-tany. Nefa tsy hitondra na inona na inona izany (Isaia 10:15-19). Araka izany porofoin’ny fahitan’ny apostoly Jaona, ireo “mpanjaka amin’izao tontolo izao”, izany hoe ireo hery ara-politika mahaforona ny O.N.U. (ilay “bibidia”) dia hiangona mba hiady amin’ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo” nomen’Andriamanitra seza fiandrianana. Io fihetsiketsehana io no ho famantarana an’i Hara-Magedona, “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, izay hanafoana ny fitambaran’ireo herin’i Satana eto an-tany ary hitondra famonjena ho an’izay “rehetra miantso ny anaran’ny Tompo, [Jehovah, MN]”. — Apokalypsy 16:14, 16; 19:11, 16, 19-21; Romana 10:13.
19. Nahoana ny ohatr’i Amosa sy ny fahatanterahan’ny faminaniany tamin’i Samaria no tokony hitondra fitokisana ho antsika?
19 Inona no fihetsikao manoloana ny herisetra? Antenainay fa hiatrika izany amim-pitokisana tanteraka ianao, noho ny finoana mafy fa Jehovah dia hanamarina ny Teniny ara-paminaniana, ary mitovy fanapahan-kevitra amin’i Amosa, dia ilay lehilahy nitory hafatra fanamelohana tsy tiam-bahoaka tamin’ny firenena iray nivadika. Nefa ahoana no hahatafitanao velona amin’ireo fisehoan-javatra amin’ny ho avy sy hahitanao ny fandaharan-javatra vaovao kanto izay omanin’i Jehovah Tompom-piandrianana ho an’ireo tia azy? Hamaly io fanontaniana io ny lahatsoratra manaraka.
Fanontaniana vitsivitsy ho famerenana
◻ Amin’ny ahoana i Amosa no ohatra tsara ho antsika izay miaina amin’ny andron’ny herisetra?
◻ ‘Hevitra inona no ananantsika tombontsoa ‘ambara’?
◻ Amin’ny ahoana ny fivavahana lazaina fa kristiana no mitovy amin’i Samaria fahizay?
◻ Ahoana no hiafaran’izao andron’ny herisetra izao? Inona no manondro fa tsy maintsy hitranga tsy ho ela izany?
[Sary, pejy 8]
Jehovah Tompom-piandrianana dia nandefa an’i Amosa, mpiandry ondry, mba hanambarany hafatra iray tsy tiam-bahoaka.