FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/12 p. 11
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mijinja izay nafafiny izy ireo
  • “Jirika masina”
  • Azo Ekena Ihany ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?
    Mifohaza!—2012
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?
    Mifohaza!—2016
  • Ny SIDA — Mety Hiharan’io Loza Io ve Aho?
    Mifohaza!—1994
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/12 p. 11

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Mijinja izay nafafiny izy ireo

Ny fitantarana tao amin’ny New York Times Magazine dia mampiseho fa ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy marisika amin’izany dia mety ho voan’ny karazana aretina maro be: tety, angatra, ‘herpès génital’, karazana aretin’aty (hépatite), ‘amibiase’ (anankiray amin’ireo aretina miely indrindra antsoin’ny mpitsabo amin’ny anarana ankapobeny hoe ‘syndrome de l’intestin des homosexuels’) ary aretina ateraky ny bobongolo sy ny ‘protozoaires’ izay mazàna tsy hita afa-tsy any ambanin’ny tropika.” Ny antony marina mahatonga ireny “aretina hafahafa ireny hiely aoka izany ao amin’ny fitambaran’olona mivady samy lehilahy na samy vehivavy” dia tsy fantatry ny dokotera hatramin’ny ela be. Vao haingana izay dia nanampy ny lisitra ny SIDA (syndrome d’immuno-déficience acquise) izay mamela ny vatana tsy hahay hiady amin’ny homamiadana sy aretina hafa. “Mahafaty ny SIDA, hoy ny filazan’ny Times. Ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy dia mampiseho foana 75 isan-jato amin’ny voan’io aretina io ary ny zava-mahatahotra amin’ny SIDA dia mahazo ny tsirairay avy ao anatin’ny fikambanan’ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy na vehivavy mandry amin’ny vehivavy.” “Manova ny fahazaran’ny tena [izany hoe mampihatra fahalalana onony eo amin’ny lahy sy ny vavy], izany, amin’ny ambangovangony no hany torohevitra mampiseho fahendrena azon’ny manam-pahaizana omena.”

“ Manoro hevitra mafy an’ireo marariko aho mba ho maodimaody aoka izany sy ho malina rehefa hanana firaisana izy, hoy ny nambaran’ny dokotera Dan William izay ny ankamaroan’ny marariny dia lehilahy mandry amin’ny lehilahy. Hazavaiko amin’ireo mpanatona ahy izay fantatry ny epidemiolojista — izany hoe tsy misy zavatra firy. Miaiky be na kely izahay fa mifampiraharaha amin’ny zavatra manan-kery mifindra amin’ny firaisana.”

Ny fitomboana manaitra eo amin’ny isan’ny aretina mifindra amin’ny firaisana dia manazava tsara ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ilazana fa “izay afafin’ny olona no hojinjainy”. Na dia mampangitakitaka tokoa aza izany, ireo izay mandika ny lalan’Andriamanitra momba ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy dia mandray ‘ao amin’ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany’. —Galatiana 6:7, 8; Romana 1:26, 27.

“Jirika masina”

“Toa nofafana haingana ao ambany karipetra ireo fotopoto-pitsipiky ny kristianisma marina rehefa hita ireo minisitra ara-pivavahana amin’ny andro ankehitriny manpandoa vola tsy toko tsy forohana amin’ny fombafombam-pivavahana mahazatra izay nankalazaina maimaimpoana taloha”, hoy ny Echo, fanampin’ny The Natal Witness, gazety iray atsy Afrika atsimo. Ireo pretra any Lesotho, dia “’mivarotra’ ny kaominio masina” ary mampandoa vidiny lehibe koa amin’ireo “rano mitete vitsivitsy amin’ny batemy”, hoy ny nanampin’ilay gazety, izay milaza mazava fa mitana ny sain ny eveka anglikana izany “jirika masina” izany na dia tsy hainy aza ny misakana ny asany.

Tononiny koa ny ohatra “ny amin’ilay “filohan’ny Fiangonana tsy miankina lehibe be mpahalala” izay toa hoe mampandoa 10 rands (600 ariary mahery) noho ny fandraisan-tanana iray monja, ary amin’izao fotoana izao ny zanany dia manangona “vola 5 rands fara fahakeliny hanaovana mariky ny vokovoko na lakroa iray monja soritany amin’ny “vaseline” eo amin’ny endriky ny mpanaraka azy”.

Nahoana ireo ondriny no manaiky izany fanao maloto izany nokendrena hanangonam-bola? “Ny antony lehibe indrindra miteraka izany fitambaran’ny fisehoan’aretin’ny ‘mivavaha dia mandoava’ izany dia hoe raha manohana amim-pahalalahan-tanana ny Eglizy ny olona iray dia hanana zo amin’ny fombafombam-pandevenana mendrika”, hoy ny filazan’ny Echo. Nefa, Kristy izay namela ho an’ireo solontenany, ‘fianarana mba hanarahan’izy ireo ny diany’, dia tsy nampandoa na inona na inona noho ny fanompoana na ny fahagagana nataony (I Petera 2:21). Ary rehefa nanome ny toromariny ho an’ny mpianany izy tamin’ny fanompoana hotontosain’izy ireo amin’ny maha-solontenany, dia nandidy azy ireo toy izao izy: “Efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana.” — Matio 10:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara