Vonona ny hanampy anao izy ireo
Mananatra anareo izahay, ry rahalahy (...) omeo toky ny malemy saina [ny fanahy ketraka, MN] (Araka ny asehon’ireo tenin’ny apostoly Paoly nataony ho an’ireo kristiana tany Tesalonika, dia amin’ny alalan’ny kongregasiona indrindra no hahazoan’ireo kivy ny fanampian’Andriamanitra. Eny, izay rehetra kristiana mahatsiaro tena ho trotraka noho ny fientanam-po mahery vaika dia mety hahita fampiononana sy famonjena eo anilan’ireo rahalahy ao amin’i Kristy.
Jakoba mpianatra dia nanoro hevitra ireo mpamaky azy hitodika any amin’ireo loholona voatendry ao amin’ny kongregasiona amin’ny tarehin-javatra sahala amin’izany. Nanoratra izy hoe: “Misy marary va eo aminareo? “Aoka izy hampaka ny loholon’ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo [Jehovah, MN]. Hanangana azy.” — Jakoba 5:14, 15.
Nefa mety hisalasala ny hiresaka amin’ireo loholona ny olona iray. Ny vehivavy iray izay nahita fahasahiranana mafy dia tsy naniry ny hanao izany. Nahoana? “Tao anatiko lalina tao, hoy ny fiaikeny dia nihevitra aho fa tsy hahatakatra ny hevitro ireo loholona ary hanombana fa izaho ihany no ho tompon’andraikitra amin’izany.” Kanefa rehefa nipoaka ny tarehin-javatra tena sarotra tao an-tokantranony, dia nanapa-kevitra ny hamboraka amin’izy ireo ny tao am-pony izy. Izao no zavatra tsapany: “Marina aloha fa tsy tanteraka ny loholona. Nefa na manao ahoana na manao ahoana dia nahatakatra ny nanjo ahy tsara izy ireo.”
Tadidio anefa fa ny apostoly Paoly dia namporisika ny kongregasiona manontolo ‘hampionona ny fanahy ketraka’. Marina fa vonona hanolotra ny fanampiany ireo loholona. Nefa ireo izay kivy dia afaka miresaka amin’ny kristiana matotra hafa koa izay mifankahazo tsara aminy. Araka izany, ireo tanora dia hifidy matetika ny hanokatra ny fony amin’ireo ray aman-dreniny. Ireo vehivavy angamba dia ho tia kokoa ny hamboraka ny ao am-pony miaraka amin’ireo rahavavy manana fanandraman-javatra bebe kokoa, dia ireo afaka ‘mampianatra ny zavatra tsara’. (Titosy 2:3.) Ny ilaina dia ny HAMBORAHANA NY AO AM-PO AMIN’OLONA.
Nefa inona no hataonao raha misy olona ketraka tonga mitady famonjena aminao, na koa ianao manolo-tena voalohany hanampy azy? Misy fitsipika tandremana tsy tokony hohadinoinao.
Fampiononana sy fangoraham-po
Alohan’ny zavatra rehetra dia tandremo ny tsy hanao fitsarana haingan-doatra ny amin’ny ara-panahin’ireo olona ketraka. Nosoritan’i Paoly tokoa fa fampiononana indrindra no ilain’izy ireo. Noho izany dia ho tsara raha toa isika haneho amin’izy ireny ireo toetra izay notanisainy tamin’ireto teny ireto ao amin’ny taratasiny ho an’ny Filipiana: “Koa raha misy famporisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy ao amin’ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana, dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana”. (Filipiana 2:1, 2). Ny fampaherezana, ny fiarahana ory, ny fampiononana, ny fifankatiavana, ny fisehoana ho sakaiza sy ny fangoraham-po dia samy fanafody ambony indrindra ho an’ny olona iray ketraka.
Ny apostoly Petera dia manampy amin’io lisitra io toetra tsara iray sarobidy tokoa. Nanambara izy hoe: “Miraisa saina hianareo, ka miaraha ory [mipetraha eo amin’ny toeran’ny hafa, MN], mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo.” (I Petera 3:8). Na iza na iza mahay ‘mipetraka eo amin’ny toeran’olon-kafa’, mahazo ny fitokisan’ny olona iresahany ary miresaka amin’ny fomba mampionona dia manana ny fahafahana lehibe indrindra mba hanampiana ireo fanahy ketraka.
Ny fahaketrahana mafy
Inona ary ankehitriny no atao raha voan’ny fahaketrahana mafy ny mpikambana iray ao amin’ny kongregasiona? Aoka atao hoe mahatsiaro tena ho tsy mendrika indrindra izy, meloka ary mamoifo, ka tsy misy na inona na inona na olona toa ho afaka hampionona azy. Amin’izay dia tokony ho toroana hevitra izy handeha hanantona mpitsabo, satria ny fahaketrahana toy izany dia matetika avy amin’ny antony ara-batana.a Kanefa na inona na inona fomba fitsaboana arahiny, ny kongregasiona dia manana anjara asa hatao foana.
Ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona dia tokony hifady ny hanakiana ilay olona ketraka, alohan’ny zavatra rehetra, ary hampirisika azy “hihetsika” na “tsy hanaiky ho resy”. Ny lehilahy iray dia niaiky fa raha teo ambany fahefan’ny toe-javatra nahaketraka indraindray ny vadiny ka nihevitra ny hamono tena, dia satria amin’ny ampahany tsy ampy fahatakarana azy ny tenany sy ireo hafa.
Ny sasantsasany dia nihevitra fa tsara ny hiresahana amin’ireo olona ketraka zavatra izay ninoany mafy fahiny, nefa hitany ho sarotra inoana ankehitriny noho ny fikorontanana ara-tsaina avy amin’ny manjo azy ireo. Resaho amin’izy ireo Jehovah, “Rain’ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra”. (II Korintiana 1:3.) Ampahatsiahivo azy ireo fa vonona ny hamela dia “hamela heloka tokoa” izy. (Isaia 55:7.) Tariho ny sain’izy ireo ho amin’ny fahatsaran-tarehin’ny zavatra noforoniny, ary ampio izy ireny hahatsiaro ireo asan’Andriamanitra rehetra azony nankamamiana tamin’ny lasa. Tsahivo ny fifankatiavana mampiray ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona ary nahitany fifaliana aoka izany fahiny. Ampiharihario ny fitiavana ananan’izy ireo ho an’ny fianakaviany ary lazao aminy hoe toy inona no haben’ny tsy fahafoizan’ireo havany azy ireny. Ataovy izay hahazoan’izy ireny antoka fa na dia tsy hety aza ny hahatakaranao tanteraka izay tsapany, ny fanandraman-javatra hitan’ny olon-kafa dia manaporofo fa ho sitrana izy ireo. Aoka ianao ho vonona hihaino izay rehetra holazainy anao amin’ny “famindram-po sy fiantrana”, na dia mitarika azy ireo hanao fanjohian-kevitra tsy dia mifandray loatra aza ny alahelony.
Raha manisy fitenenana ny amin’ny famonoan-tena ilay marary, dia raiso amim-piheverana izany. Ary na dia tsy miresaka izany aza izy, nefa ianao manana antony hiheverana fa misaina izany izy, dia aza matahotra miresaka voalohany aminy ilay raharaha ny tenanao. Ohatra, ho tianao angamba ny hilaza hoe: “Fantatro fa ory tokoa ianao amin’izao fotoana izao, tsy isalasalana fa mihoatra izay mety hoheveriko. Jereonao ange, rehefa mandalo fisedrana toy ny anao ny olona iray, dia miteny anakampo izy indraindray hoe ny tsara indrindra dia ny mamarana ny zavatra rehetra indray mandeha tsy miverina. Efa nieritreritra izany ve ianao?” Raha izany no izy, ny fanontanianao dia hanosika azy hiresaka amim-pahatsorana, ka izany dia hanamaivana azy amin’ny fahatsiarovan-tena ho meloka izay miaraka amin’ireny hevitra manjombona ireny.
Rehefa ‘ratsy fandeha ny milina’
Ny mpitsabo iray izay manompo amin’ny maha loholona ao amin’ny kongregasiona kristiana dia nanambara hoe: “Mandray ny ohatra ny amin’ny milina fanisana aho indraindray. Rehefa lany ny “piles”, na inona na inona asa marika apetraka, dia tsy hahazo valiny marina na oviana na oviana. Mitovy amin’izany ihany koa, dia lazaiko matetika amin’izay voan’ny fahaketrahana mafy fa lany vetivety foana ny “piles” ao aminy. Amin’izay dia tsy maintsy hanan-kevitra hafahafa izy ary hanatsoaka hevitra hafahafa koa. Nefa tsy haharitra velively afa tsy amin’ny fotoan’ny ‘fahasimbana’ izany. Raha vao mitsahatra ny fikorontanana dia hihatsara ny zavatra.”
Nanampy io mpitsabo io hoe: “Rehefa ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany ny olona iray, dia tsy izay lazaintsika foana akory no zava-dehibe. Ny ilaina dia ny manao zavatra araka izay tsara farany azontsika atao mba hiaraha-miory aminy. Ireo loholona dia ho afaka hangataka amin’ny olona iray manana fanandraman-javatra betsaka mba haka fotoana hiresahana aminy, na hihainoana azy fotsiny. Tsapako imbetsaka tokoa fa ny vehivavy kristiana iray be taona nandalo fahaketrahana mafy koa dia tsara toerana kokoa noho ny hafa mba hanampiana olona ketraka iray. Ho ampy azy angamba ny hipetraka eo anilan’ilay marary, hametraka ny tanany eo an-tsorony ary hilaza aminy hoe: ‘Fantatro izay tsapanao.’ ”
Mety hisy ny fanasitranana
Marina fa izay vesaran’ny fihetseham-po manimba dia tsy isalasalana fa mihevitra hoe ilainy ny hanao fiezahana mihoatra izay ho vitan’olombelona mba handresena izany. Kanefa ny olona iray ketraka dia mazana tsy maniry velively hanao fiezahana kely akory. Nefa na manao ahoana na manao ahoana anton-javatra, dia tsy ny fanafody tsara indrindra marina tokoa akory ny famonoan-tena. Ny vehivavy iray izay nandritra ny fahaketrahana naharitra ela, dia tsy nazoto homana sy tsy nahita tory, nahatsiaro tena ho tsy nisy hery, taitaitra, henjana ary naniry fahafatesana dia nanoratra ho anay izao manaraka izao: “Mahereza. Tsy mampaninona izay fotoana ijalianao sy ny endriky ny zava-manahirana anao, Jehovah dia sady manana fahafahana no manana faniriana hanampy anao. Izaho no porofo velona amin’izany.” — Filipiana 4:13.
Mbola misy zavatra farany azontsika rehetra atao mba hanohanana ireo fanahy ketraka. Miankina amintsika tokoa ny fivavahana ho azy ireo amin’ny fanarahana ny faniriana voalazan’ny apostoly Paoly tamin’ireto teny ireto: “Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra.” — II Tesaloniana 2:16, 17.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hahita feno kokoa ireo antony sy fomba fitsaboana ny fahaketrahana ianao ao amin’ireo lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Vos armes contre la dépression” (Ireo fiadianao amin’ny fahaketrahana) sy “Traitements médicaux contre la dépression grave” (Fomba fitsaboana ny fahaketrahana mafy) nivoaka tao amin’ny Réveillez-vous! (Araka ny filaharany tao amin’ireo nomerao tamin’ny 8 Desambra 1981 sy ny 22 Janoary 1982). Ankoatr’izany dia fanoloran-kevitra hafa momba ny fanampiana entina ho an’ireo olona ketraka no naseho tao amin’ireo lahatsoratra hoe : “Omeo toky ny fanahy ketraka” (Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Oktobra 1982) sy “lela nozarina hahay hampahatanjaka ny reraka’ ” (Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Desambra 1982.)
[Efajoro, pejy 10]
Mihevitra ny hamono tena ve ny anankiray amin’ireo olom-pantatrao?
Izany dia fanombanana tsy tokony hailika haingan-doatra raha iharam-pahavoazana noho ny fahaketrahana mafy ilay olona voalaza ary mampiseho ny sasantsasany amin’ireto famantarana aretina manaraka ireto:
● Ny teniny na ny eritreriny dia mihodinkodina amin’ny famonoan-tena
● Ny tsy fahampian’ny fahalianana ho amin’ny fiainana, ny fianakaviana sy ireo namany
● Tsy fahitan-torimaso
● Fahalain-komana
● Tsy firaikana amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy
● Fahatoniana tampoka ao aorian’ny fifandirana mahery vaika
● Mandamina ny entany izy, miova fomba fiaina na manao tsirambina ny fitafiany
● Fahaketrahana vokatry ny fahafatesana na famonoan-tenan’ny havana na namana iray
● Aretina ara-batana mafy
● Fahakiviana mifamatotra amin’ny fandroahana mpiasa na fisarahana amin’ny fianakaviana
Araka ny lisitra nivoaka tao amin’ny revio “Medical Tribune”.