Tsy mampijaly ny fanahy akory Andriamanitra
Efa hatramin’ny ela no anizingizinan’ny fivavahana fa ampijalina ao anatin’ny afobe mirehitra ny fanahin’ny ratsy fanahy. Tsy izany anefa no ampianarin’ny Baiboly.
Fantaro ny atao hoe afobe sy izay lazain’ny Baiboly momba ny toetry ny maty. Vakio ireo toko hoe “Inona no mitranga amintsika rehefa maty isika?” sy ny hoe “Tsy mampijaly ny fanahy Andriamanitra” ao amin’ilay boky mifono baoritra 192 pejy mitondra ny anarana hoe Vaovao tsara hahatonga anao ho sambatra.
Avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana eto ambany.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ny boky Vaovao tsara hahatonga anao ho sambatra.